2010
Fankatoavana ireo Mpaminany
Nôvambra 2010


Fankatoavana ireo Mpaminany

Fitahiana lehibe tokoa ny fananana mpaminany amin’izao androntsika izao!

Elder Claudio R. M. Costa

Mpikambana niova fo tato am-piangonana aho. Feno fankasitrahana aho fa novalian’Andriamanitra ny vavaka nataoko ary nomeny fahalalana sy fijoroana ho vavolombelona matanjaka aho fa mpaminanin’Andriamanitra i Joseph Smith.

Talohan’ny nandraisako ny fanapahan-kevitra ho atao batisa ato amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia nandalina ny ampahany avy tamin’ny tantaran’i Joseph Smith aho. Nivavaka aho taorian’ny famakiako tamim-pitandremana ireo andalan-tsoratra tsirairay. Raha te-hanao izany ianao dia mila manokana adim-pamantaranandro 14 amin’ny fotoanao.

Nomen’ny Tompo antoka aho fa mpaminaniny i Joseph Smith taorian’ny famakiako sy ny fisaintsainako ary ny vavaka nataoko. Mijoro ho vavolombelona aminareo aho fa mpaminany i Joseph Smith, ary koa satria nandray izany valim-bavaka izany avy tamin’ny Tompo aho, noho izany dia mahafantatra aho fa ny mpandimby azy rehetra koa dia mpaminany. Fitahiana lehibe tokoa ny fananana mpaminany amin’izao androntsika izao!

Nahoana no zava-dehibe ny fananana mpaminany velona hitarika ny Fiangonana marin’i Jesoa Kristy sy ny mpikambany?

Ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina dia mahita ny famaritana ny teny hoe mpaminany isika, izay toy izao manaraka izao: “Olona izay nantsoin’Andriamanitra sy miteny ho Azy. Amin’ny maha-mpitondra hafatr’Andriamanitra azy, ny mpaminany dia mandray ireo didy sy faminaniana ary fanambarana avy amin’Andriamanitra” (“Prophet,” scriptures.lds.org; jereo ihany koa ny Bible Dictionary, “Prophet”).

Fitahiana lehibe tokoa ny mandray ny teny sy ny didy ary ny fitarihana avy amin’ny Tompo amin’izao andro mahory eto an-tany izao. Afaka mandray fitaomam-panahy ny mpaminany hahitany ny hoavy ho tombontsoan’ny zanak’olombelona.

Nolazaina isika fa “Tsy manao na inona na inona tokoa Jehovah Tompo, raha tsy milaza ny heviny amin’ny mpaminany mpanompony” (Amosa 3:7). Ianarantsika avy amin’io soratra masina io fa ny Tompo dia hanambara amin’ireo mpaminaniny ny zavatra rehetra izay tsapany fa ilaina hampahafantarina antsika. Hanambara ny Sitrapony amintsika Izy ary hanoro lalana antsika amin’ny alalan’ireo Mpaminaniny.

Nampanantena antsika ny Tompo fa raha mino ny mpaminany masina isika dia hahazo ny fiainana mandrakizay (jereo ny F&F 20:26). Ao amin’ny Fanekempinoana fahaenina dia milaza isika fa mino ireo mpaminany. Ny dikan’ny hoe mino dia manana finoana sy fahatokiana amin’izy ireo ary manaraka sy manao ny zavatra angatahin’ireo mpaminany ho ataontsika.

Tamin’ny 1980, rehefa nanompo tamin’ny naha-filohan’ny Filankevitry ny Apôstôly Roambinifolo azy ny Filoha Ezra Taft Benson, dia nanome hafatra mahery vaika mikasika ny fankatoavana ireo mpaminany izy nandritry ny fotoam-bavaka tao BYU tao amin’ny Marriott Center. Ilay lahateniny lehibe izay nitondra ny lohateny hoe: “Ireo Fitsipika Fototra miisa Efatra ambin’ny folo amin’ny Fanarahana ny Mpaminany” dia nikasika ny foko. Nitondra fahatsapana tsara teo amiko ny nandraisako ny fanapahan-kevitra hanaraka ireo mpaminany mandritra ny androm-pianako sisa, rehefa nanaiky ny batisa tato amin’ny Fiangonana marin’ny Tompo aho.

Tiako ny hizara aminareo ireo fitsipika sasantsany izay nampianarin’ny Filoha Benson:

“Voalohany: Ny mpaminany no hany olona miresaka ho an’ny Tompo amin’ny zavatra rehetra ” (Lahateny mandritra ny Fivoriam-bavakan’ny taona 1980 [1981], 26).

