2010
‘Ireo Zanako vavy ao amin’ny Fanjakako’: Ny Tantara sy ny Asan’ny Fikambanana Ifanampiana
Nôvambra 2010


Ireo Zanako vavy ao amin’ny Fanjakako: Ny Tantara sy ny Asan’ny Fikambanana Ifanampiana

Ny fandalinana ny tantaran’ny Fikambanana Ifanampiana dia manome famaritana sy fanazavana momba ny hoe iza moa isika amin’ny maha-mpianatra sy mpanara-dia an’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika.

Sary
Julie B. Beck

Ity fivoriana ity dia fanomezana ho an’ny zanakavavin’ny Ray any an-danitra rehetra izay maniry ny hahafantatra ny ao an-tsainy sy ny sitrapony ary maniry ny hahatakatra ny andraikitr’izy ireo ao anatin’ilay drafiny. Namangy ny maro taminareo aho tamin’iny taona lasa iny ary tohina ny foko rehefa nandinika ny masonareo aho, sy namihina anareo, nihomehy sy nitomany niaraka taminareo ary nihaino ny fahorianareo sy ny fifalianareo ary ny fahombiazanareo. Tsy hay faritana ny maha-sarobidy anareo tsirairay avy ary fantatry ny Raintsika any an-danitra koa ianareo tsirairay. Amin’ny maha-zanakavavin’Andriamanitra anareo dia miomana ho amin’ireo anjara asa mandrakizay nomena anareo ianareo ary samy manana ny maha-izy azy amin’ny maha vehivavy anareo sy ny toetoetra ary ny andraikitry ny vehivavy. Ny fahombiazan’ireo fianakaviana, sy ireo fiaraha-monina, sy ity Fiangonana ity ary ilay drafitra sarobidin’ny famonjena dia miankina amin’ny fahatokianareo. Ry rahavavy malala, tena tia sy mivavaka ho anareo izahay.

Isika rehetra dia eo afovoan’ny fiainana zavatra tena an’ny tena manokana mihitsy ao anatin’izao fiainana eto an-tany izao. Rahavavy roa izay nihaona tamiko vao haingana no maneho ny atao hoe miaina am-pahatokiana. Ny rahavavy iray dia miaina any afovoan’i Brésil. Ilay tranony tsara tarehy vita amin’ny biriky mena izay natsangana teo amin’ny tokontany tany mena ary voahodidin’ny tamboho vato mena dia toa toeram-pialofana sy fiarovana amin’ilay tontolo any ivelany. Mahay mihira ireo hiran’ny Kilonga ireo zanany izay baribary maso, ary hita mipetaka eny amin’ny rindrin’ny tranony ny sarin’ny Mpamonjy sy ny sarin’ireo tempoly sy ireo mpaminanin’Andriamanitra izay nalaina avy tamin’ny gazetiboky Liahona. Nihafy manokana mihitsy izy sy ny vadiny mba ho voahefy any amin’ny tempoly ka hahatonga ny zanany ho teraka ao anatin’ny fanekempihavanana. Nilaza tamiko izy fa nivavaka tsy tapaka mba hanomezan’ny Tompo azy hery sy fitaomam-panahy ampy hitaizany ny zanany ao anatin’ny hazavana sy ny fahamarinana ary ny herin’ny filazantsara.

Ilay rahavavavy anankiray dia mipetra-drery ao amin’ny efitrano kely iray any amin’ny rihana faha-80 ao amin’ny tranobe iray any Hong Kong. Manana fahasembanana kely ara-batana izy nefa mahaleo tena ao anatin’ny fifaliana. Izy ihany no mpikamban’ny Fiangonana ao amin’ny fianakaviany. Eo amin’ilay fitoeram-boky keliny dia ahitana ny soratra masiny sy ireo bokin’ny Fikambanana Ifanampiana ampiasainy ary boky hafa an’ny Fiangonana. Namorona toeram-pialofana itoeran’ny Fanahy ao an-tranony izy ary fahazavana ho an’ny olona rehetra ao amin’ny sampana misy azy izy.

