Manompo miaraka amin’ny Fanahy
Ndeha hanao izay rehetra takiana amintsika mba hahafahana mahazo ny Fanahy Masina ho namantsika.
Feno fankasitrahana amin’ity fahafahana miaraka aminareo ity aho, ianareo izay nomen’Andriamanitra voninahitra hihazona ny Fisoronany. Nantsoina mba hampiasa ny hery masin’Andriamanitra entina hanompoana ny zanaky ny Raintsika any an-danitra isika. Ny fomba ampiasantsika izany andraikitra izany dia hitondra vokatra mandrakizay eo amin’ireo izay natao hotompointsika, ho antsika ary ho an’ireo taranaka izay mbola tsy teraka akory.
Tsaroako hatrany ny mpihazona ny fisoronana roa izay mendrika ny hanana ny Fanahin’Andriamanitra miaraka amin’izy ireo teo am-panaovana ny antson’ny Tompo niantsoana azy ireo. Nandray ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny taty Amerika izy ireo. Izy ireo no mpanompon’ny Tompo niresaka voalohany mikasika ny filazantsara tamin’ny roa amin’ireo razambeko Eoropeana.
Zazavavikely iray nipetraka tamin’ny toeram-piompiana sy fambolena kely tao Soisa ny iray amin’ireo razambeko. Ny iray dia zatovolahy, kamboty ary nifindra monina avy any Alemà ka nipetraka tao St. Louis, Missouri.
Izy roa ireo dia samy nandre mpihazona ny fisoronana iray nijoro ho vavolombelona ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny, ka teo akaikin’ny toerana lafaoro fanafanana trano tao amin’ilay trano kely tany Soisa no nandrenesan’ilay zazavavikely izany raha teo am-pipetrahana teo an-davarangana tao amin’ilay trano nofain’izy ireo teto Amerika kosa no nandrenesan’ilay zatovolahy izany. Fantatr’izy ireo tamin’ny alalan’ny Fanahy fa marina ny hafatra izay nentin’ireo loholona.
Nisafidy ny hatao batisa ilay zazalahikely sy zazavavikely. Nifankahita voalohany teny amin’ny lalana mihosom-bovoka izy ireo taona maro taty aoriana, raha nanao dia an-tongotra kilaometatra an-jatony maro ho aty amin’ny tendrombohitra Andrefan’i Amerika. Niresaka izy ireo teny am-pandehanana. Ny zavatra noresahan’izy ireo dia ny fitahiana mahagaga dia ny hoe fahitan’ireo mpanompon’Andriamanitra azy ireo, eto amin’izao tontolo izao midadasika be ity. Ary indrindra mikasika ny fahafantaran’izy ireo fa marina ny hafatra nentin’ireo mpitory.
Nifankatia izy ireo ary dia nivady. Ary vokatry ny fijoroana ho vavolombelona nentin’ny Fanahy izay nanomboka fony izy ireo nandre ny tenin’ireo mpihazona ny fisoronana nentanin’ny Fanahy Masina dia voafatotra ho amin’ny mandrakizay tamin’ny herin’ny fisoronana izy ireo. Izaho dia iray amin’ireo taranaka an’arivony maro an’ireo zazalahikely sy zazavavikely ireo izay voatahy vokatry ny fitondran’ireo mpihazona ny fisoronana roa ny Fanahin’Andriamanitra niaraka tamin’izy ireo nihanika ny havoana tany Soisa sy nitsangana nandaha-teny tamin’ny fivoriana iray tao St. Louis.
Izany tantara mahafinaritra izany, sy tantara an-tapitrisany mitovy amin’izany dia nitranga manerana an’izao tontolo izao ary averina hotantaraina foana mandritra ny taranaka maro hifandimby. Ho an’ny sasany dia ho tantaran’ny mpampianatra isan-tokantrano vao erotrerony iray izay niteny teny iray nitarika faniriana ho an’ny raibe iray hiverina amin’ny Fiangonana izany. Ho an’ny hafa dia ho ilay teny fampionona sy fitahiana avy amin’ny patriarika iray izay nanome hery ny reninareo izay rakotry ny alahelo noho ny loza iray izany.
Misy hevitra iraisana amin’ireo tantara ireo. Izany dia ny hery izay an’ny mpihazona ny fisoronana iray entina hanompo sy hitahy ary tohanan’ny herin’ny Fanahy Masina.
