2010
Ireo Fitaratry ny Tempoly Izay Maneho ny Mandrakizay: Fijoroana ho vavolombelon’ny Fianakaviana
Nôvambra 2010


Ireo Fitaratry ny Tempoly Izay Maneho ny Mandrakizay: Fijoroana ho vavolombelon’ny Fianakaviana

Ny fomba fijery mandrakizay ny fiovam-po ao amin’ny filazantsara sy ireo fanekempihavanan’ny tempoly dia afaka manampy antsika hahita fitahiana maro ao anatin’ny taranaka tsirairay ao amin’ireo fianakaviantsika mandrakizay.

Sary
Elder Gerrit W. Gong

Ry rahalahy sy anabavy malala, tamin’ny zanakay lahy tany amin’ny Foibe Fanofanana Misiônera tao Provo dia nandefasan’ny Rahavavy Gong mofo nataony izay vaovao tsara izy sy ireo misiônera namany. Ireto ny sasany tamin’ireo teny fisaorana voarain-dRahavavy Gong. “Ry Rahavavy Gong, toy ilay mofo fihinako any an-trano mihitsy ilay izy.” “Ry Rahavavy Gong, ny hany azoko lazaina dia hoe aoka fotsiny e! Iny mofo iny no zavatra tsara indrindra niditra ny vavako taorian’ilay enchiladas nataon’ny reniko.” Saingy ity no tena tiako indrindra: “Ry Rahavavy Gong, tena tsara ilay mofo. Ary dia notohizany tamim-pivazivaziana hoe: “Tsarovy aho raha toa ka tsy mety intsony ny fiarahanao sy Andriamatoa Gong.”

Tianay ny misiônerantsika—ny rahavavy sy rahalahy tsirairay avy ary ireo misiônera mpivady. Feno fankasitrahana mandrakizay an’ilay misiônera miavaka anankiray izahay izay nitondra voalohany teo amin’ny fianakavianay ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny. Mijoro ho vavolombelona amim-pankasitrahana aho fa ny fananana fijery mandrakizay mikasika ny fiovam-po ao amin’ny filazantsara sy ny fanekempihavanan’ny tempoly dia afaka manampy antsika hahita fitahiana maro ao anatin’ny taranaka tsirairay ao amin’ireo fianakaviantsika mandrakizay.

Ny olona voalohany lasa mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany tao amin’ny fianakaviana Gong misy anay dia ny reninay, Jean Gong. Fony izy mbola tovovavy tany Honolulu, Hawaii, dia nihaino izy, ary nahafantatra, dia natao batisa sy noraisina ho mpikambana. Nanohy nandeha tao amin’ny finoana izy. Nampian’ireo mpikamban’ny Fiangonana mahatoky ny reniko mba hanana namana ao amin’ny filazantsara sy antso ao am-piangonana ary mba ho voafahana tsy tapaka amin’ny teny soan’Andriamanitra. Amin’ny ankapobeny ankehitriny, ny mpikambana vaovao tsirairay, ny tanora mpitovo tsirairay, ireo izay niverina niangona indray ary ny hafa dia mitondra fitahiana ho an’ny taranaka maro rehefa lasa mpiray fanjakana amin’ny olona masina sady ankohonan’Andriamanitra.1

Ny fianakaviana iray izay nikolokolo ny reniko dia ny fianakavian’i Gerrit de Jong, Zanany. I Dadabe de Jong, izay mpahaitsikerafiteny tia ny fitenin’ny fo sy ny Fanahy dia nanitikitika ny eritreritro tamin’ny naha ankizilahy kely ahy noho ny filazana zavatra toy ny hoe: “Rehefa mena ny rotra dia mbola maintson’ny fahamantana.” Ankehitriny, raha miresaka momba ireo fitaovana elektrônika ampiasaina amin’ny alalan’ny tanana aho, dia lazaiko aminareo ry tanora namako fa “Ny famakiana Blackberry ao am-piangonana dia mahatonga ireo eveka vaovao maintso mavana ho lasa mangan’ny alahelo.”

Natao fanambadiana in-telo i Walter sy Jean Gong ray aman-dreniko—fombafomba Sinoa ho an’ny fianakaviana, fombafomba Amerikana ho an’ireo namana ary avy eo tany amin’ny Tranon’ny Tompo mba hiaraka mandritra izao fotoana izao sy mandrakizay.

