2010
Aoka ho Tonga Fianarana ho an’ny Mino Ianao
Nôvambra 2010


Aoka ho Tonga Fianarana ho an’ny Mino Ianao

Te hanasa anareo aho mba ho “tonga … fianarana ho an’ny mino amin’ny finoana [sy] amin’ny fahadiovana.”

Sary
Mary N. Cook

Vao tsy ela akory izay, no teraka tao anatin’ny fianakavianay i Ruby kely. Rehefa nijery ilay endriny mahafatifaty aho, dia nifaly tamin’ny fahalalana fa talohan’ny nahatongavany eto an-tany dia niaina teo anatrehan’ny Raintsika any an-danitra izy. Nanaiky ilay drafitry ny fahasambarany lehibe izy ary nisafidy ny hanaraka Azy sy i Jesoa Kristy, Mpamonjy antsika.1 Noho izany fanapahan-keviny izany, dia nahazo alalana izy ho tonga ety an-tany mba hiaina ny fiainana an-tany ary hivoatra mankany amin’ny fiainana mandrakizay. Niaraka tamin’ny fanahiny nitambatra tamin’ny vatany, dia niditra tao anatin’ilay fotoana fianarana i Ruby izay ahafahany maneho ny maha izy azy, misafidy ny hanaraka an’i Kristy, ary miomana mba ho mendrika ny fiainana mandrakizay.

Madio i Ruby tamin’ny tonga teto an-tany, kanefa araka ny ao anatin’ilay drafitra dia hiatrika fitsapana sy fakam-panahy izy ary hanao fahadisoana ihany koa. Amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy anefa, dia afaka ny ho voavela heloka i Ruby, sy handray ny fahafenoan’ny hafaliana, ary ho madio indray—vonona ny hiaina mandrakizay eo anatrehan’ny Raintsika any an-danitra.

Ora vitsy taorian’ny nahaterahany, dia nanana fahafahana nihazona izany zazakely sarobidy izany teny an-tsandriko aho. Niteny tamin’ny reniny aho hoe, “Mila mampianatra an’i Ruby mba ho vehivavy manan-kasina sy madio ary tsy voavidy vola, tahaka ny anarany ihany isika.”2

Dia namaly ny reniny hoe, “hatomboko androany izany.”

Inona no hataon’ny renin’i Ruby “[hanombohana] izany androany?” ahoana no ahafahantsika ray aman-dreny, raibe sy renibe ary ireo mpitarika hanomboka hitazona ireo zanatsika—tanorantsika—eo amin’ny lalan’ny fiainana mandrakizay? Tsy maintsy “Tonga fianarana ho an’ny mino isika.”3

Ny Mpaminany Brigham Young dia nilaza hoe, “Isika dia tsy tokony hamela ny tenantsika hanao zavatra izay tsy tiantsika hataon’ireo zanatsika. Isika dia tokony hampiseho ohatra izay mba tiantsika halain’izy ireo tahaka.”4 Isika tsirairay avy dia afaka manomboka androany amin’ny alalan’ny fanaovana ohatra tsara.

Anio dia te hanasa anareo aho mba ho “tonga … fianarana ho an’ny mino amin’ny finoana sy fahadiovana”5— fitsipika roa izay takiana ho an’ny famonjena.

Aoka ho tonga fianarana ho an’ny mino ianao amin’ny finoana. Hatanjaho hatrany ny finoanao sy ny fijoroanao ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy izay hanomana anao hijoro ho vavolombelona amin’ny zanakao amin’ny alalan’ny teny sy ny ohatra.

Mamelà ahy hilaza aminareo ny tantaran’ny reny mahafinaritra iray izay ohatry ny finoana ny fiainany. Raha mbola zazalahy kely ny Mpaminany Joseph Smith, dia nandinika sy nianatra momba ny finoana an’Andriamanitra tamin’ny alalan-dreniny Lucy Mack Smith izy. I Lucy dia nitady valiny tamin’ny alalan’ny fandalinana ny soratra masina,6 ary i Joseph koa dia nampihatra izany fomba izany, ka nitodika tany amin’ny Baiboly mba hahazoana fitarihana tahaka ny nataon-dreniny.7

I Lucy koa dia nahavaha ireo olana niseho teo amin’ny fianakaviana tamin’ny alalan’ny fikatsahana manokana ny fanampian’ny Tompo tamin’ny alalan’ny vavaka. Indray andro, rehefa nisy ny fifandirana momba ny resaka fivavahana teo amin’ny fianakaviany, dia nilaza i Lucy hoe “nandeha tany amin’ny ala kely iray nisy ireo hazo serizy dia mahafinaritra izy izay teo akaiky teo ihany ary nivavaka tamin’ny Tompo …”8

