“Maharitra sy Tsy Voahozongozona”
Raha mahatoky sy maharitra hatramin’ny farany isika, dia hahazo ireo fitahian’ny Ray any an-danitra rehetra, eny ny fiainana mandrakizay sy ny fisandratana aza.
Feno fankasitrahana aho mandray anjara amin’ity fivorian’ny vehivavy mahatoky manerana izao tontolo izao ity. Efa nihaona tamin’ny an’arivony taminareo aho tany amin’ny firenena samihafa. Ny fahatokianareo sy ny fahavitrihanareo dia nankahery ahy. Ny ohatra nasehonareo teo amin’ny hatsaran-toetra sy ny fanoloran-tena amin’ny filazantsara dia nanentana ny fanahiko. Ny asa fanompoana feno fitiavana ny hafa izay nataonareo mangingina sy ny tenin’ny fijoroanareo ho vavolombelona ary ny finoanareo dia nampanetry tena ahy.
Hapetrako aminareo tsirairay avy amin’izao hariva izao ireo fanontaniana izay efa napetrako tamin’ny an-kamaroanareo nandritra ny resadresaka nifanaovantsika.
-
Inona no manampy anareo haharitra sy tsy ho voahozongozona eo amin’ny fiatrehanareo ireo fanamby izay manozongozona ny finoanareo?
-
Inona no manohana anareo ao anatin’ny fitsapana sy ny fahoriana mihatra aminareo?
-
Inona no manampy anareo haharitra sy ho tonga mpanara-dia marin’i Kristy?
Ny sasany tamin’ny valiny nomenareo ahy dia ahitana izao:
-
Ny fahalalanareo fa ny Ray any an-danitra dia tia anareo sy mikarakara anareo.
-
Ny fanantenanareo fa amin’ny alalan’ny sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia ho tanteraka ireo fitahiana rehetra nampanantenaina ho an’ny mahatoky.
-
Ny fahalalanareo ny drafitry ny fanavotana.
Ny hafatro anio dia hifantoka amin’ireo fanambarana izay avy tao am-ponareo ireo.
Ny Romana 8:16 dia milaza hoe: “Ny Fanahy dia miara-milaza amin’ny fanahintsika fa zanak’Andriamanitra isika.” Ny fotoana voalohany nahatsapako tsy ampisalasalana fa nahafantatra sy nitia ary nihevitra ny momba ahy ny Ray any an-danitra dia tamin’ny nidirako tamin’ny ranon’ny batisa tamin’ny faha 15 taonako. Talohan’izay, dia fantatro fa nisy Andriamanitra ary i Jesoa Kristy no Mpamonjy izao tontolo izao. Nino Azy ireo aho ary tia Azy ireo, kanefa dia tsy mbola nahatsapa mihitsy ny fitiavana sy ny fikarakaran’izy ireo ahy manokana aho raha tsy tamin’izany andro izany izay nifaliako noho ny fahafahako nanao ny fanekempihavanan’ny batisa.
Tsapako fa tena fahagagana lehibe ny hoe hitan’ireo mpitory ny filazantsara sy nampianariny, indrindra fa vitsy kely fotsiny ny mpitory ny filazantsara teo anivon’ny olona roa tapitrisa! Fantatro tamin’izay fa fantatry ny Ray any an-danitra sy tiany tamin’ny fomba miavaka aho ka notarihany ho any an-tranoko ireo mpitory ny filazantsara.
Fantatro ankehitriny fa Andriamanitra dia Andriamanitry ny fitiavana. Marina izany satria zanany isika ary hiriany ny mba hananantsika rehetra hafaliana sy hasambarana mandrakizay. Ny asany sy ny voninahiny dia ny mba hahazoantsika ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizay.1 Izany no nahatonga Azy hanolotra ny drafitry ny fahasambarana ho antsika. Ny tanjontsika eo amin’ny fiainana dia ny hahazo ny fiainana mandrakizay sy ny fisandratana ho an’ny tenantsika, ary ny hanampy ny hafa hahazo izany koa. Nahary ity tany ity Izy mba hahazoantsika vatana nofo sy taolana ary mba hisedrana ny finoantsika. Nanome antsika ilay fanomezana sarobidin’ny fahafahana misafidy Izy, izay ahafahantsika misafidy ny lalana mitondra antsika any amin’ilay fahasambarana maharitra mandrakizay. Ny drafitry ny fanavotan’ny Ray any an-danitra dia ho ahy sy ho anao. Natao ho an’ny zanany rehetra izany.
