2010
Finoana—Anao ny Safidy
Nôvambra 2010


Finoana—Anao ny Safidy

Safidio ny finoana fa tsy ny fisalasalana, safidio ny finoana fa tsy ny tahotra. Safidio ny finoana fa tsy ny zavatra tsy fantatra sy tsy hita ary safidio ny finoana fa tsy ny fieritreretana ny zavatra rehetra ho ratsy.

Bishop Richard C. Edgley

Miaina ao anatin’ny fotoampitantanana lehibe indrindra tamin’ny fotoana rehetra isika—fotoana izay nandrandrain’ny mpaminany fahiny, sy nanaovany faminaniana, ary inoako fa niriany mafy. Kanefa na dia eo aza ireo fitahiana avy any an-danitra izay nomena antsika, i Satana dia tena misy tokoa sy tena mavitrika ary itotoran’ny hafatra mampifanohitra tsy tapaka isika rehetra. Ny anjely Môrônia dia nampitandrina ilay tovolahy mpaminany Joseph Smith fa ny anarany dia ho tsara sy ho ratsy manerana izao tontolo izao (jereo Joseph Smith—Tantara 1:33), ary dia tsy nisy velively fahatanterahana faminaniana iray niharihary kokoa noho izany. Nanolotra ny ainy noho ny fijoroany ho vavolombelona ny Mpaminany, ary mitohy mandraka ankehitriny ny fanenjehana ny Fiangonana sy ny Tompo tenany mihitsy aza. Ny tena fisian’ny Mpamonjy, ny Sorompanavotany, ary ny fiantraikan’izany amin’izao rehetra izao ho antsika rehetra dia hozongozonina ary matetika lavina fa raisina ho toy ny angano na koa fanantenana tsy manan-danja ho an’ireo malemy sy tsy nianatra. Ankoatr’izany, dia mbola voahozongozona ny maha marina ny namerenana ny filazantsara tamin’ny laoniny amin’izao andro farany izao. Ny fitohizan’ny fanotorana hafatra toy izany dia mety hiteraka fisafotofotoana, ahiahy, eritreri-dratsy. Ireo hafatra tsirairay ireo dia samy manenjika ny fahamarinana fototra izay inoantsika, ny finoantsika an’Andriamanitra ary ny fanantenantsika ny hoavy.

Izany no zava-misy eo amin’ity izao tontolo izao misy antsika ity, kanefa mbola afaka misafidy ny fihetsika tokony asehontsika eo anatrehan’izany isika. Rehefa voatohintohina ny fotopampianarana masintsika sy ny finoantsika, dia fotoana ahafahantsika mahafantatra an’Andriamanitra amin’ny fomba tena manokana sy akaiky izany. Izany dia fotoana ahafahantsika misafidy.

Noho ny fifandirana sy ny olana izay atrehintsika eto amin’izao tontolo izao ankehitriny, dia te-hanolotra safidy tokana aho—ny fisafidianana ny fiadanana sy ny fiarovana, safidy izay mety ho an’ny rehetra. Izany safidy izany dia ny finoana. Fantaro fa ny finoana dia tsy fanomezana maimaim-poana izay omena tsy mila fieritreretana na faniriana, na ezaka. Tsy tongatonga ho azy tahaka ny ranon’ando avy any an-danitra izany. Ny Mpamonjy dia nilaza hoe, “Mankanesa atỳ amiko,” (Matio 11:28) ary “Dòndòny, dia hovohana hianareo.” (Matio 7:7). Ireo dia matoanteny milaza asa—mankanesa, dòndòny. Safidy izy ireo. Ary hoy aho hoe: Safidio ny finoana. Safidio ny finoana fa tsy ny fiahiahiana, safidio ny finoana fa tsy ny tahotra. Safidio ny finoana fa tsy ny zavatra tsy fantatra sy tsy hita ary safidio ny finoana fa tsy ny fieritreretana ny zavatra rehetra ho ratsy.

