Fiasan’ny afo misoko mangina
Mihaino ny vavaka tsirairay avy atolotsika ary mamaly ny tsirairay avy amin’izany araka ny lalana izay efa nofaritany ho an’ny fahatanterahantsika Andriamanitra.
Ry rahalahy sy anabavy, nianatra lesona nankarary iray aho hatramin’ny nijoroako farany teto amin’ity polipitra ity tamin’ny ôktôbra 2022. Izao ilay lesona: raha tsy zarizary ny lahateninao dia mety hesorina eto ianao mandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maromaro manaraka. Hitanareo fa ampandraiketina voalohandohany aho mandritra ny fivoriana voalohany amin’izao maraina izao. Ny zavatra tsy hitanareo dia mijoro eo ambony lavaka misy sarony aho. Raha tsy mizotra tsara ity lahateny ity dia tsy hahita anareo mandritra ny fihaonambe vitsivitsy manaraka indray aho.
Amin’ny fanahin’izany hira kanto niarahana tamin’io amboaram-peo kanto io izany, dia nianatra lesona maromaro aho tato ho ato ka, miaraka amin’ny fanampian’ny Tompo, dia maniry ny hizara izany aminareo aho anio. Izany hoe lasa hanan-danja manokana amiko ity lahateny ity.
Ny zavatra nahakasika ny tenako manokana sy nangirifiry indrindra tamin’ireo zavatra rehetra niainana tato ho ato ireo dia ny fahalasan’i Pat vady malalako. Izy no vehivavy tsara indrindra fantatro—vady sy reny tonga lafatra, raha tsy hilaza afa tsy ny fahadiovan-toetrany manokana, ny fahaizany maneho zavatra, ary ny aim-panahiny aho. Indray mandeha izy nanao lahateny nitondra ny lohateny hoe “Fulfilling the Measure of Your Creation” (Mahatratra ny tanjona nahariana anao). Amiko dia toa nahatratra tamim-pahombiazana kokoa mihoatra noho izay mety ho nanirian’ny olona iray ny tanjona nahariana azy izy. Zanakavavy tanteraka an’ Andriamanitra izy, vehivavin’i Kristy fakan-tahaka. Niangarana manokana aho niara-niaina taminy nandritry ny 60 taona. Raha mendrika aho dia afaka miaraka aminy mandrakizay noho ny famehezana anay.
Ny traikefa hafa dia nanomboka 48 ora taorian’ny nandevenana ilay vadiko. Nampidirina hôpitaly faingana aho satria nihetsika aretina mafy tamin’io. Avy eo dia nifandimbindimby nandritra ireo efatra herinandro voalohany tamin’ireo enina herinandro nijanonako tany ny fidirana sy fivoahana ny sampana famelomanaina ary koa ny hoe nahatsiaro tena sy tsy nahatsiaro tena.
Amin’ny ankapobeny ny zavatra niainako rehetra tao amin’ilay hôpitaly nandritra izany fotoana voalohany izany dia tsy nisy tsaroako avokoa. Ny zavatra mbola tadidiko hatrany dia ny fahatsiarovako dia anankiray ivelan’ ilay hôpitaly, izay toa teny amoron’ny mandrakizay. Tsy afaka miresaka feno momba izany zavatra niainana izany eto aho, saingy afaka milaza kosa aho fa ny ampahan’ny zavatra voaraiko dia torolalana—famporisihana hiverina amin’ny asa fanompoako miaraka amin’ny fahazotoana kokoa, fanolorantena kokoa, fifantohana kokoa amin’ny Mpamonjy, ary finoana kokoa ny teniny.
Tsapako mafy ery fa toy ny hoe nandray ho an’ny tenako manokana aho ny fanambarana iray nomena ny Roambinifololahy saika 200 taona lasa izay:
“Ianao dia ho vavolombelona manambara ny anarako, … ary handefa ny teniko hatrany am-paran’ny tany ianao. …
“… Isa-maraina isa-maraina; ary isan’andro isan’andro, dia aoka hivoaka ny feo fampitandremanao; ary rehefa tonga ny alina, dia aza avela hatory ny mponin’ny tany noho ny lahateninao. …
“Mitsangàna[,] … alaovy ny hazofijalia[nao], [ary] manaraha Ahy.”
Ry rahalahy sy anabaviko malala, hatramin’io zavatra niainako io dia niezaka amin-kafanampo kokoa aho hitondra ny hazofijaliako, nitady izay hahafahako manandratra ny feon’ Apôstôly ho manentana sy mampitandrina isa-maraina sy isan’andro ary isak’alina.
