2010
Misia ny Mazava!
Nôvambra 2010


Misia ny Mazava!

Eo amin’izao tontolontsika tsy mitsahatra ny miharatsy izao dia tena ilaina ny fampidirana ny soatoavina, izay mifototra amin’ny finoana ara-pivavahana, ho ao anatin’ny resaka atao am-pahibemaso.

Sary
Elder Quentin L. Cook

Nankalaza ny fitsingerenan’ny andro nahaterahana aho tamin’ny volana lasa. Ho fanomezana tamin’izany, i Mary vadiko dia nanome ahy kapila mangirana misy hira mifono fanantenana sy finoana nataon’ny mpihira malaza Britanika iray dia i Vera Lynn izay nitaona fanahy ny mpihaino azy nandritra ny andro mahorin’ny Ady Lehibe Faharoa.

Misy antony manokana ny nanoloran’ny vadiko ahy izany fanomezana izany. Ny fandatsahana baomba tao Londres tamin’ny Septambra 1940 dia nanomboka ny andro talohan’ny nahaterahako.1 Nanapa-kevitra ny reniko fa ampitondrainy ny anaran’ny mpanolotra tao amin’ny radio aho, izay Quentin no anarany, raha nihaino ny fitantarana ny fandarofana baomba an’i Londres izy tao amin’ny efitranon’ny hôpitaly nisy azy.

Ankehitriny dia 93 taona ilay mpahaifeo, Vera Lynn. Naverina navoaka indray ny sasantsany tamin’ireo hirany nandritra izany ady izany tamin’ny taona lasa ary avy hatrany dia nitarika ny laharana voalohany teo amin’ny hira malaza indrindra tany amin’ny Firenena Britanika. Ianareo izay efa zokinjokiny dia hahatsiaro ireo hira sasany toy ny “The White Cliffs of Dover.”

Nahakasika lalina ny foko ny hira iray mitondra ny lohateny hoe “When the Lights Go on Again All over the World” (Rehefa Miverina Mazava Indray Manerana Izao Tontolo Izao). Nitondra eritreritra roa tao an-tsaiko izany hira izany—voalohany, ilay teny mifono faminaniana nambaran’ny olom-panjakana Britanika iray manao hoe: “Mihamaizina ny jiro manerana an’i Eoropa manontolo. Tsy hahita izany hirehitra isika mandritry ny androntsika”;2 ary faharoa, ny fandatsahana baomba tamin’ny tanana Britanika toy ny tao Londres. Natao izay nahamaizina tanteraka ny tanàna mba hampanahirana ireo mpandatsaka baomba tsy hahitany ny toeran-kinendriny. Novonoina daholo ny jiro rehetra ary norakofana lamba matroka ny varavarankely.

Naneho fanantenana ho amin’ny tsara ilay hira hoe hiverina indray ny fahafahana sy ny hazavana. Ho antsika izay mahatakatra ny anjara asan’ny Mpamonjy sy ny Fahazavan’i Kristy3 eo anatrehan’ny fifanoherana tsy misy farany eo amin’ny tsara sy ny ratsy, dia mazava ny fifanahana amin’ny ady lehibe sy ny fifanoherana ara-pahadiovam-pitondrantena misy ankehitriny. Amin’ny alalan’ny fahazavan’i Kristy no “hahazoan[’ny zanak’olombelona rehetra] manavaka ny tsara amin’ ny ratsy.”4

Tsy mora hatrany ny mahazo na mihazona ny fahafahana sy ny hazavana. Hatramin’ny fiantombohan’ny ady tany an-danitra dia nampiasa ny fomba rehetra ny herin’ny ratsy mba hamotehina ny fahafahana misafidy sy hanakona ilay hazavana. Tsy mbola nahery vaika toa izao ny famotehana ny fitsipika tsara ara-pahadiovam-pitondrantena sy ny fahafahana mivavaka malalaka.

Amin’ny maha-Olomasin’ny Andro Farany antsika dia mila manao ny tsara indrindra isika mba hihazonana ny hazavana ary hiarovana ny fianakaviantsika sy ny fiaraha-monina misy antsika amin’ny famotehana ny toe-tsaina ara-pahadiovam-pitondrantena sy ny fahafahana mivavaka malalaka.