“Ary Andriamanitra nahary ny olona tahaka ny endriny; tahaka ny endrik’Andriamanitra no namoronany azy; lahy sy vavy no namoronany azy.
“Ary Andriamanitra nitso-drano azy hoe: Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany.”2
“Ar y Izy dia nanome didy azy ireo fa tokony hoderainy ny Tompo Andriamaniny … Ary nankato ny didin’ny Tompo i Adama.”3
I Adama sy i Eva dia niteraka ary dia nitohy ny drafitra.
Fantatro fa isika tsirairay dia manana andraikitra lehibe sy manan-danja amin’ny maha zanakavavin’Andriamanitra antsika. Efa nomeny toetra masina ireo zanakavaviny mba hampandrosoana hatrany ny asany. Ny vehivavy dia nampiandraiketan’Andriamanitra an’ilay asa masin’ny fiterahana sy fitaizana zanaka. Tsy misy asa hafa manan-danja mihoatra izany. Antso masina izany. Ny anjara fanompoana mendri-kaja indrindra ho an’ny vehivavy dia ny asa masin’ny fananganana fianakaviana mandrakizay, izay tena tsara rehefa ao anatin’ny fiaraha-miasa amin’ny vadiny.
Fantatro fa ny sasany amin’ireo rahavavintsika dia mbola tsy nahazo ny fitahian’ny fanambadiana sy ny fananan-janaka. Manome toky anareo aho fa ho avy ny fotoana izay handraisanareo ireo fitahiana rehetra nampanantenaina ho an’ny mahatoky ireo. Tsy maintsy “mibosesika handroso amin’ny fiorenana ao amin’i Kristy ianareo, amin’ny fanananareo fanantenana mamirapiratra sy lavorary, … ary maharitra hatramin’ny farany” mba ahazoana ny fiainana mandrakizay.4 Amin’ny fomba fijery mandrakizay, ireo fitahiana mbola tsy azo dia “tsy haharitra afa-tsy fotoana fohy”5
Ho fanampin’izany, dia tsy voatery manambady ianao vao afaka mitandrina ny didy sy mikarakara ny fianakaviana sy ny namana ary ny mpifanolobodirindrina. Ny fanomezam-pahasoavana, ny talenta, ny fahaiza-manao ary ny tanjaka ara-panahy anananao dia tena ilaina tokoa amin’ny fananganana ny fanjakana. Miantehatra amin’ny fahavononanao hanatanteraka ireo andraikitra manan-danja ireo ny Tompo.
Hoy ny Tompo:
“Fa Izaho kosa tsy mba [h]anadino anao.
“Indro, efa vitako tombo-kavatsa eo am-pelatanako ianao, ary ny mandanao dia eo anatrehako mandrakariva.”6
Tia anareo ny Tompo. Fantany ny fanantenanareo sy ny fahadisoam-panantenanareo. Tsy hohadinoiny ianareo satria eo anoloany hatrany ny fangirifirinareo sy ny fijalianareo.
Ny fanehoan’Andriamanitra tamin’ny fomba lehibe indrindra ny fitiavany antsika dia ny fahavononany nandefa ilay Zanaka malalany, Jesoa Kristy, mba hanonitra ny fahotantsika, ary mba ho Mpamonjy sy Mpanavotra antsika.
Ao amin’ny Jaona 3:16 dia mamaky toy izao isika: “Fa toy izao no nitiavan’ Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zananilahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.”
Hoy ny Mpamonjy hoe: “Tahaka ny nitiavan’ny Ray Ahy no nitiavako anareo.”7
Ny fahavononan’i Jesoa Kristy ho ilay zanak’ondry atao sorona dia fanehoany ny fitiavany an-dRainy sy ny fitiavany tsy manam-petra antsika tsirairay avy.
Isaia dia namaritra ny fijalian’ny Mpamonjy ho toy izao:
“… Nitondra ny aretintsika tokoa Izy sady nivesatra ny fahoriantsika. …
“… voalefona noho ny fahadisoantsika sy notorotoroina noho ny helotsika: … ary ny dian-kapoka taminy no nahasitranana antsika.”8
Ny Tompo mihitsy no nilaza hoe: “Izaho Andriamanitra dia efa nijaly tamin’ ireo zavatra rehetra ireo ho an’ ny rehetra, mba tsy hahatonga azy ireo hijaly raha mibebaka.”9
Namaha ny fatoran’ny fahafatesana Izy ary nanao izay ahafahan’ny olona rehetra hitsangana amin’ny maty. Nanome antsika ny fanomezan’ny tsy fahafatesana Izy.
