Noho ny Finoanareo
Misaotra anareo mpikamban’ny Fiangonana mahafinaritra rehetra aho … noho ny fanaporofoana isan’andro eo amin’ny fiainanareo fa ny fitiavana madion’i Kristy dia “tsy ho levona mandrakizay.”
Ry Filoha Monson, ny mpikambana maneran-tany ato amin’ity fiangonana ity dia miray feo amin’ity amboarampeo mahafinaritra ity, amin’izany hira lehibe izany, ary milaza izahay hoe: “Misaotra Anao [Andriamanitra] noho ny Mpaminany.” Misaotra noho ny fiainanao, noho ny ohatra asehonao ary noho ilay hafatra fiarahabana amin’ity fihaonamben’ny Fiangonana hafa ity indray. Tia anao izahay, mahavariana anay ianao ary manohana anao izahay. Marina tokoa fa mbola hanana fahafahana ôfisialy kokoa izahay hanangana ny tananay mandritra ny fotoana fanohanana mandritra ny fivoriana anio tolakandro, ka tsy ho an’ny Filoha Monson fotsiny ihany izany fa ho an’ireo mpiandraikitra ambony hafa rehetra ato amin’ny Fiangonana ihany koa. Satria ho tafiditra ao anatin’izany lisitra izany ny anarako, dia mamelà ahy noho ny fahasahiako hiteny amin’ny anaran’ny rehetra hoe misaotra anareo noho ny fanangananareo tànana. Tsy misy na dia iray aminay aza afaka manompo raha tsy eo ny vavaka ataonareo sy ny fanohananareo. Midika zavatra lehibe mihoatra noho izay azonay lazaina ny fahatokianareo sy ny fitiavanareo.
Mifampitohy amin’izany ihany, ny hafatro anio dia hilaza fa manohana anareo izahay, ary dia averinay aminareo koa ireo vavaka avy amin’ny fo nataonareo ho anay sy ilay fanehoana fitiavana nataonareo. Fantatsika rehetra fa misy fanalahidy manokana sy fanekempihavanana ary andraikitra omena ireo mpitarika miahy ao amin’ny Fiangonana, saingy fantatsika koa fa ny Fiangonana dia mahazo tanjaka tsy manam-paharoa, izay herinaina tena miavaka avy amin’ny finoana sy ny fanoloran-tenan’ny mpikamban’ny Fiangonana tsirairay, na iza ianao na iza. Na aiza na aiza firenena misy anao, na tanora ianao na tsy ampy fahaizana, na efa lehibe ianao na mihevitra fa voafetra ny zavatra azon’ny tenanao atao, dia mijoro ho vavolombelona aminao aho fa tian’Andriamanitra manokana ianao. Ivon’ny tanjon’ity asa ity ianao ary ankamamiana sy entin’ireo mpitarika miahy ao amin’ny Fiangonany am-bavaka. Ny lanjanareo manokana sy ny hatsarana masin’ny tsirairay aminareo no tena antony isian’ny drafitry ny famonjena sy ny fisandratana. Mifanohitra amin’ny zavatra heno mahazatra, ity hafatra ity dia mikasika anao. Tsia, aza mitodika any amin’ny olona eo akaikinao. Ianao io no resahiko!
Sahirana aho nitady ny fomba tsara hilazana fa tena tian’Andriamanitra ianareo ary tena feno fankasitrahana anareo izahay izay mipetraka ety ambony ety. Miezaka ny ho toy ny mpitondra tenin’ireo anjelin’ny lanitra mihitsy aho mba hisaotra anareo noho ny zavatra tsara rehetra nataonareo hatrizay sy noho ny teny feno hatsaram-panahy nolazainareo ary noho ny fahafoizan-tena rehetra natolotrareo mba hizarana amin’ny olona iray—na ny rehetra—ny hatsaran’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy ny fitahiana avy aminy.
