2010
Ny Fiantrana Tsy ho Levona Mandrakizay
Nôvambra 2010


Ny Fiantrana Tsy ho Levona Mandrakizay

Mba tsy hifampitsaratsarana sy hifampitsikerana dia meteza isika hanana ny fitiavana madion’i Kristy ho an’ireo mpiara-dia amintsika eto amin’ity dia ity mandritra ny fiainana.

President Thomas S. Monson

Nifaly ny fanahintsika anio hariva ary niandrandra ny lanitra. Notahiana isika avy tamin’ny fandrenesana hira mahafinaritra sy hafatra nentanim-panahy tokoa. Eto ny Fanahin’ny Tompo. Mivavaka aho mba handray ny Fitarihany ankehitriny eo am-pizarana ireo eritreritro sy fahatsapako sasantsasany aminareo.

Ho atomboko amin’ny tantara fohy izany izay manazava ny hevitra tiako hampitaina.

Nisy mpivady vao iray, i Lisa sy i John, izay vao nifindra teo amin’ny faritra vaovao iray. Indray maraina teo am-pisakafoanana maraina dia nijery teo am-baravarankely i Lisa ary nitazana ilay vehivavy mpiara-monina aminy izay teo am-panahazana ny lambany.

“Tsy madio izany lamba izany!” hoy i Lisa. “Tena tsy mahay manasa lamba ny mpifanolobodirindrina amintsika!”

Nitazana i John kanefa tsy niteny na inona na inona.

Isaky ny hanahy lamba ilay vehivavy mpiara-monina dia hanao izany fanamarihana izany foana i Lisa.

Herinandro vitsivitsy taty aoriana dia akory ny hagagan’i Lisa rehefa nitazana teo am-baravarankeliny ary nahita lamba madio tsara sy mahafinaritra teo an-tokontanin’ny mpifanolobodirindrina aminy. Hoy izy tamin’ny vadiny: “Jereo anie ry John e!—Nahay nanadio lamba ihany izy ny farany! Manontany tena aho hoe ahoana ary no nahavitany izany?”

Namaly i John hoe: “Manana ny valin’izay aho ry malala! Hahaliana anao tokoa ny hahafantatra fa nifoha maraina be aho ary nosasako ny fitaratry ny varavarankelintsika!”

Te-hizara aminareo hevitra vitsivitsy ato an-tsaiko aho anio hariva mikasika indrindra ny fomba fijerintsika eo amin’isika samy isika. Moa ve isika mijery eo amin’ny varavarankely izay tokony hodiovina? Moa ve isika manao fitsaratsarana nefa tsy fantatsika akory ny marina rehetra? Inona no hitantsika rehefa mijery ny hafa isika? Inona no lazaintsika mikasika azy ireo?

Hoy ny Mpamonjy hoe: “Aza mitsara.”1 Ary notohizany izany, manao hoe: “Nahoana ianao no mijery ny sombin-kazo eo amin’ny mason’ny rahalahinao, fa ny andry eo amin’ny masonao dia tsy mba tsaroanao?”2 Na; raha lazaina amin’ny fomba hafa dia hoe: nahoana ianao no mitsara izay heverinao fa lamba ratsy sasa etsy an-tranon’ny mpifanolobodirindrina aminao, fa tsy mihevitra ny varavarankely maloto ao an-tranonao?

Tsy misy tonga lafatra isika tsirairay. Tsy mahalala na dia iray aho mitonon-tena ho tonga lafatra. Kanefa, na dia eo aza izay tsy fahatanterahantsika izay, dia matetika isika no mirona amin’ny fanamarihana ny tsy fahatanterahan’ny hafa. Mitsaratsara azy ireo isika mikasika ny fihetsika ataony na ny zavatra tsy ataony.

Tena tsy misy fomba hahafahantsika mahafantatra ny ao ampo, ny ao an-tsaina, na ny toe-javatra iainan’ny olona iray izay mety miteny na manao zavatra iray izay ahitantsika antony azo tsikeraina. Noho izany antony izany indrindra ilay didy hoe: “Aza mitsara.”

