2010
Fitsaharana Ho an’ny Fanahinareo
Nôvambra 2010


Fitsaharana Ho an’ny Fanahinareo

Tafiditra ao anatin’ny fahitana fitsaharana ho an’ny fanahintsika ny fiadanan-tsaina sy ny fiadanam-po, izay vokatry ny fianarana sy ny fanarahana ny fotopampianaran’i Kristy.

Elder Per G. Malm

Eo ampovoan-tanànan’i Gothenburg any Suède dia misy arabe malalaka iray tsara tarehy, izay hanirian’ny hazo efa antitra amin’ny sisin-dàlany roa. Indray andro aho dia nahita lavaka teo amin’ny vatan’ny iray tamin’ireo hazo, ka dia nojereko tsara ny tao anatiny ary hitako fa poakaty tanteraka ilay hazo. Eny, poakaty, fa tsy hoe foana! Feno karazan-javatra tsy ilaina tao anatiny.

Gaga aho hoe mbola afaka nijoro ilay hazo. Dia nitraka aho ary nahita fehikibo vy lehibe iray izay napetraka nanodidina ny tapany ambonin’ilay vatan-kazo. Nahitana tariby maromaro nifatotra tamin’ilay fehikibo ary izy ireo dia voafatotra sy voafantsika kosa tamin’ireo trano teo akaiky teo. Rehefa jerena lavitra dia tahaka ny hazo rehetra ilay hazo. Rehefa mijery ny ao anatiny ihany ianao vao mahatsikaritra fa poakaty izany raha tokony ho vatan-kazo matevina sy matanjaka. Taona maro lasa talohan’izany dia nisy zavatra izay nitarika ny fahalasan’ilay vatan-kazo ho malemy tsikelikely tetsy sy teroa. Tsy nitranga nandritra ny alina iray izany. Kanefa toy ny hazo tanora iray izay mitombo tsikelikely mandrapahatongany ho hazo matanjaka, isika koa dia afaka mitombo tsikelikely ho lasa mafy orina ny fahaiza-manaontsika ary feno tsara avy ao anatiny, mifanohitra amin’ilay hazo poakaty.

Amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy no ahafahantsika mahazo ny hery mba hijoroana hatrany sy hanana tanjaka ary hamenoana ny fanahintsika amin’ny—fahazavana, fahatakarana, fifaliana ary fitiavana. Ary manainga “ny rehetra Izy hanatona Azy sy hanana anjara amin’ny fahatsaram-pony; ary tsy mandà izay manatona Azy Izy” (2 Nefia 26:33). Ny fampanantenany dia ny hoe:

“Mankanesa aty Amiko hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana fa Izaho no hanome anareo fitsaharana.

Ento ny ziogako ka mianara Amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo hianareo” (Matio 11:28–29).

Mikasika izay fitsaharana izay dia nilaza i Joseph F. Smith hoe: “Ny dikan’izany raha ny eritreritro dia hoe miditra ao amin’ny fahalalana sy ny fitiavan’Andriamanitra, manana finoana ny tanjony sy ny drafiny, ka dia lasa mahafantatra isika fa marina sy tsy mikatsaka zavatra hafa intsony ary tsy voahelingelin’ny rivotry ny fotopampianarana samihafa, na koa ny hafetsena misokon’ny olona izay ijokoany mba hamitaka. Fantatsika ny fotopampianarana fa avy amin’Andriamanitra, ary tsy manontany fanontaniana na amin’iza na amin’iza isika mikasika izany. Malalaka ny fanehoan’izy ireo ny heviny sy ny eritreriny ary ny fotokeviny izay tsy marim-pototra. Ny lehilahy izay mahatratra izany haavom-pinoana an’Andriamanitra izany, ka niala taminy avokoa ny fisalasalana sy ny tahotra rehetra dia niditra ‘ao amin’ny fitsaharan’Andriamanitra’” (Teachings of Presidents of the Church: Joseph F. Smith [1998], 56).