Fiarovana ny Fianakaviana

Loza mitatao tsy tapaka ho an’ny fianakaviana ny fanafihana ataon’ny herin’ny ratsy izay toa mipoitra avy amin’ny lafiny maro. Na dia eo aza ny ezaka ataontsika amin’ny tokony hikatsahana fahazavana sy fahamarinana dia mety ho fahendrena ihany koa ny famonoana ny jiro mba hiarovana ny tokantranontsika tsy ho hitan’ny faharatsiana eto amin’izao tontolo izao izay toa baomba mahafaty izay manimba ny fitomboana sy fandrosoana ara-panahy. Ny pôrnôgrafia, indrindra indrindra, dia fitaovam-piadiana mahery vaika famotehana ny fahadiovam-pitondranten’ny daholobe. Ny fiantraikany dia isan’ny lohalaharana amin’ny fanimbana ny soatoavina ara-pahadiovam-pitondrantena. Ireo fandaharana sasany amin’ny fahitalavitra sy amin’ny tranonkalan’ny Internet dia mahafaty tahak’izany ihany koa. Manaisotra ny fahazavana sy ny fanantenana eto amin’izao tontolo izao ireo herin’ny ratsy ireo. Mihafaingana aok’izany ny tahan’ny fahapotehina ara-toe-tsaina amin’ny fahadiovam-pitondrantena.5 Raha toa ka tsy miaro ny tokantranontsika sy ny fiainantsika amin’ny ratsy isika dia aza gaga raha toa ka mamotika ny fiadanana izay valisoa amin’ny fiainana amim-pahamarinana ny fahapotehina ara-pahadiovam-pitondrantena. Ny andraikitsika dia ny ho eto amin’izao tontolo izao fa tsy hiaina arak’izao tontolo izao.

Ho fanampin’izany dia mila mampitombo tokoa ny fankatoavana sy fahatokiana amin’ny finoana ao an-tokantrano isika. Manan-danja indrindra ny fanaovana takarivan’ny mpianakavy isan-kerinandro, ny vavaka hiarahan’ny fianakaviana sy ny fandalinana soratra masina miaraka amin’ny fianakaviana atao isan’andro. Ilaintsika ampidirina ao an-tokantranontsika ireo zavatra avy amin’ny seraseram-pifandraisana izay “mendrika, maha-te ho tia, tsara na mendri-piderana.”6 Raha toa ka manao ny tokantranontsika ho toerana masina izay fialofana amin’ny ratsy isika dia ho voaro amin’ireo voka-dratsy izay efa nambaran’ny soratra masina mialoha.

Fiarovana ny Fiarahamonina

Ho fanampin’ny fiarovana ny fianakaviantsika manokana dia tokony ho loharanom-pahazavana eo amin’ny fiarovana ny fiaraha-monina misy antsika koa isika. Hoy ny Tompo hoe: “Aoka hazava eo imason’ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra.”7

Nofaritana ho toy ny “fotoana ny fahafenoana sy vanimpotoan’ny fisalasalana” izao androntsika izao.8 Tsy vitan’ny hametrahana fisalasalana fotsiny ny finoana fototra mahakasika ny hery sy ny fahefan’Andriamanitra fa tena haratsiana mihitsy. Ahoana no fomba hahafahantsika manome laka ireo soatoavina eo anatrehan’ireo toe-javatra ireo mba hanakoako amin’ireo tsy mpino sy ireo malemy izany ary hanampy amin’ny fampihenana ny hafaingan’ny fikorisan’ny herisetra sy ny faharatsiana?