Amin’izao androntsika izao dia niteny tamintsika ny mpaminanin’Andriamanitra mba hitandrina ireo didy, mba hitia ny mpiara-belona, mba hanompo, mba hikarakara ny taranaka vao misondrotra, mba hamonjy ireo malaina sy ireo malaindaina amin’ny finoana, mba hanao zavatra maro izay antsointsika hoe laharam-pahamehana ara-paminaniana. Mila mahatakatra isika fa ireo laharam-pahamehana ireo dia laharam-pahamehan’Andriamanitra, ary ny mpaminany no feony mampita izany amin’ny Fiangonana sy izao tontolo izao iray manontolo.

Hamporisihana isika mba “[hampandry] sofina amin’ny teniny rehetra sy ny didy rehetra izay omeny” (F&F 21:4). Mianatra ihany koa isika hoe:

“Fa ny teniny dia horaisinareo toa ireny avy amin’ny vavako ireny, amin’ny faharetana sy ny finoana rehetra” (F&F 21:4–5).

“Fa amin’ ny fanaovana ireny zavatra ireny, ny vavahadin’ ny helo dia tsy haharesy anareo; eny, ary ny Tompo Andriamanitra dia hampihahaka ny herin’ ny haizina eo anoloanareo ary hampihozongozona ny lanitra mba ho soa ho anareo sy ho voninahitry ny anarany” (F&F 21:4–6).

Fitsipika fototra faharoa: “Hery lehibe kokoa ho antsika ny mpaminany velona noho ireo soratra masina nankatoavin’ny Fiangonana” (“Fitsipika fototra efatra ambinifolo,” 26).

Mandray fanambarana manokana ho antsika ny mpaminany velona. Tsaroako tsara ireo fotoana maro izay nanatrehako sy nandrenesako ny iray tamin’ireo mpanompon’ny Tompo niteny mikasika ny zavatra manokana mahakasika ny tanana iray na ny firenena iray. Tsaroako farafahakeliny ny telo tamin’ireo mpaminany sy mpahita ary mpanambara velona izay niresaka mikasika ny fireneko, dia i Brésil. Ny iray amin’ireo mpanompo ireo dia nilaza fa i Brésil dia ho lasa firenena matanjaka ara-toe-karena eo amin’izao tontolo izao ary dia ho afaka amin’ny fisondrotan’ny vidim-piainana. Tamin’izany fotoana izany dia tarehi-marika roa isam-bolana ny tahan’ny fisondrotan’ny vidim-piainana. Sarotra ho an’ny olona maro ny hino izay nolazain’ny mpaminany, kanefa izaho dia nino. Ankehitriny dia 5 isan-jato isan-taona no fisondrotan’ny vidim-piainana any Brésil nandritry ny taona maro nifandimby izay. Ankehitriny i Brésil dia lasa laharana fahavalo eo amin’ny tanjaka ara-toe-karena eo amin’izao tontolo izao, ary mandeha tsara ny firenena!

Fitsipika fototra fahatelo: “Manan-danja bebe kokoa amintsika ny mpaminany velona iray noho ny mpaminany maty iray” (“Fitsipika fototra efatra ambinifolo,” 27).

Mianatra lesona lehibe mikasika izany isika ao amin’ny soratra masina. Tamin’ny andron’i Noa dia mora tamin’ny olona ny nino ireo mpaminany efa maty, kanefa sarotra ho azy ireo ny nino an’i Noa. Fantatsika fa noho ny tsy finoana dia tsy nahavotra ny ainy tamin’ny Safo-drano izy ireo (jereo Genesisy 6–7).

Fitsipika fototra fahaefatra: “Ny mpaminany dia tsy hitondra na oviana na oviana ny Fiangonana ho amin’ny lalan-diso” (“Fitsipika fototra efatra ambinifolo,” 27).

Mbola miverina eto indray fa mianatra avy amin’ny mpaminany velona isika. Ny Filoha Wilford Woodruff dia niteny hoe “Ny Tompo dia tsy hamela na oviana na oviana ahy na ny lehilahy iray hafa izay mitana ny toeran’ny Filohan’ity Fiangonana ity hitarika anareo haniasia. Tsy ao anatin’ny fandaharam-potoana izany. Tsy ao an-tsain’Andriamanitra izany. Raha manandrana manao izany aho dia hoesorin’ny Tompo hiala amin’ny toerako ary ho toy izany koa ny olona hafa izay manandrana ny hitarika ny zanak’olombelona hiala amin’ny tenin’Andriamanitra sy amin’ny adidiny” (Fanambarana Ofisialy 1).

Fitsipika fototra fahadimy: “Ny mpaminany dia tsy takiana hoe efa nanaraka fiofanana na mari-pahaizana manokana araky ny fomban’ny tany vao afaka miresaka momba ny lohahevitra iray na manao zavatra na inona na inona ary na amin’ny fotoana inona na amin’ny fotoana inona” (“Fitsipika fototra efatra ambinifolo,” 27).

