2010
Mijanonà amin’ilay Lalana
Nôvambra 2010


Mijanonà amin’ilay Lalana

Rehefa mamikitra ny zanatsika isika ary manaraka ny fitarihan’ny Mpamonjy, dia hiverina any amin’ilay fonenantsika any an-danitra ary tsy ho azom-boina eo an-tsandrin’ny Raintsika any an-danitra.

Sary
Rosemary M. Wixom

Vao haingana aho no nanatrika ny fahaterahan’i Kate Elizabeth kely. Taorian’ny nidirany an’ity izao tontolo izao ity dia napetraka teo an-tsandrin’ny reniny izy ary dia naninjitra ny tanany i Kate ka nahatazona ny rantsantanan-dreniny. Toy ireny niteny ireny i Kate kely hoe: “Raha mamikitra tsara aho dia moa ve hanampy ahy hijanona amin’ilay lalana miverina any amin’ny Raiko any an-danitra ianao?”

Tratran’ny aretina tefoedra i Joseph Smith tamin’ny fahafito taonany ary nisy otrikaretina nanonitra teo amin’ny tongony. Ny Dokotera Nathan Smith dia nitondra fomba fitsaboana vaovao mba hahafahana manavotra ilay tongotra nitoeran’ny otrikaretina. Mila mandidy ny tongony tsy misy fanafody fanadotoana ny Dokotera Smith ary dia hanala ireo faritry ny taolana izay nisy otrikaretina. Tsy nety nisotro toaka izay nomena azy mba hahatantesany ny fanaintainana i Joseph ary tsy nanaiky ny hofatorana saingy niteny izy hoe: “Mila ny raiko hipetraka eo amin’ny fandrianako aho ary hamihina ahy amin’ny sandriny dia hanao izay rehetra ilaina aho.”1

Izao no lazaintsika ny ankizy rehetra manerana an’izao tontolo izao: “Raiso ny tanako. Mifikira mafy tsara. Hiaraka hijanona eo amin’ilay lalana izay mitondra miverina any amin’ny Raintsika any an-danitra isika.”

Ry ray aman-dreny, ry raibe sy renibe, ry mpifanolo-bodirindrina, ry namana, ry mpitarika ao amin’ny Kilonga—ny tsirairay amintsika dia afaka maninjitra ny tanantsika hamihina ireo ankizy. Afaka mijanona isika, mandohalika ary mijery ao anatin’ny mason’izy ireo ary mahatsapa ny fanirian’izy ireo anaty ny hanaraka ny Mpamonjy. Fihino ny tanan’izy ireo. Miaraha mandeha amin’izy ireo. Izany no fotoana ahafahantsika mampifikitra azy ireo amin’ny lalan’ny finoana.

Tsy misy ankizy voatery handeha irery amin’izany lalana izany—raha toa ka miresaka malalaka tsara amin’ny zanatsika momba ny drafitry ny famonjena isika. Ny fahatakarana ny drafitra dia hanampy azy ireo hifikitra amin’ireo fahamarinana hoe zanak’Andriamanitra izy ireo ary manana drafitra ho azy ireo Izy ary efa niara-niaina Taminy izy ireo tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana, ary nihobim-pifaliana izy ireo ny amin’ny hahatongavany ety an-tany, ary amin’ny alalan’ny fanampian’ny Mpamonjy dia afaka miverina eo anatrehan’ny Raintsika any an-danitra daholo isika. Tsy hahatahotra izy ireo raha mahatakatra ilay drafitra sy mahatakatra hoe iza moa izy ireo.

Vakiantsika ao amin’ny Almà 24 ny hoe: “Tia ny fanahintsika Izy [ary] tia ny zanatsika koa; noho izany … dia azo [ampahafantarina] antsika ary koa ny taranaka ho avy ny drafitry ny famonjena.”2

Manomboka manao izay ahafantaran’ny zanatsika ilay drafitra isika rehefa mamikitra mafy ilay anja-by.

Rehefa mifikitra mafy amin’ilay anja-by isika dia afaka mametraka ny tanantsika eo amin’ny azy ireo ary miara-mandeha aminy eo amin’ilay lalana ety sy tery. Miharihary eo imasony ny ohatra asehontsika. Hanaraka ny famindrantsika izy ireo rehefa mahatsapa ho voaro ao anatin’ireo zavatra ataontsika. Tsy mila tonga lafatra isika—fa mila marin-toetra sy mahitsy fo fotsiny. Tian’ny ankizy ny hahatsapa fa iray isika sy izy ireo. Rehefa miteny ny ray aman-dreny hoe: “Vitantsika izany! Afaka mamaky ny soratra masina isan’andro isika amin’ny maha-fianakaviana antsika,” dia hanaraka izany ireo ankizy!