Manana ny lanjany goavana tokoa izany fanontaniana izany. Alaivo sary an-tsaina anie ny mpaminany Môrmôna sy ny fahoriany rehefa nilaza izy hoe: “Akory izato nahafahanareo nitsipaka Ilay Jesoa izay nijoro, namelatra ny sandriny mba handray anareo iky!”9 Nitombina ny fahorian’i Môrmôna ary i Môrônia zananilahy no tafajanona teo hamaritra “ny tantara mampalahelo momba ny famongorana ny vahoaka[ny].”10

Nahatonga ahy hanana fanantenana ho amin’ny tsara ny zavatra niainako sy ny fifandraisako tamin’ny olona manerana an’izao tontolo izao. Mino aho fa ny fahazavana sy ny fahamarinana dia ho voaro amin’izao androntsika izao. Maro ireo mitsaoka an’Andriamanitra any amin’ny firenena rehetra ary mahatsapa ho tompon’andraikitra eo Anoloany amin’ny fitondrantenan’izy ireo. Maro ireo mpandinika no mino fa misy fientanana ara-pinoana manerantany amin’izao fotoana izao.11 Amin’ny maha-mpitondra eto amin’ny Fiangonana dia nihaona tamin’ny mpitondra eo amin’ny finoana hafa izahay ary nahatsikaritra fa misy fototra ara-pahadiovam-pitondrantena iombonana izay maharesy ny fahasamihafana ara-pinoana ary mampiray hina antsika amin’izy ireo eo amin’ny faniriana hanana fiaraha-monina tsara kokoa.

Hitanay ihany koa fa ny ankamaroan’ny olona dia mbola fatra-panaja ny soatoavina fototry ny fahadiovam-pitondrantena. Kanefa aoka tsy ho diso hevitra koa: fa misy ihany koa ireo olona izay tena tapa-kevitra ny hamotika ny finoana sy handà ny fisarihana ateraky ny finoana eo amin’ny fiaraha-monina. Misy olon-dratsy hafa izay manararaotra, misintona, ary mamotika ny fiaraha-monina amin’ny zava-maha-domelina, ny pôrnôgrafia, ny fanararaotana ara-pananahana, ny fivarotana olona, ny fandrobana ary ireo raharaham-barotra feno fisolokiana. Ny hery sy ny fisarihan’ireny olona ireny dia mivelatra tokoa na dia azo lazaina hoe vitsy an’isa aza izy ireo.

Efa nisy hatrany ny fifanoherana teo amin’ireo olon’ny finoana sy ireo mpanilika ny finoana sy an’Andriamanitra hiala amin’ny fiainan’ny vahoaka.12 Maro ireo mpitondra to-teny ankehitriny no mandà ny fomba fijery ara-pahadiovam-pitondrantena eto amin’izao tontolo izao izay mifototra amin’ny soatoavina hita ao amin’ny Jodaisma-Kristiana. Araky ny fomba fijerin’izy ireo dia tsy misy izany lamina ara-pahadiovam-pitondrantena tena izy izany.13 Mino izy ireo fa tsy tokony asiana fitongilalana amin’ny tanjona ara-pahadiovam-pitondrantena.14

Na dia izany aza anefa dia maniry ny ho tonga tsara sy mendrika kokoa ny ankamaroan’ny olona. Ny Fahazavan’i Kristy, izay miavaka amin’ny Fanahy Masina, no manitikitika ny feon’ny fieritreretany. Fantatsika araky ny voalazan’ny soratra masina fa ny Fahazavan’i Kristy dia “ny Fanahy [izay] manome fahazavana ho an’ny olona rehetra izay tonga eo amin’ izao tontolo izao.”15 Nomena io fahazavana io “noho ny amin’ izao tontolo izao iray manontolo.”16 Nampianatra ny Filoha Boyd K. Packer fa izany dia “loharanon’ny fitaomam-panahy izay hiarahantsika tsirairay avy manana miaraka amin’ireo olona hafa amin’ny fianakavian’ny zanak’olombelona rehetra.”17 Noho izany no antony haneken’ny maro ny soatoavina ara-pahadiovam-pitondrantena, eny fa na dia mifototra amin’ny faharesen-dahatra ara-pinoana izay tsy hoeken’ny tenany manokana aza izany. Araky ny voalaza ao amin’i Môsià ao amin’ny Bokin’i Môrmôna hoe: “Ankehitriny dia tsy fahita izany feon’ ny vahoaka maniry zavatra mifanohitra amin’ izay rariny izany; fa matetika dia ny ampahany vitsy an’ isa amin’ ny vahoaka no maniry izay tsy rariny.” Nampitandrina i Môsià avy eo hoe “raha avy ny fotoana izay ifidianan’ ny feon’ ny vahoaka ny heloka, dia izany no fotoana hahatongavan’ ny famalian’ Andriamanitra aminareo.”18