Ka ny hafatro ho antsika anio hariva dia ity: Ndeha hanao izay rehetra takiana amintsika mba hahafahana mahazo ny Fanahy Masina ho namantsika ary avy eo handeha tsy amin-tahotra satria homena ireo hery hanaovana izay antso rehetra iantsoan’ny Tompo antsika isika. Izany fitomboana amin-kery entina hanompoana izany dia mety ho azo miandalana, mety ho tsikelikely ka sarotra ny hahita azy, kanefa ho avy izany.
Anio hariva dia hanolotra torohevitra vitsivitsy aho izay hanampy antsika ho mendrika hanana ny fiarahan’ny Fanahy Masina eo am-panatanterahana ny asa fanompoana ao amin’ny fisoronana. Avy eo, dia hanome ohatra vitsivitsy amin’ireo asa fanompoan’ny fisoronana izay mety hahitanao ny fanamafisana ny tanjaky ny hery entinao manompo amin’ny alalan’ny fitarihan’ny Fanahy aho.
Fantatsika fa ny ôrdônansin’ny fandraisana antsika ho mpikambana ato am-piangonana dia manome antsika ny fanomezana ny Fanahy Masina. Kanefa mitaky ny fahamendrehantsika ara-piainana ny ho fahazoana ny fiarahan’ny Fanahy Masina sy ny fisehon’izany eo amin’ny fiainantsika sy ny asa fanompoana ataontsika.
Mikolokolo ireo zava-panahy isika amin’ny alalan’ny fitandremana ny didy sy fiezahana miaina fiainana tsy misy hadisoana. Mitaky finoana an’i Jesoa Kristy mba hibebaka sy ho diovina amin’ny Sorompanavotany izany. Noho izany, amin’ny maha-mpihazona ny fisoronana antsika dia tokony tsy handalo fotsiny ireo fahafahana handray anjara amin’ny fontsika rehetra amin’ilay fampanantenana natolotra isaky ny fivoriana fanasan’ny Tompo ho an’ireo mpikamban’ny Fiangonana naverina tamin’ny laoniny isika, dia ny: “hitondra ny anaran’ ny Zanak’[Andriamanitra], ny hahatsiaro Azy mandrakariva ary ny hitandrina ny didiny izay efa nomeny azy ireo; mba hananany mandrakariva ny Fanahiny miaraka aminy.”1
Tahaka ny tsy maintsy hidiovantsika amin’ny ota mba hananana ny Fanahy hiaraka amintsika dia tokony hanetry tena eo anoloan’Andriamanitra koa isika mba hahafantarantsika ny filantsika izany. Ny mpianatry ny Mpamonjy, izay efa nitsangana tamin’ny maty dia naneho izany fanetren-tena izany araky ny voasoratra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna.
Nanomana azy ireo amin’ny asa fanompoany ny Mpamonjy. Nandohalika izy ireo ka nivavaka. Toy izao no voasoratra: “Ary nivavahany ho an’ izay niriany indrindra; ary niriany ny hanomezana ny Fanahy Masina azy ireo.”2 Natao batisa toa anareo koa izy ireo. Ary ny rakitsoratra dia milaza fa, ho valin’ny fangatahana nataony, dia heniky ny Fanahy Masina sy ny afo izy ireo.
Nivavaka tamin’ny feo mafy ny Mpamonjy entiny hisaorana ny Rainy tamin’ny nanomezany ny Fanahy Masina ho an’ireo izay nofinidiny noho ny finoana nananan’izy ireo Taminy. Avy eo ny Mpamonjy dia nivavaka mba hahazoan’ireo olona izay tompoin’izy ireo fitahiana ara-panahy. Nangataka tamin’ny Rainy ny Tompo hoe: “Ray ô, mangataka Anao Aho mba hanomezanao ny Fanahy Masina ho an’ ireo rehetra izay hino ny teniny.”3
Amin’ny maha-mpanompon’ny Mpamonjy izay feno fanetren-tena antsika dia tokony hivavaka isika mba hananantsika ny Fanahy Masina eo amin’ny asa fanompoana ataontsika sy ho an’ireo izay tompointsika. Zava-dehibe hahazoana ny fiarahan’ny Fanahy Masina ny vavaka feno fanetren-tena amin’ny Raintsika any an-danitra, miaraka amin’ny finoana lalim-paka amin’i Jesoa Kristy.
Ny fanetren-tena ananantsika sy ny finoantsika izay manasa ny fanomezana ara-panahy dia ampitomboana amin’ny alalan’ny famakiantsika, fandalinantsika ary fisaintsainantsika ny soratra masina. Samy efa nandre ireo teny ireo isika. Kanefa mety hamaky andalana na pejy vitsivitsy ao amin’ny soratra masina isan’andro isika dia manantena fa ampy izany.
