2010
Fanehoan-kevitra momba ny Fanokanana ny Fiainana ho Masina
Nôvambra 2010


Fanehoan-kevitra momba ny Fanokanana ny Fiainana ho Masina

Ny tena fahombiazana eo amin’ity fiainana ity dia avy amin’ny fanokanantsika—ny fiainantsika ho masina, izany hoe ny fanokanantsika ny fotoanantsika sy ny safidintsika—mba ho an’ny tanjon’Andriamanitra.

Elder D. Todd Christofferson

Fony aho mbola zatovo dia nitsidika ny Varotra Fampirantiana Iraisam-pirenena tany New York City tamin’ny 1964. Isan’ireo zavatra tiako nijanonana indrindra ny trano-hevan’ny Fiangonan’ny Olomasin’ny Andro Farany izay nahitana ny sary lasitr’ireo kitson-tafon’ny Tempolin’i Salt Lake izay nahavariana. Tany no nahitako voalohany ilay sarimihetsika hoe “Man’s Search for Happiness.” Ny fanehoan’ilay horonantsary ny drafitry ny famonjena izay notantarain’ny Loholona Richard L. Evans dia nisy fiantraikany lehibe teo amin’ny mpitsidika maro ary isan’izany ny tenako. Anisan’ny zavatra nolazain’ny Loholona Evans ny hoe:

“Ny fiainana dia manolotra anao fanomezana sarobidy roa, ny iray dia ny fotoana, ary ny iray dia ny fahafahana misafidy, ny fahafahana manao ao anatin’ny fotoananao ny zavatra tianao hatao. Afaka misafidy ny hanakalo ny fotoana natokana ho anao amin’ny fahazoana fahafinaretana ianao. Afaka manakalo izany amin’ny faniriana ratsy ianao. Azonao laniana hanatanterahana izay filana lehibe tadiavinao izany. …

… Anao ny fahafahana misafidy. Saingy tsy misy ny ady varotra, satria tsy mahita fahafahampo maharitra ao anatiny ianao.

“Tsy maintsy hatao tatitra indray andro any izay niseho tamin’ny andro rehetra sy ny ora rehetra ary ny minitra rehetra teo amin’ny fiainanao teto an-tany. Ary eto amin’ izao fiainana izao ianao no mandeha amin’ny alalan’ny finoana ary manaporofo fa afaka misafidy ny tsara manoloana ny ratsy, ny mety manoloana ny tsy mety ary ny fifaliana maharitra manoloana ny fahafinaretana mandalo. Ary ny valisoanao mandrakizay dia hiankina amin’izay safidinao.

“Ny mpaminanin’Andriamanitra anankiray dia nilaza hoe: “Misy ny olona mba hahazo fifaliana”—, fifaliana izay ahitana ny fahafenoan’ny fiainana, fiainana izay natokana ho an’ny asa fanompoana sy ny fitiavana ary fifaliana izay ahitana filaminana ao an-tokantrano sy ny vokatry ny asa marina—fanekena ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy—dia ny fanekena ireo zavatra takiany sy ireo didiny.

“Ao anatin’ireo ihany no hahitanao ny fahasambarana marina, ny fahasambarana izay tsy hanjavona rehefa maty ny jiro, mijanona ny mozika ary lasa daholo ny olona rehetra.”1

Ireo zavatra voalaza ireo dia manamarina fa ny fiainantsika eto an-tany dia fitantanana ny fotoana sy ny safidy izay nomen’ny Mpahary antsika. Ny teny hoe fitantanan-draharaha dia mampahatsiahy ao an-tsaina ilay lalàn’ny fanokanana napetraky ny Tompo (jereo mba hahitana ohatra ny F&F 42:32, 53) izay manana anjara asa ara-bola fa ankoatr’izany dia fampiharana dieny izao ilay lalàn’ny fanjakana selestialy eo amin’ny fiainana (jereo F&F 105:5). Ny manokana dia midika hoe fanokanana zavatra iray ho masina, natolotra ho an’ny tanjona masina. Ny fahombiazana marina eo amin’ity fiainana ity dia azo avy amin’ny fanokanana ny fiainantsika ho masina—izany hoe, ny fotoanantsika sy ny safidintsika—mba ho amin’ny tanjon’Andriamanitra (jereo Jaona 17:1, 4; F&F 19:19). Rehefa manao izany isika dia mamela Azy hampisondrotra antsika any amin’ilay anjarantsika ambony indrindra eo amin’ny fiainantsika.