Fampitandremana

Fantatsika fa maro ireo rahavavy izay miaina ao anatin’ny toe-javatra sarotra na mampidi-doza. Ny sasany dia tsy manan-ko hanina lava ary ny sasany dia tsy maintsy manana herimpo isan’andro mba hanohizana hatrany ao anatin’ny finoana na dia eo aza ny fahadisoam-panantenana sy ny famitahan’ny hafa. Noho isika miaina amin’ny andro farany eto amin’ity tany ity dia ahitana ireo mariky ny fahasahiranana lehibe na aiza na aiza. Betsaka ny zavatra tsy marina sy ny hevi-diso momba ny hery sy ny tanjona ary ny andraikitr’ireo vehivavy Olomasin’ny Andro Farany. Ireo zavatra tsy marina miparitaka ireo dia milaza fa tsy manan-danja kokoa isika noho ny lehilahy, ary hoe mahafinaritra isika amin’ny ankapobeny saingy tsy ampy fahalalana, ary hoe na inona na inona ataontsika dia tsy ho ampy velively izany mba haneken’ny Raintsika any an-danitra antsika. Araka ny nolazain’ny Apôstôly Petera hoe: dia misy “mpampianatra sandoka tahaka izany eo aminareo, izay hahatonga mangingina sain-diso mahavery ary handa ny Tompo izay nividy azy aza.”1

Ny Bokin’i Môrmôna dia mamaritra ny zava-mitranga:

“Fa indro, ho romotra ao am-pon’ny zanak’olombelona izy amin’izany andro izany ka hamporisika azy ho tezitra amin’izay tsara.

“Ary hampitoniany ny sasany ka handrotsirotsiany amin’ny fiadanana ara-nofo izay hitenenan’ireo hoe: mandry fehizay ny rehetra ao Ziona; eny miroborobo i Ziona, mandry fehizay ny rehetra—ary dia toy izany no nanambakan’ny devoly ny fanahiny, ka hitarihiny azy amim-pahamalinana hidina any amin’ny helo.

“Ary indro, tarihiny amin’ny fandokafana ny sasany, ary ilazany fa tsy misy izany helo izany; dia hoy izy amin’ireo:Tsy devoly izany aho, satria tsy misy izany—ary dia toy izany no bitsihiny ao an-tsofiny mandra-pisamborany azy amin’ny gadrany mahatsiravina izay tsy misy fanafahana.”2

Ao anatin’izao rivotra mitombon’ny fikatsahana zo, ny fanamarinan-tena, ny fidonahanaham-poana ary ny fambaboana izao dia ahiana tokoa ny mety hahatonga ireo zanakavavin’Andriamanitra izay tsy miambina sy tsy mivavaka ary tsy tarihin’ny Fanahy ho toy ny voalazan’ny soratra masina hoe “vehivavy adaladala”3 izay manompo “andriamani-kafa.”4 Mampalahelo fa vokatry ny fahasarotan’ny fiainana sy ireo hevi-diso malazan’izao tontolo izao dia maro ireo rahavavy izay mino kokoa ireo angano noho ny fahamarinana. Ny tsy fanarahan’izy ireo an’Andriamanitra dia miseho amin’ny fahitana fa maro no tsy manao ny zavatra fototra ilaina toy ny vavaka sy ny famakiana ny soratra masina. Ny Tompo tenany izao no nilaza hoe “izao dia andron’ny fampitandremana fa tsy andron’ny teny maro.”5

Ny Fikambanana Ifanampiana dia Naorina mba ho Fitaovam-piarovana sy Toeram-pialofana

Mba hikarakarana sy hampianarana ny zanakavaviny ary hampientanana ny fanahin’izy ireo amin’izao andro mahory izao dia nanome alalana ny Mpaminany Joseph Smith Andriamanitra mba hanangana fikambanana ho an’ireo vehivavin’ny Fiangonana. Izany fikambanana nasain’Andriamanitra natsangana izany ary tarihin’ny fisoronana dia antsoina hoe Fikambanana Ifanampiana.

