2010
Ny Tena Iankinan’ny fiainantsika
Nôvambra 2010


Ny Tena Iankinan’ny fiainantsika

Enga anie isika ka hanana fahendrena hahatoky sy hanaraka ny torohevitr’ireo mpaminany velona sy ireo apôstôly.

Elder Kevin R. Duncan

Fotoana sarotra sy nanahirana ho an’ireo mpisava lalana nifindra monina tany amin’ny Lohasahan’i Salt Lake ny ririnin’ny taona 1848. Nandritra ny fotoam-pahavaratry ny taona 1847 no nanambaran’i Brigham Young fa tonga tany amin’ny toerana tokony hahatongavany ihany ny Olomasina nony farany. “Ity ilay toerana tena izy,”1 hoy ny Filoha Young, izay nampisehoana fahitana momba ilay toerana tokony honenan’ireo Olomasina. Nisedra fitsapana mafy ireo mpikamban’ny Fiangonana tany am-boalohany rehefa niantomboka ny famerenana ny filazantsara tamin’ny laoniny. Noroahina niala ny tranony izy ireo sy nenjehina ary nokororohana tsy an-kiato. Nianjadian’ny fahoriana tsy takatry ny saina izy ireo rehefa namakivaky ireo tany lemaka. Saingy tonga tany amin’ilay toerana “tena izy” ihany izy ireo tamin’ny farany.

Kanefa tena faran’izay mafy ilay ririnin’ny taona 1848. Tena namirifiry tokoa ilay ririnina ka nivaingana izaitsizy ny tongotry ny olona sasantsasany. Nanomboka niseho ny fahasorisorenana teo anivon’ireo Olomasina. Ny mpikambana sasany dia nanambara fa tsy hanorina ny tranony eo amin’ilay lohasaha. Naleon’izy ireo nijanona tao anatin’ny saretiny satria nanana fahatokiana izy ireo fa hitondra azy ireo any amin’ny toerana tsaratsara kokoa ny mpitondra ao amin’ny Fiangonana. Nitondra masomboly sy zana-boankazo izy ireo, saingy tsy sahy namboly izany izy ireo teo amin’ilay tany foana sy karankaina sao simba fotsiny. Nilaza tamin’i Brigham Young i Jim Bridger, izay mpamantatra tany vaovao iray nalaza tamin’izany fotoana izany, fa hanome arivo dolara izy ho an’izay mahavita mampiakatra ny amboaran-katsaka voalohany ao amin’ny lohasahan’i Salt Lake, satria nilaza izy fa tsy ho tanteraka mihitsy izany.2

Nanampy trotraka izany koa ny fahitana volamena tany Californie. Nieritreritra ny mpikamban’ny Fiangonana sasany fa ho mora sy hiroborobo kokoa ny fiainana raha toa ka mifindra any Californie izy ireo mba hitady harena sy toe-tany tsara kokoa.

Tao anatin’izany fotoan’ny fahasosorana izany no niresahan’i Brigham Young tamin’ireo mpikamban’ny Fiangonana. Nanambara izy hoe:

“[Ity Lohasaha ity] no toerana natolotr’Andriamanitra ho an’ny vahoakany.

Nesorina tao anaty lapoaly fanendasana isika ary natsipy tao anaty afo ary avy tao anaty afo indray dia teo am-povoan’ny gorodona ary dia eto izao isika ka dia hijanona eto amin’izay. Nasehon’Andriamanitra ahy fa ity no toerana hametrahana ny vahoakany ary eto no hiroboroboany. Hanova ny zavatra rehetra Izy mba hahasoa ny Olomasiny. Hofongorany ny fanala sy ny tsy fahalonahan’ny tany ary ho lasa tany mamokatra izany. Ry Rahalahy mandehana amin’izay ary voleo … ny … masombolinareo.”

Ankoatr’ireo tsodrano ireo dia nambaran’ny Filoha Young fa ny Lohasahan’i Salt Lake dia ho fanta-daza amin’ny maha-làlana voavoatra azy izay halehan’ireo firenena maro. Hamangy izany toerana izany ireo mpanjaka sy amperora. Ny zavatra tena tsara indrindra dia hisy tempoly iray haorina ho an’ny Tompo eo amin’izany.3

Fampanantenana miavaka ireo. Mpikamban’ny Fiangonana maro no nanana finoana tamin’ireo faminanian’i Brigham Young, saingy ny hafa kosa dia mbola niroahan-tsaina foana ary dia lasa nandeha tany amin’ilay noheverin’izy ireo fa fiainana tsaratsara kokoa. Kanefa nasehon’ny tantara fa ny faminaniana rehetra nambaran’i Brigham Young dia tanteraka avokoa. Naniry izay nambolena ary namokatra ilay lohasaha. Niroborobo ireo Olomasina. Ny ririnin’ny taona 1848 dia fitaovana lehibe ho an’ny Tompo nampianarana lesona iray manan-danja ho an’ny vahoakany. Izy ireo dia nianatra zavatra—izay tokony hianarantsika rehetra koa—fa ny hany làlana azo antoka ahitana fiarovana eto amin’ity fiainana ity dia avy amin’ny fahatokiana sy fankatoavana ny torohevitra avy amin’ny mpaminanin’Andriamanitra.

