2010
Fianarana sy Fampianarana ny Filazantsara
Nôvambra 2010


Fianarana sy Fampianarana ny Filazantsara

Ny tena zava-dehibe indrindra dia ny toe-panahy na ny fanahy izay entin’ny mpampianatra ampianarana.

Sary
David M. McConkie

Amin’ny maha-mpikambana ao amin’ny Fiadidian’ny Sekoly Alahady Maneran-tany ahy dia mahatsapa aho fa tokony hanomboka ny lahateniko amin’ity maraina ity amin’ny fitenenana hoe: “Manao ahoana daholo ianareo.”

Ny hafatro anio dia ho an’ireo rehetra izay nantsoina mba hampianatra, na aiza na aiza vondrona hanompoanareo ary na vao niova fo ato amin’ny Fiangonana ianareo na efa mpampianatra manana traikefa an-taonany maro.

Tsy hiresaka momba ny “fomba” fampianarana aho fa hiresaka kosa mikasika ny “fomba” fianarana. Misy fahasamihafana tokoa ny zavatra lazain’ny mpampianatra sy ny zavatra re na hianaran’ireo mpianatra.

Eritrereto mandritra ny fotoana fohy, mpampianatra iray izay nitondra fiovana teo amin’ny fiainanao. Inona avy taminy no nahatonga anao hahatsiaro ny fampianarany, nahatonga anao te-hahafantatra ny marina tamin’ny alalan’ny tenanao manokana, nahatonga anao nampiasa ny fahafahanao misafidy ary nanatanteraka izany fa tsy niandry teo fotsiny—na amin’ny teny hafa hoe nianatra? Inona tamin’io mpampianatra io no nampiavaka azy tamin’ny hafa?

Mpampianatra sady mpanoratra mahomby iray no nilaza hoe: “Ny tena zava-dehibe indrindra amin’ny fampianarana dia ny toe-panahy. Ny toe-panahin’ny mpampianatra.”1

Mariho tsara fa ny zava-dehibe indrindra eo amin’ny fianarana dia tsy ny isan’ny taona naha-mpikamban’ny Fiangonana ny mpampianatra na ny habetsahan’ny traikefa azony tamin’ny naha-mpampianatra azy, na ny fahalalan’ny mpampianatra ny filazantsara na ny teknika entiny mampianatra. Ny tena zava-dehibe indrindra dia ny toe-panahy na ny fanahy izay entin’ny mpampianatra ampianarana.

Nandritra ny fivoriana fiofanana manerantany iray ho an’ny fitarihana, ny Loholona Jeffrey R. Holland dia nilaza izao tantara izao: “Nandritra ny taona maro dia nitia ny tantara izay nolazain’ny Filoha Packer mikasika ny mpampianatra Sekoly Alahady tamin’ny fahazazan’i William E. Berrett aho. Rahalahy Danoa efa zokinjokiny iray no nantsoina hampianatra ireto zazalahy be tabataba ireto. … Tsy nahay tsara ny fiteny izy; mbola nibahana be tamin’ny fiteniny ny fiteny Danoa; efa antitra izy, ary ny tanany dia tanana mpamboly tokoa. Na dia izany aza dia nantsoina izy hampianatra ireto zatovolahy, izay 15 taona ireto no sady sarotra fehezina tokoa. Raha ny fijery tsy miangatra dia toa tsy mifanaraka mihitsy izy ireo. Kanefa dia matetika milaza izao ny Rahalahy Berrett—ary izany no teny nindramin’ny Filoha Packer—hoe io lehilahy io dia nahavita nampianatra azy ireo tamin’ny fomba hafa, hoe nanivatsiva ireo sakana sy ireo fetra io lehilahy io ka nahakasika ny fon’ireto ankizy 15 taona mpitabataba ireto, ary nampiova ny fiainan’izy ireo. Ary ny fijoroana ho vavolombelon’ny Rahalahy Berrett dia hoe: ‘Afaka nanafana ny tananay tamin’ny alalan’ny afon’ny finoany izahay.’”2

Ny mpampianatra ny filazantsara mahomby dia tia ny filazantsara. Tena mahafaly azy ireo izany. Ary satria tia ny mpianany izy ireo, dia tian’izy ireo hahatsapa ny zavatra tsapany koa izy ireo ary hahatsapa ny zavatra niainany. Ny mampianatra ny filazantsara dia mizara ny fitiavanao ny filazantsara.

Ry rahalahy sy ranabavy, tsy ampianarina ny toe-panahin’ny mpampianatra, fa azo amin’ny fomba hafa.3

Ahoana ary izany no fomba hampivelarantsika ny toetra ilaina mba hahatonga antsika ho mpampianatra mahomby? Tiako ny hiresaka fitsipika fototra efatra amin’ny fampianarana ny filazantsara.

