2010
Aoka ho Hita Taratra eo amin’ny Fiainana Andavanandro ny Zava-niseho tamin’ny Fihaonambe
Nôvambra 2010


Aoka ho Hita Taratra eo amin’ny Fiainana Andavanandro ny Zava-niseho tamin’ny Fihaonambe

Naheno ireo hafatra ianao, nahatsapa ny Fanahy ary nanolo-tena ny hanaraka ny torohevitra. Kanefa tapitra ny fihaonamben’ny Fiangonana ankehitriny, dia ahoana no fomba hampidiranao izany ao anatin’ny fiainanao mandritra ireo enim-bolana manaraka?

Mpikamban’ny Fiangonana manerana an’izao tontolo izao no nizara ny zavatra nanampy azy ireo mba hahatsiaro sy hampihatra ireo hafatra avy amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana.

Ampidiro ao anatin’ny fiainanao isan’andro ny fihaonamben’ny Fiangonana

Henoy ireo lahateny rehefa manao fanatanjahan-tena ianao na rehefa mamily fiara na manao raharaha na miomana hiatrika ny andro iray.

—James, Ontario, Canada

Asaivo mifandimby misafidy lahateny mba hohenoina mandritra ny fihinana sakafo maraina ireo olona ao amin’ny fianakaviana.

—Ashlee, Washington, Etazonia

Aoka ny fianakaviana hiara-hijery ampahany tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana rehefa Alahady.

—Grant, California, Etazonia

Ampidiro ao anatin’ny takarivan’ny mpianakavy ireo lahateny

Mifidiana hafatra izay tianao haverina vakiana miaraka amin’ny fianakaviana ary omeo ny olona ao amin’ny fianakaviana izany mba hampianarin’izy ireo mandritra ireo takarivan’ny mpianakavy ho avy.

—Vern sy Jennifer, Utah, Etazonia

Mamakia na mijere lahateny iray ary mitadiava tanjona ao anatin’izany izay azon’ny fianakaviana tratrarina.

—Tony, Arizona, Etazonia

Ampiasao mandritra ny fandalinana ny soratra masina ireo lahateny

Ampifandimbiaso ny famakiana soratra masina rehefa maraina ary lahatenin’ny fihaonamben’ny Fiangonana rehefa hariva.

—Diane, Washington, Etazonia

Hamakio lahateny iray toy ny tantara vakiana alohan’ny hatoriany ny zanakao isan-kalina.

—Heather, Utah, Etazonia

Tadiavo ireo soratra masina ao amin’ny lahatsoratra tsirairay aorian’ny famakianao ilay lahatsoratra.

—Becky, Utah, Etazonia

Asio marika ny zavatra rehetra izay nangatahan’ireo Manampahefana Ambony manokana mba hataontsika ary mifantoha amin’ny fanarahana ny torohevitr’izy ireo.

—Helen, Australie

Manaova fandalinana mifototra amin’ny lohahevitra

Manaova lisitra iray izay mampifandray ireo lohahevitra noresahana nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana amin’ireo zavatra izay tianao hatsaraina eo amin’ny fiainanao. Halalino tsirairay ireo lohahevitra ireo rehefa miezaka ny hivoatra ianao alohan’ny hahatongavan’ny fihaonamben’ny Fiangonana manaraka.

—Rebecca, Texas, Etazonia

Mifantoha amin’ny lohahevitra iray manokana mandritra ny andro vitsivitsy na ao anatin’ny takarivan’ny mpianakavy mandritra ny herinandro vitsivitsy.

—Francis, Nigéria

Zarao amin’ny hafa ireo hafatra

Ampidiro ao anatin’ny gazetiboky sy bokikelin’ny Fiangonana ireo teny nalaina avy amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana.

—Todd, West Virginia. Etazonia

Mandraisa anjara na midira ao amin’ny fikambanana misahana ireo bokin’ny fihaonamben’ny Fiangonana, na izany amin’ny internet na ny vata-tenanao mihitsy. Mandalinà lahateny iray isan-kerinandro ary mankanesa any amin’ilay fikambanana misahana ireo bokin’ny fihaonamben’ny Fiangonana miaraka amin’ny fahavononana hizara zava-baovao.

—Stephanie, Utah, Etazonia

Hamoaka printy