Azo antoka fa ny iray amin’ireo fitahiana lehibe indrindra izay azo amin’ny maha-mpikambana ao amin’ity Fiangonana ity dia ny fitarihan’ireo mpaminany velon’Andriamanitra antsika. Hoy ny Tompo hoe: “Tsy misy na oviana na oviana, afa-tsy olona iray ihany isaky ny mandeha eto an-tany, no omena izany fahefana izany sy ireo fanalahidin’io fisoronana io.”4 Ny mpaminany sy filohan’ny Fiangonana ankehitriny, Thomas S. Monson, dia mandray ny tenin’Andriamanitra ho an’ny mpikamban’ny Fiangonana rehetra ary ho an’izao tontolo izao. Ankoatr’izany dia tohanantsika ho toy ny mpaminany, mpahita ary mpanambara ireo mpanolotsaina ao amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ireo mpikambana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo.

Tena nitaky finoana ny fanarahana ilay mpaminany velona ho an’ireo Olomasina tany am-boalohany ireo teo anoloan’ny tongotra nivaingana sy teo anoloan’ilay tany karankaina. Ny fiveloman’izy ireo sy ny ain’izy ireo mihitsy no efa notandidomin-doza. Kanefa novalian’ny Tompo soa ny fankatoavany ary nomeny fitahiana sy nampiroboroboany ireo izay nanaraka ilay nitondra ny teniny.

Ary dia mbola manao izany zavatra izany ihany ny Tompo ankehitriny ho ahy sy ho anao. Ity izao tontolo izao ity dia feno boky tena maro manampy ny tena, sy olona maro tokoa mitonon-tena ho manam-pahaizana, ary mpandalin-kevitra, mpanabe sy mpahay hevi-dalina maro tokoa izay manana torohevitra omena momba izay lohahevitra rehetra mety misy. Amin’ny alalan’ny teknôlôjia ankehitriny dia fampahalalana momba ireo lohahevitra maro dia maro no azo amin’ny alalan’ny fanindrina bokotra iray eo amin’ny solosaina. Mora ny voasariky ny fandriky ny fitadiavana torohevitra any amin’ny “sandry nofo”5 mikasika ny zavatra rehetra, manomboka amin’ny fomba fitaizana ny zanaka ka hatrany amin’ny fomba hahitana fifaliana. Na dia manan-danja aza ny fampahalalana sasany, amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana antsika dia afaka manatona an’ilay loharanon’ny fahamarinana madio isika dia Andriamanitra izany. Tsara ho antsika ny mitady ny valin’ny olantsika sy ny fanontaniantsika amin’ny alalan’ny fikarohana ny zavatra nambaran’ny Tompo tamin’ireo mpaminaniny. Amin’ny alalan’izany teknôlôjia izany ihany ankehitriny, dia afaka mahazo mora foana ireo tenin’ny mpaminany izay saika mikasika ny lohahevitra rehetra isika. Inona no nampianarin’Andriamanitra antsika momba ny fanambadiana sy ny fianakaviana, tamin’ny alalan’ny mpaminaniny? Inona no nampianariny antsika momba ny fandrantoana fianarana sy ny fitsitsiana, tamin’ny alalan’ny mpaminaniny? Inona no nampianariny antsika momba ny fahazoana fifaliana sy fahafaham-po, tamin’ny alalan’ny mpaminaniny?