Feno fankasitrahana aho noho ireo mpitariky ny Zatovovavy izay mandeha any amin’ny lasy, tsy misy “shampooing” sy toerana fandroana na “mascara,” ka mamadika ny fivorian’ny fijoroana ho vavolombelona manodidina ny afondasy feno setroka ho lasa iray amin’ireo zavatra ara-panahy manan-danja indrindra niainan’ireo ankizivavy ireo—na ireo mpitarika ireo—teo amin’ny fiainany. Feno fankasitrahana an’ireo vehivavin’ny Fiangonana rehetra aho izay raha teo amin’ny fiainako dia tena natanjaka toy ny Tendrimbohitra Sinay ary feno fangorahana toy ny Tendrombohitry ny Fahasambarana. Matetika isika no mihomehy momba ny tantaran’ireo rahavavy ato amintsika—izay fantatrareo ihany ny momba ny hatrotro miloko maitso, ny lamba firakotra misesika volom-borona ary ny ovy fandroso amin’ny fotoana misy fahoriana. Kanefa ny fianakaviako dia nandray tamim-pankasitrahana ireo zavatra tsirairay ireo tamin’ny fotoana iray na tamin’ny fotoana iray hafa—ary indray mandeha dia sady azonay tao anatin’ny andro iray ny lamba firakotra misesika volom-borona sy ny ovy fandroso amin’ny fotoana misy fahoriana. Lamba firakotra misesika volom-borona kely izany—izay tena kely tokoa—mba hampahatonga ny dia miverin’ilay zana-drahalahiko maty, mankany amin’ilay fonenany any an-danitra, hafana sy hampiadana araka ny nanirian’ireo rahavavin’ny Fikambanana Ifanampiana izany ho azy. Ny sakafo nomena ny fianakavianay taorian’ny fotoam-pandevenana izay nomena an-tsitrapo fa tsy nangatahinay, dia noraisina tamim-pankasitrahana. Ihomehezo raha tianareo ny momba ny fomba fanaontsika saingy ireo vehivavin’ny Fiangonana izay matetika tsy dia mahazo sitraka loatra amin’ny zavatra ataony ireo dia eo mandrakariva rehefa misy tanana miraviravy sy lohalika malemy.1 Toa takatr’izy ireo ho azy ny fahamasinan’ilay fanambaran’i Kristy hoe: “Araka izay efa nataonareo tamin’ireto rahalahiko kely indrindra ireto … , no nataonareo tamiko.”2
Ary tsy latsa-danja koa ireo rahalahy ao amin’ny fisoronana. Mieritreritra an’ireo mpitarika ny zatovolahintsika aho ohatra, izay arakaraky ny toetany sy ny kaontinanta, dia, na mandeha mihanika toerana sarotra eo amin’ny 80 kilaometatra eo na mandavaka—ary tena miezaka ny matory ao anatin’ny—lavaky ny ranomandry izay heverin’ny sasany ho alina lava indrindra eo amin’ny fiainan’ny zanak’olombelona. Feno fankasitrahana aho noho ny fananako fahatsiarovana momba ny vondron’ny mpisorona avo nisy ahy taona vitsy lasa izay, izay nandritra ny herinandro maromaro dia nifandimby natory teo amin’ny seza azo ahitsy ny fiankinana sy ny fametrahan-tongotra, tao amin’ny efitra fandrian’ny mpikambana iray tao amin’ny kôlejy izay teo am-pialana aina mba hahafahan’ilay vadiny efa lehibe sy tena osa koa mba matory kely ao anatin’ireo herinandro farany niainan’ilay malalany. Feno fankasitrahana aho noho ny tafiky ny mpampianatra, mpitarika, mpanolotsaina ary mpitamboky ao amin’ny Fiangonana ary tsy holazaina intsony ireo olona izay mametraka tsy tapaka ny latabatra sy mibata seza. Feno fankasitrahana aho noho ireo patriarika voahosotra, ireo mpitendry zava-maneno sy ireo tompon’andraikitra amin’ny tetiarana ary ireo mpivady tratran’ny taolamosarentsokay izay mandeha ao anatin’ny fahasarotana mankany amin’ny tempoly amin’ny 5 maraina miaraka amin’ny kitapo kely izay saika lehibe kokoa noho ny tenan’izy ireo ankehitriny. Feno fankasitrahana aho noho ireo ray aman-dreny tsy tia tena izay—angamba mandritra ny androm-piainany iray manontolo—mikarakara zanaka iray manana fahasembanana, izay fahasembanana mihoatra ny iray indraindray ary indraindray zanaka mihoatra ny iray. Izaho dia feno fankasitrahana noho ireo zanaka izay miara-miasa aty aoriana mba hikarakara ireo ray aman-dreny marary na efa antitra izay nikarakara azy ireo teo aloha.
Ary ho an’ilay rahavavy tsy lavitry ny fahalavorariana izay toa saika niala tsiny raha nibitsika vao tsy ela izay hoe, “Tsy mbola mpitarika na inona na inona tato amin’ny Fiangonana aho. Angamba, mpanampy fotsiny ihany aho,” hoy aho hoe, “Ry rahavavy malala, hotahian’Andriamanitra ianao sy ireo ‘mpanampy’ rehetra ao amin’ny fanjakana.” Ny sasany amintsika izay mpitarika dia manantena indray andro ny hanana ilay toerana eo anatrehan’Andriamanitra izay efa tratranareo.