Ny ankizintsika ao amin’ny Kilonga dia mihira ilay hoe: “Oh, j’aime voir le temple (Te-hahita ny tempoly aho) Un jour là-bas j’irai (ho any aho indray andro any).”2 Ny zatovontsika dia manambara fa “handray ireo ôrdônansin’ny tempoly.”3

Vao haingana aho no niara-nijoro tamin’ny olon-droa mendrika tao amin’ny Tranon’ny Tompo izay te-handray ireo fitahiana amin’ny alalan’ny fanekempihavanana. Nanasa azy ireo aho mba hampaharitra ny volan-tantelin’izy ireo voalohany mandritra ny 50 taona ary aorian’ny 50 taona dia hanomboka ny volan-tantelin’izy ireo faharoa indray.

Tafaraka nijery tamin’ireo mpivady nahafatifaty ireo ny fitaratry ny tempoly aho—ny fitaratra iray etsy an-daniny ary ny fitaratra iray hafa avy etsy ankilany. Ireo fitaratry ny tempoly ireo dia miara-mampiseho amin’ny fomba mandroso sy miverina, sary izay toa mitohy mankany amin’ny mandrakizay.

Ireo fitaratry ny tempoly izay maneho ny mandrakizay dia mampahatsiahy antsika fa ny olombelona tsirairay dia “samy manana toetra sy anjara araka an’Andriamanitra” ary “ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana masina misy any amin’ny tempoly masina no ahafahan’ny tsirairay hiverina eo anatrehan’Andriamanitra sy ahafahan’ny fianakaviana ho iray mandrakizay,”4 ka rehefa mitombo ny fifanehoana fitiavana sy fahatokiana dia afaka mametraka fototra mafy orina hanorenan’ny zanaka ny fiainany isika sy manome fomba tsara hiverenany any amin’Andriamanitra.

Teo amin’ireo fitaratry ny tempoly izay maneho ny mandrakizay ireo aho no nieritrerira an’i Dragon Gong Voalohany izay teraka tany amin’ny 837 taorian’i Jesoa Kristy (faramparany tamin’ny taranaky ry Tang) tany amin’ny faritra atsimon’i Sina, sy ireo taranaky ny fianakaviana Gong nifandimby hatramin’ny raiko, izay taranaka faha-32 voarakitra ao amin’ny fianakavianay. Izaho sy ny zandriko lahy ary ny zandriko vavy no taranaka faha-33 ao amin’ny fianakaviana. Ireo zanakalahy sy ireo zanaky ny mpiray tampo amiko no taranaka faha-34 ary ny zafikelinay lahy no taranaka faha-35 voarakitra ao amin’ny fianakaviana Gong. Tsy afaka nahita ny fiantombohan’ny taranaka na ny fiafarany aho teo amin’ ireo fitaratry ny tempoly izay maneho ny mandrakizay.

Avy eo dia tsy naka sary an-tsaina fotsiny ireo taranaka maro nifandimby aho fa naka sary an-tsaina koa ny fitohitohizan’ny rohim-pihavanana. Hitako raha mizotra miakatra, ny maha zanakalahy dia zafikely dia zafiafy ahy mandrapahatonga any amin’i Dragon Gong Voalohany. Hitako teo amin’ireo fitaratra koa raha mizotra midina ny maha ray dia raibe ary rain’ny raibe ahy. Afaka nahita an’i Susan vadiko amin’ny maha zanakavavy dia zafikelivavy dia zafiafy vavy azy aho ary hitako raha mizotra midina ny maha reny dia renibe dia renin’ny renibe azy.

Teo amin’ireo fitaratry ny tempoly izay maneho ny mandrakizay ireo no nanombohako nahatakatra fa izahay mivady dia zanaka ho an’ireo ny ray aman-dreninay, no ray aman-dreny ho an’ireo zanakay ary sady zafikely ho an’ny raibe sy renibenay no raibe sy renibe ho an’ireo zafikelinay. Mirotsaka amintsika tsikelikely ireo lesona lehiben’ny fiainana rehefa mianatra sy mampianatra isika ao anatin’ny anjara asantsika mandrakizay izay ahitana ny maha zanaka sy ray aman-dreny antsika ary ny maha ray aman-dreny sy zanaka.