Ny zavatra ampianarin’ny mpaminany dia mety ho toy ny nilaozan’ny toetr’andro, na tsy mifanaraka amin’ny an’izao tontolo izao, na tsy azo tanterahana mihitsy ho an’ny sasany. Saingy Andriamanitra dia Andriamanitry ny filaminana ary nametraka lamina iray Izy, izay ahafahantsika mahafantatra ny sitrapony. “Tsy manao na inona na inona tokoa Jehovah Tompo, raha tsy milaza ny heviny amin’ny mpaminany mpanompony”.6 Tany amin’ny fiantombohan’ity fitantanan’ny fotoam-pahafenoana ity dia namafisin’ny Tompo indray fa hifandray amintsika amin’ny alalan’ny mpaminaniny Izy. Hoy Izy hoe: “Ny teniko dia … ho tanteraka avokoa, na amin’ny alalan’ny feoko na amin’ny alalan’ny feon’ny mpanompoko dia iray ihany izany.”7

Mihoatra noho ny fitahiana sy ny tombontsoa manokana ny fahatokiana sy fanarahana ny mpaminany. Nanambara ny Filoha Ezra Taft Benson fa, “ny famonjena antsika mihitsy no miankina amin’ny fanarahana mpaminany iray.” Izy dia namaritra ilay antsoiny hoe “Fourteen Fundamentals in Following the Prophet” (Ireo Fitsipika Fototra miisa Efatra ambin’ny folo momba ny Fanarahana ny Mpaminany). Nampianatra tamin’ny fomba mazava mikasika ireo Fitsipika 14 ireo ny Loholona Claudio Costa ao amin’ny Fiadidian’ny Fitopololahy tamin’ny fivoriana aninkeo maraina. Noho izy ireo tena manan-danja tokoa eo amin’ilay tena famonjena antsika dia haveriko indray izy ireo:

“Voalohany: Ny mpaminany no hany lehilahy miteny ho an’ny Tompo mikasika ny zava-drehetra.

Fitsipika fototra faharoa: “Hery lehibe kokoa ho antsika ny mpaminany velona noho ireo soratra masina nankatoavin’ny Fiangonana.”

Fitsipika fototra fahatelo: “Manan-danja bebe kokoa amintsika ny mpaminany velona iray noho ny mpaminany maty iray.”

Fitsipika fototra fahaefatra: “Tsy hitondra ny Fiangonana any amin’ny lalan-diso mihitsy ny mpaminany.”

Fitsipika fototra fahadimy: “Ny mpaminany dia tsy takiana ho nanaraka fiofanana manokana eto an-tany na hanana mari-pahaizana vao afaka hiresaka momba ny lohahevitra iray na hanaovana zavatra na amin’ny fotoana inona na amin’ny fotoana inona.”

“Fahaenina: Ny mpaminany dia tsy mila miteny hoe: ‘Izao no nolazain’ny Tompo’ rehefa manome soratra masina ho antsika.

“Fahafito: Ny mpaminany dia miteny izay zavatra tokony ho fantatsika fa tsy izay zavatra tiantsika ho fantatra foana.”

Fitsipika fototra fahavalo: “Tsy voafetran’ny fisainan’olombelona ny mpaminany.

“Fahasivy: Afaka mahazo fanambarana mikasika ny lohahevitra rehetra ny mpaminany, na ara-batana izany na ara-panahy.

“Fahafolo: Afaka misahana ny mikasika ny fiainam-pirenena ny mpaminany.

“Fahairaika ambin’ny folo: Ireo vondron’olona roa izay manana fahasahiranana lehibe indrindra eo amin’ny fanarahana ny mpaminany dia ny olona miavona izay manam-pahaizana ary ny olona miavona izay manan-karena.

“Faharoa ambin’ny folo: Tsy voatery ho fantatr’izao tontolo izao na hifanaraka amin’ny fiainan’ izao tontolo izao ny mpaminany.

“Fahatelo ambin’ny folo: Ny mpaminany sy ny mpanolotsainy no mitambatra ho Fiadidiana Voalohany—izay kôlejy ambony indrindra ao amin’ny Fiangonana.

“Fahaefatra ambin’ny folo: Raha arahinao ny mpaminany velona sy ny Fiadidiana Voalohany dia hahazo fitahiana ianao. Raha lavinao izy ireo dia hijaly ianao.”8

Ry rahalahy sy anabavy, toy ireo Olomasina tamin’ny 1848 dia afaka misafidy ny hanaraka ny mpaminany isika na hiantehitra amin’ny sandry nofo. Enga anie isika ka hanana fahendrena ny hatoky sy hanaraka ny torohevitr’ireo mpaminany velona sy ireo apôstôly. Vavolombelona iray ny amin’ny hatsaran-toetran’izy ireo aho ary mijoro ho vavolombelona fa voantson’Andriamanitra izy ireo. Mijoro ho vavolombelona ihany koa aho fa tsy misy fomba hafa azo antoka kokoa hiatrehana ny fiainana sy hahitana ny valin’ny olantsika ary hahazoana fiadanana sy fifaliana eto amin’izao tontolo izao sy hiarovana ilay tena famonjena antsika noho ny fankatoavana ny tenin’izy ireo. Izany fijoroana ho vavolombelona izany dia ataoko amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, Tompo, amena.