Voalohany, mahaiza migoka bebe kokoa avy ao amin’ny soratra masina. Tsy afaka ny ho tiantsika ny zavatra tsy fantantsika. Ampiroboroboy ny fahazarana mandalina ny soratra masina isan’andro, misaraka tanteraka amin’ny fanomananao ny lesona ampianarinao. Alohan’ny hampianarantsika ny filazantsara, dia tsy maintsy mahafantatra ny filazantsara isika.

Ny Filoha Monson dia mbola nirakitra hatrany ny fahatsiarovana ilay mpampianatra Sekoly Alahady tamin’ny fahazazany. Hoy izy: “Traikefa azoko fony aho mbola zazalahy kely ny nahafantarako ny fitaomam-panahy nentin’ny mpampianatra iray mahomby sy nentanim-panahy indrindra izay nihaino sy tia anay. Ny anarany dia i Lucy Gertsch. Tao amin’ny kilasin’ny Sekoly Alahady nisy anay, dia nampianatra anay ny Fahariana an’izao tontolo izao izy, ny Fahalavoan’i Adama, ny sorompanavotan’i Jesoa. Nentiny tao an-dakilasy toy ny vahiny manan-kaja i Mosesy, Josoa, Petera, Tomasy, Paoly, ary mazava ho azy, i Kristy. Na dia tsy hitanay aza izy ireo, dia nianatra nitia, nanaja, ary nanaraka ny ohatra avy tamin’izy ireo izahay.”4

I Lucy Gertsch dia afaka nanasa ireo vahiny manan-kaja ireo tao an-dakilasinay satria fantany izy ireo. Namany nankamamiany izy ireo. Vokatr’izany, ny kilasiny ihany koa dia nianatra “nitia, nanaja, ary nanaraka ny ohatra avy tamin’izy ireo.”

Ny Tompo dia nilaza tamin’i Hyrum Smith hoe: “Aza mikatsaka ny hanambara ny teniko fa katsaho aloha ny hahazo azy.”5 Izany fananarana izany dia mihatra amintsika tsirairay avy.

Ny Tompo dia nandidy antsika mba hikatsaka ny soratra masina,6 hivoky amin’izy ireny,7 ary hitahiry azy ireny.8 Rehefa mikatsaka sy misaintsaina ny tenin’ny Tompo isika, dia hanana ny Fanahiny hiaraka amintsika. Ho zatra ny feony isika.9

Taoriana kelin’ ny niantsoana ahy ho filohan’ny tsatòka, dia nandray fiofanana avy tamin’ny Fitopololahin’ny Vondromparitra iray ny Fiadidian’ny Tsatòkanay. Nandritra ny fiofanana, dia nametraka fanontaniana iray aho izay novaliany hoe: “Tena fanontaniana tsara izany. Handeha isika hitodika amin’ny Manuel d’Instruction de l’Eglise (Boky Torolalan’ny Fiangonana) hahitana ny valiny. Ary dia namaky ny boky torolalana izahay ary dia tao ny valin’ny fanontaniako. Fotoana fohy tao aorian’izany, nandritra io fiofananay io, dia nametraka fanontaniana iray hafa aho. Mbola namaly indray izy hoe: “Tsara be izany fanontaniana izany. Ndeha hosokafantsika ny boky torolalana.” Tsy sahy nametraka fanontaniana hafa intsony aho. Nieritreritra aho fa ny tsara indrindra dia ny mamaky ny boky torolalana.

Nieritreritra aho nanomboka tamin’izay fa ny Tompo dia afaka manome valiny mitovitovy amin’izany ho antsika tsirairay rehefa manatona Azy miaraka amin’ny olantsika na ireo fanontaniantsika isika. Mety hiteny Izy hoe: “Tsara be izany fanontaniana izany. Raha toa ka mamerina mamaky ny Almà toko 5 na ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana fizarana 76 ianao, dia hotsaroanao fa efa nolazaiko anao ny momba izany zavatra izany.”

Ry rahalahy sy rahavavy, mifanohitra amin’ny fiasan’ny lanitra ny famerimberenan’ny Tompo amintsika tsirairay avy ny zavatra izay efa nambarany faobe tamintsika. Ny soratra masina dia mitahiry ny tenin’i Kristy. Izy ireny no feon’ny Tompo. Ny fianarana ny soratra masina dia manofana antsika handre ny feon’ny Tompo.

Faharoa, ampiharo eo amin’ny fiainanao ny zavatra nianaranao. Rehefa naniry ny ho isan’ity asa lehiben’ny andro farany ity i Hyrum Smith dia niteny taminy ny Tompo hoe: “Indro izao no asanao, ny mitandrina ny didiko, eny, amin’ny herinao rehetra, ny sainao rehetra ary ny tanjakao rehetra.”10 Ny asantsika voalohany indrindra amin’ny maha mpampianatra antsika dia ny mitandrina ny didy amin’ny herintsika rehetra sy ny saintsika rehetra ary ny tanjatsika rehetra.