Kanefa ny mamaky, mandalina ary misaintsaina dia zavatra samihafa mihitsy. Mamaky ireo teny isika ary mety hahazo hevitra. Mandalina sy mahita ireo drafitra sy fifandraisana eo amin’ny soratra masina isika. Fa ny hoe misaintsaina dia manasa ny fanambarana avy amin’ny Fanahy. Ny hoe misaintsaina amiko dia ny fieritreretana sy ny fivavahana ataoko aorian’ny famakiana sy fandalinana amim-pahalinana ny soratra masina.
Amiko dia nanome ohatra ho arahana amin’ny fomba fisaintsainana hanasana ny fahazavan’Andriamanitra ny Filoha Joseph F. Smith. Voarakitra ao amin’ny fizarana faha-138 an’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana izany. Namaky sy nandalina soratra masina maro, niezaka nanakatra ny fomba nahafahan’ireo izay efa nodimandry ka tsy mbola nandre na oviana na oviana ny hafatry ny Mpamonjy vokatry ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy izy. Toy izao ny firaketana ny fomba nandraisana ny fanambarana: “Raha nisaintsaina ny amin’ ireo zavatra izay voasoratra ireo aho, dia nosokafana ny masom-pahatakarako ary nitoetra tamiko ny Fanahin’ ny Tompo, ka hitako ireo vahoakan’ ny maty, na ny kely na ny lehibe.”4
Ampahany manan-danja amin’ny fahazoana ny fanomezana ny Fanahy eo am-panompoana amin’ny fisoronana ny fibebahana, vavaka ary fisaintsainana hatrany ny soratra masina. Ny herintsika entina manompo dia ho hatanjahana rehefa mandeha am-pinoana manatanteraka ny antsontsika miaraka amin’ny fanampian’ny Fanahy Masina isika.
Toy izao no nilazan’ny Filoha Monson izany ho antsika: “Inona no dikan’ny hoe manandriana ny antso[nareo]? Midika izany hoe manome lanja ny mahasarobidy ny antsonao … mampivoatra sy manatanjaka izany mba hamirapiratan’ny hazavan’ny lanitra amin’ny alalan’izany eo imason’ny olona hafa. Ary ahoana no fomba hanandrinan’ny olona iray ny antso? Amin’ny alalan’ny fanaovana ny andraikitra mifanaraka amin’izany.”5
Hanolotra andraikitra roa izay nampandraiketina antsika rehetra aho. Hihamatanjaka sy hohatanjahana ny herinao sy ny hafa enti-manompo amin’ny alalan’ny fanatanterahana azy ireo eo ambany fitarihan’ny Fanahy.
Ny voalohany dia amin’ny maha-mpanompo tokony hampianatra sy hijoro ho vavolombelona amin’ny hafa ho Azy antsika. Nampidirin’ny Tompo ao amin’io antso fanompoana io avokoa ny mpihazona ny fisoronana Aharôna faran’ny bitika indrindra sy tsy manana traikefa indrindra. Taorian’ny famaritana ny andraikitry ny mpisorona ao amin’ny fisoronana Aharôna dia nilaza izy hoe:
“Saingy na ny mpampianatra na ny diakona dia samy tsy manana fahefana hanao batisa na hikarakara ny fanasan’ ny Tompo, na hametra-tanana;
“Izy ireo kosa anefa dia tokony hampitandrina, hanazava, hanentana ary hampianatra sy hanasa ny rehetra hanatona an’ i Kristy.”6
Any amin’ny toerana any amin’ity herinandro ity dia hisy diakona hangatahin’ny filohan’ny kôlejiny hanasa ny mpikambana iray ao amin’ny kôlejy, izay mbola tsy hitan’izy ireo mihitsy, hanatrika fivoriana. Ilay filoha vao telo ambin’ny folo taona dia tsy hampiasa ireo teny hoe “hampitandrina, hanazava, hanentana” amin’ilay zazalahy alefany hanolotra ny fanasana. Kanefa izany no tian’ny Tompo andrasana amin’ireo diakona izay nampandraiketina hanavotra.
Ho an’ireo diakona izay nahazo ilay antso dia hanome fampanantenana telo aho. Voalohany, rehefa mivavaka hahazo ny fanampian’ny Fanahy ianao dia ho tony ny tahotrao. Faharoa, ho gaga ianao fa hisy zavatra tenenina rehefa tonga eo an-tranony sy mandritra ny dianareo mankany am-piangonana. Mety ho tsy misy dikany aminao ny zavatra holazainao. Kanefa ho tsapanao fa omena anao ireo teny amin’ny fotoana izay tena ilainao izany. Ary, fahatelo, dia hahatsapa fahazoana lalana avy amin’ny Tompo izay niantso anao, avy tamin’ny alalan’ny filohanao ianao, na inona na inona vokatra azo.