Tafiditra ao anatin’ny fahitana fitsaharana ho an’ny fanahintsika ny fiadanan-tsaina sy ny fiadanam-po, izay vokatry ny fianarana sy ny fanarahana ny fotopampianaran’i Kristy, ary ny fahatongavana ho tanan’i Kristy izay mitsotra mba hanompo sy hanampy ny hafa. Ny finoana an’i Jesoa Kristy sy ny fanarahana ny fampianarany dia manome antsika fanantenana tsy voahozongozona, ary izany fanantenana izany dia lasa vatofantsika ho an’ny fanahintsika. Afaka ho tonga mafy orina sy tsy azo hozongozonina isika. Afaka mahazo fiadanana anaty izay maharitra isika. Afaka miditra ao amin’ny fitsaharan’ny Tompo isika. Raha toa ka manalavitra ny fahazavana sy ny fahamarinana isika dia hameno ireo efitra faran’izay lalin’ny fanahintsika ny fahatsapana ho poakaty toy ilay nianjady tamin’ilay hazo isika, ary mety hanandrana mihitsy aza isika hameno izany faritra poakaty izany amin’ny zavatra tsy manana lanja maharitra.

Raha zohina ny fiainantsika amin’ny maha zanaka niendrika fanahy antsika talohan’ny nahatongavantsika teto an-tany sy ny tsy fahafatesana any amin’ilay fiainana ho avy dia tena fotoana fohy ity fiainana an-tany ity.

Izao andro izao dia andro fisedrana, saingy andron’ny fahafahana manao zavatra maro ihany koa rehefa misafidy ny hanaraka ilay fanasana mba tsy handanindany foana ny andro fisedrana antsika isika (jereo 2 Nefia 9:27). Ny eritreritra izay ampidirintsika ao an-tsaintsika, ny fahatsapana izay volentsika ao am-pontsika, ary ny asa izay safidiantsika atao dia hisy fiantraikany tanteraka eo amin’ny fiainantsika, na eto an-tany na rahatrizay.

Ny fahazarana iray izay manampy dia ny mampiakatra ny fomba fijerintsika isan’andro mba hihazonana fomba fijery mandrakizay mikasika ireo zavatra izay novolavolaintsika sy ireo zavatra ataontsika, indrindra fa raha mahatsikaritra isika fa misy ny fironana amin’ny fiandrasana ny rahampitso izay ho avy mba hanaovana izay fantatsika fa tokony ho tanterahantsika dia ny mbola manana ny andro androany isika anio.

Eny amin’ny lalantsika eny isika dia mahazo fanampiana amin’ireo safidy ataontsika, amin’ny alalan’ny fitarihana feno fanohanana avy amin’ny Fanahy. Ankehitriny, raha misafidy ny hanao zavatra mifanohitra amin’ny fahazavana sy ny fahatakarana izay ananantsika isika dia hahatsapa tsy fandrian’ny eritreritra, izay tsy mahafinaritra mazava ho azy. Saingy ny tsy fandrian’ny eritreritra dia fitahiana, noho izy mampahatsiahy antsika avy hatrany fa fotoana hibebahana izao. Rehefa manetry tena sy maniry ny hanao ny marina isika, dia tsy andrintsika izay hanavaon-javatra eo no ho eo ihany mba hanovana ny fombantsika, raha toa ka etsy ankilany, ireo izay mandika lalàna sy tsy mandray ny lalàna fa mitady ny ho lalàna ho an’ny [tenany] (F&F 88:35) dia hanome alalana an’i Satana hitarika “azy ireo amin’ny vozony amin’ny tadin-drongony malefaka mandra-pamatoran’azy ireo mandrakizay amin’ny tady mahazaka” (2 Nefia 26:22) raha tsy hoe miditra ao am-pon’izy ireo ny fanahin’ny fibebahana. Ny fanarahana ny fitarihan’ny ratsy dia tsy hitondra na oviana na oviana fahatsapana fiadanana, noho ny antony tsotra, dia ny maha fanomezana avy amin’Andriamanitra ny fiadanana ary amin’ny alalan’ny Fanahin’Andriamanitra ihany no hahatongavan’izany. “Ny faharatsiana dia tsy fahasambarana na oviana na oviana” (Almà 41:10)

