2010
Ny Fieboeboana sy ny Fisoronana
Nôvambra 2010


Ny Fieboeboana sy ny Fisoronana

Ny fieboeboana dia famonoana ny herin’ny fisoronana. Ary ny mamelona izany dia ny fanetrentena.

President Dieter F. Uchtdorf

Ry rahalahiko, misaotra anareo aho amin’ny fiarahanareo mivory manerana an’izao tontolo izao mandritra ity fivoriamben’ny fisoronan’ny fihaonamben’ny Fiangonana ity. Ny fahatongavanareo eto dia maneho ny fanoloran-tenanareo handray anjara, na aiza na aiza misy anareo, miaraka amin’ireo rahalahy izay mihazona ny fisoronana masina, ny hanompo ary hanome voninahitra ny Tompo sy Mpanavotra antsika, Jesoa Kristy.

Matetika dia amin’ny alalan’ireo zava-nitranga teo amin’ny fiainantsika izay namela fahatsiarovana tao an-tsaintsika sy ny fontsika no hanombatombanantsika ny fiainantsika. Misy zavatra maro toy izany eo amin’ny fiainako, iray amin’izany ny zava-nitranga tamin’ny taona 1989 rehefa nandre toriteny tsy tontan’ny ela nataon’ny Filoha Ezra Taft Benson aho, izay mitondra ny lohateny hoe: “Mitandrema amin’ny Fieboeboana.” Teo amin’ny fampidirana dia nisy fanamarihana milaza fa ity lohahevitra ity dia nanindry mafy ny fanahin’ny Filoha Benson nandritra ny fotoana efa elaela.1

Nahatsapa mavesabesatra toy izany koa aho tao anatin’ny volana maromaro lasa izay. Namporisika ahy ny bitsiky ny Fanahy Masina mba hanampy ny fampitandremako ho fijoroana ho vavolombelona iray hafa amin’ny hafatra izay nataon’ny Filoha Benson 21 taona lasa izay.

Efa samy nanana traikefa kely na efa zatra miaina ny otan’ny fieboeboana avy ny olona tsirairay. Tsy misy olona afaka tamin’izany; ary vitsy ny nandresy izany. Rehefa nilaza tamin’ny vadiko aho fa izany no ho lohahevitry ny lahateniko dia sady nitsiky izy no nilaza hoe: “Tsara izany satria miresaka momba ny zavatra iray tena hainao ianao.”

Ny Dika Hafa Omena ny Fireharehana

Tsaroako ihany koa ny vokatra mahaliana iray hafa nateraky ny lahatenin’ny Filoha Benson. Nandritra ny fotoana lavalava dia saika fady teo amin’ny mpikamban’ny Fiangonana ny miteny fa “mirehareha” amin’ny zanany izy ireo na amin’ny fireneny na hoe “mirehareha” amin’ny asany izy ireo. Ilay teny hoe mirehareha dia saika nofoanana teo amin’ny teny ampiasaintsika.

Ao amin’ny soratra masina dia ahitana ohatra maro maneho olo-marina sy tsara izay nifaly tamin’ny fahamarinana sy naneho voninahitra tamin’ny hatsaram-panahin’Andriamanitra niaraka tamin’izany. Ny Raintsika any an-danitra mihitsy no nampahafantatra ny Zanany lahitokana tamin’ny teny hoe “izay ao Aminy no tena ifaliako.”2

Nifaly tamin’ny fiheverany i Almà fa “ho fitaovana eo an-tanan’ Andriamanitra.”3 Nifaly tamin’ny fahatokian’ireo mpikamban’ny Fiangonana ny Apôstôly Paoly.4 Nifaly tamin’ny fahombiazana azony sy ireo rahalahiny teo amin’ny asa fitoriana ny mpitory filazantsara lehibe Amôna.5

Mino aho fa misy fahasamihafana eo amin’ny fireharehana amin’ny zavatra manokana sy ny mieboebo. Mirehareha amin’ny zavatra maro aho. Mirehareha amin’ny vadiko aho. Mirehareha ny amin’ireo zanako sy ny zafikeliko aho.

Mirehareha ny amin’ireo tanoran’ny Fiangonana aho ary mifaly amin’ireo hatsaram-panahiny. Mirehareha ny aminareo aho, ry rahalahy malalako sy mahatoky. Mirehareha aho fa miaraka aminareo amin’ny maha-mpihazona ny fisoronana masin’Andriamanitra antsika.