Te-hiresaka aminareo aho momba ireo lafin-javatra dimy ao anatin’ny fiainana natokana ho masina dia ny fahadiovana, ny asa, ny fanajana ny vatana, ny fanompoana ary ny fandalàna ny fahamarinana.

Araka ny nampisehoan’ny Mpamonjy azy dia fiainana madio ny fiainana natokana ho masina. Raha toa ka i Jesoa irery ihany no nanana fiainana tsy nisy fahotana, ireo izay manatona Azy sy mitondra ny ziogany dia hahazo ny fahasoavany izay hahatonga azy ireo ho toa Azy, izany hoe tsy manan-tsiny ary madio tsy misy pentina. Mankahery antsika miaraka amin’ny fitiavana lalina ny Tompo ao anatin’ireto teny ireto: “Mibebaha ianareo rehetra faran’ny tany, ary mankanesa atỳ Amiko ary aoka hatao batisa amin’ny anarako mba hahazoana manamasina anareo amin’ny fandraisana ny Fanahy Masina, mba hahazoanareo mijoro tsisy pentina eo anoloako amin’ny andro farany” (3 Nefia 27:20).

Noho izany ny fanokanana ny tena ho masina dia midika ho fibebahana. Tsy maintsy hialana ny fiziriziriana, ny fikomiana ary ny fifotorana amin’ny fisainan’ny tena ary soloana fankatoavana, faniriana hahazo fanitsiana ary fanekena ny zavatra rehetra izay mety takian’ny Tompo. Izany ilay antsoin’ny Mpanjaka Benjamina hoe manaisotra ny maha olona araka ny nofo sy tonga olomasina “amin’ny alalan’ny sorompanavotan’i Kristy Tompo” (Môsià 3:19). Ny olona izay manao izany dia ampanantenaina fa hanana ny Fanahy Masina ho namana maharitra, fampanantenana izay tsaroana sy havaozina isaky ny mandray ny fanasan’ny Tompo ny olona iray izay mibebaka (jereo ny F&F 20:77, 79).

Indray mandeha, ny Loholona B. H. Roberts dia nanambara ny fandehan’izany tamin’izao teny izao: “Ny olona izay mandeha ao amin’ny fahazavana sy ny fahendrena ary ny herin’Andriamanitra toy izany, amin’ny farany, dia hahatonga ilay fahazavana sy fahendrena ary herin’Andriamanitra ho azy manokana, amin’ny alalan’ny herin’ny fiarahana—handrary ireo tara-pahazavana ireo ho lasa rojo masina, izay hampifandray azy mandrakizay amin’Andriamanitra ary Andriamanitra aminy. Izany no famintinana ireo teny mifono herimpinoana nolazain’ny Tompo hoe: “Tahaka anao Ray ato amiko, ary izaho koa ao Aminao’—Tsy misy zavatra lehibe hafa azon’ny olombelona tanterahina ankoatr’izany.”2

