2010
Fanohanana ireo Mpiandraikitra ao amin’ny Fiangonana
Nôvambra 2010


Fanohanana ireo Mpiandraikitra ao amin’ny Fiangonana

Angatahina isika hanohana an’i Thomas Spencer Monson amin’ny maha-mpaminany, sy mpahita ary mpanambara azy sy Filohan’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany; i Henry Bennion Eyring ho Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Fiadidiana Voalohany; ary i Dieter Friedrich Uchtdorf ho Mpanolotsaina Faharoa ao amin’ny Fiadidiana Voalohany.

Ireo izay mankasitraka aoka haneho izany.

Raha misy manohitra, aoka haneho izany koa.

Angatahina isika hanohana an’i Boyd Kenneth Packer amin’ny maha-Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo azy, ary hanohana an’ireto manaraka ireto ho mpikambana ao amin’izany kôlejy izany: Boyd K. Packer, L. Tom Perry, Russell M. Nelson, Dallin H. Oaks, M. Russell Ballard, Richard G. Scott, Robert D. Hales, Jeffrey R. Holland, David A. Bednar, Quentin L. Cook, D. Todd Christofferson ary Neil L. Andersen.

Ireo izay mankasitraka, aoka mba haneho izany.

Raha misy manohitra afaka maneho izany koa.

Angatahina isika hanohana ireo Mpanolotsaina ao amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ireo Apôstôly Roambinifolo ho mpaminany sy mpahita ary mpanambara.

Ireo izay mankasitraka, aoka mba haneho izany.

Raha misy manohitra afaka maneho izany koa.

Angatahina isika haneho fisaorana an’i Loholona Spencer J. Condie, Bruce C. Hafen, Kenneth Johnson, Glenn L. Pace, ary Lance B. Wickman tamin’ny naha-mpikambana azy ireo tao amin’ny Kôlejy Voalohany ao amin’ny Fitopololahy ary manendry azy ireo ho Manampahefana Ambony misotro ronono.

Angatahina isika haneho fisaorana an’ny Loholona Spencer V. Jones sy Wolfgang H. Paul tamin’ny naha-mpikambana azy ireo tao amin’ny Kôlejy Faharoa ao amin’ny Fitopololahy.

Ireo izay te-hiaraka haneho aminay izany fisaorana izany tamin’ny asa fanompoana mahatalanjona vitan’izy ireo dia afaka maneho izany.

Angatahina isika haneho fisaorana an’i Fernando Maluenda sy José L. Torres tamin’ny naha-Fitopololahin’ny Vondrom-paritra azy ireo.

Ireo izay te-hiaraka haneho aminay izany fisaorana izany tamin’ny asa fanompoana mahatalanjona vitan’izy ireo dia afaka maneho izany.

Angatahina isika hanohana an’i Wenceslao H. Svec ho Fitopololahin’ny Vondrom-paritra.

Ireo izay mankasitraka, aoka mba haneho izany.

Raha misy manohitra afaka maneho izany koa.

Angatahina isika hanohana ireo Manampahefana Ambony hafa, ireo Fitopololahin’ny Vondrom-paritra ary ireo fiadidian’ny vondrona fanampiny hafa arak’izay misy ankehitriny.

Ireo izay mankasitraka, aoka mba haneho izany.

Raha misy manohitra afaka maneho izany koa.

Ry Filoha Monson, araky ny fahitako azy ety, dia niray feo ireo izay nanao fanohanana tato amin’ny Foibe Fihaonamben’ny Fiangonana.

Misaotra ry rahalahy sy anabavy, ny amin’ny fanohananareo, sy ny finoanareo, sy ny fanoloran-tenanareo ary ny vavakareo.

Hamoaka printy