Ny Fieboeboana dia Otan’ny Fanambonian-tena

Ka inona ary izany ny fahasamihafana eo amin’izany karazan’ny fireharehana izany sy ilay karazany nantsoin’ny Filoha Benson hoe “ny fototry ny otan’izao tontolo izao?”6 Ny fieboeboana dia fahotana, araky ny nampianaran’ny Filoha Benson tsara azy, satria miteraka fankahalana na fifanoherana ary mametraka ny toerantsika hanohitra an’Andriamanitra sy ireo mpiara-belona amintsika. Ny tena fotony dia otan’ny fampitahana ny fieboeboana, satria matetika izany no miantomboka amin’ny hoe “Jereo anie ny hatsarako sy ny zavatra goavana vitako e!” Ary matetika izany miafara amin’ny hoe “Tsara lavitra noho ianao aho.”

Rehefa rakotry ny fieboeboana ny fontsika dia manao fahotana goavana isika, satria mandika ilay didy roa lehibe isika.7 Raha tokony hitsaoka an’Andriamanitra sy hitia ny hafa isika dia mamoaka fa ny tena tanjontsika mazava dia ny hitsaoka sy hitia—ny endrika hitantsika momba antsika eo amin’ny fitaratra.

Ota lehiben’ny fanambonian-tena ny fieboeboana. Toy ny Rameomtôma manokana izany, ho an’ny maro, izay toerana masina hanamarin-tena amin’ny fitsiriritana, fahalianan-karena ary fieboeboana.8 Raha baingoina tokana dia ny fieboeboana no fototry ny ota voalohany, satria talohan’ny nanorenana ity tany ity, dia nahatonga an’i Losifera, ilay zanaky ny maraina ho lavo izany “izay nanana fahefana teo anatrehan’ Andriamanitra.”9 Raha toa ka nandavo ilay iray izay nantenaina sy nanana fahefana ohatr’izany ary ny fieboeboana, moa ve tsy tokony ho dinihantsika ny atim-panahintsika manokana?

Manana Endrika Maro ny Fieboeboana

Homamiadana tena mahafaty ny fieboeboana. Ota izay mitarika amin’ny fanararaotana ny fahalemen’ny olombelona hafa. Raha ny marina dia azo lazaina fa fisehoan’ny fieboeboana daholo ny ota hafa rehetra.

Ity ota ity dia manana endriny maro. Mitarika ny sasany hahazo fahafinaretana amin’ny toe-tsainy manambonimbonin-tena, amin’ny zava-bitany, ny talentany, ny hareny, na ny toerana misy azy izany. Raisin’izy ireo ho toy ny fitahiana manaporofo fa “voafidy,” “ambony,” na “olomarina kokoa” mihoatra ny hafa izy ireo. Ity ilay fahotana mampanao hoe: “Misaotra an’Andriamanitra aho fa miavaka noho ianao.” Efa ivon’izany ota izany mihitsy ny faniriana tia deraina sy tsiriritina. Otan’ny fideraderan-tena izany.

Ho an’ny sasany dia mitarika amin’ny fitsiriritana ny fieboeboana: mankahala ireo olona ambony toerana kokoa, manan-talenta kokoa, na manan-karena mihoatra ny ananany izy ireo. Manam-paniriana ny handratra, hanambany, ary handrava ny hafa ao anatin’ny fitiavana hanambony tena anaty fitaka sy tsy amim-pahamendrehana izy ireo. Raha toa ka lavo na nidonam-pahoriana ireo olona tsiriritiny dia mifaly anankam-po izy ireo.

Ny Ohatra asehon’ny Fanatanjahan-tena

Ataoko angamba fa tsy misy ohatra tsara indrindra hahitana ity otan’ny fieboeboana ity mihoatra ny eo amin’ny tontolon’ny fanatanjahan-tena. Tiako foana hatramin’izay ny mandray anjara sy manatrika fifaninana ara-panatanjahan-tena. Kanefa mibaboka aho fa misy fotoana mahamenatra ny tsy fisian’ny fahalalam-pomba amin’ny fanatanjahan-tena. Inona ary ny mahatonga ireo olona izay toa tsara fanahy sy feno fangorahana amin’ny fotoana hafa, ny tsy handefitra sy ho feno fankahalana ireo mpifaninana aminy sy ny mpanohanany?