Ny fiainana voatokana ho masina dia fiainana anaovana asa. Mbola kely i Jesoa dia efa nirotsaka tamin’ny fanaovana ny asan’ny Rainy (jereo Lioka 2:48–49). Andriamanitra aza dia omem-boninahitra amin’ilay Asany, dia ny fanatanterahana ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny zanany (jereo Mosesy 1:39). Manana faniriana voajanahary ny handray anjara ao amin’ny asany miaraka Aminy isika ary rehefa manao izany dia tokony ho fantatsika fa ny asa natao tamin-kitsimpo rehetra dia asan’Andriamanitra. Hoy ny tenin’i Thomas Carlyle hoe: “Ny asa natao tamim-pahamarinana rehetra dia asa masina. Ao amin’ny asa marina rehetra, na dia asa tanana marina fotsiny aza, dia misy zavatra maha masina azy. Ny asa natao tamim-pahamarinana, na inona karazany eto an-tany dia mitondra any an-danitra sy mahazo ny valisoany any an-danitra.”3

Ity fiainana an-tany izay narindran’Andriamanitra ity dia mitaky ny fanaovana ezaka ara-tsaina sy ara-batana tsy tapaka. Tsaroako ilay teny tsotra nambaran’ny Mpaminany Joseph Smith hoe: “Tamin’ny alalan’ny asa tsy tapaka no nahafahanay nanana fivelomana ampy” (Joseph Smith—Tantara 1:55). Manamafy orina sy mampivelatra ny fiainana isika amin’ny alalan’ny asa. Ahafahantsika mahazaka ireo fahadisoam-panantenana sy ireo loza mitranga eo amin’ny fiainana izany. Ny fahatontosana zavatra iray tao anatin’ny filofosana mafy dia manome fahatsapana fa manana ny maha izy azy ny tena. Ny asa dia mamolavola sy manatsara ny toetra ary mitondra hatsarana, ary fitaovana hifanompoantsika sy hanampoana an’Andriamanitra. Ny fiainana natokana ho masina dia feno asa, izay indraindray asa miverimberina, indraindray asa ambany ary indraindray asa tsy tian’ny hafa, kanefa izany dia asa mampivoatra, mitondra filaminana, manohana, manome hery sy manampy ary mitondra any amin’ny tsaratsara kokoa lalandava.

Rehefa niresaka ny maha-zava-dehibe ny asa aho dia tsy maintsy mba miteny zavatra tsara momba ny fialamboly. Toy ny hoe ny asa mafy natao no mahatonga ny fitsaharana ho mamy, ny fialamboly mahasoa no naman’ny asa sy mampifandanja azy. Ny mozika, ny literatiora, ny haikanto, ny dihy, ny tantara an-tsehatra, ny fanatanjahantena—dia samy afaka manome fialamboly avokoa mba hanatsarana ny fiainana ary hanamasinana azy bebe kokoa. Miaraka amin’izay koa dia tsy ilaina lazaina loatra koa fa ny ankamaroan’ny zavatra izay lazaina fa fialamboly ankehitriny dia mamoa fady, mampirefarefa amin’ny tany, feno herisetra sy mandemy ny saina ary mandany fotoana. Raha hanaovana esoeson-teny kely, dia mila miasa mafy indraindray vao mahita fialamboly mahasoa. Rehefa ny fialamboly tsara no lasa faharatsiana dia lasa mpandrava ilay fiainana natokana ho masina izany. “Koa, mitandrema, … mba tsy hitsaranareo fa izay ratsy dia avy amin’Andriamanitra” (Môrônia 7:14).

Ny fiainana natokana ho masina dia manaja ilay vatana nofo sy taolana izay fanomezana tsy manam-paharoa dia ilay zavatra noharian’Andriamanitra tahaka ny endriny mihitsy. Ny tanjona lehibe indrindran’ny fiainana an-tany dia ny hanomezana ny fanahy tsirairay vatana toy izany ary hianarany mampihatra ilay safidim-pitondrantena nomena azy ao anatin’ny tabernakelin’ny nofo. Ny vatana nofo sy taolana dia tena ilaina ihany koa ho an’ny fisandratana, izay tsy tanteraka raha tsy avy amin’ny fiarahana lavorarin’ny ara-batana sy ny ara-panahy ihany, toy ny hitantsika ao amin’ny Tompo malalantsika izay nitsangana tamin’ny maty. Eto amin’ity izao tontolo izao izay very hasina ity dia ho fohy sady feno fangirifiriana ny fiainan’ny sasany. Ny vatana sasany dia hisy kilema na ho tapaka na zara raha afaka ny hiaina, kanefa ampy ny halavan’ny fiainana ho an’ny fanahy tsirairay ary ny vatana tsirairay dia hitsangana amin’ny maty.