Nivavaka tamim-pinoana lehibe koa i Lucy rehefa sendra olana teo amin’ny fahasalamany manokana, tamin’i Joseph saika notapahan-tongotra noho ny aretin-taolana nahazo azy, ary tamin’i Sophronia anabavin’i Joseph, efa saika matin’ny tefoedra. Raha mikasika ny aretin’i Sophronia, dia nanoratra i Lucy hoe, “Nibanjina ny zanako aho … nifandray tanana izahay mivady ary nandohalika teo an-tongom-pandriana ary namboraka ny fahorianay sy ny fitalahoanay tao an-tsofiny izahay.9 Velona soa aman-tsara i Sophronia. Mino aho fa ny zanak’i Lucy dia nahita matetika azy nivavaka tamim-pinoana ka niandrandra sy nahazo valim-bavaka.

I Lucy dia nivavaka tamim-pinoana mba hahazo fitarihana, ary i Joseph koa dia nandeha tany amin’ny ala kely iray izay toerana nivavahany tamim-pinoana, ka niandrandra valiny avy tamin’ny Tompo tahaka ny reniny izy.

Tahaka an’i Lucy, dia tsy maintsy asehontsika ny zanatsika sy ny tanora ny fomba hanamafisan’orina ny finoan’izy ireo sy ny fijoroana ho vavolombelony momba an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fanamafisan’orina ny antsika manokana sy amin’ny alalan’ny fandalinana ny soratra masina ary amin’ny alalan’ny vavaka ataontsika manokana sy miaraka amin’izy ireo koa.

Ankehitriny isika dia tsy tahaka an’i Lucy fa manana zavatra hafa mihoatra noho ny Baiboly. Manana ny soratra masin’ny andro farany isika ary ny tenin’ny mpaminanin’ny andro farany, mba “hitarika antsika”10 any amin’ny lalan’ny fiainana mandrakizay. Ao amin’ny Bokin’i Môrmôna isika dia mianatra momba an’ireo izay teo amin’ny lalana ka “nihazona mafy ny anja-by,”11 izay nampitovy izany tamin’ny “tenin’Andriamanitra.”12 Eto amin’izao tontolo iainantsika izao izay rakotry ny fakam-panahy ankehitriny, dia mety ho sarotra “ny fihazonana mafy”, satria i Satana sy ny fombany feno hafetsifetsena dia misintona antsika hiala amin’ny lalan’Andriamanitra. Raha toa ny tanantsika ilany mihazona ny anja-by ary ilay tanantsika iray hafa any amin’izao tontolo izao, dia apetratsika eo ambavahoanan’ny loza izay hahavery azy ao amin’ilay lalana ny zanatsika sy ny tanora. Raha ohatra ka mampisafotofoto ny saina ny ohatra asehontsika, dia ho very ny “fitokian’ ny zana[tsika] [antsika], noho ny ohatra ratsy [nasehontsika] …” araka ny tenin’i Jakoba.13

Ry ray aman-dreny, ry raibe sy renibe ary ry mpitarika, tsy maintsy mazava tsara ny hafatra ampitainareo. Ny fahazavan’ny hafatra dia tsy miseho raha tsy amin’ny alalan’ny fihazonana ilay anja-by amin’ny tanan-droa ary raha tsy miaina ny fahamarinana hita ao amin’ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminanin’ny andro farany. Mety tsy mitaiza mpaminany tahaka an’i Lucy ianareo, kanefa azo antoka fa mitaiza izay ho mpitarika rahampitso ianareo, ary ny asanareo dia tena misy ifandraisany tsotra izao amin’ny finoan’izy ireo.

Manaraka, aoka ho tonga fianarana ho an’ny mino ianao amin’ny fahadiovana. Ny hany lalana tokana hahafahantsika ho madio dia amin’ny alalan’ny sorompanavotan’ny Mpamonjy antsika. Ho antsika tsirairay avy, ny fizotran’ny hoe mihatonga madio dia manomboka amin’ny finoana, ny fibebahana, ary ny fanekempihavanantsika voalohany dia ny batisa izany.