Efa nahita mpanohana ara-panatanjahan-tena maro aho izay miteny ratsy sy mandray ny mpifaninana aminy ho manao toetran-devoly. Mijery ny fahadisoan-javatra kely izy ireo ary manampy trotraka izany. Tia manaporofo ny fankahalany izy ireo amin’ny fanasoketana ny rehetra ary manendrikendrika ny olon-drehetra izay miaraka amin’ny ekipa mpifaninana aminy ho ao anatin’izany. Mifaly sy mihoby tokoa izy ireo rehefa tsy mahomby ny mpifaninana aminy.

Mampalahelo ry rahalahy fa ankehitriny dia hita sy re matetika amin’ny lahateny ara-pôlitika, momba ny foko, ary ny fivavahana izany karazan’ny toe-tsaina izany.

Ry rahalahiko malala ao amin’ny fisoronana, ry mpanara-dia an’ilay Kristy feno hatsaram-panahy namana, moa ve tsy tokony hampiakatra ambonimbony kokoa ny fitsipika iainantsika isika? Amin’ny maha-mpihazona ny fisoronana antsika dia tokony ho tsapantsika fa mitafy ilay fitafy mitovy isika amin’ny maha-zanak’Andriamanitra antsika. Ny ekipantsika dia firahalahiana eo amin’ny zanak’olombelona. Ity fiainana an-tany ity no kianja filalaovantsika. Ny tanjontsika dia ny hianatra ho tia an’Andriamanitra sy haneho izany karazam-pitiavana izany amin’ireo namantsika. Hiaina araky ny lalàny sy hanangana ny fanjakan’Andriamanitra no nahatongavantsika eto. Hanorina, hampitraka, hikarakara araky ny tokony ho izy ary hamporisika ireo zanaky ny Ray any an-danitra rehetra no mahatonga antsika eto.

Tsy Tokony Hieboebo Isika

Fony aho nantsoina Manampahefana Ambony dia nanana fahahafana aho ho nofanin’ny Rahalahy zokiny maro eto amin’ny Fiangonana. Indray andro dia nitondra ny Filoha James E. Faust tamin’ny fiara aho handeha hanatrika fihaonamben’ny tsatòka iray. Nandritra ny ora niarahanay tao amin’ny fiara dia naka fotoana nampianatra ahy fitsipika manan-danja vitsivitsy mikasika ny andraikitra ampanaovina ahy ny Filoha Faust. Nazavainy tamiko fa tena tsara fanahy ny mpikamban’ny Fiangonana, indrindra indrindra eo anoloan’ireo Manampahefana Ambony. Hoy izy: “Horaisiny am-pitiavana tokoa ianao. Hiteny zavatra tsara mikasika anao izy ireo.” Mihomehy kely izy ary avy eo niteny hoe: “Dieter, Isaory izy noho izany. Kanefa aoka tsy ho lasa hieboebo amin’izany ianao.”

Lesona iray mendrika ho antsika rehetra izany, ry rahalahy, amin’ny antso na zava-mitranga eo amin’ny fiainantsika. Afaka ny haneho fankasitrahana amin’ny fahasalamantsika isika, amin’ny harena, amin’ny fananana, na toerana misy kanefa rehefa manomboka mampieboebo antsika izany—rehefa manomboka mirona amin’izany maha-izy antsika izany ny fisainantsika iray manontolo; rehefa mifantoka amin’ny maha-manan-danja, na fahefana na laza isika; rehefa mifantoka amin’ny endrika maha-izy antsika eo imason’olona sy mino ireo zavatra rehetra lazain’ny olona momba antsika—dia tonga ny olana; manomboka mahazo laka ny fieboeboana.