Fito ambin’ny efapolo taona amin’ity Fihaonamben’ny Fiangonana ity izao no niantsoana ahy ho ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Tamin’izany fotoana izany aho dia mbola nanompo tamin’ny iray tamin’ireo kaomitin’ny fisoronana maneran-tany ato amin’ny Fiangonana ka talohan’ny niantsoana ny anarako dia nipetraka niaraka tamin’ireo mpikambana namako tao amin’izany kaomitin’ny fisoronana izany aho, ohatry ny mahazatra. Ny vadiko kosa tamin’izay dia tsy nahita izay ho aleha ary tsy nanana olona hiarahana mipetraka ary raha ny marina dia tsy nahita toerana hipetrahana tao amin’ny Tabernakely mihitsy izy. Nisy namanay be izay, izay mpikambana tao amin’ny iray amin’ireo filakevim-pitantanan’ny vondrona fanampiny maneran-tany, izay nipetraka teo amin’ny toerana natokana ho an’ireo mpikamban’ny filakevim-pitantanana, no niantso an’ny Rahavavy Monson mba hipetraka hiaraka aminy. Tsy nahafantatra na inona na inona izany rahavavy izany mikasika ilay antsoko—izay ho ampahafantarina tsy ho ela—kanefa noho ny fahitany an’ny Rahavavy Monson toa sanganehana tsy nahita izay ho aleha, dia nanolotra toerana tamim-pitiavana ho azy izy. Nanampy ny vady malalako tokoa izany ary nankasitraka ny hatsaram-panahin’izany vehivavy izany izy. Kanefa raha hipetraka iny izy dia nandre bitsibitsika mafy avy tany aoriany izy rehefa naneho ny fahasorenany ny iray tamin’ireo mpikamban’ny filankevim-pitantanana hoe nanana fahasahiana nanasa “olon-kafa” teo amin’ny faritra izay natokana ho azy ireo ny mpikambana iray tao amin’ny filankevim-pitantanana. Tsy misy azo hanamarinana izany haratsian-toetra izany, na iza na iza olona mety ho nasaina nipetraka teo. Kanefa toa ohatry ny hitako ny endrik’ilay vehivavy rehefa nahare fa ilay “zanak’ikala hafa” dia tsy iza fa ny vadin’ilay Apôstôly vaovao indrindra.

Tsy vitan’ny hoe manana fahazaran-dratsy hitsara ny fihetsika na ny tenin’ny hafa fotsiny isika fa maro amintsika koa no mitsara araka ny fisehoana ivelany—fitafy, endriky ny volo, halavana. Ary lava dia lava ny zavatra azo tanisaina.

Nisy tantara malaza mikasika ny fitsaratsarana ivelany navoaka tao amin’ny gazetiboky nasionaly taona maro lasa izay. Tantara marina izy ity—tantara izay mety efa ho renareo kanefa mendrika ny ho averina tantaraina indray.

Nisy vehivavy antsoina hoe Mary Bartels izay nanana trano teo ampitan’ny hôpitaly iray izay. Nipetraka tao amin’ireo efitra ambany ny fianakaviany ary ny efitra any ambony rihana dia nampanofainy ho an’ireo marary manaraka fitsaboana ao amin’ity toeram-pitsaboana.

Indray alina dia nisy lehilahy antitra be tena ratsy tarehy nanatona teo ambaravarana nanontany raha misy efitra azony hatoriana ny alina. Nivokoka sy niketroketrona izy, ary nibinabina noho ny fivontosana ny tarehiny—izay mivoara-mena sy mangamangana. Nilaza izy fa nikaroka efitra hatoriana nanomboka ny atoandro kanefa tsy nahita. “Angamba noho ny tarehiko,” hoy izy. “Fantatro fa tena ratsy izany kanefa nilaza ny mpitsabo fa afaka hihatsara izany aorian’ny fanarahana fitsaboana maromaro.” Nilaza izy fa ho faly na dia eo amin’ny sezabe eo an-davarangana aza no matory. Raha teo am-piresahana taminy i Mary dia nahatsapa fa nanana fo lehibe feno fitiavana tao anatiny ity lehilahy antitra be iray ity. Na dia feno aza ny efitra fatoriana dia nilaza taminy izy mba hiandry eo amin’ny seza eo ivelany fa hitady toerana hatoriany.