Ny tanjon’ny Fikambanana Ifanampiana dia ny hanomana ireo zanakavavin’Andriamanitra handray ireo fitahian’ny fiainana mandrakizay rehefa mivoatra eo amin’ny finoana sy ny fahamarinan’ny tena manokana izy ireo ary rehefa manamafy orina ny fianakaviany sy ny tokantranony ary mitady sy manampy ireo izay sahirana.

Ny Fikambanana Ifanampiana dia manazava tsara ny asantsika ary mampiray antsika amin’ny maha-zanakavavin’Andriamanitra antsika izay miaro ny drafiny. Amin’izao andron’ny fahalalana diso momba ny maha izy azy ny tsirairay sy ny savorovoro ary ny fandrebirebena izao, ny Fikambanana Ifanampiana dia natao mba ho mpitari-dalana hampianatra ny fahamarinana an’ireo vehivavy mahatoky. Amin’izao, ny vehivavy marina dia mikatsaka fanambarana mitafotafo mba hanoherana ny fandrebirebena, mba hitolomana amin’ny faharatsiana sy ny fahapotehana ara-panahy ary mba hiatrehana amin-kery ireo loza manokana amin’ny alalan’ny fampitomboana ny finoan’izy ireo sy ny fankaherezana ny fianakavian’izy ireo ary ny fanolorana fialofana ho an’ny hafa.

Ny Tantara sy Asan’ny Fikambanana Ifanampiana

Ny Fiadidiana misy anay dia nivavaka, nifady hanina sy nandinika ary naka hevitra tamin’ireo mpaminany sy mpahita ary mpanambara mba hahafantarana izay tian’Andriamanitra hataonay mba hanampiana ireo zanakavaviny mba hatanjaka eo anatrehan’ny “antambo izay hanjo ny mponin’ny tany.”6 Nisy valiny anankiray tonga, dia ny hoe tokony hahafantatra zavatra sy hianatra avy amin’ny tantaran’ny Fikambanana Ifanampiana ireo rahavavy ao amin’ny Fiangonana. Ny fahatakarana ny tantaran’ny Fikambanana Ifanampiana dia manamafy ny fototra iorenan’ny maha izy azy an’ireo vehivavy mahatoky ireo sy ny fananany lanja.

Vokatr’izany dia efa eo andalam-pahavitany izao ny tantaran’ny Fikambanana Ifanampiana natao ho an’ny Fiangonana ary ho azo ampiasaina amin’ny herintaona. Fa mialohan’izany dia nampitomboina ny fifantohana amin’ny tantaran’ny Fikambanana Ifanampiana toy ny ao amin’ny pejy misy ny hafatra ho an’ny famangiana isan-tokantrano ao amin’ny Liahona. Feno fanentanam-panahy sy nandraisana fanambarana ny fiainana ny fanomanana ilay tantara.

Raha nandalina ny tantaran’ny Fikambanana Ifanampiana izahay, dia nianatra fa ny fomba fijerin’ny Tompo sy ny tanjony ho an’ny Fikambanana Ifanampiana dia tsy hoe ho fivoriana mahamonamonaina isaky ny Alahady izany. Nanan-javatra lehibe lavitra kokoa tao an-tsainy Izy noho ny hoe fikambanam-behivavy na vondrona hikarakarana fialamboly mahaliana manokana fotsiny.

Andrasany amin’ny Fikambanana Ifanampiana ny hamolavola ny olony sy hanomana azy ireo handray ireo fitahian’ny tempoly. Nanorina izany fikambanana izany Izy mba hampandraisany anjara an’ireo zanakavaviny ao amin’ny asany sy hangatahany fanampiany avy amin’izy ireo eo amin’ny fanorenana ny fanjakany sy ny fanamafisan’orina ireo tokantrano ao Ziona.