Izany no nitarika ahy tamin’ny fahamarinana fahatelo izay voaraiko tanatin’ireo volan’ny fahaverezana olon-tiana sy aretina ary fahakiviana ireo. Izany dia fanavaozana ny fijoroana ho vavolombelona sy ny fankasitrahana tsy manam-pahataperana noho ny vavaka feno fikirizan’ity Fiangonana ity—ny vavakareo—izay ho ahy no nanaovana izany. Ho feno fankasitrahana mandrakizay aho noho ireo fitalahoan’olona an’arivony maro izay, toy ilay manano-tena ratsy fitondrantena, nikatsaka tsy nisy farany ny fiasan’ny lanitra ho ahy. Nandray tsodranon’ny fisoronana aho, ary hitako nifady hanina ho ahy ireo mpiara-nianatra tamiko fahiny, tahaka ny nataon’ireo paroasy maro nanerana ny Fiangonana. Ary mino aho fa tsy maintsy voasoratra tanatin’ny taratasy mirakitra anarana hoentina am-bavaka saika tany amin’ny tempoly tsirairain’ny Fiangonana ny anarako.
Ho fankasitrahana lalina izany rehetra izany dia miara-milaza amin’i G. K. Chesterton aho, izay nilaza indray mandeha “fa ny fisaorana no endrika avo indrindra hisehoan’ny eritreritra; ary … ary ny fankasitrahana dia fahasambarana ampiana fahatalanjonana.” Miaraka amin’ny “fahasambara[ko manokana] ampiana fahatalanjonana” no isaorako anareo rehetra ary isaorako ny Raiko any An-danitra, izay nihaino ny vavakareo sy nitahy ny fiainako.
Ry rahalahy sy anabavy, mijoro ho vavolombelona aminareo aho fa mihaino ny vavaka tsirairay atolotsika Andriamanitra ary mamaly azy ireny tsirairay araka ny lalana izay efa nofaritany ho an’ny fahatanterahantsika. Tena marina tokoa fa tamin’izany fotoana nivavahan’ny maro dia maro mba hiverenan’ny fahasalamako izany ihany, dia maro dia maro toy izany koa—isan’izany ny tenako—no nivavaka ny mba hahatsara ny fahasalaman’ny vadiko. Mijoro ho vavolombelona aho fa samy nohainoana avokoa ireo vavaka ireo ary novalian’ny Ray any An-danitra masina feno fangorahana, na dia tsy novaliana araka ny nangatahako aza ireo vavaka natao ho an’i Pat. Antony izay Andriamanitra ihany no mahalala azy no hamaliana ireo vavaka tsy araka ny antenaintsika azy—saingy mampanantena anareo aho fa izy ireny dia heno, ary izy ireny dia valiana araka ny fitiavany azo antoka sy ny fandaharam-potoany manenika ny habaka.
Raha toa ka “tsy mangataka ny tsy sahaza” isika dia tsy misy fetra ny hoe oviana sy aiza ary momba ny inona no tokony ivavahantsika. Araka ireo fanambarana dia tokony “[h]ivava[ka] mandrakariva” isika. Ary tokony hivavaka isika, araka ny voalazan’i Amioleka, ho an’ “ireo izay manodidina anareo,” miaraka amin’ny finoana fa ny “fiasan’ny fivavaky ny marina dia mahery indrindra.” Tokony hatolotra amin’ny feo avo ny vavaka ataontsika isaky ny afaka manao izany isika. Raha toa ka tsy mety ny hanaovana izany dia tokony hatao amim-pahanginana ao am-pontsika izy ireny. Mihira isika fa ny vavaka dia “fiasan’ny afo misoko mangina,” atolotra hatrany, araky ny takian’ny Mpamonjy mihitsy, ho an’ Andriamanitra Ray Mandrakizay amin’ny anaran’ny Zanakalahitokany.
Ry namako malala, ny vavaka ataontsika no fotoana mamintsika indrindra, ny “fanirian[tsika] marina” indrindra, ary fomba tsotra sy madio indrindra hanehoana fitsaohana. Tokony manao vavaka samirery isika, sy eo anivon’ny fianakaviantsika, ary any amin’ireo vondrom-piangonana amin’ny habeny rehetra. Tokony hampiasa ny vavaka isika ho arotratra hanoherana ny fakam-panahy ary raha sendra misy fotoana isika tsy te-hivavaka, dia afaka mahatoky fa ny fisalasalana dia tsy avy amin’ Andriamanitra, izay maniry mafy ny hifandray amin’ireo zanany na oviana na oviana sy amin’ny fotoanarehetra. Marina tokoa, ny ezaka sasany hanakanana antsika tsy hivavaka dia mivantana avy amin’ilay fahavalo. Ary, rehefa tsy haintsika tsara izay fomba hivavahana sy izay hoentina am-bavaka, dia tokony hanomboka ihany isika ary hanohy, mandra-pitarihan’ny Fanahy Masina antsika ho amin’ilay vavaka tokony hatolotsika. Izany fomba fanao izany no mety ilaintsika hatao rehefa mivavaka ho an’ireo fahavalontsika sy ireo izay manenjika antsika isika.