Tsy afaka mampanantena aho amin’ny fahombiazana mety hitranga satria ny olona tsirairay dia manana fahalalahana hisafidy ny fomba handraisany ny mpanompon’Andriamanitra iray. Kanefa ianao diakona misolo tena ny Tompo dia hahatsiaro fa Izy no hanaovanao izany. Mahafantatra zazalahy iray aho, izay nanana raibe tsy nazoto tamin’ny Fiangonana, niteny tamin’ny raibeny ny famangian’ny diakona toy izany roapolo taona lasa izay. Toa tsy dia nisy fiantraikany firy ilay izy kanefa dia nolazainy mihitsy ny anaran’ilay diakona tonga teo. Nangataka ahy ilay raibe mba hitady sy hisaotra ilay diakona izay nanasa, nanentana ary nampianatra. Andro iray toy ny mahazatra ho an’ilay zazalahy izany kanefa ho an’ity raibe ity sy ho an’ny Tompo dia tsarovana foana ireo teny izay nanentana noteneniny sy ny anarany.
Manentana antsika rehetra aho, na tanora na antitra, izay nantsoina mba hiteny mandritra ny fivoriana amin’ny anaran’ny Tompo mba hanilika ireo fahatsapana fisalasalana na fieritreretana tsy fahaiza-manao. Tsy mila mampiasa fahaiza-miresaka miavaka na mizara fomba fijery saro-takarina isika. Teny tsotra izay maneho fijoroana ho vavolombelona dia ampy. Hanome anao ireo teny holazainao sy ho entinao ao am-pon’ireo manetry tena izay mikatsaka ny fahamarinan’Andriamanitra ny Fanahy. Raha toa ka miezaka ny hiteny ho an’ny Tompo isika, dia ho gaga indray andro any amin’ny fahafantarana fa nampitandrina, nanazava, nanentana ary nanasa tamin’ny alalan’ny fanampian’ny Fanahy ka nitahy fiainana, mihoatra ny hery nananantsika.
Ho fanampin’ny antso hampianatra dia nalefan’ny Tompo mba hanampy ireo izay mila fanampiana koa isika rehetra. Asa fanompoan’ny fisoronana iray hafa izany izay hahatsapantsika ny fitomboan’ny herintsika hanompo amin’ny alalan’ny fitarihan’ny Fanahy. Hahay kokoa hahafantatra ny fahoriana sy ahiahin’ireo olona ho hita soritra eo amin’ny endriny isika. Hotsaroana ao an-tsaina ny anarana na endrik’ireo olona ao amin’ny kôlejinao miaraka amin’ny fahatsapana fa mila fanampiana izy ireo.
Mahazo izany fahatsapana izany ny eveka mandritra ny alina na isaky ny mipetraka ery aloha ka mijery ireo mpikambana ao amin’ny paroasiny na mieritreritra ireo izay tsy hitany eo. Mety hitranga amin’izy ireo izany rehefa mandalo akaikin’ny hôpitaly na amin’ny trano fitaizana be antitra izy ireo. Imbetsaka aho no niditra ny varavarana iray ka nandre ny teny hoe: “Oay! Efa fantatro fa ho avy ianao.”
Tsy mila miahiahy amin’ny zavatra mety izay holazaintsika na ho ataontsika rehefa tonga any isika. Ny fitiavan’Andriamanitra sy ny Fanahiny Masina dia efa ampy. Fony aho zatovolahy kely dia natahotra fa tsy hahafantatra ny zavatra atao na ny ho teneniny entina hanampiana ny olona mila fanampiana.
Indray mandeha dia teo akaikin’ny fandrian’ny raiko tany amin’ny hôpitaly aho raha iny izy efa ho toy ny ho faty iny. Naheno tabataba avy tany an-dalantsara aho nataon’ireo mpitsabo mpanampy. Tsitapitapitr’izay, niditra ny efitrano ny Filoha Spencer W. Kimball ary nipetraka teo amin’ny seza nifanandrify tamiko tery amin’ny ilan’ny fandriana. Hoy aho hoe: “Androany aho vao hahita sy hihaino olona manana traikefa manompo ireo marary sy manaintaina.”
Niarahaba tamin’ny teny vitsivitsy sy fohy ny Filoha Kimball ary nanontany an’i Dada raha efa nandray ny fitahian’ny fisoronana izy, ary rehefa namaly i Dada fa efa nandray dia niverina nipetraka teo amin’ny sezany ny Mpaminany.