Adinoko matetika mihitsy ny maneho fankasitrahana noho ny finoana sy ny hatsaran-toetran’ny olona toy izany eo amin’ny fiainako. Ny Filoha James E. Faust dia nijoro teto amin’ity polpitra ity telo ambin’ny folo taona lasa izay ary nilaza hoe: “Fony aho mbola ankizilahy kely … dia tsaroako ny renibeko … nahandro ireo sakafonay tena mafilotra tamin’ny fatana mandeha amin’ny kitay. Rehefa tsy misy kitay intsony ilay fitoeran-kitay teo akaikin’ny fatana, dia mandeha mivoaka mangina i Bebe … mba hameno izany amin’ireo antontan-kazo sedera any ivelany ary milanja ilay fitoeran-kitay mavesatra mankao an-trano. Tena tsy mba antra fo mihitsy aho … [fa] dia nipetraka teo ary navelako nameno indray [izany] fitoeran-kitay izany ny renibeko.” Dia tamin’ny alalan’ilay feony kendan’ny fihetseham-po no nilazany hoe: “Mahatsapa ho menatra ny tenako aho ary nanenina izany tsy firaharahiako izany nandritra ny fiainako manontolo. Manantena ny hangataka famelan-keloka avy aminy aho indray andro any.”3
Raha toa ka olona iray izay tsapako ho tonga lafatra toy ny Filoha Faust no niaiky ny fahadisoana nataony tamin’ny fahatanorany, dia afaka manao fiaikena toy izany koa aho ary maneho ny fiderako manokana izay efa tokony ho nataoko hatry ny ela.
Fony aho voantso mba hanao asa fitoriana taloha elabe dia tsy nisy ny fampitoviana ny vola laniana amin’ny asa fitoriana. Ny tsirairay dia tsy maintsy mandoa feno ny vola ilaina any amin’ilay misiôna handefasana azy. Ny misiôna sasany dia tena lafo ary dia hita fa ny ahy dia iray tamin’ireo.
Toy ny zavatra amporisihantsika mba hataon’ny misiônera, dia nanangom-bola aho ary nivarotra ny fananako manokana mba handoavako ny anjarako arak’izay vitako. Nihevitra aho fa ampy ny volako, saingy tsy azoko antoka hoe hanao ahoana izany mandritra ireo volana faramparan’ny asa fitoriako. Niaraka tamin’izany fanontaniana izany tao an-tsaiko dia nandao ny fianakaviako tamim-pifaliana anefa aho mba handeha hiaina ilay zavatra lehibe indrindra izay irian’ny olona rehetra mba handalovana. Tiako ny asa fitoriana nataoko ary azoko antoka fa mbola tsy nisy tovolahy hafa izay nitia be tokoa izany toa ahy talohan’izany na hatramin’izay.
Avy eo dia niverina nody aho ka tamin’izay indrindra no naha voantso hanao asa fitoriana ny ray aman-dreniko. Inona ary no ataoko izao? Mba ahoana loatra re no ahafahako mandoa ny saram-pianarana any amin’ny oniversite? Ahoana no ahafahako mandoa ny sakafoko sy ny hofan’ny trano ipetrahako? Ary ahoana no ahafahako manatanteraka ilay nofinofy lehiben’ny foko, dia ny hanambady an’i Patricia Terry izay mampitanaka ny fahalavorariany? Tsy mampaninona ahy ny miaiky fa kivy sy natahotra aho.
Nandeha tamim-pisalasalana tany amin’ny banky teo an-toerana aho ary nanontany ilay tale, izay naman’ny fianakaviana, hoe ohatrinona ny volako ao amin’ny petrabolako. Nijery ahy tamim-pahatairana izy ary nilaza hoe: “Fa ahoana ry Jeff a! Mbola ao anatin’ny petrabolanao daholo ny volanao rehetra. Tsy niteny taminao angaha izy ireo? Ny ray aman-dreninao dia naniry ny mba hanao izay zavatra kely vitany mba hanampiana anao hanomboka zavatra rehefa mody ianao. Tsy naka na dia variraiventy aza izy nandritra ny asa fitorianao. Noheveriko fa fantatrao izany.”