Ny Tantara dia Mampianatra Antsika hoe Iza Moa isika

Mianatra ny tantarantsika isika mba hahafantatra hoe iza moa isika. Misy hetaheta te-hahafantatra marina ny tenany sy ny lanjany izay miely manerana an’izao tontolo izao eo anivon’ireo vehivavy tsara. Ny fandalinana ny tantaran’ny Fikambanana Ifanampiana dia manome famaritana sy fanazavana momba ny hoe iza moa isika amin’ny maha-mpianatra sy mpanara-dia an’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika. Ny fahatokiantsika sy ny fanompoantsika dia mariky ny fiovam-pontsika sy ny fanoloran-tenantsika mba hahatsiaro sy hanaraka Azy. Tamin’ny Jolay 1830, tany am-piandohan’ny Famerenana tamin’ny laoniny ny Fiangonany, dia nifidy ny vehivavy mpitarika voalohany ny Tompo ary nilaza taminy tao anatin’ny fanambarana hoe: “Miteny aminao Aho ry Emma Smith zanako vavy; fa lazaiko aminao marina tokoa, ireo rehetra izay mandray ny filazantsarako dia zanako lahy sy zanako vavy ao amin’ny fanjakako.”7

Ny tantaran’ny Fikambanana Ifanampiana dia mampianatra antsika fa ny Ray any an-danitra dia mahafantatra ny zanany vavy. Tiany izy ireo, nanome andraikitra manokana azy ireo Izy ary miteny sy mitarika azy ireo Izy mandritra ny fiainan’izy ireo eto an-tany. Ankoatr’izany, ny tantaran’ny Fikambanana Ifanampiana dia mampisandratra sy mampanan-kery ny toeran’ny vehivavy ary mampiseho ny fomba fiasany miaraka amin’ireo mpitarika mahatoky ao amin’ny fisoronana.

Mampianatra ny Tokony Hataontsika ny Tantara

Mianatra ny tantarantsika isika mba hahafantatra ny tokony hataontsika. Amin’ny alalan’ny tantarantsika dia mianatra ny fomba hiomanantsika ho an’ny fitahian’ny fiainana mandrakizay isika. Ny Fikambanana Ifanampiana amin’ny maha-fikambanana azy dia nanana andraikitra foana handrindra ny herin’ireo rahavavy ao amin’ny paroasy na sampan’i Ziona. Amin’ny alalan’ireo fivorian’ny Fikambanana Ifanampiana, sy ny asa ataon’ireo mpampianatra isan-tokantrano ary ireo asa fanompoana hafa iarahan’izy ireo manao amin’ny hafa dia mahazo fampianarana sy voakarakara ireo zanakavavin’Andriamanitra ary mahazo fanentanam-panahy mikasika ireo andraikiny ao amin’ny asan’ny Tompo sy ny fanjakany. Ireo filohan’ny Fikambanana Ifanampian’ny paroasy sy ny sampana no natokana hitarika izany asa izany.

Herintaona lasa izay nandritra ity fivoriana ity dia nambara ireo fitsipika mikasika ireo fivorian’ny Fikambanana Ifanampiana. Faly izahay manao tatitra fa any amin’ny ankamaroan’ny paroasy sy sampana manerana an’izao tontolo izao dia efa ampiharin’ireo fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana sy ireo rahavavy ireo fitsipika ireo ary efa nandray ilay fanahy entin’izany izy ireo. Fifaliana ny nahita ny fahombiazan’ny tanjon’ny Fikambanana Ifanampiana sy ny asany indray. Hitanay koa ny fisian’ny fivoarana teo amin’ny fahamendrehan’ny Fikambanana Ifanampiana sy ny fananany ny maha izy azy ary ny maha-zava-dehibe azy noho ny fiantsoana sy filazana tsotra fotsiny ireo fivorian’ny rahavavy araka ny fisehony eo hoe, fivorian’ny Fikambanana Ifanampiana. Nahita ny fitomboan’ny finoana sy fahamarinan-toetran’ny tena manokana izahay ary ny fanamafisan’orina ny fianakaviana sy ny tokantrano ary ny fanomezan’ireo rahavavy ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana fanampiana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo fivorian’ny Fikambanana Ifanampiana. Ireo fitsipika rehetra mahakasika ireo fivorian’ny Fikambanana sy ny famangiana isan-tokantrano ary ireo asa hafan’ny Fikambanana Ifanampiana dia manana ny fototra iorenany ao amin’ny tantaran’ny Fikambanana Ifanampiana ary nankatoavin’ny Fiadidiana Voalohany.

