2010
Mandrapihaonantsika Indray
Nôvambra 2010


Mandrapihaonantsika Indray

Tsy maintsy maharitra hatramin’ny farany isika, satria ny tanjontsika dia ny fiainana mandrakizay eo anatrehan’ny Raintsika any an-danitra.

Sary
President Thomas S. Monson

Ry Rahalahy sy anabaviko, feno ny foko raha hamarana ity fihaonambe mahafinaritra an’ny Fiangonana ity isika. Voafahana ara-panahy isika raha nihaino ireo torohevitra sy fijoroana ho vavolombelona avy amin’ireo izay nandray anjara tamin’ireo fivoriana tsirairay. Azoko antoka fa misolotena ireo mpikambana rehetra n’aiza n’aiza aho raha maneho fankasitrahana lalina noho ireo fahamarinana izay nampianarina antsika. Afaka manaraka ireo teny hita ao amin’ny Bokin’i Môrmôna isika, mikasika ireo izay nandre ny lahatenin’i Benjamina Mpanjaka ka “nihiaka niray feo izy rehetra, nanao hoe: “Eny, mino ny teny rehetra izay efa nolazainao taminay izahay; ary fantatray koa fa azo antoka sy marina ireny, noho ny amin’ny Fanahin’ny Tompo Tsitoha.”1

Manantena aho fa hanokana fotoana isika hamaky ireo lahateny tamin’ny fihaonambe, izay havoaka printy ao amin’ny laharana volana Nôvambra amin’ny gazetiboky Ensign sy Liahona satria mendrika ny ho halalinintsika tsara izy ireo.

Tena fitahiana ny nahafahantsika nihaona teto amin’ity Foiben’ny Fihaonambe mahatalanjona ity, ao anatin’ny fiadanana sy fiarovana. Tsy mbola nisy toy izao ny fielezan’ny fihaonambe, hatrany ampitan’ireo kaontinanta sy ranomasimbe ho any amin’ireo olona manerantany. Na dia tena lavitra an’ny maro aminareo aza izahay, dia tsapanay ny fanahinareo sy ny fanohananareo ary mandefa ny fitiavanay sy ny fankasitrahanay ho anareo izahay.

Ho an’ireo Rahalahy izay nisaorana nandritra ity fihaonambe ity, mamelà ahy haneho ny fankasitrahana avy ao am-po avy aty aminay rehetra noho ireo taona maro nanompoanareo tamim-panolorantena. Tsy tambo ho isaina ireo izay voatahy noho ny anjara birikinareo tamin’ny asan’ny Tompo.

Ny Amboaram-peon’ny Taberinakely sy ireo amboaram-peo hafa izay nandray anjara tamin’ireo fivoriana dia nanolotra hiran’ny lanitra tokoa izay nampitombo sy nanatsara ny zavatra hafa rehetra izay nitranga teto. Isaorako ianareo noho ny fizaranareo aminay ny talenta sy ny fahaiza-manaonareo mikasika ny mozika.

Tiako sy ankafiziko ireo mpanolotsaiko mahatoky, dia ny Filoha Henry B Eyring sy ny Filoha Dieter F.Uchtdorf. Tena olon’ny fahendrena sy ny fahatakarana marina izy ireo, ary tsy hay ho refesina ny asa fanompoany. Tsy mahavita izay niantsoana ahy mba ho ataoko aho raha tsy noho ny fanohanana sy ny fanampiana omen’izy ireo. Tiako sy deraiko ireo rahalahiko ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo sy ireo rehetra izay ao amin’ireo kôlejin’ny fitopololahy sy ny Episkôpà Mpiahy. Manompo amim-pitiavana sy amim-pahombiazana izy ireo. Maneho ny fankasitrahana toy izany koa aho ho an’ireo vehivavy sy lehilahy izay manompo amin’ny maha mpiandraikitra azy ireo ao amin’ireo vondrona fanampiny manerantany.

Tena voatahy tokoa isika manana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny. Manome valiny izany amin’ireo fanontaniana mikasika ny hoe avy aiza isika, nahoana isika no eto, ary hoe ho aiza isika rehefa mandao an’ity fiainana ity. Manolotra dikany sy tanjona ary fanantenana ho an’ny fiainantsika izany.

Miaina ao amin’ny tontolo mikorontana isika, tontolo feno fanamby. Eto isika, eto ambonin’ity tany ity mba hiatrika ireo fanambintsika tsirairay araka izay tsara indrindra vitantsika, mba hianatra avy amin’izy ireny sy mba handresy azy ireny. Tsy maintsy maharitra hatramin’ny farany isika, satria ny tanjontsika dia ny fiainana mandrakizay eo anatrehan’ny Raintsika any an-danitra. Tia antsika Izy ary tsy mitady zavatra hafa ankoatry ny hahatratrarantsika io tanjona io. Hanampy antsika Izy ary hitahy antsika raha miantso Azy isika ao amin’ny vavaka ataontsika, rehefa mandalina ny teniny isika, ary rehefa mankatò ireo didiny isika. Ao amin’izany no ahitana fiarovana, ao amin’izany no ahitana fiadanana.

Hitahy anareo anie Andriamanitra, ry rahalahy sy ranabavy. Misaotra anareo aho noho ny vavaka nataonareo ho ahy sy ho an’ireo Manampahefana Ambony. Velom-pisaorana lalina izahay noho ianareo sy ny zavatra rehetra ataonareo mba hampandrosoana ny Fanjakan’Andriamanitra eto an-tany.

Enga anie ny fitahian’ny lanitra omba anareo. Enga anie ny tokantranonareo ho heniky ny fitiavana sy ny fanajana ary ny fanahin’ny Tompo. Enga anie ianareo hikolokolo hatrany ny fijoroana ho vavolombelona anananareo mikasika ny filazantsara, ka ho tonga fiarovana izy io ho anareo eo anatrehan’ ny hetraketrak’i Satana.

Tapitra izao ny fihaonambe. Raha hiverina any an-tokantranontsika isika, enga anie isika ho tafody soa aman-tsara. Enga anie ny fanahy izay tsapantsika teto hiaraka sy hitoetra amintsika raha hanao ireo zavatra fanaontsika andavanandro isika. Enga anie isika hifaneho hatsaram-panahy bebe kokoa, enga anie isika ho hita mandrakariva eo am-panaovana ny asan’ny Tompo.

Tiako ianareo, mivavaka ho anareo aho. Manao veloma anareo aho mandrapihaonantsika indray afaka enim-bolana. Amin’ny anaran’ny Tompo sy Mpamonjy antsika, dia i Jesoa Kristy, Amena.

Hamoaka printy