Eo amin’izao tontolontsika tsy mitsahatra ny miharatsy izao dia tena ilaina ny fampidirana ny soatoavina, izay mifototra amin’ny finoana ara-pivavahana, ao anatin’ny resaka atao am-pahibemaso. Ny fomba fijery ara-pahadiovam-pitondrantena izay mifototra amin’ny feon’ny fieritreretana mahakasika ny finoana dia tokony omena fahalalahana hodinihana mandritra ny fifandresen-dahatra am-pahibemaso. Tafiditra amin’ny lalàm-panorenan’ny ankamaroan’ny firenena fa tsy tokony hisy fitongilanana amin’ny feon’ny fieritreretana mahakasika ny finoana iray kanefa koa tsy tokony ho ahilika izany.19

Ny finoana ara-pivavahana no loharanon’ny fahazavana, sy fahalalana, ary fahendrena izay mitondra tombontsoa ho an’ny fiaraha-monina amin’ny fomba miavaka rehefa manolo-tena hiaina ny fitondran-tena marina izay mpivavaka ao aminy satria mahatsapa ny maha-tompon’andraikitra azy ireo eo anoloan’Andriamanitra izy ireo.20

Misy fitsipika ara-pinoana roa maneho izany tsara.

Fitondrantena Marina Vokatry ny fahatsiarovan-tena ho Tompon’Andraikitra eo anatrehan’Andriamanitra

Ny fanekem-pinoana faha-13 dia manomboka amin’ny hoe: “Mino isika fa tokony ho marina.” Ny fahamarinan-toetra dia fitsipika mifototra amin’ny faheresen-dahatra ara-pinoana ary iray amin’ireo lalàna fototr’Andriamanitra.

Taona maro lasa izay fony aho mbola mpanao lalàna tany Californie, dia nisy namana sady mpividy iray izay tsy mpikamban’ny Fiangonantsika tonga nanatona ahy ary tamim-pientanentanana tokoa no nampisehoany ny taratasy iray izay voarainy avy tamin’ny evekan’ny Olomasin’ny Andro Farany iray izay amin’ny paroasy akaiky azy. Nilaza ny eveka fa ity lehilahy ity, izay mpiasan’ilay namako teo aloha, dia naka fitaovana tao amin’ny toeram-piasan’ilay mpila raharaha amiko ary nanamarin-tena fa zavatra mihoatra izany. Kanefa taorian’ny nanolorany tena amin’ny maha-Olomasin’ny Andro Farany azy sy ny fiezahany hanaraka an’i Jesoa Kristy dia niaiky ilay mpiasa fa tsy fahamarinan-toetra ny zavatra nataony. Niaraka tamin’ilay taratasy ny sandam-bola saran’ilay fitaovana niaraka tamin’ny zana-bola ihany koa. Talanjona ilay namako raha nahita fa ny Fiangonana dia nanampy ity lehilahy ity hanatona an’Andriamanitra amin’ny alalan’ny mpitarika ao aminy.

Eritrereto ireo fahazavana sy fahamarinana izay hananan’ny finoana Jodaisma-Kristianina eo amin’ireo hasin’ny fahamarinan-toetra iaraha-manana. Eritrereto ny fiantraikany eo amin’ny fiaraha-monina raha toa ka tsy mangala-tahaka ny ankizy any am-pianarana, marin-toetra ny olon-dehibe any amin’ny toeram-piasany ary mahatoky amin’ny vadiny sy ny fifanekeny ara-panambadiana. Ho antsika dia mifototra amin’ny fiainana sy ny fampianaran’ny Mpamonjy ny fanehoana ny fahamarinan-toetra fototra. Ny fahamarinan-toetra koa dia toetra manan-kaja hita amin’ireo finoana hafa maro sy teo amin’ny tantaran’ny literatiora. Ilay mpahay tononkalo, Robert Burns, dia nilaza hoe: “Ny lehilahy marin-toetra iray no asa feno voninahitra indrindra nataon’Andriamanitra.”21 Saika amin’ny fotoana rehetra ny olon’ny finoana dia mahatsapa ho tompon’andraikitra eo anoloan’Andriamanitra mahakasika ny fahamarinan-toetra. Izany no antony nibebahan’ilay lehilahy tany Californie noho ny zavatra nataony teo aloha.