Niantso tovolahy kely, dia i Joseph Smith, ny Tompo mba hamerina amin’ny laoniny ny Fiangonany. Moa ve ianao mieritreritra fa ilay zatovolahikely Joseph Smith dia nanam-pahaizana manokana tamin’ny haifinoana na ny siansa? Fantatsika fa zatovolahy nanetry tena sy tsy nanana fahalalana ara-pianarana izy. Kanefa dia nofinidin’ny Tompo izy, ary nandray ny zavatra rehetra nilainy avy tamin’ny Tompo izy mba hanajany sy hanatontosany ny antsony amin’ny maha-mpaminanin’ny Famerenana amin’ny laoniny azy.

Ny Filoha Benson dia nanohy hoe:

“Fahaenina: Ny mpaminany dia tsy mila miteny hoe: ‘Izao no nolazain’ny Tompo’ rehefa manome soratra masina ho antsika izy… .

“Fahafito: Ny mpaminany dia miteny izay zavatra tokony ho fantatsika fa tsy izay zavatra tiantsika ho fantatra foana” (“Fitsipika fototra efatra ambinifolo,” 27, 28).

Ary avy eo dia namaky ny tao amin’ny 1 Nefia 16:1, 3 ny Filoha Benson, izay manao hoe:

“Ary ankehitriny ny zava-nitranga, izaho Nefia rehefa avy namarana ny firesahana tamin’ ny rahalahiko, dia indro hoy ireo tamiko: Efa nilaza zavatra henjana taminay ianao mihoatra noho izay hainay zakaina. …

“Ary ankehitriny ry rahalahiko, raha marina ianareo ary te hihaino ny fahamarinana sy hitandrina izany mba hahazoanareo mandeha amin’ ny fahitsiana eo anoloan’ Andriamanitra, dia tsy himonomonona noho ny fahamarinana ianareo amin’ izany ka hiteny hoe: Miteny zavatra henjana mamely anay ianao.”

Fitsipika fototra fahavalo: “Tsy voafetran’ny fisainan’olombelona ny mpaminany….

“… Moa ve toa mitombona ny milaza amin’ny lehilahy voan’ny habokana mba handro impito ao amin’ny renirano iray? Kanefa dia izany mihitsy no nolazain’ny mpaminany Elisa mba ho ataon’ny boka iray ary dia sitrana izy (Jereo 2 Mpanjaka 5) (“Fitsipika fototra efatra ambinifolo,” 28).

Ary dia nanohy nanome ireo fitsipika hafa mikasika ny fankatoavana ny mpaminany ny Filoha Benson. Hovakiako ireo enina farany ary manasa anao aho mandritra ny takarivan’ny mpianakavy izay ataonareo manaraka mba hikatsaka ireto fitsipika avy amin’ireo teny sy fampianaran’ireo mpaminany sy mpahita ary mpanambara velona ananantsika ireo izay voalaza mandritra ity fihaonamben’ny Fiangonana ity.

“Fahasivy: Afaka mahazo fanambarana mikasika ny zavatra maro samihafa ny mpaminany—na ara-batana izany na ara-panahy… .

“Fahafolo: Afaka misahana ny mikasika ny maha-olom-pirenena ny mpaminany… .

“Fahairaika ambin’ny folo: Ireo vondron’olona roa izay manana fahasahiranana lehibe indrindra eo amin’ny fanarahana ny mpaminany dia ny olona miavona izay manam-pahaizana ary ny olona miavona izay manan-karena….

“Faharoa ambin’ny folo: Tsy voatery ho fantatr’izao tontolo izao na hifanaraka amin’ny fiainan’ izao tontolo izao ny mpaminany… .

“Fahatelo ambin’ny folo: Ny mpaminany sy ny mpanolotsainy no mitambatra ho Fiadidiana Voalohany—izay kôlejy ambony indrindra ao amin’ny Fiangonana.

“Fahaefatra ambin’ny folo: Ny mpaminany sy ny fiadidiana—ny mpaminany velona sy ny Fiadidiana Voalohany—araho izy ireo dia ho voatahy ianao; lavo izy ireo dia hijaly ianao” (“Fitsipika fototra efatra ambinifolo,” 29).

Manana tombontsoa manokana isika mandre ny tenin’ireo mpaminany sy mpahita ary mpanambara velona mandritra ity fihaonamben’ny Fiangonana mahafinaritra ity. Hilaza ny sitrapon’ny Tompo ho antsika, izay vahoakany, izy ireo. Hampita ny tenin’Andriamanitra sy ny toroheviny amintsika izy ireo. Henoy tsara ary araho ny toroheviny sy ireo torolalany, ary dia mijoro ho vavolombelona aho fa ho voatahy tanteraka ny fiainanao.

I Jesoa no Kristy, Mpamonjy sy Mpanavotra antsika. I Thomas S. Monson no mpaminany velon’Andriamanitra ary ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly dia mpaminany sy mpahita ary mpanambara. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.