Efa andraikitry ny Fikambanana Ifanampiana foana ny fandraisana anjara amin’ny asa famonjena. Hatrany am-piandohan’ny Fiangonana naverina tamin’ny laoniny dia efa teo ireo rahavavy nanomboka tamin’ny voalohany ka hatramin’ny farany ary eo foana eo amin’ny fiatrehana ireo toe-javatra miseho eo amin’ny fiainana andavanandro. Avy ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana izy ireo dia mandeha manompo any amin’ny Kilonga, any amin’ny Zatovovavy sy any amin’ny Sekoly Alahady ary any amin’ny asa hafa, ka dia ohatra miavaka maneho ny fahazavana sy ny hatsaran-toetra izy ireo ho an’ny taranaka vao misondrotra. Ny fanaovan’ny tena manokana asa fanompoana dia mamolavola ny rahavavy tsirairay ary ny asa fanompoana iarahan’ny rahavavy mahatoky an-tapitrisany maro manao dia miteraka herim-pinoana mahatalanjona ao anatin’ny asan’ny Tompo. Ny Tantara dia maneho fa hatramin’ny fiandohan’ny Famerenana amin’ny laoniny, ny rahavavy dia lohalaharana amin’ny fizarana ny filazantsara, ary dia manohy izany ezaka izany izy ireo rehefa manao asa fitoriana amin’ny fotoana feno sy manomana ny zatovolahy sy ny zatovovavy hanao asa fitoriana amin’ny fotoana feno ary manasa ny naman’izy ireo sy ny mpifanolobodirindrina ary ny mpikamban’ny fianakavian’izy ireo hizara ny fitahian’ny filazantsara. Mianatra avy amin’ny tantara ihany koa isika fa ny Mpaminany Joseph Smith dia nampiasa ireo fivorian’ny Fikambanana Ifanampiana mba hampianarana ireo rahavavy amin’ny fiomanan’izy ireo ho an’ny tempoly. Ankehitriny dia mbola mitohy ho isan’ireo vaindohan-draharahan’ny Fikambanana Ifanampiana ny fanaovana tetiarana sy ny fanaovana asa any amin’ny tempoly.

Ny fahatakarantsika ny tanjon’ny tantarantsika dia manampy ny vehivavy hianatra ny hametraka araka ny tokony izay laharam-pahamehana mba “tsy [handanian’izy ireo] vola amin’izay tsy misy vidiny na [mba tsy hiasany] amin’izay tsy mety mahafa-po.”8 Ny Fikambanana Ifanampiana dia efa nanana andraikitra foana hanao ilay nampianarin’ny Apôstôly Paoly hoe: hampianatra ny vehivavy tanora ho tia ny vadiny, hahonon-tena, ho madio toe-panahy ary hampianatra ireo izay manambady mba ho tia ny vadiny, ho tia ny zanany ary hanamafy orina ny tokantranony.9 Ny tantaran’ny Fikambanana Ifanampiana dia mampianatra antsika mba hikarakara ireo zavatra manan-danja izay hamonjy sy hanamasina antsika sy ireo zavatra ilaina mba hahatonga antsika ho mahaleo tena sy ho azo ampiasaina ao amin’ny fanjakan’ny Tompo.

Tarigetra iray tsy miova ao anatin’ny tantarantsika ny hoe ireo rahavavy izay mampiasa ny herin’ny Fanahy Masina dia miasa miaraka amin’ny fitarihan’ny Tompo eo amin’ny fiainany ary mahazo fanambarana momba ireo andraikiny.