Tena tsy nahafantatra aho. Ny zavatra fantatro dia hoe ilay dadako izay “comptable” nampiana-tena, “mpitana bokim-bola” araka ny fiantso azy tao amin’ny tanàna kely nisy anay, izay tsy nanana afa-tsy mpanjifa vitsy dia vitsy, dia tena tsy mba nanao palitao sy pataloha vaovao na lobaka vaovao na kiraro vaovao nandritra ny roa taona mba hahafahan’ilay zanakalahiny hanana ireo zavatra rehetra ireo mandritra ny asa fitoriany. Ankoatr’izany ny zavatra tsy fantatro, nefa fantatro ihany taty aoriana dia ny momba ilay reniko izay tsy niasa tany ivelan’ny tokantrano mihitsy nandritra ny fotoana nanambadiany, nefa dia niasa tao amin’ny trano fivarotana lehibe iray teo an-toerana mba handoavana ny vola ilaiko mandritra ny asa fitoriako. Ary dia tsy nisy fitenenana velively tamiko momba izany na dia kely aza nandritra ny asa fitoriako. Tsy nisy mihitsy ny fitenenena momba ireo rehetra ireo. Firy amin’ireo ray ato amin’ity Fiangonana ity no nanao zavatra nitovy tamin’ny nataon’ny raiko? Ary firy ireo reny amin’izao fotoana isian’ny fahasahiranana ara-bola izao no mbola manao ny zavatra nataon’ny reniko?
Efa 34 taona lasa izay no nahafatesan’ny raiko, ka toa an’ny Filoha Faust dia tsy maintsy miandry aho vao afaka hisaotra azy tanteraka any ankoatra. Saingy ny reniko izay ho feno 95 taona amin’ny herinandro ambony dia mijery amim-pifaliana ity fampitana mivantana ity any an-trano androany, tsy tara loatra ny maneho fisaorana azy. Ho anareo ry Dada sy Neny, ary ho an’ireo reny sy ray rehetra ary fianakaviana sy olona mahatoky na aiza na aiza, misaotra anareo aho noho ny fahafoizan-tenanareo ho an’ny zanakareo (sy ho an’ny zanaky ny olona hafa!), sy noho ny fanirianareo miredareda ny hanome azy ireo tombontsoa izay tsy mba nananareo velively, ary noho ny fanirianareo miredareda ny hanome azy ireo ny fiainana sambatra indrindra izay afaka atolotrareo.
Misaotra anareo mpikamban’ny Fiangonana mahafinaritra rehetra aho—sy ireo olona tsara tsy tambo isaina izay tsy iray finoana amintsika —noho ny fanaporofoana isan’andro eo amin’ny fiainanareo fa ny fitiavana madion’i Kristy dia “tsy ho levona mandrakizay.4 Tsy misy na dia iray aminareo aza toy ny zavatra kely sy tsy manan-danja, satria amin’ny lafiny iray dia mametraka ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny toerana tokony hisy azy ianareo—mpampahatsiahy velona momba fahasoavany sy ny famindram-pony, fanehoana manokana nefa mahery vaika any amin’ny tanàna kely sy tanàna lehibe ny zavatra tsara nataony sy ny fiainany izay natolony izay mitondra fiadanana sy famonjena ho an’ny olona hafa. Voninahitra ho anay izay tena mihoatra noho ny azonay ambara ny maha anisan’ny tafaray aminareo ao anatin’ity asa masina ity.
Toy ny nilazan’i Jesoa azy tamin’ny Nefita dia milaza koa aho anio hoe:
“Noho ny finoanareo … , feno ny fifaliako.
“Ary nony efa nilaza ireo teny ireo Izy, dia nitomany.”5
Ambarako aminareo rehetra sy amin’ny Raiko any an-danitra indray ny faniriako haneho fanampiana sy hatsaram-panahy bebe kokoa, hanolo-tena sy ho feno famindram-po kokoa ary hatoky sy ho marina kokoa—Ry rahalahy sy anabavy, ny fahitako ny ohatra asehonareo dia mampanavao ahy ny fianianako ho tsaratsara kokoa, ho mahatoky kokoa—ho tsara fanahy sy manolo-tena kokoa, ho feno fiantrana kokoa ary ho marina tahaka ny Ray any an-danitra sy ny maro aminareo izay efa marina. Izany no vavaka ataoko amin’ny anaran’ilay Ohatra Lehibe ho antsika eo amin’ny zavatra rehetra—dia ny anaran’ny Tompo Jesoa Kristy—amena.