2010
Manao Antso Avo amin’ny Fanaovana Asa Fitoriana ny Filoha Monson ary Nanambara ny Fananganana Tempoly Dimy Vaovao
Nôvambra 2010


Manao Antso Avo amin’ny Fanaovana Asa Fitoriana ny Filoha Monson ary Nanambara ny Fananganana Tempoly Dimy Vaovao

Ny Filoha Thomas S. Monson dia nanokatra ny Fihaonamben’ny Fiangonana fanao isaky ny tapa-taona faha-180, izay natao ny Asabotsy sy Alahady, 2 sy 3 Ôktôbra 2010, tamin’ny alalan’ny fangatahana ny hisian’ny mpikambana maro kokoa hanao asa fitoriana ary tamin’ny alalan’ny fanambarana ny fananganana tempoly dimy vaovao.

Naverin’ny Filoha Monson ilay antso ho an’ny “zatovolahy mendrika sy mahavita zavatra” tsirairay mba hiomana ny hanompo. Nifaly tamin’ireo zatovovavy izay maniry ny hanompo izy ary naneho ny filan’ny Fiangonana “mpivady efa lehibe maro kokoa” mba hanompo.

“Ny asa fitoriana dia andraikitry ny fisoronana,” hoy izy, “adidy andrasan’ny Tompo amintsika izay efa nomena zavatra be dia be.”

Ny Filoha Monson dia nanambara fa tempoly dimy vaovao no kasaina hatsangana any Hartford, Connecticut, États-Unis, Indianapolis, Indiana, États-Unis, Lisbonne, Portugal; Tijuana, Mexique, ary Urdaneta, Philippines.

Ireo tempoly vaovao ireo dia mahatonga ny isan’ny tempoly nambara na eo andalam-pitsanganana ho 23. Raha vao vita ireo tempoly 23 ireo dia hahatonga ny isan’ny tempolin’ny Fiangonana maneran-tany ho 157 izany.

“Manohy manangana tempoly isika,” hoy ny Filoha Monson. “… Enga isika ka hanohy handeha amim-pahatokiana any amin’ny tempoly izay efa atsangana akaikikaiky kokoa an’ireo mpikambana ato amintsika” (“As We Meet Together Again,” Liahona sy Ensign, Nôv. 2010, 4).

Ireo tempoly vaovao ireo no ho tempoly voalohan’ny Fiangonana any Portugal sy Indiana ary Connecticut. Ny Tempolin’i Urdaneta no ho tempoly fahatelon’ny Fiangonana any Philippines ary ny tempolin’i Tijuana dia ho tempoly fahatelo ambin’ny folo any Mexique.

Tao anatin’ny enim-bolana, teo anelanelan’ny fihaonamben’ny Fiangonana tamin’ny Aprily sy ny fihaonamben’ny Fiangonana tamin’ity Ôktobra ity dia nitokana tempoly efatra vaovao ny Fiangonana: Ny tempolin’i Gila Valley Arizona, ny tempolin’i Vancouver Colombie Britanique, ny tempolin’i Cebu City Philippines, ary ny tempolin’i Kiev Ukraine. Kendrena haverina tokanana amin’ny 21 Nôvambra 2010 ny Tempolin’i Laie Hawaï taorian’ny fanavaozana lehibe natao taminy.

Hamoaka printy