2010
Fanoroam-pejin’ny Tantara tao amin’ny Fihaonambe
Nôvambra 2010


Fanoroam-pejin’ny Tantara tao amin’ny Fihaonambe

Ity manaraka ity dia lisitr’ireo zavatra niainana nofantenana avy tao amin’ireo lahatenin’ny fihaonamben’ny Fiangonana mba hampiasaina ao anatin’ny fandalinan’ny tena manokana sy ny takarivan’ny mpianakavy ary ao anatin’ny fampianarana hafa. Ny tarehimarika hita eto dia maneho ny pejy voalohan’ilay lahateny.

Mpandahateny

Tantara

Loholona Jeffrey R. Holland

Nandoa ny vola nilaina tamin’ny asa fitoriana nataony ny ray aman-drenin’i Jeffrey R. Holland (6).

Rosemary M. Wixom

Nivavaka ireo ankizy raha namily fiara tao anatin’ny oram-panala ny reniny (9).

Loholona D. Todd Christofferson

Nanety volon’ondry ny raiben’i D. Todd Christofferson ary nandoa ny vola nilainy tamin’ny asa fitoriana nataony (16).

Nanao zara vilana ny fananana niombonana ny iray tamin’ireo mpiara-mitantana ilay orinasa (16).

Loholona Robert D. Hales

Nanosotra savoka ny gorodona i Robert D. Hales mandrapatafahitsoka azy teny amin’ny zorony iray (24).

Loholona Quentin L. Cook

Nampian’ny eveka iray ny lehilahy iray mba hibebaka noho ny tsy fahamarinan-toetrany (27).

Loholona Russell M. Nelson

Nizara ny Bokin’i Môrmôna tamin’ireo namana i Russell M. Nelson (47).

Niditra ho mpikamban’ny Fiangonana ny tovolahy iray rehefa nanadihady ny mormon.org (47).

Loholona Patrick Kearon

Voakaikitry ny maingoka i Patrick Kearon (50).

Loholona Juan A. Uceda

Tezitra tamin’ny zanany vavy ny raim-pianakaviana iray nandritra ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina (53).

Filoha Henry B. Eyring

Namangy ny rain’i Henry B. Eyring tany amin’ny hôpitaly i Spencer W. Kimball (59).

Filoha Thomas S. Monson

Nandà tsy hilalao basketball amin’ny andro Alahady i Clayton M. Christensen (67).

Filoha Henry B. Eyring

Nanangona akanjo mba homena ny mahantra ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana anankiray (70).

Filoha Boyd K. Packer

Namporisihana mba tsy hitodika any amin’ny lasa ny vehivavy nibebaka anankiray (74).

Loholona Jay E. Jensen

Nivavaka i Jay E. Jensen ary nahazo fijoroana ho vavolombelona tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina (77).

Filoha Thomas S. Monson

Nianatra naneho fisaorana ny fianakaviana iray na dia nandritra ireo fotoana sarotra aza (87).

Loholona L. Tom Perry

Zatovolahy mpisorona iray manampy lehilahy iray manana fahasembanana handray ny fanasan’ny Tompo ny (91).

Loholona Larry R. Lawrence

Ray aman-dreny mangataka ny zanany lahy mba hijanona ao an-trano satria toa nahatsapa zavatra hafahafa izy ireo mikasika ilay zavatra iarahan’ny samy mpinamana manao (98).

Loholona Mervyn B. Arnold

Maty ny ombivavy iray rehefa diso nihinana varimbazaha be loatra (105).

Loholona M. Russell Ballard

Nanomboka nirotsaka tao anatin’ny fiankinan-doha ny vehivavy iray tamin’ny alalan’ny fihinanana fanafody mihoatra ny tokony ho izy (108).

Silvia H. Allred

Niharan-doza ny fianakaviana iray rehefa niverina avy nofehezina tany amin’ny tempoly izy ireo (116).

Barbara Thompson

Nahazo fitahiana i Barbara Thompson tamin’ny alalan’ny famangiana isan-tokantrano nataony tamin’ny renin’i Ashley (119).

Filoha Thomas S. Monson

Navelan’ny mpivady iray izay nitantana fandriam-bahiny tsotra hipetraka tao an-tranony ilay lehilahy simba tarehy (122).

Hamoaka printy