Nisy fianakaviana iray toy izany izay ahitana ankizy efatra nanoratra hoe: “Nanapa-kevitra ny hanomboka amin’ny zavatra kely izahay noho ny tsy faharetan’ny fifantohan-tsain’ny zanakay. Mbola tsy nahay namaky teny ny zokiny indrindra tamin’ny zanakay, saingy afaka namerina ny teninay izy ka dia nanomboka namaky ny Bokin’i Môrmôna izahay ary andininy telo isaky ny alina fotsiny no novakianay. Samy namaky andininy iray avy izaho sy ny vadiko ary avy eo dia mamerina miteny andininy iray i Sydney. Nampitombo izany ho andininy efatra izahay avy eo dia lasa andininy dimy rehefa nanomboka nahay namerina ny andininy izay azy ireo manokana ireo ankizilahy. Marina fa namizana izany saingy notohizanay foana. Niezaka nifantoka tamin’ny tsy fiovaovana izahay fa tsy tamin’ny hafainganam-pandeha. Nila telo taona sy tapany izahay vao nahavita ny Bokin’i Môrmôna. Tena fahatsapana fahatontosan-javatra lehibe izany!”

Notohizan’ilay reny izany tamin’ny hoe: “Lasa fahazarana ankehitriny ny famakiana soratra masina isan’andro ao amin’ny fianakavianay. Mahazo aina tsara ny zanakay amin’ny teny ao anatin’ny soratra masina ary manararaotra mijoro ho vavolombelona momba ny fahamarinana izaho sy ny vadiko. Ny tena zava-dehibe indrindra dia ny fitomboan’ny fahatsapana ny Fanahy ao an-tokantranonay.”

Moa ve ianao nianatra ny zavatra nianarako avy tamin’ny fiainan’io fianakaviana io? Raha toa ka mikasa ny hifikitra mafy amin’ny tenin’Andriamanitra isika, dia azo atao andininy iray isaky ny mandeha fotsiny no vakiantsika ao amin’ny soratra masina. Tsy misy tara velively izany raha te hanomboka ary afaka manomboka izao ianao.

Izao tontolo izao no hampianatra ny zanatsika rehefa tsy hanao izany isika, ary afaka mianatra vao mbola kely ny zavatra rehetra ampianarin’izao tontolo izao azy ireo ny ankizy. Ny zavatra tiantsika ho fantany afaka dimy taona dia tokony ho tafiditra amin’ny resaka ifanaovantsika aminy anio. Ampianaro amin’ny toe-javatra rehetra miseho izy ireo. Aoka ny olana rehetra izay mety sedrainy, ny vokatry ny zavatra rehetra nataony ary ny fitsapana rehetra izay mety atrehany ho tonga fahafahana hampianarana azy ireo ny fomba fifikirana amin’ny fahamarinan’ny filazantsara.

I Shannon, izay reny mbola tanora dia tsy nanampo fa hampianatra ny zanany ny herin’ny vavaka izy raha niditra tao anatin’ny fiarany handeha hody izy ireo, handeha lalana 40 minitra fotsiny. Tsy nisy oram-baratra mihitsy tamin’izy ireo nandao ny tranon’ny reniben’izy ireo, saingy rehefa nanomboka namakivaky ireo hadilalana ny fiara, dia lasa oram-panala nivatravatra be ilay oram-panala kely. Nanomboka nikorisarisa teny amin’ny lalana ilay fiara. Fotoana fohy taorian’izany dia efa zara raha nisy zavatra hita. Afaka nahatsapa ny fahasarotan’ny zava-nitranga ireo ankizy kely indrindra anankiroa ka dia nanomboka nitomany. Hoy i Shannon tamin’ireo ankizy lehibe kokoa, dia i Heidi sy Thomas izany izay 8 sy 6 taona hoe: “Mila mivavaka ianareo. Mila ny fanampian’ny Ray any an-danitra isika raha te-ho tonga soa aman-tsara any an-trano. Mivavaha mba tsy ho tafahitsoka isika ary mba tsy hivily hiala ny lalana.” Nangovitra ny tanany raha namily ilay fiara izy, kanefa dia afaka naheno ny bitsik’ireo vavaka kely miverimberina avy ao amin’ny seza aoriana izy izay nanao hoe: “Ry Ray any an-danitra, miangavy Anao izahay mba hanampy anay ho tafody soa aman-tsara any an-trano, mba ampio izahay mba tsy hivily hiala amin’ny lalana.”