Ary indrindra indrindra, azontsika jerena ny ohatry ny Mpamonjy izay nivavaka tena matetika dia matetika tokoa. Kanefa nanitikitika ahy foana hoe nahoana i Jesoa no nahatsapa ho nila nivavaka. Angaha moa Izy tsy hoe tonga lafatra? Mombana inona moa no zavatra nilainy hivavahana? Nahatakatra aho fa Izy koa, miaraka amintsika, dia te “hikatsaka ny hahita ny tavan’[ny Ray], sy hino ny teniny ary hiankina amin’ny famindrampony.” Matetika Izy no mihataka amin’ny fiaraha-monina mba hitokan-tena alohan’ny hamakiny ny lanitra amin’ny alalan’ny vavaka ataony. Tamin’ny fotoana hafa dia nivavaka niaraka tamina namana vitsivitsy Izy. Avy eo dia hitodika amin’ny lanitra Izy ho an’ireo tsy hita isa mandrakotra ny tangoron-kavoana. Tsindraindray nahenim-boninahitra ny lambany ny vavaka. Tsindraindray mampamiramiratra ny tavany ny vavaka. Nivavaka nijoro Izy indraindray, nivavaka nandohalika Izy indraindray, ary niankohoka nivavaka Izy indray mandeha farafahakeliny.
Ny famariparitan’i Lioka ny firosoan’i Jesoa tamin’ny sorompanavotany dia milaza fa nila nivavaka “mafimafy kokoa.” Izy. Amin’ny fomba ahoana moa no hivavahan’ny olona iray efa tanteraka mafimafy kokoa? Heverintsika fa ireo vavaka rehetra nataony dia avy amin’ny fony marina tokoa, kanefa teo am-panatanterahana ilay sorona fanavotana ary tao anatin’ny fanaintainana izay niaraka tamin’izany ka hiantefany amin’izao rehetra izao, dia nahatsapa ho nila nivavaka mafimafy kokoa Izy, ka ny vesatry ny sorona natolony dia nahatonga rà nivoaka tamin’ny masonkodiny rehetra nony farany.
Eo anatrehan’izany fandresen’i Kristy ny fahafatesana izany ary ny fanomezana natolony ho ahy vao haingana, dia herinandro na volana maromaro kokoa ho eto amin’ny fiainana an-tany, dia mijoro ho vavolombelona amim-panajana aho ny amin’ny tena fisian’ny fiainana mandrakizay ary ny filantsika ny ho matotra amin’ny fiomanana ho amin’izany.
Mijoro ho vavlombelona aho fa rehefa ho avy i Kristy dia mila mahafantatra antsika Izy—tsy toy ny mpikambana voarakitra an’isa anaty firaketana tontan’ny vita batisa fotsiny fa ho mpanara-dia feno fanolorantena, mino tsy ampisalasala, ary mpitandrina fanekempihavanana. Andraikitra maika be izany ho antsika rehetra, raha tsy izany dia haheno amim-pahakiviana isika hoe: “Tsy nahafantatra anao velively aho,” na, araky ny nandikan’i Joseph Smith izany andian-teny izany hoe, “Tsy nahalala Ahy velively [ianao].”
Soa fa manana fanampiana isika amin’ilay andraikintsika, fanampiana maro. Mila mino ny fisin’ny anjely sy ny fahagagana ary ireo fampanantenan’ny fisoronana masina isika. Mila mino ny fanomezana ny Fanahy Masina sy ny fitaomana tsara avy amin’ireo fianakaviana sy namana tsara ary ny herin’ny fitiavana madion’i Kristy isika. Mila mino ny fanambarana sy ireo mpaminany, mpahita sy mpanambara ary ny Filoha Russell M. Nelson isika. Mila mino isika fa amin’ny alalan’ireo vavaka ataontsika sy ny fitalahoantsika ary ny fahamarinan’ny tenantsika manokana, dia afaka ny ho “eo an-tendrombohitr’i Ziona … ilay toeran-danitra, ny masina indrindra amin’ny rehetra” tokoa isika.”
Ry rahalahy sy ranabavy, rehefa mibebaka amin’ny fahotantsika isika ary manatona amim-pahasahiana eo amin’ny “seza fiandrianan’ny fahasoavana,” sy mametraka eo anoloany ilay fanatitry ny fitalahoana avy ao am-pontsika, dia hahazo famindram-po sy famelan-keloka ary fangorahana isika eo an-pelatanan’ny Raintsika mandrakizay malala-tanana sy ny Zanakalahiny mpankatò sy fanaperana. Hahita tontolo iray, miaraka amin’i Joba sy ireo mahatoky rehetra voasedra isika avy eo, izay “mahagaga loatra” ka sarotra takarina. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.