Fahatelo, katsaho ny fanampian’ny lanitra. Mangataha ny Fanahin’ny Tompo, amin’ny hery rehetra ao am-ponao. Ny soratra masina dia milaza fa “Raha tsy mandray ny Fanahy ianareo dia tsy hampianatra.”11 Izany dia midika fa na dia mampiasa ny teknika fampianarana mety rehetra aza ianao ary marina ny zavatra ampianarinao, raha tsy misy ny Fanahy dia tsy hisy ny tena fianarana.

Ny anjara asan’ny mpampianatra dia ny “manampy ny olona tsirairay handray andraikitra amin’ny fianarana ny filazantsara—ary hanaitra ao amin’izy ireo ny faniriana hianatra sy hahatakatra ary hiaina ny filazantsara.”12 Izany dia midika fa amin’ny maha mpampianatra antsika dia tsy tokony hifantoka loatra amin’ny zava-bitantsika isika mihoatra amin’ny fomba hanampiantsika ny hafa hianatra sy hiaina ny filazantsara.13

Oviana ny fotoana farany nandohalianao nivavaka ary nangataka tamin’ny Tompo mba hanampy anao tsy ho amin’ny lesona ampianarinao fotsiny fa indrindra mba hanampy anao ihany koa hahafantatra sy hahita izay ilain’ireo mpianatrao ao an-dakilasy? Tsy misy kilasy hoe lehibe loatra ka hoe tsy afaka hivavaka isika hahazoana fitaomam-panahy mikasika ny fomba hikasihana ny mpianatra tsirairay.

Voajanahary amin’ny mpampianatra ny manana fahatsapana tsy fahampiana. Tsy maintsy takatrareo fa “ny taona sy ny fahamatorana ary ny fiofanana ara-pahalalana dia tsy ilaina na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana ary na amin’ny fatra manao ahoana na amin’ny fatra manao ahoana rehefa hifandray amin’ny Tompo sy ny Fanahy Masiny.”14

Ny fampanantenan’ny Tompo dia azo antoka. Raha toa ka mikatsaka tsara ny soratra masina ianao ary mirakitra hatrany ao an-tsainao ny tenin’ny fiainana, raha mitandrina ireo didy amin’ny fonao rehetra ianao ary mivavaka ho an’ny mpianatra tsirairay, dia hanana ny fiarahana tsy tapaka amin’ny Fanahy Masina ianao ary dia handray fanambarana.15

Fahefatra, ry rahalahy sy rahavavy, tena zava-dehibe alohan’ny zava-drehetra ny mampiasa ny fahafahantsika misafidy ary ny miasa amin’izany, tsy misy hatak’andro, mifanaraka amin’ny bitsika ara-panahy izay azontsika.

Ny Filoha Thomas S. Monson dia nampianatra hoe: “Miambina isika. Miandry isika. Mihaino ilay feo tony sy malefaka isika. Rehefa miteny izany, dia mankatò ny lehilahy sy ny vehivavy hendry. Tsy azo ahemotra ny fanatanterahana ny bitsiky ny Fanahy Masina.”16

Tsy tokony hatahotra ianao hampiasa ny fahafahanao misafidy ary hiasa araka ny eritreritra sy fomba fijery izay apetraky ny Tompo ao am-ponao. Mety ho hafahafa ny fahatsapanao amin’ny voalohany, kanefa mampanantena anao aho fa ny traikefa mamy sy mahafinaritra indrindra ho azonao amin’ny maha-mpampianatra anao dia hitranga rehefa manaiky ny sitrapon’ny Tompo ianao sy manaraka ny bitsika azonao avy amin’ny Fanahy Masina. Ireo zavatra niainanao dia hampahery ny finoanao ary hanome anao herim-po lehibe kokoa mba hiasanao amin’ny ho avy.

Ry mpampianatra malala, ianareo dia anisan’ny fahagagana lehibe eto amin’ity Fiangonana ity. Mihazona andraikitra masina ianareo. Tianay ianareo ary manana fahatokiana anareo izahay. Fantatro fa raha mikatsaka ny soratra masina isika ary miaina amin’ny fomba izay maha mendrika ny fiarahana tsy tapaka amin’ny Fanahy Masina, dia handrianin’ny Tompo isika eo amin’ny antso sy ny andraikitsika mba hahafahantsika manatanteraka ny fanendrena antsika avy amin’ny Tompo. Enga anie isika rehetra hanao izany ary izany no vavaka ataoko, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Hamoaka printy