Nandritry ny lahateny fanombohan’ny taom-pianarana tamin’ny taona lasa, i Clayton Christensen, izay mpampianatra ao Harvard ary mpitarika ato amin’ny Fiangonana, dia nizara tantara marina iray mahakasika ny mpiara-miasa sy ny namany iray avy amin’ny firenena hafa izay nianatra mikasika ny demôkrasia taty Etazonia. Ity namana ity dia gaga tamin’ny fahitana fa zava-dehibe eo amin’ny demôkrasia tokoa ny fivavahana. Nanamarika izy fa eo amin’ireo fiaraha-monina izay nampianatra, dieny mbola kely, ireo olom-pirenena ho tompon’andraikitra eo anoloan’Andriamanitra mahakasika ny fahamarinan-toetra sy ny tsy fivadiham-pitokiana, dia hanaraka ny fitsipika sy ny fomba fiainana izay hamporisika ny fiainana ny demôkrasia izy ireo na dia tsy an-tery aza izany. Eo amin’ireo fiaraha-monina izay tsy ahitana izany kosa dia tsy ampy ny isan’ireo mpitandro ny filaminana mba hanerena ny olona hanana fitondrantena marina.22

Hita taratra mazava fa mitana anjara toerana lehibe eo amin’ny fametrahana ny hazavana sy ny fahamarinana ary amin’ny fampivoarana ny fiaraha-monina ny soatoavina ara-pahadiovam-pitondrantena izay manaraka ny fahamarinan-toetra ary tokony omen’ireo olona manam-pinoana an’i Jesoa Kristy lanja.

Fandraisana am-pitiavana ireo Zanak’Andriamanitra Rehetra ho Rahalahy sy Rahavavy

Ny ohatra faharoa izay maneho ny fomba hitondran’ny finoana tombontsoa ho an’ny fiaraha-monina sy hitondrany fahazavana eto amin’izao tontolo izao dia ny anjara toeran’ny finoana amin’ny fandraisana am-pitiavana ireo zanak’Andriamanitra rehetra amin’ny maha rahalahy sy rahavavy azy ireo.

Maro ireo fikambanana ara-pivavahana no isan’ny lohalaharana nandritra ny taonjato roa farany, amin’ny fanampiana sy fanavotana ireo olona izay hiharan’ny toe-javatra mifono herisetra satria mino izy ireo fa ny olombelona rehetra dia noforonina araka ny endrik’Andriamanitra.23 I William Wilberforce, izay mpitondra fanjakana malaza britanika, izay fitaovana nanajanonana ny fivarotan’andevo teo amin’ny Firenana Britanika, dia ohatra lehibe.24 Ilay hira mahakasika fo, mitondra ny lohateny hoe “Amazing Grace” (Famindrampo Mahagaga), sy ny horonantsary izay mitondra izany lohateny izany koa dia maneho ny fahatsapana nisy nandritra ny voalohandohan’ny taona 1800 ary maneho ny tantaran’ny ezaka feno herim-po nataony. Ny ezaka tsy nitambo hasasarana nasehon’i Wilberforce dia isan’ny dingana voalohany tamin’ny fanafoanana ity fomba fiaina maharikoriko, manandevo, feno herisetra, ary miteraka kolikoly ity. Ampahany tamin’izany ezaka izany ny fijoroany niaraka tamin’ireo mpitondra hafa, ny amin’ny hitondrana fiovana eo amin’ny fitondrantenan’ny olon-drehetra. Nino izy fa ny fianarana sy ny governemanta dia tokony hifototra amin’ny fahadiovana ara-pitondrantena.25 “Ny vina nananany mikasika ny fihatsarana ara-pitondrantena sy ara-panahy dia niainany, na teo amin’ny fiarovana ny lalàna ara-panambadiana izany, na teo amin’ny fiarovana ny tsy hisian’ny fivarotana andevo intsony na tamin’ny fiarovana manetriketrika ny hitandroana ny andro Sabata.”26 Tamin-kery lehibe tokoa no nanampiany tamin’ny fanetsiketsehana ireo mpitondra ara-tsôsialy sy ara-môraly manerana ny firenena manontolo manoloana ny ady nanenika ny firenana hanoherana ny faharatsian-toetra.27

