2010
Nampianatra Antsika Izy Hanaisotra ny Maha-Olona Araka ny Nofo Antsika
Nôvambra 2010


Nampianatra Antsika Izy Hanaisotra ny Maha-Olona Araka ny Nofo Antsika

Mijoro ho vavolombelona aho ny fisian’ny herin’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy izay manadio, manavao, ary manao izay hahatonga antsika sy ny tokantranontsika ho masina.

Elder Juan A. Uceda

Indray maraina, dia niangona ny fianakaviana iray mba handalina ny soratra masina miaraka toy ny mahazatra. Rehefa nanomboka izy ireo, dia nanana fahatsapana hafahafa ilay ray: toa tsy dia faly loatra handray anjara amin’izany ny olona sasany ao amin’ny fianakaviana. Nanao vavaky ny mpianakavy izy ireo, ary rehefa nanomboka namaky ny soratra masina, dia tsikaritr’ilay raim-pianakaviana fa ny iray tamin’ireo ankizy dia tsy nitondra ny soratra masiny manokana niaraka taminy. Nasainy nankany amin’ny efitranony ilay zaza mba haka ny soratra masina. Nanaiky tsy sazoka izy ary taorian’ny fotoana tena naharitra tokoa dia niverina izy, nipetraka ary nilaza hoe: “Tsy maintsy manao an’izao foana ve isika e?”

Nieritreritra ilay raim-pianakaviana fa mitady hiteraka olana ilay fahavalon’ny fahamarinana mba tsy hahafahan’izy ireo mandalina ny soratra masina. Dia hoy ilay raim-pianakaviana niezaka ny ho tony hoe: “ie, tsy maintsy manao izany isika izao; satria izany no tian’ny Tompo ataontsika.”

Dia namaly izy nanao hoe, “Tsy te hanao izany aho izao ka!”

Tsy nanam-paharetana ity raim-pianakaviana, ka dia nampiaka-peo hoe: “Tokantranoko ity ary tsy maintsy mamaky ny soratra masina foana rehefa ato an-tokantranoko!”

Nandratra ny fon’ity zanakavaviny nitazona soratra masina teny an-tanany ny fitrerony, niala teo amin’ny faribolan’ny fianakaviana izy, nihazakazaka tany amin’ny efitranony, ary nanakaratoka ny varavarana. Izay no namarana ny fandalinana ny soratra masin’ny fianakaviana—tsy nisy firaisana ampo sy fitiavana tao an-trano.

Nahatsapa ny hadisoany ilay raim-pianakaviana, ka nandeha tany amin’ny efitranony ary dia nandohalika nivavaka. Nitalaho tamin’ny Tompo nitady fanampiana izy, tamin’ny fahafantarana fa nandratra ny iray tamin’ireo zanany, zanakavavy izay tena tiany tokoa. Nangataka tamin’ny Tompo izy hamerina amin’ny laoniny ny fanahin’ny fitiavana sy firaisana ampo ao an-tokantrano ary mba hahafahan’izy ireo indray miverina mandalina ny soratra masina eo anivon’ny fianakaviana. Raha mbola nivavaka izy, dia nisy hevitra tonga tao an-tsainy: “Mandehana ary manaova ‘Azafady’.” Nivavaka hatrany izy, nangataka ny fanahin’ny Tompo hiverina ao an-tokantranony. Dia tonga indray ilay hevitra nanao hoe: “Mandehana ary manaova ‘Azafady’.”

Te-ho ray mendrika izy ary te-hanao zavatra tsara, ka dia nitsangana izy ary nandeha tany amin’ny efiranon’ny zanakavaviny. Nandondona moramora teo amin’ny varavarana im-betsaka izy ary tsy nisy namaly mihitsy. Ary dia nosokafany moramora ny varavarana ary indro hitany nisefosefo sy nitomany teo ampandriany ilay zanany vavy. Nandohalika teo akaikiny ity rainy ary nibitsika malemy sady moramora nanao hoe: “Azafady. Miala tsiny aho tamin’ny zavatra nataoko.” Naveriny indray, “Azafady, tiako ianao, ary tsy te-handratra ny fonao aho.” Ary avy eo teo amin’ny vavan’ny zazakely no tonga ny lesona tian’ny Tompo ampianarina azy.

Tsy nitomany intsony izy ary taorian’ny fahanginana fohy, dia noraisiny ny soratra masina teny an-tanany ary nanomboka namadibadika nijery andininy izy. Nobanjin’ity raim-pianakaviana ilay tanana kely tsy manan-tsiny namadibadika ny pejin’ny soratra masina tsirairay. Tonga teo amin’ny andininy izay notadiaviny izy ary nanomboka namaky tsimoramora sady miadana tamin’ny feo malemy izy, “Fa ny olona araka ny nofo dia fahavalon’ Andriamanitra, ary efa toy izany hatramin’ ny fahalavoan’ i Adama ary mbola ho toy izany mandrakizay mandrakizay raha tsy [raha tsy … raha tsy] manaiky ny fitaoman’ ny Fanahy Masina izy ary manaisotra ny maha olona araka ny nofo azy sy tonga olomasina amin’ ny alalan’ ny sorompanavotan’ i Kristy Tompo, ary tonga tahaka ny ankizy, mankatò, malemy paika, manetry tena, miaritra, feno fitiavana, vonona hanoa amin’ ny zava-drehetra izay hitan’ ny Tompo fa mety ampitondraina azy, dia tahaka ny zaza manoa an-drainy.”1

Raha mbola nandohalika teo an-tongom-pandrianany izy, dia nandrakotra azy ny fanetren-tena ary hoy izy tany an-tsaina “Nosoratana ho ahy izany soratra masina izany. Nampianatra ahy lesona lehibe izy.”