Noho ny tonga ny ora fatoriana dia namelaran’ny vadin’i Mary fandriana afaka miforitra ireny ilay lehilahy. Rehefa nijery izy ny maraina dia hitany fa efa voavalona tsara ny lamba rehetra ary efa niandry tery an-davarangana ilay lehilahy. Tsy nanaiky ny hihinana sakafo maraina izy, fa talohan’ny niaingan’ny fiarany kosa dia nanontany izy raha mbola mahazo miverina izy amin’ny fotoana manaraka hanarahany fitsaboina indray. “Tsy te-hanao izay hampanahirana anareo aho akory,” hoy izy. “Afaka matory eo amin’ny seza aho.” Nomen’i Mary toky izy fa ho hampandrosoany foana izy isaky ny miverina.

Nandritry ny taona maro nanarahan’ity lahiantitra ity fitsaboana, izay mpanarato no asany ary nipetrahany tao an-tranon’i Mary, dia nitondra hazan-dranomasina na legioma avy teo an-tanimboliny foana ity lehilahy ity hatao fanomezana. Nisy fotoana nandefa fanomezana tamin’ny alalan’ny paositra ilay lehilahy.

Rehefa eo am-pandraisana izany fanomezana maneho fankasitrahana izany i Mary dia matetika nieritreritra ilay teny nataon’ny mpifanolobodirindrana taminy mikasika ity lehilahy antitra ratsy tarehy, sady vokoka ity ny maraina voalohany taorian’ny nialany ny tranon’i Mary. “Nampandrosoanao ve ilay lehilahy antitra ratsy tarehy iny alina? Noroahiko tany iny. Mety tsy hahazo olona hatory ao amiko intsony aho raha mampandroso olona toy ireny.”

Fantatr’i Mary fa mety nanary olona tokony hatory ao aminy izy indray na indroa, kanefa hoy izy tao an-tsainy hoe: Tsy maninona izany, raha mba nahafantatra azy mantsy ry zareo dia ho mora kokoa tamin’izy ireny ny nizaka ny aretina nahazo azy ireo.

Taorian’ny nahafatesan’ilay lehilahy dia nitsidika namana iray izay nanana trano fitahirizana zavamaniry amin’ny tany mafana i Mary. Teo am-pijerena ny voninkazon’ilay namany izy dia nahatsikaritra voninkazo telovoninahitra milokom-bolamena nahafinaritra kanefa sanganehana izy rehefa nahita fa tao anatin’ny fitoeram-boninkazo antitra sy ratsy ary efa mitresaka no nanirian’izany. Nanazava taminy ilay namany fa “Tsy nanana fitoeram-boninkazo hafa intsony aho ary noho ny fahalalako fa ho tsara tarehy tokoa ity iray dia hoy aho hoe tsy hampaninona raha atao ato anatin’ity fitoeram-boninkazo antitra ity aloha ilay izy. Mandritra ny fotoana fohy fotsiny izany, mandrapamindrako azy ho eny an-jaridaina.”

Nitsiky fotsiny i Mary raha naka sary an-tsaina ny zavatra hitranga toy izany any an-danitra. “Indro misy iray izay tena tsara tarehy,” mety ho toy izany ny holazain’Andriamanitra mikasika ny fanahin’ilay lehilahy antitra. “Tsy hampaninona azy ny hanana vatana sampona sy kely amin’ny voalohany.” Kanefa fahiny elabe izany ary ao amin’ny zaridain’Andriamanitra dia akory ny halavan’ity fanahy maha-te-ho tia ity!3

Mety hamitaka tokoa ny endrika ivelany, ary tsy maharefy ny tena halehiben’ny olona iray. Nampitandrina ny Mpamonjy hoe: “Aza mitsara araka ny miseho.”4

Nisy mpikambana iray tao amin’ny fikambanam-behivavy iray nimenomenona raha nahita fa voasafidy hisolo tena ilay fikambanana ny vehivavy iray. Tsy mbola nahafantatra ilay vehivavy izy, saingy efa nahita ny sariny kosa ary tonga dia tsy tia ny zavatra hitany satria ho azy dia matavy loatra io vehivavy io. Hoy izy hoe: “Mino aho fa mba misy vehivavy hafa maha solotena tsara kokoa antsika amin’ireto vehivavy an’arivony ato amin’ny fikambanana ireto.”