I Jesoa Kristy dia nitondra teo Aminy ny fahotantsika, nijaly ary maty mba hanefana ny fitakian’ny fahamarinana mba tsy hijaliantsika rehefa mibebaka isika.
Maneho ny fanekentsika an’i Jesoa Kristy ho Mpamonjy antsika isika rehefa mametraka ny finoantsika ao Aminy, sy mibebaka amin’ny fahotantsika, ary mandray ireo ôrdônansin’ny famonjena izay takiana mba hidirana eo anatrehan’Andriamanitra. Ireo ôrdônansin’ny famonjena ireo dia tandidon’ny fanekempihavanana ataontsika. Ny fanekempihavanan’ny fankatoavana ny Lalàny sy ny didiny dia mamatotra antsika amin’Andriamanitra ary manamafy orina ny finoantsika. Ny finoantsika sy ny fiorenantsika ao amin’i Kristy dia hanome antsika ny herimpo sy ny fahatokiana ilaintsika hiatrehana ny fanambin’ny fiainana, izay tafiditra ao anatin’ny zavatra iainantsika eto an-tany.
Taoriana kelin’ny niantsoana ny vadiko hiahy ny misiônan’i Asuncion any Paraguay tamin’ny taona 1992, dia namonjy ny fihaonamben’ny sampana tany amin’ny toerana iray mitoka-monina tao amin’ny faritra antsoina hoe Chaco Paraguayana izahay.10 Nandeha nandritra ny adiny efatra tamin’ny lalana vita tamin’ny vongam-bato izahay ary nandeha adiny fito fanampiny tamin’ny lalan-tany. Vetivety dia adino ireo olana sy ny tsy fahazoana aina nandritra izany dia izany rehefa niarahaba ireo mpikambana tao Mistolar izay falifaly sy nahay nandray vahiny izahay.
I Julio Yegros izay mbola tanora no filohan’ny sampana ary izy sy ny vadiny Margarita no anisan’ireo fianakaviana vitsivitsy izay nofehezina tany amin’ny tempoly. Nangataka azy ireo hizara ny zavatra niainan’izy ireo nandritra ny dian’izy ireo tany amin’ny tempoly aho.
Tamin’izany fotoana izany, ny tempoly akaiky indrindra dia ny tempolin’i Buenos Aires any Argentine. Ny faharetan’ny dia miala avy ao Mistolar mankany amin’ny tempoly dia adim-pamantaranandro fito ambin’ny roapolo ary niaraka tamin’ny zanany kely anankiroa izy ireo. Teo antenantenan’ny ririnina mamirifiry izany no nitranga, kanefa noho ny fihafiana lehibe nataon’izy ireo dia tonga tany amin’ny tempoly ihany izy ireo ary niaraka nofehezina mba ho fianakaviana mandrakizay. Rehefa niverina izy ireo dia narary mafy ireo zazakely roa ary dia maty. Nalevin’izy ireo teny an-dalana ireo [zaza] ary niverina tamin’ny tanam-polo nody izy ireo. Nalahelo izy ireo ary nanirery, kanefa nahatalanjona fa nahatsapa fampiononana sy fiadanana. Toy izao ny filazan’izy ireo izany zavatra niainany izany: “Ny zanakay dia nofehezina taminay tao amin’ny tranon’ny Tompo. Fantatray fa hiverina hiaraka aminay mandrakizay izy ireo. Nitondra fiadanana sy fampiononana anay ny fahalalana izany. Mila mijanona ho mendrika sy mahatoky amin’ny fanekempihavanana nataonay tany amin’ny tempoly izahay, ary dia ho tafaray amin’izy ireo indray.”
Ahoana no fomba hampitomboantsika ny finoana sy ny fanantenantsika mba hitoviana amin’ireo mpikambana mahatoky tany Paraguay ireo?
Ahoana no fomba hanamafisantsika orina ny finoantsika ireo zavatra nambarantsika izay henoko niverimberina avy tamin’ny ankamaroanareo, fa hoe mino ny fitiavan’Andriamanitra anareo ianareo, ary hoe mahatoky ianareo fa handray ny fitahiany, ary hoe takatrareo ny drafitry ny fanavotana amin’ny alalan’ny Mpamonjy Jesoa Kristy sy ny anjara asanareo lehibe ao amin’ilay drafiny?