Ary avy eo dia nijery an-drainy ilay zazavavy ary niteny hoe, “Azafady. azafady dada a!”

Tamin’izay fotoana izay indrindra no tsapan-drainy fa tsy novakian’ity zazavavy izany andininy izany ho an’ity rainy fa novakiany kosa hampiariny amin’ny tenany. Nosokafan’ity rainy ny sandriny ary nifamihina izy ireo. Niverina tamin’ny laoniny ny fitiavana sy firaisana ampo tamin’izany fotoana mamin’ny fifamelana teraka avy tamin’ny tenin’Andriamanitra sy ny Fanahy Masina izany. Izany soratra masina izany, izay tsaroan’ity zanakavaviny ity vokatry ny fandalinana soratra masina ho an’ny tenany manokana, dia nahakasika ny fony tamin’ny alalan’ny afon’ny Fanahy Masina.

Ry rahalahy, ny tokantranontsika dia toerana izay hipetrahan’ny Fanahy Masina. “Ny tokantrano ihany no azo oharina amin’ny tempoly raha eo amin’ny fahamasinana.”2 Tsy misy toerana ho an’ny olona araka ny nofo ao amin’ny tokantranontsika. Ny olona araka ny nofo dia miezaka ny “… hanafina ny fahota[ny], na hampanarana ny fiavonavona[ny], ny hambopo[ny] poaka aty, na ny hampiasa fifehezana na fanjakazakana na fanerena amin’ ny fanahin’ ny zanak’ olombelona, ary rehefa manao izany izy] na manao ahoana na manao ahoana ampahan’ ny tsy fahamarinana amin’ izany, dia indro, misintona ny lanitra; malahelo ny Fanahin’ ny Tompo; ary rehefa misintona izany, dia Amena ho an’ ny fisoronana na ny fahefan’ izany lehilahy izany.”3

Isika izay mihazona ny Fisoronana Melkizedeka na Aharôna dia tokony hahatsiaro mandrakariva fa “Tsy misy hery na fitaomana azo na tokony hotanana amin’ ny alalan’ ny fisoronana raha tsy amin’ ny fandresen-dahatra, ny fahari-po, ny hatsaram-panahy sy ny hamoram-po ary ny fitiavana tsy mihatsaravelatsihy. Amin’ ny halemem-panahy sy ny fahalalana madio izay mampivoatra fatratra tokoa ny fanahy, tsy misy fihatsarambelatsihy sy tsy misy fitaka.”4

Miala ny tokantranontsika sy ny fiainantsika ny fifandirana rehefa miezaka ny hiaina ny toetra tahaka ny an’i Kristy isika. “Ary ianareo samy ianareo koa dia hifamela ny fahadisoanareo; fa lazaiko aminareo marina tokoa, izay tsy mamela ny fahadisoan’ ny namany raha milaza izy fa mibebaka, dia izy no efa mametraka ny tenany eo ambany fanamelohana.”5 “Azafady. azafady dada a!”

Ny Tompo Jesoa Kristy, izay Andrian’ny Fiadanana, dia mampianatra antsika ny hanorenana fandriampahalemana ao an-tokantranontsika.

Mampianatra antsika Izy mba hanetry tena, na amin’ny teny hafa hoe manaiky ny sitrapo na ny herin’ny Tompo. “Mandehana ary manaova ‘Azafady.’”

Mampianatra antsika izy mba ho malemy paika, na amin’ny teny hafa dia mba ho “tsy ho mora tezitra; malefaka; tsy mora hantsina na misendaotra; mora hihavanana; maneho faharetana rehefa tafintohina tamin’ny zavatra nataon’ny hafa.”6

Mampianatra antsika mba hanetry tena Izy, na amin’ny teny hafa “tsy miavona, maontina, malemy fanahy, mora manaiky; izay mifanohitra amin’ny fieboeboana, fanambonian-tena, fianjonanjonana, na filazana tsy marina.7

“Azafady. Miala tsiny aho tamin’ny zavatra nataoko.”

Mampianatra antsika Izy hanana faharetana, na amin’ny teny hafa, “Manana ny toetra miaritra ny ratsy sady tsy mimenomenona no tsy mora tezitra” na “tony hatrany mandritra ny fotoana mandratra fo na amin’ny fanafintohinana.”8

Nampianatra antsika Izy mba ho hipoky ny fitiavana. “Tiako ianao, ary tsy te-handratra ny fonao aho.”

Marina izany, ry rahalahy malala, nampianatra antsika Izy hanaisotra ny maha-olona araka ny nofo Antsika, tahaka ilay raim-pianakaviana ao amin’ity tantara ity izay nitalaho fanampiana tamin’ny Tompo. Marina tokoa, tahaka ilay raim-pianakaviana namihina ny zanakavaviny teo amin’ny sandrim-pitiavany, tahaka izany ihany koa no ataon’ny Mpamonjy izay manolotra ny tanany hamihina antsika mandritra ny fotoana hibebahantsika marina.

Mampianatra antsika Izy mba ho masina amin’ny alalan’ny sorompanavotan’i Kristy Tompo. Ary avy eo isika dia hihavana amin’Andriamanitra ary dia ho lasa naman’Andriamanitra. Mijoro ho vavolombelona aho ny fisian’ny herin’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy izay manadio, manavao, ary manao izay hahatonga antsika sy ny tokantranontsika ho masina, rehefa miezaka isika manaisotra ny maha-olona araka ny nofo antsika sy manaraka Azy.

Izy no “Zanakondrin’Andriamanitra,”9 Izy no “Ilay Masina sy Marina,”10 “ary ny Anarany atao hoe Mahagaga, Mpanolo-tsaina, Andriamanitra Mahery, ilay Ray Mandrakizay, ilay Andrian’ny Fiadanana.”11 Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, Amena.