Ao anatin’ireo zavatra ataontsika andavanandro, dia ny zavatra kely sy tsotra matetika no hanana fiantraikany tena maharitra (jereo Almà 37:6–7). Ny zavatra tenenintsika, ny fomba fanaovantsika zavatra na asa ary ny fomba fisafidianantsika ny fihetsika tiantsika aseho dia hisy fiantraikany tsy hoe amin’ny tenantsika fotsiny ihany, fa amin’ireo manodidina antsika ihany koa. Afaka manorina isika, na mandrodana. Ny ohatra iray tsotra sy tsara dia tantara iray mikasika ny renibeko avy amin’ny raiko. Naniraka ny iray tamin’ireo zanany kely hividy atody izy. Mety nandeha niverina tamim-pifaliana nankany an-trano ity zaza nametrahana ny fitokisana, saingy ny ankabeazan’ny atody dia vaky rehefa tonga tany an-trano. Teo ny naman’ny fianakaviana iray ary dia namporisika ny renibeko izy hibedy ilay ankizy noho ny fitondrantenany izay tena ratsy. Naleon’ny renibeko anefa nilaza tamim-pahatoniana sy tamim-pahendrena hoe, “Tsia, tsy hamerina ireo atody amin’ny laoniny indray izany. Ho ampiasaintsika fotsiny izay azontsika ampiasaina ary dia hanao mofo endasina vitsivitsy isika izay hiarahantsika mihinana.”

Rehefa mianatra ny miatrika ny zavatra kely sy tsotra eo amin’ny andavanandro amin’ny fomba hendry sy ao anatin’ny fitarihan’ny Fanahy isika, dia hery mitarika tsara no vokany izay hanamafy ny firindrana ao amin’ny fanahintsika ary hampivoatra sy hankahery ireo izay manodidina antsika. Izany dia satria ny zavatra rehetra izay manainga antsika hanao ny tsara dia “alefan’ny hery sy ny fanomezam-pahasoavan’i Kristy; koa dia azonareo fantarina amin’ny fahalalàna tanteraka fa avy amin’Andriamanitra izany” (Môrônia 7:16).

Ankehitriny, ilay hazo poakaty noresahiko anareo dia tsy mijoro intsony. Nisy andiana tanora nametraka tsipoapoaka tao amin’ilay faritra foana izay nitarika ny fahamaizan’ilay hazo. Tsy azo novonjena ilay hazo ary dia tsy maintsy notsoahina. Tandremo ireo zavatra izay mandrava avy ao anaty, na kely na lehibe! Afaka manana fiantraikany tena mirefotra sy miteraka fahafatesana ara-panahy izy ireny.

Handeha kosa isika hifantoka amin’ireo zavatra izay hanome fiadanan’ny ny saina sy ny fo maharitra. Avy eo dia “hihamahery ny fahatokian-te[nantsika] eo anatrehan’Andriamanitra” (F&F 121:45). Ny fampanantenana ny hiditra ao amin’ny fitsaharan’ny Tompo sy handray ny fanomezan’ny fiadanana dia lavitra an’ilay fahafahampo miseran’izao tontolo izao. Tena fanomezana avy any an-danitra izany: “Ny fiadanako no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo: tsy tahaky ny fanomen’izao tontolo izao, no fanomeko anareo. Aza malahelo na matahotra ny fonareo” (Jaona 14:27). Manana ny fahefana hanasitrana sy hankahery ny fanahy Izy. Izy no Jesoa Kristy izay ijoroako ho vavolombelona amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.