Marina fa tsy “nanifinify toy ny mpilatro” ilay vehivavy nosafidiana. Kanefa ireo izay nahafantatra azy sy nahalala tsara ny toetra tsarany dia nahita azy ho mihoatra lavitra no izay zavatra hita eo amin’ilay sary fotsiny. Tena nampiseho ilay sary fa nanana tsiky mahasarika namana sy nanana fahatokiantena izy. Ny zavatra tsy nasehon’ilay sary dia hoe namana matoky sy be famindrampo izy, vehivavy maranin-tsaina izay tia ny Tompo sy tia ary manompo ireo Zanany. Tsy nampiseho izany fa nanolo tena hanompo an-tsitrapo teo amin’ny fiaraha-monina izy ary mpiara-monina tsara sy tompon’andraikitra hatrany. Raha afohezina dia tsy nampiseho ny zavatra tena marina momba azy ilay sary.

Mametraka fanontaniana aho hoe: Raha toa ka miseho amin’ny endrika ivelany ara-batana ny toetoetra, ny fihetsika atao sy ny fahamatorana ara-panahy dia moa ve ho tsara noho ny an’izany vehivavy notsikerainy izany ny an’ilay vehivavy nitsikera?

Ry ranabavy malala, miavaka ianareo tsirairay. Samy miavaka amin’ny fomba maro ianareo tsirairay avy. Misy aminareo no manambady. Ny sasany mijanona ao an-trano miaraka amin’ny zanany, raha toa ka miasa ivelan’ny tokantrano kosa ny hafa. Tsy manan-janaka ao an-trano intsony ny sasany fa efa naha-lehibe anaka. Misy aminareo no manambady nefa tsy manan-janaka. Misy ireo nisaram-panambadiana ary eo koa ireo maty vady. Maro aminareo no mbola olon-tokana. Manana mari-pahaizana ambony ny sasany aminareo ary ny hafa kosa tsy manana. Ao ireo afaka mividy ny akanjo vaovao vao nivoaka ary ao ireo izay zara aza manana akanjo iray sahaza amin’ny andro Alahady. Zary ho tsy misy fiafarana ny fahasamihafana toy izany. Moa ve manosika antsika hifampitsaratsara izany fahasamihafana izany?

I Mère Teresa, izay masera Katôlika niasa teo anivon’ireo mahantra tany Inde nandritra ny fiainany manontolo no niteny ity fahamarinana lalina ity, manao hoe: “Raha variana mitsara olona ianao dia tsy hanana fotoana hitiavana azy.”5 Nampitandrina ny Tompo hoe: “Izao no didiko, dia ny mba hifankatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo.”6 Mametraka fanontaniana aho hoe: Moa ve afaka ny hifankatia araky ny nandidian’ny Mpamonjy antsika isika raha mifampitsaratsara? Dia valiako izany—tahaka ny nolazain’i Mère Teresa hoe: “Tsia, tsy afaka.

Nampianatra ny Apôstôly Jakôba fa “Raha misy manao azy ho mpivavaka, nefa tsy mamehy ny vavany, fa mamitaka ny fony, dia zava-poana ny fivavahan’izany [lehilahy na vehivavy] izany.”7

Notiaviko hatrany ilay tarigetranareo Fikambanana Ifanampiana hoe: “Ny Fiantrana tsy ho levona mandrakizay.”8 Inona no atao hoe fiantrana? Nampianatra ny mpaminany Môrmôna fa “ny fiantrana dia ny fitiavana madion’ i Kristy.”9 Nandritra ny hafatra fanaovam-beloma nataony tamin’ireo Lamanita dia nilaza i Môrônia hoe: “Ary raha tsy manana fiantrana ianareo dia tsy azo vonjena mihitsy ao amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra.”10

Amiko ny fiantrana—na ny “fitiavana madion’ i Kristy”—dia mifanohitra amin’ny fitsikerana sy fitsaratsarana. Eto am-piresahana ny fiantrana aho izao dia tsy mieritreritra ny fanaintainana noho ny fanomezana ny sandan’ny anjara sakafontsika. Izay raha ny marina dia ilaina sy takiana ny fanaovana izany. Anio alina anefa ny eritreretiko dia ny fiantrana izay hita taratra rehefa mandefitra amin’ny hafa isika sy mamindra fo amin’ny zavatra ataony, ilay karazana fiantrana izay mamela heloka, ilay karazana fiantrana izay feno faharetana.