Ireo izay mino fa ny vatantsika dia tsy inona akory fa vokatry ny kisendrasendran’ny fivoarana ihany dia tsy hahatsapa ho tompon’andraikitra eo anatrehan’Andriamanitra na amin’olon-kafa amin’ny zavatra ataon’izy ireo amin’ny vatany. Isika izay manana fijoroana ho vavolombelona momba ny fahamarinana bebe kokoa mikasika ny mandrakizay talohan’ny nahaterahana sy amin’ny fiainana an-tany ary ny aorian’ny fahafatesana anefa dia tsy maintsy manaiky fa manana adidy amin’Andriamanitra isika mikasika izany fahatontosana lehibe tamin’ny fahariany ny vatana izany. Hoy ny tenin’i Paoly hoe:

Moa tsy fantatrareo fa ny tenanareo dia tempolin’ny Fanahy Masina, Izay ao anatinareo sady efa azonareo tamin’Andriamanitra? ka tsy tompon’ny tenanareo hianareo.

“Fa olom-boavidy hianareo, koa dia mankalazà an’Andriamanitra amin’ny tenanareo” (1 Korintiana 6:19–20).

Rehefa manaiky ireo fahamarinana ireo isika sy ny torolalana nomen’ny Filoha Thomas S. Monson nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana tamin’ny Aprily farany teo, dia azo antoka fa tsy hanimba ny vatantsika amin’ny tombon-kavatsa isika ohatra na hampalemy izany amin’ny alalan’ny zava-mahadomelina na hanimbazimba izany amin’ny alalan’ny fahavetavetana na fijangajangana na tsy fahamaotinana.4 Noho ny maha fitaovan’ny fanahintsika an’izany vatana izany dia zava-dehibe ny mikarakara tsara arak’izay tratrantsika azy io. Tokony hatokantsika mba hanompoana sy hampandrosoana ny asan’i Kristy ny heriny. Hoy i Paoly hoe: “Koa amin’izany mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny famindrampon’Andriamanitra, mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, sitrak’Andriamanitra” (Romana 12:1).

Nampisehoan’i Jesoa fa ny fiainana feno fahamasinana dia fiainana ahitana fanompoana. Ora maromaro talohan’ny niantombohan’ny fangirifiriana tao anatin’ny Sorompavotany, dia nanasa tamim-panetrentena ny tongotr’ireo mpianany ny Tompo ary nilaza tamin’izy ireo hoe:

“Koa raha Izaho, Tompo sy Mpampianatra aza, no nanasa ny tongotrareo, hianareo kosa mba tokony hifanasa tongotra.

“Fianarana no nomeko anareo, mba hanaovanareo araka izay nataoko taminareo.

“Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Ny andevo tsy lehibe noho ny tompony, na ny iraka noho ny maniraka azy” (Jaona 13:14–16).

Ireo izay mandeha manao ny tsara amim-pahanginana sy amim-pahamatorana dia maneho ohatra momba ny fanokanana ny fiainana ho masina. Tsy misy olon-kafa amin’izao androntsika izao izay mahay mampiditra tsara kokoa izany toetra izany ao amin’ny fiainana andavanandro noho ny Filoha Thomas S. Monson. Nokolokoloiny mba handre tsara ny sofiny ka afaka mahafantatra na dia ny bitsiky ny Fanahy faran’izay sarotra renesina indrindra aza izay mampahafantatra ny zavatra ilain’ny olona iray azony ampiana. Matetika izany dia amin’ny alalan’ny fanaovana zavatra tsotra izay manamafy ny fitiavana avy amin’Andriamanitra sy ny fahatakarana ny zava-miseho, saingy mamaly foana hatrany i Thomas Monson.