Mampiray ireo Vehivavy Mahatoky ny Tantara

Mianatra ny tantarantsika isika satria izany dia mampiray ny vehivavy mahatoky. Ny tantaran’ny Fikambanana Ifanampiana dia tantara hahatsapana ny Fanahy momba ireo vehivavy natanjaka sy nahatoky ary nanana tanjona. Ny Fikambanana Ifanampiana izay lafiny iray mandrafitra ny Fiangonan’ny Tompo naverina tamin’ny laoniny dia hita any amin’ny firenena mihoatra ny 170 ankehitriny. Na aiza na aiza eo amin’izao tontolo izao, ireo vehivavy ampy taona ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo dia afaka omena andraikitra lehibe sy manan-danja.

Amin’ny alalan’ny fandaharan’asa “La Foi en Dieu” sy “Mon Progrès Personnel” dia mianatra mametraka tanjona ireo ankizivavy sy ireo zatovovavy ao amin’ny Fiangonana, izay mampifantoka azy ireo amin’ny tempoly sy ireo andraikiny amin’ny hoavy. Manohy ny fivoarany mankany amin’ny fahazoana ireo fitahian’ny tempoly sy ny fiainana mandrakizay izy ireo ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana amin’ny alalan’ny fampitomboana ny finoany sy ny fahamarinan-toetrany manokana, ny fanamafisan’orina ny fianakaviana sy ny tokantrano, ary ny fitadiavana sy ny fanampiana ireo sahirana. Ireo rahavavy mahatoky dia mianatra manao izany ao anatin’ny tsy fitadiavana dera na fankasitrahana noho ny asa ataon’izy ireo. Izany dia noho ny Fikambanana Ifanampiana izay mahita fahombiazana amin’ny alalan’ilay fampianaran’i Jesoa Kristy Tompo, izay nilaza fa rehefa manao ao amin’ny mangingina ny fiantrantsika (na ny fanatitsika) isika, dia ilay Raintsika any an-danitra izay mahita ao amin’ny mangingina no hamaly antsika.10

Amin’ny alalan’ny tantara sy ny asan’ny Fikambanana Ifanampiana, dia miray ao anatin’ny vondrona iray lehiben’ny mpirahavavy izay ahitana ireo zanakavavin’Andriamanitra tanora sy antitra, mahantra sy manan-karena, manam-pahaizana sy tsy nianatra, mpitovo sy manambady ary mafy orina sy tsy azo hozongozonina maneran-tany isika.

Afaka Manampy Antsika mba Hiova ny Fahalalana ny Tantara

Mianatra ny tantarantsika isika satria manampy antsika hiova izany. Farany, ny lanjan’ny tantara dia tsy miankina be loatra amin’ireo daty sy fotoana ary toerana ao anatiny. Manana ny lanjany izany satria mampianatra antsika hahafantatra hoe iza moa isika sy inona no tokony hataontsika, ary mampiray antsika amin’ny fanatanjahana ireo tokantranon’i Ziona sy ny fanorenana ny Fanjakan’Andriamanitra eto ambonin’ny tany. Ny Fikambanana Ifanampiana, rehefa miasa amin’ny fomba izay tarihan’ny fanahy dia afaka manolo ny tahotra, ny ahiahy ary ny fitiavan-tena amin’ny finoana sy ny fanantenana ary ny fiantrana. Rehefa mampandroso ny asan’ny Tompo isika dia hitohy ny fanoratan’ireo rahavavy mahatoky manerana an’izao tontolo izao ny tantaran’ny Fikambanana Ifanampiana. Ny Tompo dia manamafy orina ny Fikambanana Ifanampiana amin’izao fotoana izao ary manome hoavy be voninahitra ho an’ireo zanakavaviny.

Mijoro ho vavolombelona aminareo aho fa tena misy ilay Raintsika any an-danitra sy ny Zanany Jesoa Kristy. Tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith, dia naverina eto an-tany ny filazantsara sy ny vaovao mahafaly momba ny maha-izy azy antsika sy ny tanjontsika. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Hamoaka printy