Ny fiantrana izay ato an-tsaiko dia ilay fiantrana izay mamporisika ho tia, sy hamindra fo ary hangoraka, tsy amin’ny fotoan’ny aretina sy fahoriana fotsiny fa amin’ny fotoan’ny fahalemena sy fahadisoana ataon’ny hafa ihany koa.

Tena ilaina ny fananana fiantrana izay manome fitiavana hiahy ireo hafa izay tsy raharahiana, sy fanantenana ho an’ireo izay kivy, ary fanampiana ho an’ireo izay ory. Ny fiantrana marina dia fanehoam-pitiavana amin’ny asa. Hita taratra na aiza na aiza ny ilana izany fiantrana izany.

Ilaina ny fananana ilay fiantrana izay mandà ny hahita fahafaham-po amin’ny fihainoana na famerenana ny zava-manjo izay nitranga tamin’ny hafa, raha tsy hoe angaha ny fanaovana izany dia hahitana vahaolana ho an’izay nitrangany. Ilay mpampianatra sy mpanao pôlitika Amerikana antsoina hoe Horace Mann dia niteny indray mandeha hoe: “Ny mangoraka amin’ny fahoriana dia toetran’olombelona ihany fa ny mikaroka vahaolana ho an’ireo voa dia toetra araka ny an’Andriamanitra.”11

Ny fiantrana dia maharitra amin’ireo olona izay nandiso fanantenana antsika. Mahatohitra ny toetra mora tafintohina koa. Manaiky ireo fahalemena sy tsy fahatanterahana. Mandray ny olona amin’ny tena maha-izy azy. Mijery mihoatra noho ny endrika ivelany ary mahita ireo toetra tsara izay tsy ho lefin’ny taona maro. Mahatohitra ny fironana hanavakavaka ny hafa ihany koa.

Ny fiantrana, ilay fitiavana madion’i Kristy, dia miseho rehefa misy andiam-behivavy tanora maromaro avy ao amin’ny paroasy iray natokana ho an’ny tokantena izay manao dia kilometatra an-jatony mba hanatrehana ny fandevenana ny renin’iray amin’ireo rahavavy ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana misy azy ireo. Ny fiantrana dia miseho rehefa miverimberina isam-bolana tsy tapaka ao amin’ny rahavavy iray tsy dia liana loatra ary somary mpitsikera, ny mpitsidika isan-tokantrano mahafatra-po. Mibaribary izany rehefa tsaroana ny olon-dehibe mananotena iray ary entina manatrika hetsiky ny paroasy sy ny fiaraha-mientan’ny Fikambanana Ifanampiana. Tsapa izany rehefa misy rahavavy mipetra-drery ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana ka misy manasa hoe: “Avia miara-mipetraka aminay.”

Amin’ny fomba tsotra an-jatony no hanehoanareo rehetra ny fiantrana. Tsy misy fiainana tonga lafatra ho antsika tsirairay. Mba tsy hifampitsaratsarana sy hifampitsikerana dia meteza isika hanana ny fitiavana madion’i Kristy ho an’ireo mpiara-dia amintsika eto amin’ity dia ity mandritra ny fiainana. Enga anie isika hiaiky fa samy efa manao izay tsara indrindra vitany ny tsirairay avy mba hiatrehana ny fanamby izay miseho eo amin’ny fiainany, ary enga anie isika hiezaka hanao izay tsara indrindra vitantsika hanehoana fanampiana.

Ny fiantrana dia nofaritana ho toy ny “avo indrindra, ambony indrindra, mahery indrindra amin’ny karazam-pitiavana,”12 ny “fitiavana madion’i Kristy … ; ary na zovy na zovy no hita ho manana izany amin’ny andro farany dia soa ho azy izany.”13

“Ny Fiantrana tsy ho levona mandrakizay.” Enga anie izany tarigetran’ny Fikambanana Ifanampiana izay efa nateza izany, izany fahamarinana tsy voafetran’ny fotoana izany, hitarika anao amin’ny zavatra rehetra ataonao. Enga anie izany hanenika ny ati-panahinao sy hiseho amin’ny fihetsika sy zavatra rehetra ataonao.

Tiako ny mizara ny fitiavako anareo ry ranabaviko isany, ary miantso ny fitahian’ny Lanitra aho ho aminareo mandrakariva. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.