Hitako teo amin’ny fiainan’ny raibeko sy renibeko, Alexander DeWitt sy Louise Vickery Christofferson izany ohatry ny fiainana feno fahamasinana izany. Lehilahy natanjaka i Dadabe ary tena nahay nanala volon’ondry talohan’ny fotoana nisian’ny hetibe elektrika. Nahita fahombiazana ihany izy raha izao filazany izao hoe: “tao anatin’ny iray andro aho dia mahahety ondry 287 ary tokony ho mihoatra ny 300 izany saingy tsy ampy ny ondry.” Nandritra ny taona 1919, dia nahahety ondry 12.000 izy ary nahazo vola 2.000 Dôlara. Tokony ho nahafahana nanitatra ny toeram-piompiana sy fambolena ary nanatsarana ny trano fonenany tokoa ilay vola saingy nahazo antso avy amin’ireo Rahalahy izy mba hanompo any amin’ny Misiônan’ireo Fanjakana Atsimo ka dia nanaiky izy niaraka tamin’ny fanohanana tanteraka avy tamin’i Louise. Nandao ny vadiny (nitondra am-bohoka ny zanakalahiny voalohany, izay ny raiko) sy ireo zanakavaviny telo izy ka napetrany tamin’izy ireo ilay vola azo tamin’ny fanetezana volon’ondry. Rehefa niverina tamim-pifaliana izy roa taona taty aoriana dia nilaza hoe: “Ampy ho anay nandritra ny roa taona ilay vola tahirinay ary nanana 29 Dôlara ambiny izahay.”

Ny fiainana feno fahamasinana dia fiainana ahitana fahamarinana. Izany dia hitantsika eo amin’ny mpivady “izay manaja ny voadim-panambadiany amim-pahatokiana tanteraka.”5 Hitantsika izany eo amin’ny ray sy reny izay mampiseho fa ny laharam-pahamehana dia ny manamafy orina ny fanambadiany sy ny manao izay hahatsara ny lafiny ara-batana sy ara-panahin’ireo zanany. Hitantsika eo amin’ireo izay marintoetra izany.

Taona maro lasa izay dia nifankahalala tamin’ny fianakaviana anankiroa aho izay teo andalam-pandravana ny orinasa iray misahana varotra izay niarahany nitantana. Ireo tompon’orinasa, izay lehilahy anankiroa mpinamana sy mpikambana tamin’ny fiangonana Kristianina iray ihany dia nanangana ilay orinasa taona maromaro talohan’izany. Tsara ny fifandraisan’izy ireo tamin’ny ankapobeny tamin’ny naha mpiara-miasa azy ireo, saingy rehefa nihalehibe izy ireo ary nanomboka nandray anjara tamin’ny fitantanana ny orinasa ny taranaka manaraka dia nipoitra ny disadisa. Farany dia nanapa-kevitra ny roa tonta fa ny tsara indrindra dia ny mizara ny fananana ary aleo samy mandeha amin’ny lalany. Ny iray tamin’ireo tena tompony tany am-piandohana dia nanomana tetik’ady niaraka tamin’ny mpisolo vavany mba hahazoana tombony ara-bola lehibe ao anatin’ilay fandravana orinasa izay ilay mpiara miombon’antoka taminy sy ireo zanany lahy no hiantoka izany. Tao anatin’ny fivorian’ny roa tonta dia nitaraina momba izany fihetsika tsy ara-drariny izany ny iray tamin’ny ireo zanakalahy ary nampahatsiahy an’ilay mpiara miombon’antoka voalohany ny fananany haja sy ny finoana Kristianina arahany. “Fantatrao fa tsy mety izao,” hoy izy. “Ahoana no ahafahanao manararaotra olona iray toy izao, indrindra fa rahalahinao izay iray fiangonana aminao?” Novalian’ilay mpisolo vavan’ilay mpiara miombon’antoka voalohany tampoka izany hoe: “Mbà misaina toy ny olon-dehibe e! Amin’ny fomba ahoana ary no mbola mahatonga anao ho bado toy izany?”