Mba hanampiana ny zanatsika hanaja ny fanekempihavanan’ny batisa nataony dia nanoro hevitra ny Loholona Robert D. Hales: “Ampianarintsika izy ireo fa rehefa mivoaka avy ao amin’ny ranon’ny batisa izy ireo, dia miala amin’izao tontolo izao ary miditra ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra. Manaiky ny hankatò ny Didiny amin’ny alalan’ny fanekempihavanana …”14

“Ny fanekempihavanana dia manome antsika adidy lehibe tsy maintsy efaina, dia ny hanajantsika ny fanolorantenantsika amin’Andriamanitra. Mba hanajantsika ny fanekempihavanantsika, dia tsy maintsy atsahatsika ireo zavatra fanao na zavatra mahaliana izay manakana antsika tsy hanaja ireo fanekempihavanana ireo.”15

Ny “Ry Tanora Mahereza” dia fitaovana tena tsara afaka manampy ny zatovo hahatakatra izany adidy masin’ny fanaovana fanekempihavanana izany sy hahatakatra ny fitahiana avy amin’ny fahadiovana izay tonga avy amin’ny alalan’ny fitandremana ny fanekempihavanana. Mirakitra ny tenin’ireo mpaminanin’ny andro farany izany—ilay anja-by izay hitarika azy ireo soa aman-tsara eny am-pandehanana amin’ilay lalana ety sy tery, hanafaka azy ireo amin’ny vela-pandriky Satana izay mety hampitaraiky ny fivoarany. Ao amin’io bokikely io, dia ho hitanao koa ireo fitahiana maro avy amin’ny fankatoavana sy ny fikatsahana izay zavatra “mendrika, [sy] maha-te-ho tia.”16

Ry ray aman-dreny, makà tahadikan’ity bokikely ity ho anareo manokana ary vakio matetika izany. Iaino mihitsy aloha ireo fitsipika ireo. Mifanaova resaka tsara momba ny filazantsara amin’ny tanora izay hanampy azy ireo hampivelatra ny fanirian’izy ireo manokana hiaina sy hahita manokana ny dikan’ireo fitsipika ireo sy ny tanjony.

Ireo fitsipika hita ao amin’ireo fizarana mitondra ny lohateny hoe “Fialam-boly sy Haino aman-jery” sy ny “Fomba Fiakanjo ary ny Bika aman’endrika” dia mety ho faran’izay hanahirana satria izy ireo dia manomboka mifanohitra tanteraka amin’ny fitsipika arahan’izao tontolo izao.

Tsy maintsy maodely amin’ny zavatra “mendrika, [sy] maha-te ho tia” isika eo amin’ny fisafidianantsika manokana ny zavatra jerentsika sy ny henointsika. Tsy maintsy maka antoka tsara isika fa ireo zavatra jerentsika sy ny henointsika izay ampidirintsika ao an-tokantranontsika dia tsy hanelingelina ny fahatsapana ny Fanahy Masina, na hanimba ny fifandraisana amin’ny fianakaviantsika sy ny namantsika, na hampiteraka laharam-pahamehan’ny tena manokana izay tsy mifanaraka amin’ny fitsipiky ny filazantsara. Amin’ny alalan’ny ohatra dia afaka manampy ireo zanatsika isika hahatakatra fa ny fandaniana fotoana be loatra amin’ny Internet, na amin’ny endriky ny haino aman-jery hafa amin’ny internet izay ahafahana mifandray sy misintona zavatra, na amin’ny finday, na ny jeux vidéos, na ny fijerena fahitalavitra dia manakana antsika tsy hahavita zavatra maro mitondra soa sy tsy hifandray tsara amin’ny hafa.

Isika koa dia maodely amin’ny zavatra “mendrika, [sy] maha-te ho tia” amin’ny alalan’ny fomba fiakanjo sy ny bika aman’endrika. Amin’ny maha olon’ny fanekempihavanana antsika, dia manana andraikitra isika hikarakara, hiaro, ary hanafy araka ny tokony ho izy ny vatantsika. Tsy maintsy manampy ireo zanatsika sy ny tanora isika hahatakatra fa manaja ny vatantsika toy ny tempoly isika ary toy ny fanomezana avy amin’Andriamanitra.17 Mampiseho ohatra isika amin’ny alalan’ny fandavana ny fifidianana na fanaovana akanjo tsy maotina izay manara-batana, na fohy loatra, na mampiseho ny faritry ny vatana amin’ny fomba hafa.