Ny resaka tena tsara nataon’i Almà momba ny finoana izay voarakitra ao amin’ny Almà toko faha-32 ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia andian-tsafidy izay miantoka ny fampivelarana sy ny fiarovana ny finoantsika. Nanoro lalana antsika mba hisafidy i Almà. Ny teniny dia teny mifono asa izay niainga avy amin’ny fanaovana safidy. Izy dia nampiasa ny teny hoe mamoha, manaitra, manandrana, mampihatra, maniry, miasa, ary mamboly. Avy eo i Almà dia nanazava fa raha manao ireo safidy ireo isika ary tsy manary ireo voa noho ny tsy finoana, dia “hanomboka handrobona ao an-tratran[tsika] izy” (Almà 32:28).

Marina fa ny finoana dia safidy, ary tsy maintsy katsahana sy ampitomboana izany. Noho izany isika dia tompon’andraikitra amin’ny finoantsika. Tompon’andraikitra ihany koa isika amin’ny tsy fahampian’ny finoantsika. Anao ny safidy.

Mbola maro ireo zavatra tsy fantatro. Tsy fantatro ny antsipirian’ny fandaminana ny zaka mandrafitra an’izao tontolo tsara tarehy iainantsika izao. Tsy takatro ny antsipirian’ny Sorompanavotana. Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny sorona nataon’ny Mpamonjy manadio ny olona nibebaka rehetra, ary ahoana no fomba nahafahan’ny Mpamonjy nizaka ny “fangirifirian’ ny olon-drehetra” (F&F 18:11). Tsy fantatro hoe taiza ny tanànan’i Zarahemlà, izay lazain’ny Bokin’i Môrmôna. Tsy fantatro hoe maninona ny finoako indraindray no mifanohitra amin’izay heverina hoe fahalalana ara-tsiansa na ara-pianarana. Angamba ireo no zavatra izay faritan’ny Raintsika any an-danitra ho “zava-miafina ny amin’ny fanjakan’ny lanitra” (F&F 107:19) izay hambara any aoriana any.

Kanefa na dia tsy mahafantatra ny zava-drehetra aza aho, dia mahafantatra izay manan-danja. Fantatro ireo fahamarinan’ny filazantsara madio sy tsotra izay mitondra any amin’ny famonjena sy ny fisandratana. Fantatro fa ny Mpamonjy dia nizaka ny fijalian’ny olona rehetra ary ny olon-drehetra izay mibebaka dia azo diovina amin’ny fahotana. Ary fenoiko miaraka amin’ny fanampiana mahery vaikan’ny finoako ny banga eo amin’ireo zavatra izay tsy fantatro na tsy mazava tanteraka amiko, ary mandroso hatrany aho, ao anatin’ny fahazoana ireo fampanantenana sy fitahian’ny filazantsara. Ary avy eo tahaka ny nampianarin’i Almà, ny finoantsika dia mitondra antsika ho amin’ny fahalalana tanteraka (jereo Almà 32:34). Ny fandrosoana hatrany any amin’ny tsy fantatra, miaraka amin’ny fanantenana sy ny faniriana izay mba hany fiadiana, no porofo mivaingan’ny finoantsika sy ny fanoloran-tenantsika an’ny Tompo.

Noho izany, arak’ilay torohevitr’i Almà dia handeha isika hisafidy. Handeha isika hisafidy ny finoana.

  • Raha manavesatra ny saintsika ny fisafotofotoana sy ny fahadisoam-panantenana, safidio ny hamoha sy hanaitra ny faharanitan’ ny sainareo. (Almà 32:27). Ny fanatonana amim-panetren-tena ny Tompo miaraka amin’ny fo torotoro sy manenina no lalana mankany amin’ny fahamarinana sy ny lalan’ny Tompo mitondra any amin’ny fahazavana sy ny fahalalana, ary ny fiadanana.

  • Raha toa ny fijoroana ho vavolombelonao ka tsy matotra, sy tsy voasedra ary tsy voaro, safidio ny “hampihatra sombiny amin’ny finoana;” safidio ny “hanandrana ny Teniny” (Almà 32:27). Ny Tompo dia nanazava hoe: “Raha misy olona ta-hanao ny sitrapony, dia hahalala ny amin’ny fampianarana izy, na avy amin’Andriamanitra izany, na miteny ho Ahy Aho” (Jaona 7:17).