Ny fandalana ny fahamarinana dia tsy fahabadoana. Ny hoe fahabadoana dia midika hoe tsy tompon’andraikitra eo anatrehan’Andriamanitra isika. Nanambara ny Mpamonjy hoe: “Ary naniraka Ahy ny Raiko mba hahazoana manandratra Ahy eo amin’ny hazofijaliana; … mba hahazoako misintona ny olon-drehetra atỳ Amiko, ka toy ny efa nanandratan’ny olona Ahy, dia toy izany koa no hanandratan’ny Ray ny olona hijoro eo anoloako mba hotsaraina amin’ny asany, na tsara izany na ratsy” (3 Nefia 27:14). Ny olona iray manana fiainana feno fahamasinana dia tsy mikatsaka ny hanararaotra olona iray hafa, ary raha misy zavatra mitranga dia hatolony koa ny takolany anankiray ary raha takiana hanome ny akanjony aza izy dia homeny koa ny lambany (jereo Matio 5:39–40). Ny fandevilevena henjana indrindra nataon’ny Mpamonjy dia tamin’ireo mpihatsaravelatsihy. Tena manimba ny fihatsarambelatsihy ary tsy ny mpihatsaravelatsihy ihany no simbany fa ireo rehetra izay mandinika sy mahafantatra ny toetrany, indrindra fa ny ankizy. Manimba ny finoana izany, raha toa ka ny fananana haja kosa dia manamboatra tontolo iray izay mampiroborobo ny finoana.

Zavatra tsara ny fiainana feno fahamasinana. Ny tanjany sy ny fahatoniany dia “toy ny hazo tena mahavanom-boa izay ambolena eo amin’ny tany tsara akaikin’ny riana madio, ka mamokatra voa sarobidy betsaka” (F&F 97:9). Zava-dehibe manokana ny hery mitarika entin’ny lehilahy na vehivavy manokana ny fiainany ho masina eo amin’ny hafa, indrindra fa ireo izay akaiky azy ireo sy tian’izy ireo indrindra. Ny fananan’ireo izay efa nandao antsika sy ireo izay miaina eo anivontsika fiainana feno fahamasinana dia nanampy tamin’ny fametrahana ny fototra iorenan’ny fifaliantsika. Tahaka izany ihany koa, hahazo hery avy amin’ny fiainanareo feno fahamasinana ireo taranaka ho avy ary hanaiky fa manan-trosa aminareo tokoa noho ny fananana ireo zavatra rehetra izay tena manan-danja. Enga anie isika mba hanokana ny tenantsika ho zanakalahy sy zanakavavin’Andriamanitra: “ka rehefa hiseho Izy, dia ho tahaka Azy isika, fa ho hitantsika Izy tahaka ny maha-Izy Azy; mba hananantsika izany fanantenana izany” (Môrônia 7:48; jereo koa ny 1 Jaona 3:2). Izany no vavaka ataoko amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Man’s Search for Happiness (pamphlet, 1969), 4–5.

  2. B. H. Roberts, “Brigham Young: A Character Study,” Improvement Era, Jiona 1903, 574.

  3. Thomas Carlyle, Past and Present (1843), 251.

  4. Jereo Thomas S. Monson, “Mitondra Fitahiana ny Fiomanana,” Liahona sy Ensign, Mey 2010, 64–67.

  5. “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’Izao Tontolo Izao,” Liahona, Ôkt. 2004, 49; Ensign, Nôv 1995, 102.