Ny soratra masina dia mamaritra ny Mpamonjy antsika ho toy ny “Ray sy ny Zanaka.”5 Ilay Mpamonjy antsika raha nitoetra tao amin’ny nofo nefa nifehy ny nofo tamin’ny sitrapon’ny Ray, dia mahafantatra ny fomba hanampiana antsika, vahoakany, ao amin’ny rofintsika, ny fahoriantsika, ny fakam-panahintsika, ny aretintsika ary na dia ny fahafatesana aza.6 Noho ny Mpamonjy antsika efa “nidina ambanin’ny zava-drehetra”,7 dia afaka mizaka ny fahoriantsika sy milanja ny alahelontsika Izy. “Izy dia voalefona noho ny fahadisoantsika, … notorotoronina noho ny helotsika … ; ny dian-kapoka tamin[’ny Mpamonjintsika] no nahasitranana antsika.”8

Nanomboka tany amin’ny filankevitra tany an-danitra dia tsy nikatsaka afa-tsy ny hanao ny sitrapon’ny Rainy ny Mpamonjy. Izany lamina asehon’ny Ray sy ny Zanaka izany dia afaka manazava ilay hevimifanohitra hoe “izay mamery ny ainy noho ny amiko dia hahazo azy.”9 Mikatsaka ilay tsy fieritreretana afa-tsy izay mahasoa ny tena manokana izao tontolo izao. Kanefa tsy ao anatintsika ny hery hamonjena ny tenantsika. Fa ao Aminy kosa izany. Satria tsisy fetra sy mandrakizay10 ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy antsika dia izany ihany no mandresy ny fotoana sy ny halavirana ka mitelina ny fahafatesana, ny hatezerana, ny alahelo, ny tsy rariny, ny fanirery ary ny fahadisoam-panantenana.

Indraindray dia miharatsy ny fandehan-javatra na dia efa nanao ny faran’izay tsara indrindra vitantsika aza isika. Ilay Mpamonjy izay Zanak’ondry madio sy tsy manan-tsiny dia miara-mitomany amintsika sy mitomany ho antsika. Rehefa mahatsiaro Azy mandrakariva isika,11 dia afaka hiara-hijoro amintsika Izy “amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny zava-drehetra ary amin’ny toerana rehetra izay mety hisy [antsika].”12 Ny “fahatokiany dia mahery kokoa noho ny famatoran’ny fahafatesana.”13 Rehefa manakaiky ny Mpamonjy isika dia mitondra antsika koa any amin’ny Raintsika any an-danitra Izy. Raha tsy tonga lafatra ny zavatra sasany eto an-tany dia afaka matoky ny Raintsika any an-danitra isika fa Izy dia hanatanteraka ilay “fanavotana [ka fahamarinana] fitiavana, famindram-po no tafaraka soa.”14

Fahagagana iray amin’ireo sary hitantsika amin’ireo fitaratry ny tempoly izay maneho ny mandrakizay dia ny hoe izy ireo—isika—dia afaka miova. Rehefa nanao ilay fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizay i Jean sy Walter Gong, dia nanokatra ny lalana ho an’ireo razambe izy toa an’i Dragon Gong Voalohany mba hofehezina ary mba ho teraka ao anatin’ny fanekempihavanana ireo taranaka. Aoka isika hahatsiaro fa: rehefa manampy rahavavy na rahalahy iray isika dia mitahy taranaka maro.

Misamboaravoara izao tontolo15 izao saingy ao anatin’ilay “Fiangonany hany marina sy velona”16 dia misy finoana ary tsy misy tahotra. Amin’ny alalan’ny tenin’ny Apôstôly Paoly no ijoroako ho vavolombelona amin’ny fomba lehibe koa hoe:

“Fa mahatoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, …

“Na any ambony, na ny ambany, na inona na inona amin’izao zavatra ary rehetra izao, dia tsy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra izay ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika.”17

Mijoro ho vavolombelona amim-panetren-tena aho fa: velona Andriamanitra. “Hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny masontsika”18—afa-tsy ny ranomasom-pifaliana rehefa mijery eo amin’ireo fitaratry ny tempoly izay maneho ny mandrakizay isika ary mahita ny tenantsika ho ao an-trano sy madio ary ireo taranaka maro ao amin’ny fianakaviantsika nofehezina ho ao anatin’ny fitiavana tamin’ny alalan’ny fahefan’ny fisoronana, ka te-hiantsoantso isika hoe “Hosana, hosana, hosana”. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Hamoaka printy