Ny mpanaja ny fanekempihavanana dia miezaka ny hankatò “amin’ny fotoana rehetra … ary amin’ny toerana rehetra”18 noho ny fitiavan’izy ireo an’Andriamanitra sy ny fitahiana nampanantenainy. Indray hariva, raha nandehandeha niaraka tamin’ny vadiko aho, dia nandalo teo amin’ny fetin’ny fanambadiana iray izay natao tety ivelan’ny trano ary vao nanomboka. Tsy fantatray ireo olona ireo, kanefa dia tsapanay avy hatrany ny fisian’ny fahamasinana. Tena nahafinaritra ny mozika sy ny fitafiana nosafidian’izy ireo. Tena maotina tanteraka ny akanjo mariazin’ilay vehivavy, na ny an’ireo mpanotrona ny mpanambady koa aza. Ity fianakaviana ity dia nifidy ny tsy hampifangaro ny fomban’izao tontolo izao amin’ny fahamasinan’izany andro izany.

Ankehitriny dia te-hiteny zavatra amin’ireo zatovo mahafinaritry ny Fiangonantsika aho. Misaotra anareo amin’ny ohatra tsara asehonareo amin’ny namanareo, ny mpampianatra anareo, ny mpitarika anareo, ary ny fianakavianareo. Fantatro fa maro aminareo no hany mpikamban’ny Fiangonana ao amin’ny fianakavianareo. Mety mandeha miangona irery mihitsy aza ianareo. Midera anareo aho noho ny fanoloran-tenanareo sy ny ohatra tsara asehonareo. Mananà faharetana ary tohizo hatrany ny miaina amim-pahamarinana. Maro ireo afaka manampy anareo. Hoy ny Filoha Thomas S. Monson, “Na dia ny fianakaviana mampiseho ohatra tsara aza … dia afaka mampiasa ireo fanampiana feno fanohanana rehetra azon’izy ireo avy amin’ny lehilahy [sy vehivavy] tsara izay tena mikarakara amin’ny fo.”19

Tadiavo ao amin’ny paroasinareo sy ny tsatòkanareo ireo mpitarika sy namana izay “fianarana ho an’ny mino” ary mianara zavatra avy amin’izy ireo.

Fony aho mbola zatovovavy, dia nahita fianarana ho an’ny mino aho. Ankoatry ny ray aman-dreniko dia nisy an’i Carma Cutler nenitoako. Tadidiko tsara mihitsy ny fandraisany fitenenana nandritra ny Fivoriana Natokana ho an’ny Fitsipika izay natao ny hariva tao amin’ny tsatòka iray fony aho 16 taona. Nampianatra ny maha-zava-dehibe ny fahadiovam-pitondrantena sy ny fahamendrehana hanao fanambadiana mandrakizay izy. Nanohina ahy tokoa ny fijoroany ho vavolombelona. Mbola ankizivavy kely aho dia efa nahita ilay fiainany feno fahamasinana ary fantatro fa nifanaraka tamin’ny fampianarana nozarainy izany. Naniry hanaraka ny ohatra nasehony aho.

Ry zatovolahy sy zatovovavy, afaka “manomboka androany” ianareo mba ho “fianarana ho an’ny mino” amin’ny finoana sy ny fahadiovana. Hatanjaho isan’andro ny finoanareo sy ny fijoroana ho vavolombelonareo amin’ny alalan’ny fandalinana ny soratra masina sy ny vavaka. Hajao ny fanekempihavanan’ny batisa izay hiaro anareo ho madio sy ho mendrika ny hahazo ny fitarihan’ny Fanahy Masina. Azonareo atomboka androany izany hoe mba ho ohatra harahin’ny hafa izany.

Ary iza moa no mahalala—fa mety ianareo no ho ohatra ilain’i Ruby kely indray andro any. Fa amin’izao fotoana izao, dia manomboka tsara ny lalana mankany amin’ny fiainana mandrakizay i Ruby. Ny ray aman-dreniny dia mametraka lamin’ny fahamarinana ao amin’ny tokantranony, ary manomboka ny andro tsirairay amin’ny fahavononana ho fianarana ho an’ny mino. Antenaina fa hisafidy ny hanaraka izany i Ruby, amin’ny alalan’ny fampiasany ny fahafahany misafidy.

Feno fankasitrahana aho noho ny drafitry ny fahasambarana, ary mijoro ho vavolombelona aho fa izany ihany no hany lalana hahafahan’i Ruby sy ny tsirairay amintsika ho lasa madio indray, ary hiaina mandrakizay eo anatrehan’ny Raintsika any an-danitra. Enga anie ka hanomboka androany isika tsirairay. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Hamoaka printy