Nampitony ireo ankizy kely indrindra anankiroa ara-potoana ilay vavaka, ary dia nitsahatra nitomany izy ireo rehefa henony fa ny lalana iray dia nihidy ka tsy namela azy ireo handeha lavitra kokoa izany. Niverin-dalana tamim-pitandremana izy ireo ary nahita trano fandriam-bahiny natokana ho an’ny mpitondra fiarakodia mba hatoriana ny alina. Raha vao tonga tao amin’ilay fandriam-bahiny izy ireo dia nandohalika ary nisaotra ny Ray any an-danitra noho ny fiarovany azy ireo. Tamin’io alina io dia nisy reny iray nampianatra ny zanany ny herin’ny fifikirana mafy amin’ny vavaka.

Inona avy ireo fitsapana hatrehan’ireo zanatsika? Toa an’i Joseph Smith dia afaka mahita ny herimpo “hanaovana izay rehetra ilaina” ireo zanatsika. Rehefa vonona ny hamihina sy hampianatra azy ireo ny drafitry ny Ray any an-danitra amin’ny alalan’ny vavaka sy ny soratra masina isika dia ho fantatr’izy ireo ny toerana izay niaviany, ny antony maha eto azy ireo ary ny toerana izay ho alehany

Tamin’ny lohataona lasa teo izahay mivady dia nanatrika lalao baolina kitra nandraisan’ny zafikelinay lahy efa-taona anjara. Tsapanao ny fientanentanana teo amin’ilay kianja rehefa nivezivezy nanketsy sy nankeroa nanenjika ilay baolina ireo mpilalao. Rehefa naneno ny kiririoka nanamarika ny fahataperan’ny lalao dia tsy fantatr’ireo mpilalao hoe iza no naharesy ary iza no resy. Nilalao baolina tsotra fotsiny izy ireo. Nasain’ireo mpanazatra nandray ny tanan’ireo mpifanandrina taminy ireo mpilalao. Avy eo dia nahatsikaritra zavatra iray somary niavaka aho. Nangataka ny mba hanaovana soamiditra ho an’ny fandresena ilay mpanazatra. Ireo ray aman-dreny, sy ireo raibe sy renibe ary izay mpijery rehetra tonga nanatrika ilay lalao dia nitsangana sy nitandahatra roa nifanatrika ary nanao andohalambo izy ireo tamin’ny alalan’ny fampiakaran’izy ireo ny tanany. Nihikiaka ireo ankizy rehefa nihazakazaka teo afovoan’ireo olon-dehibe izay falifaly ary nidina nankany amin’ilay lalana namboaran’ireo mpijery. Fotoana fohy taorian’izany dia nandeha nanao ilay kilalao nahafinaritra koa ireo ankizy tao amin’ny tarika mpifanandrina tamin’izy ireo raha nohobian’ireo olon-dehibe ireo mpilalao rehetra—ireo naharesy sy ireo resy—rehefa nihazakazaka nankao amin’ilay soamiditra hoan’ny fandresena izy ireo.

Nisy sary iray hafa tao an-tsaiko. Nahatsapa ho toy ny nahita ireo ankizy niaina ilay drafitra izay nataon’ny Ray any an-danitra ho an’ny ankizy tsirairay aho. Nihazakazaka tao amin’ilay lalana ety sy tery izy ireo tamin’ny alalan’ny sandrin’ireo mpijery izay tia azy ireo ka samy tsapan’ny tsirairay ilay fifaliana noho ny maha-eo amin’ilay lalana azy.

Hoy i Jakoba: “O Endrey ny halehiben’ny drafitry ny Andriamanitsika!”3 Ny Mpamonjy dia “nanome ohatra [ho antsika] [sy nanoro] ny lalana.”4 Mijoro ho vavolombelona aho fa rehefa mamikitra ny zanatsika isika ary manaraka ny fitarihan’ny Mpamonjy, dia hiverina any amin’ilay fonenantsika any an-danitra ary tsy ho azom-boina eo an-tsandrin’ny Raintsika any an-danitra. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Jereo Lucy Mack Smith, History of Joseph Smith by His Mother, ed. Preston Nibley (1958), 56–57.

  2. Almà 24:14.

  3. 2 Nefia 9:41.

  4. “Endrey fahendrena, fitia” Fihirana sy Hiran’ny Ankizy p. 37.

Hamoaka printy