Niandry ilay fampisehoana ny fahaiza-manao avy aminy izay tsapako fa tsy ampy tamiko sy tena ilaiko aho. Angamba taorian’ny dimy na folo minitra nifampijerena sy nifampizarana tsiky tamim-pahanginana teo amin’izy roa dia nitsangana ny Filoha President Kimball ary niteny hoe: “Henry, Aleo izaho handeha fa sao handreraka anao eo.”
Nieritreritra aho hoe tsy naharay ny lesona aho, kanefa takatro ihany izany taty aoriana. Tamin’ny alalan’ny resaka nifanaovako tamin’i Dada tany an-trano taorian’ny nahazoany fahasalamana dia niresaka mikasika iny fitsidihan’ny Filoha Kimball iny izahay. Niteny tsimoramora i Dada hoe: “Tamin’ireo fitsidihana rehetra nisy dia iny nataony iny no nankahery ny fanahiko indrindra.”
Tsy mila nitondra teny fankaherezana betsaka ny Filoha Kimball, raha araka ny reko. Tonga niaraka tamin’ny Fanahin’ny Tompo izy ho namany mba hanomezana fankaherezana. Tsapako ankehitriny fa nampiseho ny lesona nampianarin’ny Filoha President Monson izy dia hoe: “Ary ahoana no fomba hanandrinan’ny olona iray ny antso? Amin’ny alalan’ny fanaovana ny andraikitra mifanaraka amin’izany.”
Marina izany na inona na inona hiantsoana antsika mba hampianatra ny filazantsara amin’ny alalan’ny Fanahy na mandeha miaraka amin’ny Fanahy Masina any amin’ireo miraviravy tanana sy malemy lohalika.7 Hohatanjahana ny asa fanompoantsika amin’ny fisoronana, hotahiana ireo olona ary hanatrika eo ny fahazavan’ny lanitra. Hanatrika antsika sy ho an’ireo izay tompointsika ny fahazavan’ny lanitra. Mety ho reraka isika. Mety ho sahirana amin’ireo olan’ny tenantsika sy ny mahazo ny fianakaviantsika isika. Kanefa misy fitahiana amin’ny fankaherezana ho an’ireo izay tompointsika eo ambany fitarihan’ny Fanahy.
Niatrika alahelo, fanoherana ary fitsapana maro ny Filoha George Q. Cannon nandritra ny taona nanompoany tamin’ny fisoronana. Niaina traikefa niarahana tamin’ny Fanahy Masina ho toy ny namany nandritra ny fotoan-tsarotra sy asa fanompoana nanahirana koa izy. Ity no antoka omeny antsika manompo ao amin’ny fisoronana, ato am-piangonana ary eo anivon’ny fianakaviantsika. Fampanantenana tena marina izay nitranga tamiko izany rehefa injay nahatsapa ny Fanahy aho nandritra ny asa fanompoako teo amin’ny fisoronana. “Isaky ny manenika ny saintsika ny fahamaizinana dia afaka ny mahafantatra isika fa tsy ao amintsika ny Fanahin’Andriamanitra … Rehefa heniky ny fanahin’Andriamanitra kosa isika dia rakotry ny fifaliana, fiadanana, fahasambarana, na inona na inona toe-javatra iainantsika; satria izany dia fanahin’ny fifaliana sy ny fahasambarana. Nanome ny fanomezana ny Fanahy Masina ny Tompo. Tombontsoa ho antsika ny fananana ny Fanahy Masina miaraka amintsika, ka hanana fifaliana sy fahazavana ary fanambarana avy amin’ny Fanahy Masina foana isika hatramin’ny maraina ka mandrak’alina ary mandritra ny alina ka mandrapahatonga ny maraina.”8
Afaka miandrandra izany fitahian’ny fahasambarana sy fifaliana izany isika rehefa mila izany mandritra ny fotoan-tsarotra ao amin’ny fanompoantsika amim-pahatokiana ao amin’ny fisoronana.
Mijoro ho vavolombelona aho fa voantson’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny faminaniana isika. Ity no Fiangonana marin’i Jesoa Kristy izay naverina tamin’ny laoniny tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith. Velona Andriamanitra ary maheno ny vavaka ataontsika. I Jesoa no ilay Kristy ary Mpamonjy antsika izay efa nitsangana tamin’ny maty. Afaka mahafantatra ny fahamarinan’ireo zavatra ianao amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina izay ho tonga ao aminao mandritra ny asa fanompoanao. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.