Liahona
Loholona Michael B. Strong
Mey 2024


“Loholona Michael B. Strong,” Liahona, mey 2024.

Loholona Michael B. Strong

Fitopololahy Manampahefana Ambony

Nanomboka tao an-tokantrano ny fianaran’ny Loholona Michael B. Strong ny filazantsara, ary ny ray aman-dreniny no nampianatra azy.

“Nitombo tsotra izao ny fijoroana ho vavolombelona nananako ary nihamafy orina hatrany tamin’ny fomba izay efa saika tsy ho tsikaritra akory rehefa nandeha ny fotoana,” hoy ny Loholona Strong. Hoy izy rehefa mieritreritra ny lasa hoe: “Imbetsaka tokoa aho no nahita ny tanan’ Andriamanitra teo amin’ny fiainako, kanefa nisy zavatra niainana ara-panahy tena lalina nitranga teny anelanelam-potoana teny.”

Tamin’ny nahim-pon’izy ireo no nampidirany ny filazantsara teo amin’ny fiainan’izy ireo rehefa nitaiza ny fianakaviany izy mivady. “Niezaka nanao izay hahavitanay izany izahay mba hiraiketan’ny filazantsara amin’ny fiainanay toy ny firaiketan’ny kofehy voatenona anaty lamba,” hoy ny Loholona Strong. “Izay no maha-izahay anay.”

Ny Loholona Strong dia nahazo mari-pahaizana licence en microbiologie ary nahavita herintaona tamin’ny fianarana simia tao amin’ny Brigham Young University tamin’ny 1989 ary diplaoma momba ny fitsaboana avy amin’ny Baylor College of Medicine tamin’ny 1993.

Mpitsabo izy, ary tamin’ny fotoana niantsoana azy dia médecin chef responsable de l’information tao amin’ny Oniversite an’i Utah izy.

Hitan’ny Loholona Strong fa rehefa sendra olana izy, isan’izany ireo olana tamin’ny asany, dia notarihina mba hahita vahaolana izy rehefa nentiny am-bavaka hatrany ireo olana ireo. “Afaka nahatsapa tsotra izao aho fa nanome ahy hevitra ny Tompo ary nampiharihary tamiko ireo vahaolana izay tsy ho hitako mihitsy tamin’ny fomba hafa,” hoy izy. “Tonga saina aho fa tena miraharaha anay Izy.”

Tamin’ny fotoana niantsoana azy ho Fitopololahy Manampahefana Ambony dia Fitopololahin’ny Vondromparitra tao amin’ny Vondromparitra Utah ny Loholona Strong. Efa filohan’ny Misiôna Pérou Lima Centrale ihany koa izy, filohan’ny tsatòka, eveka, ary misiônera nanompo tamin’ny fotoana feno tao amin’ny Misiônan’i Bolivie Cochabamba.

Teraka tao Salt Lake City tamin’ny 6 aogositra 1965 i Michael Brent Strong. Nanambady an’i Cristin Connelly tao amin’ny Tempolin’i Salt Lake izy tamin’ny 22 aogositra 1987. Manan-janaka enina izy ireo. Monina ao Centerville, Utah, Etazonia ny Loholona sy Rahavavy Strong.

Hamoaka printy