Teo amin’ny tantaran’ny Fiangonantsika teny am-piandohana dia nandà ny fanandevozana ny ankamaroan’ny mpikamban’ny Fiangonantsika.28 Izany no antony nanan-danja, miaraka tamin’ny finoan’izy ireo, nahatonga ny fankahalana sy ny herisetra nihatra sy niainan’izy ireo izay niafara tamin’ny famoahana baiko fandringanana navoakan’ny Governora Boggs tao Missouri.29 Tamin’ny 1833 dia nandray fanambarana milaza toy izao i Joseph Smith: “Koa tsy rariny ny fisian’ ny olona andevozin’ ny olona hafa.”30 Ny fanoloran-tenantsika amin’ny fahafahana hivavaka malalaka sy ny fandraisana am-pitiavana ny olona rehetra amin’ny maha-zanakalahy sy zanakavavin’Andriamanitra azy dia ivon’ny fotopampianarantsika.

Ohatra roa monja amin’ny fomba hanohanan’ny soatoavina mifototra amin’ny finoana ireo fitsipika izay mitondra tombontsoa lehibe eo amin’ny fiaraha-monina ireo. Mbola misy maro hafa. Tokony sady handray anjara isika no hanohana ireo olona marina amin’ny fanampiana ny famerenana ny soatoavina ara-pitondrantena mba hitahiana ny fiaraha-monina iray manontolo.

Tiako ho mazava tsara ny fiteniko fa ilaina ho re eny amin’ny kabary am-pahibemaso ny feon’ny rehetra. Tsy tokony hampanginina na ny feo entin’ireo mpitondra fivavahana na ny entin’ireo tsy mpino. Etsy andanin’izany dia tsy tokony hanantena isika fa satria mifototra amin’ny fitsipika ara-pivavahana ny fomba fijerintsika dia ho ekena na ho arahina ho azy izany. Kanefa mazava tsara koa fa izany fomba fijery sy soatoavina izany dia tokony hotombatombanana araky ny tombontsoa entiny.

Ny fototra ara-pahadiovam-pitondrantenan’ny fotopampianarana iainantsika dia afaka ho tonga ohatra eto amin’izao tontolo izao ary afaka ny ho hery mampiray eo amin’ny lafiny ara-pitondrantena sy eo amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy. Mila miaro ny fianakaviantsika isika ary mitoetra ho lohalaharana miaraka amin’ny olon-drehetra izay manam-paniriana ny hanao ny tsara amin’ny fanaovana ny zava-drehetra azontsika atao mba hihazonana ny fahazavana, ny fanantenana ary ny fahadiovana ara-pitondrantena eo amin’ny fiaraha-monintsika.

Raha toa ka sady miaina no mitory ireo fitsipika ireo isika dia hanara-dia an’i Jesoa Kristy izay fahazavana marin’izao tontolo izao. Afaka ny ho tonga hery ho amin’ny fahamarinana amin’ny fanomanana ny Fiavian’ny Tompo sy Mpamonjy, Jesoa Kristy Fanindroany isika. Miandrandra izany andro mahafinaritra izany isika rehefa “hihira ny olon’afaka rehetra rehefa miverina mazava indray manerana izao tontolo izao.”31 Amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Jereo ny Richard Hough sy Denis Richards, The Battle of Britain: The Greatest Air Battle of World War II (1989), 264.