Hanolotra zavatra efatra anareo aho izay efa nanampy ahy: ny vavaka, ny fandalinana ny soratra masina, ny fankatoavana, ary ny asa fanompoana.
Vavaka
Ny vavaka dia ilay fomba fifandraisana amin’ny Ray any an-danitra. Rehefa mivavaka isika, dia manaiky ny finoantsika Azy isika sy ny heriny izay mitahy antsika.
Vakiantsika ao amin’ny Almà 37:37 ny hoe: “Milà hevitra amin’ ny Tompo amin’ ny ataonao rehetra dia hotarihiny ho amin’ ny tsara ianao; eny, rehefa mandry ianao amin’ ny alina, mandria ao amin’ ny Tompo, mba hahazoany miambina anao ao amin’ ny torimasonao; ary rehefa miarina ianao amin’ ny maraina, aoka ny fonao ho feno fisaorana an’ Andriamanitra; ary raha manao ireo zavatra ireo ianao, dia hasandratra ianao amin’ ny andro farany.”
Fandalinana ny soratra masina
Ny fahalalana sy ny fahatakarana ny drafitry ny Ray any an-danitra dia manampy antsika hahafantatra hoe iza moa isika ary tokony ho tonga manao ahoana isika.
Nandidy ny Tompo hoe: “Dinihinareo ny Soratra Masina, satria ataonareo fa ao aminy no anananareo fiainana mandrakizay, ary ireny no manambara Ahy.”11
Tena ilaina be ho an’ny vehivavy tsirairay ny mandalina ny soratra masina. Rehefa mahafantatra bebe kokoa ny fahamarinan’ny soratra masina isika, dia afaka hampihatra izany eo amin’ny fiainantsika ary hanana hery bebe kokoa hanatanterahana ny tanjon’Andriamanitra. Ny vavaky ny tena manokana sy ny fandalinana ny soratra masina atao isan’andro koa dia manasa ny fitarihan’ny Fanahy Masina sy ny heriny ho eo amin’ny fiainantsika.
Fankatoavana
Ny Tompo dia nilaza hoe: “Raha tia Ahy ianareo dia hitandrina ny didiko”12 Ny fankatoavantsika amim-pahatokiana dia hanampy antsika hampivelatra ireo toetra maha Andriamanitra sy hanova ny fontsika.
Ao amin’ny Fotompampianarana sy ny Fanekempihavanana dia toroina hevitra isika hoe:
“Mifikira amin’ny fanekempihavanana izay efa nataonao. …
“Tandremo lalandava ny didiko dia handray ny satro-boninahitry ny fahamarinana ianao.”13
Ny fanekentsika hiaina ny filazantsara dia mamelona ny finoantsika sy ny fanantenantsika ao amin’i Jesoa Kristy.
Asa fanompoana
Manana fahafahana maro hanompoana Azy isika. Ny rahavavy tsirairay dia angatahina hitady sy hanampy ireo mahantra sy mila fanampiana eo anivontsika sy manodidina antsika. Tafiditra ao anatin’ny “mahantra sy ny ory” ireo izay ory ara-panahy sy ara-pihetseham-po. Ny tsirairay ihany koa dia nomena andraikitra hanavotra ny maty, izay azo tanterahana amin’ny fanaovana tetiarana na amin’ny fanaovana asa ao amin’ny tempoly. Nodidiana isika hizara ny filazantsara amin’ny hafa, ary maro ny fomba handraisana anjara amin’ny asa fitoriana. Ireo zavatra rehetra ireo dia fomba ahafahantsika manompo ny Tompo. Ny Tompo dia miandrandra ireo izay matanjaka hampahery ny malemy ary ny finoanareo dia hatanjaka rehefa mampahery sy mikarakara ny zanany ianareo.
Fantatro fa tia tanteraka ny zanany tsirairay avy ny Ray any an-danitra, ary tsy miova. Fantatro fa amin’ny maha vehivavy antsika dia manana andraikitra tena manan-danja isika ao amin’ny drafitry ny fahasambarana. Ny ezaka faran’izay tsara vitantsika ihany no hany takiany amintsika ary isika tsirairay avy dia ilaina amin’ny fananganana ny fanjakana. Ny Sorompanavotana dia tena nisy. I Jesoa Kristy no Mpamonjy sy Mpanavotra antsika. Mijoro ho vavolombelona aho fa raha mahatoky sy maharitra hatramin’ny farany isika, dia hahazo ireo fitahian’ny Ray any an-danitra rehetra, eny ny fiainana mandrakizay sy ny fisandratana mihitsy aza. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.