Maro ireo fampitandremana mikasika ny fieboeboana ao amin’ny soratra masina: “Fifandirana ihany no vokatry ny fiavonavonana; Fa ao amin’ny mino anatra no misy fahendrena.”10

Nampitandrina ny Apôstôly Petera fa “Andriamanitra manohitra ny miavonavona, fa manome fahasoavana ho an’ny manetry tena.”11 Nanazava i Môrmôna “fa tsy misy azo ekena eo anoloan’ Andriamanitra afa-tsy ny malemy fanahy sy ny mietry am-po.”12 Tamim-pisainana tokoa no nisafidianan’ny Tompo “ny malemy amin’izao tontolo izao no nofidin’Andriamanitra hampahamenatra ny mahery.”13 Nanao izany ny Tompo mba hanehoana fa ny Tanany dia miahy ny Asany, raha tsy hoe isika “hitoky amin’ ny sandry nofo.”14

Mpanompon’ny Tompontsika sy Mpamonjy antsika, Jesoa Kristy isika. Tsy hoe nomena antsika ny fisoronana mba hahafahantsika handray dera. Hiasa ny nahatongavantsika eto. Ao anatin’ny fanatanterahana asa miavaka isika. Nantsoina isika mba hanomana ny fiavian’ny Tompo sy Mpamonjy, Jesoa Kristy. Tsy mikatsaka ny voninahitra ho antsika isika fa kosa hanome dera sy voninahitra an’Andriamanitra. Fantatsika fa kely ny fandraisan’anjara azontsika ho atao; na izany aza dia afaka mampiasa ny herin’ny fisoronana amim-pahamarinana isika, ary anjaran’Andriamanitra ny manatanteraka ny asa lehibe sy mahatalanjona hitranga amin’ny alalan’ny ezaka ataontsika. Mila mianatra isika, tahaka ny nataon’i Mosesy, fa “tsinontsinona ny olona”15 kanefa kosa “hain’Andriamanitra ny zavatra rehetra.”16

Ohatra Tonga Lafatra amin’ny Fanetrentena i Jesoa Kristy

Ao anatin’izany fialana amin’ny fieboeboana izany, toy ny amin’ireo zava-drehetra hafa, dia i Jesoa Kristy no ohatra tonga lafatra arahintsika. Raha toa ka nanandrana nanova ny drafitry ny famonjen’ny Ray sy naniry ny hahazo ny voninahitra ho azy i Losifera, ny Mpamonjy kosa dia niteny hoe: “Ray ô, hatao anie ny sitraponao ary ho Anao ny voninahitra mandrakizay.”17 Na teo aza ny fahafaha-manaony niavaka sy ny zava-bitany dia malemy fanahy sy manetry tena hatrany ny Mpamonjy.

Ry rahalahy, isika dia mihazona “ny Fisoronana Masina araka ny Lamin’ ny Zanak’ Andriamanitra.”18 Hery izay nampanantenain’Andriamanitra ireo lehilahy eto an-tany mba hanaovana ny Asany. Mba entina hiasana amin’izany heriny izany dia tokony hiezaka ny ho tahaka ny Mpamonjy isika. Izany hoe mikatsaka ny sitrapon’ny Ray, tahaka ny nataon’ny Mpamonjy, amin’ny zava-drehetra.19 Izany hoe manolotra ny voninahitra rehetra ho an’ny Ray, tahaka ny nataon’ny Mpamonjy.20 Izany hoe manadino ny amin’ny tenantsika amin’ny fanompoana ny hafa, tahaka ny nataon’ny Mpamonjy.

Ny fieboeboana dia famonoana ny herin’ny fisoronana.21 Ary ny mamelona izany dia ny fanetrentena.

Aoka Hanetry Tena sy ho Feno Fitiavana

Ka ahoana ary no handresentsika ny otan’ny fieboeboana izay sady mihanaka no tena manimba? Ahoana no hahafahantsika hanetry tena bebe kokoa?

Tsy misy izany hoe tafasondrotra ao anatin’ny fiavonavonana izany nefa ny fontsika dia feno fiantrana. “Tsy misy afaka manampy amin’ ity asa ity, raha tsy manetry tena izy ary feno fitiavana.”22 Rehefa mijery ny tontolo manodidina antsika amin’ny alalan’ny mason’ny fitiavana madion’i Kristy isika dia manomboka mahatakatra ny fanetrentena.

Misy ireo mieritreritra fa ny fanetrentena dia fanaovana tsinotsinona ny tena. Tsy midika ho fandraisana ny tenantsika ho tsy misy ilana azy, na tsy misy fotony na tsy manana ny hasiny ny fananana fanetrentena. Tsy midika koa izany fa fandavana na tsy fanehoana ny talenta izay nomen’Andriamanitra antsika. Tsy amin’ny alalan’ny fanambaniana ny tenantsika no hananana fanetrentena fa amin’ny alalan’ny fampihenana ny fieritreretana ny mikasika ny tenantsika. Tonga izany rehefa mandeha manao ny asa amin’ny fisainana entina hanompoana an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona amintsika isika.

