Liahona
Fanompoan’ny Fiadidiana Voalohany
Mey 2024


“Fanompoan’ny Fiadidiana Voalohany,” Liahona, mey 2024.

Vaovaom-piangonana

Fanompoan’ny Fiadidiana Voalohany

Nanasa ny rehetra ny Filoha Russell M. Nelson tao amina hafatra iray navoaka tao amin’ny tambajotran-tserasera ny 14 febroary 2024 mba hampiasa ny Andron’ny mpifankatia mba ho fampahatsiahivana ny hanolo-tena indray hitia ny naman’izy ireo. Nilaza ny Filoha Nelson fa io andro io no andro ankalazan’ny olona manerana izao tontolo izao ny fitiavana. Na dia mahakasika ny voninkazo, ny sôkôla, ary ny fanomezana aza ny fitiavana indraindray, dia “mampianatra karazana fitiavana hafa ny didy lehibe faharoa—dia ny mazoto mitia ny namantsika.”

Tamin’ny 15 febroary ny Filoha Nelson sy ireo mpanolotsainy dia nandray an-tanan-droa tao Temple Square ny Filoha Dr. Buu Nygren izay filoham-pirenena ao Navajo sy i Jasmine Blackwater-Nygren vadiny, izay Première dame. I Dr. Nygren dia vonona ny hamatsy ireo zavatra ilaina andavanandro toy ny rano, ny jiro, ary lalana tsara ho an’ny tokantrano tsirairay ao Navajo. Nanampy tamin’ny famatsiana ny sasany tamin’ireo zavatra ireo ho an’ny firenena Navajo ny Fiangonan’i Jesoa Kristy tao anatin’ireo taona faramparany.

Nandritra ilay fampitana ny D’ami à ami tamin’ny 9 martsa, ny Filoha Dallin H. Oaks, Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Fiadidiana Voalohany, sy i Kristen vadiny dia niresaka tamin’ny fito amin’ireo zafiafin’izy ireo izay amin’ny taonan’ny Kilonga mikasika ny fomba hihainoana ny Fanahy Masina sy ny zavatra ataon’ny Fanahy Masina—mampitandrina, mampahery, mijoro ho vavolombelona, mitarika, mampianatra, ary ny maro hafa.

“Mihaino an’i Jesoa Kristy ny mpianatr’i Jesoa Kristy,” hoy ny Filoha Oaks. Indraindray Izy dia manome antsika fahatsapana, ary indraindray dia manome eritreritra. Indraindray isika dia mahare ny feony. Nangataka antsika hihaino ny mpamonjintsika sy hihaino Azy ny Filoha Nelson mpaminanintsika.

Taorian’ny 61 taona nivadiana, dia nanao veloma vetivety an’i Kathleen vadiny, izay nodimandry tamin’ny 15 ôktôbra 2023 ny Filoha Henry B. Eyring, Mpanolotsaina Faharoa ao amin’ny Fiadidiana Voalohany. Hoy ny Filoha Eyring: “Olona izay nahatonga ahy haniry ny ho lasa ilay olona tsara indrindra azoko ahatongavana foana i Kathleen hatrizay.”

Tamin’ny 24 martsa ny Filoha Eyring dia nanokana ny Tempolin’i Red Cliffs Utah ao St. George, Utah, Etazonia. “Hahazo fifaliana izay tsy ho azonareo mihitsy amin’ny fomba hafa ianareo amin’ny fanompoana izay ataonareo ato,” hoy izy nandritra ireo fivoriana fanokanana.

Hamoaka printy