  2. Voalaza ho nosoratan’i Sir Edward Grey Jereo ny “When the Lights Go On Again (All over the World),” wikipedia.org.

  3. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:11–13. Ny fahazavan’i Kristy dia “fahazavana izay ao amin’ny zava-drehetra, izay manome aina ny zava-drehetra, dia lalàna izay itondrana ny zava-drehetra” (andininy 13). Ho fahatakarana feno ny Fahazavan’i Kristy sy ny fahasamihafan’ny Fahazavan’i Kristy amin’ny Fanahy Masina, jereo ny Boyd K. Packer, “The Light of Christ,” Liahona, Apr. 2005, 8–14.

  4. Môrônia 7:19.

  5. Jereo ny Jacques Barzun, From Dawn to Decadence: 500 Years of Western Cultural Life (2000), 798.

  6. Fanekem-pinoana 1:13.

  7. Matio 5:16.

  8. Roger B. Porter, “Seek Ye First the Kingdom of God” (lahateny natao tao amin’ny paroasin’ny Oniversiten’ny Cambridge, Tsatokan’ny Cambridge Massachusetts, 13 Sept. 2009).

  9. Môrmôna 6:17.

  10. Môrmôna 8:3.

  11. Jereo ny John Micklethwait sy Adrian Wooldridge, God Is Back: How the Global Revival of Faith Is Changing the World (2009).

  12. Jereo ny Diana Butler Bass, “Peace, Love and Understanding” (review of God Is Back, by John Micklethwait and Adrian Wooldridge), Washington Post National Weekly Edition, 27 Jol.—2 Aog. 2, 2009, 39.

  13. Jereo ny David D. Kirkpatrick, “The Right Hand of the Fathers,” New York Times Magazine, 20 Des. 2009, 27.

  14. Jereo ny Kirkpatrick, “The Right Hand of the Fathers,” 27. Mampianatra i Robert P. George fa na isika manana fiandaniana amin’ny zavatra araky ny fahadiovam-pitondrantena ary manana safidy malalaka na maloto ara-pitondrantena sy manaiky tsy ihodivirana ny fahalalana arak’izao tontolo izao.

  15. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:46.

  16. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:48.

  17. Boyd K. Packer, Liahona, Apr. 2005, 8.

  18. Môsià 29:26–27.

  19. Jereo ny Margaret Somerville, “Should Religion Influence Policy?”. www.themarknews.com/articles/1535-should-religion-influence-policy.

  20. Jereo ny Zhao Xiao, “Market Economies with Churches and Market Economies without Churches,” 2002, www.danwei.org/business/churches_and_the_market_econom.php. Io mpahay toe-karena avy amin’ny fanjakana sinoa io dia nanohana fa ny fototra ara-pitsipi-piainana dia tena ilaina hanakanana ny olona tsy handainga sy hiteny ratsy ny hafa.

  21. “The Cotter’s Saturday Night,” ao amin’ny Tononkalo nataon’i Robert Burns (1811), 191.

  22. Jereo ny Clayton M. Christensen, “The Importance of Asking the Right Questions” (lahateny fanokafana, Southern New Hampshire University, Manchester, N.H., 16 Mey 2009).

  23. Jereo ny Genesisy 1:26.

  24. Jereo ny William Hague, William Wilberforce: The Life of the Great Anti-Slave Trade Campaigner (2007), 352–56.

  25. Jereo ny Hague, William Wilberforce, 104–5.

  26. Hague, William Wilberforce, 513.

  27. Jereo ny Hague, William Wilberforce, 107–8.

  28. Jereo ny James B. Allen sy Glen M. Leonard, The Story of the Latter-day Saints, edisiona faha-2 (1992), 93, 120, 202.

  29. Jereo ny Leonard J. Arrington and Davis Bitton, The Mormon Experience: A History of the Latter-day Saints, 2nd ed. (1992), 48–51; jereo ihany koa ny Clyde A. Milner and others, The Oxford History of the American West (1994), 362: “Proslavery settlers and politicians persecuted them mercilessly.”

  30. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:79.

  31. Andininy farany ao amin’ilay hira: “When the Lights Go On Again All Over the World.” (Rehefa Miverina Mazava Indray Manerana Izao Tontolo Izao).

Hamoaka printy