Mitarika ny fisainantsika sy ny fitiavantsika ireo hafa sy amin’ny tanjon’ny Ray any an-danitra ny fanetrentena. Manao ny mifanohitra amin’izany ny fieboeboana. Ao amin’ny fantsakana lalin’ny fitiavan-tena no hanovozan’ny fieboeboana ny heriny sy ny tanjany. Amin’ny fotoana hanajanonantsika ny fieritreretana ny mikasika ny tenantsika sy hanadinoantsika ny tenantsika ao amin’ny asa fanompoana dia hihena sy ho faty tsikelikely ny fieboeboana ao anatintsika.

Ry rahalahiko malala, maro ireo olona mila fanampiana izay azontsika karakaraina mihoatra ny tenantsika. Ary aza adinoana ireo fianakaviantsika sy ny vadintsika. Misy fomba maro izay azontsika hanompoana. Tsy misy fotoana tokony holaniantsika amin’ny fieritreretana ny tenantsika.

Nanana penina iray izay aho izay tiako ny nampiasa azy nandritra ny fotoana niasako tamin’ny naha-mpanamory ahy. Amin’ny alalan’ny fanokafako fotsiny ilay vatakely dia afaka misafidy iray amin’ireo loko efatra misy aho. Tsy mitaraina ireo penina rehefa te-hampiasa ny loko mena aho fa tsy ny manga. Tsy milaza amiko izany hoe: “Tsy te-hanoratra intsony aho aorian’ny amin’ny 10 ora alina, na rehefa misy zavona be, na rehefa any amin’ny haavo ambony loatra.” Tsy miteny amiko ilay penina hoe: “Amin’ny taratasy manan-danja ihany aho ampiasaina na amin’ny asa mahazatra andavanandro ihany.” Mahavita ny asa rehetra ilaiko ataony izany, na manan-danja izany na tsia. Vonona ny ho ampiasaina hatrany izany.

Arak’izany fomba izany koa dia fitaovana eo am-pelantanan’Andriamanitra isika. Rehefa mifantoka araky ny tokony ho izy ny fontsika dia tsy mitaraina amin’ireo andraikitra omena antsika isika ka milaza fa tsy mendrika ny fahaiza-manaontsika ny andraikitra ampanaovina antsika. Manompo amim-pifaliana isika na inona na inona zavatra asaina ataontsika. Rehefa manao izany isika dia afaka ampiasa antsika ny Tompo amin’ny fomba tsy takatry ny saintsika amin’ny fanatanterahana ny Asany.

Mamela ahy hamarana izao amin’ireo tenin’ny hafatra nentanim-panahy nataon’ny Filoha Ezra Taft Benson 21 taona lasa izay:

“Ny fieboeboana no vato fahatafintohinan’i Ziona.

“Tokony manomboka amin’ny tenantsika isika eo amin’ny fialana amin’ny fieboeboana. …23

“Tokony manaiky ‘ny fitaoman’ ny Fanahy Masina’ isika, ka manilika ny fieboeboana amin’ny maha ‘olona araka ny nofo,’ ka tonga ‘olomasina amin’ ny alalan’ ny sorompanavotan’ i Kristy Tompo,’ ary ‘tonga tahaka ny ankizy, mankatò, malemy paika, manetry tena.’ …24

“Maniry ny hanana vahoaka manetry tena Andriamanitra. … ‘Sambatra ireo izay manetry ny tenany nefa tsy noterena hanao izany.’ …25

“Aoka isika ny hisafidy ny hanetry tena. Afaka ny hanao izany isika. Fantatro fa afaka isika.”26

Ry rahalahiko malala, ndeha isika hanaraka ny ohatry ny Mpamonjy sy hanompo toy izay hikatsaka ny dera sy ny voninahitra omen’ny olombelona. Ny vavaka ataoko dia ny mba hahalalantsika sy hamongorantsika ireo fieboeboana tsy marina ao ampontsika ary hanolo izany amin’ny “fahamarinana, toe-panahy araka an’Andriamanitra, finoana, fitiavana, faharetana, [ary] fahalemem-panahy.”27 Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.