  • Rehefa mifandona amin’ny fampianarana sy fotopampianarana masina ny rafipisainana sy fahalalan’ny tena manokana, na maniratsira ny finoanao tahaka ny zana-tsipika nolazain’ny Apôstôly Paoly ireo hafatra mampifanohitra (Jereo Efesiana 6:16), dia safidio ny tsy hanary ilay voa ao am-ponao noho ny tsy finoana. Tadidio fa tsy mahazo fijoroana ho vavolombelona isika raha tsy aorian’ny fitsapana ny finoantsika (jereo Etera 12:6).

  • Raha voasedra sy matotra ny finoanao, dia safidio ny hikolokolo fatratra izany (Almà 32:37). Na dia matanjaka toa inona aza ny finoantsika, dia mety ho lasa tena mora malemy ihany eo anatrehan’ireo hafatra maro isan-karazany izay manenjika izany. Mila fikolokoloina tsy tapaka izany amin’ny alalan’ny fianarana ny soratra masina sy fivavahana ary fampiharana tsy tapaka ny Teniny.

Rehefa nanontanian’ny mpianany an’i Jesoa ny antony tsy nahafahan’izy ireo nandroaka devoly tahaka ny vao nahitan’izy ireo ny Mpamonjy nanao izany, dia novalian’i Jesoa hoe: “Raha manana finoana hoatra ny voan-tsinapy iray aza hianareo ka hiteny amin’io tendrombohitra io hoe: Mifindrà erỳ, dia hifindra izy” (Matio 17:20). Tsy mbola nahita velively ny famindrana ny tena tendrombohitra iray aho. Kanefa noho ny finoako dia efa nahita ny fanesorana ny tendrombohitry ny fiahiahiana sy ny fahadisoam-panantenana aho ary nosoloina fanantenana sy fiheverana ny zava-drehetra ho tsara. Noho ny finoana dia efa nahita manokana ny fanoloana ny tendrombohitry ny fahotana tamin’ny fibebahana sy famelan-keloka aho. Ary noho ny finoana dia efa nahita manokana ny fanoloana ny tendrombohitry ny fijaliana tamin’ny fiadanana sy fanantenana ary fankasitrahana aho. Eny, efa nahita tendrombohitra maro nafindra aho.

  • Noho ny finoako dia efa nampiasa ny herin’ny fisoronana izay hazoniko aho ary efa nanandrana ny hamamin’ny filazantsara sy nandray ireo ôrdônansin’ny famonjena.

  • Noho ny finoako dia niatrika ireo olana sy fahasarotana teo amin’ny fiainana tao anatin’ny fiadanana sy fahatokiana aho.

  • Noho ny finoako dia afaka namadika ireo fanontaniana ary indrindra ireo ahiahy ho lasa fahatokian-tena sy fahatakarana an-tsaina aho.

  • Noho ny finoako dia afaka manatona ireo zavatra tsy fantatra sy tsy hita, ary tsy nahazoana fanazavana ao anatin’ny fahatokian-tena tsy misy mampiahiahy aho.

  • Ary noho ny finoako na dia ireo fotoana izay toa tena mahakivy indrindra aza, dia tsapako tao anatin’ny fiadanana sy fankasitrahana, fa raha ny tena marina dia izany no fotoana tsara indrindra.

Ary rehefa misafidy ny finoana isika ary avy eo mikolokolo izany ho amin’ny “fahalalana tanteraka” ny zavatry ny Tompo, dia mampiasa ny teny hoe “mijoro ho vavolombelona aho” na “fantatro.” Izaho manokana dia efa namafy ilay voa tao am-poko ary nandritra ny fiainako dia efa niezaka aho ny hikolokolo izany voa izany ho “fahalalana tanteraka.” Ary ankehitriny, raha mijoro eto amin’ity polpitra ity aho dia mijoro ho vavolombelona fa Jesoa no Kristy, ilay Mpanavotra an’izao tontolo izao. Mijoro ho vavolombelona ihany koa aho fa i Joseph Smith dia mpaminan’Andriamanitra ary fitaovana velona nampiasain’ny Tompo mba hamerenana indray eto an-tany ny filazantsaran’i Jesoa Kristy feno sy marina izy. Mijoro ho vavolombelona aho fa ny Filoha Thomas S. Monson dia mpaminanin’ny Tompo amin’izao fotoana izao. Mitovy amin’izany, anao ny safidin’ny finoana, ahy ihany koa. Handeha isika hisafidy ny finoana. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.