Liahona
Mahatoky hatramin’ny Farany
Mey 2024


11:25

Mahatoky hatramin’ny farany

Amin’ny alalan’ny tanany no ahafahanareo mandavo ny Goliata rehetra izay miseho eo amin’ny fiainanareo.

Ry tanora namako, anio aho dia te hiresaka mivantana aminareo—tanora ato amin’ny Fiangonana.

Herintaona izay no niantsoana ny fiadidian’ny Zatovovavy maneran-tany misy anay. Betsaka ny zavatra nitranga tao anatin’izay iray taona lasa izay!

Nihaona tamin’ny maro taminareo izahay ary niara-nandalina ireo fampianaran’i Kristy isika. Nikalo hira, sy nahazo namana vaovao, ary nanompo niaraka taminareo izahay tany amin’ireo fiarahamonina misy antsika. Nankaherezina izahay tamin’ny fihainoana ireo fijoroana ho vavolombelona nataonareo tamin’ireo fihaonamben’ny zatovo sy ireo hetsika maneran-tany. Ary niara-nitsaoka tao amin’ny tranon’ny Tompo isika.

Nizara hafatra avy amin’i Jesosy Kristy Tompontsika izahay isaky ny mandeha. Tsy ho hafa ny anio alina: manana hafatra ho anareo aho ry tanoran’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy.

Ireo fanontaniana lehibe

Efa mba nanontany tena ve ianareo hoe ahoana no ahafahanareo mahatoky amin’ Andriamanitra nefa miaina ao anatin’ny tontolon’ny fahotana? Aiza no ahazoanareo ilay tanjaka handrosoana sy hanohizana ny tsara? Ahoana no iainanareo ny tena fifaliana?

Heveriko fa afaka manampy ny zavatra niainan’i Davida sy Goliata.

Davida sy Goliata

Ao amin’ny Testamenta Taloha, ny miaramilan’ny Filistina dia niady tamin’ny Isiraelita, ary isa-maraina sy isan-kariva dia nisy Filistina goavam-be iray nantsoina hoe Goliata nihantsy izay Isiraelita mba hiady aminy.

Davida sy Goliata.

Teo amin’ny vahoaka Isiraelita no niaina i Davida, mpiandry ondry tanora izay kely lavitra noho i Goliata nefa nanana finoana lehibe an’i Jesoa Kristy! Nanolo-tena hiady i Davida. Na dia ny mpanjaka aza dia niezaka ny nanakana azy, fa Davida kosa nifidy ny hametraka ny fitokiany amin’i Jesosy Kristy.

Efa niady tamin’ny liona sy bera koa i Davida taloha. Fantany avy tamin’ireo zavatra niainany ireo fa niaro azy sy nampandresy azy Andriamanitra. Ho an’i Davida, ny asan’ Andriamanitra no antony manan-danja indrindra. Noho izany, noho izy feno finoana an’ Andriamanitra izay tsy hahafoy azy, dia nanangona vato kilonjy dimy izy, nandray ny antsamotadiny, ary nandeha nifanandrina tamin’ilay goavam-be.

vato dimin’i Davida.

Ny soratra masina dia milaza amintsika fa ny vato voalohany natorak’i Davida dia namely ny handrin’i Goliata, ka namarana ny ainy.

Mitady ny valiny

Raha vato iray ihany no nampiasain’i Davida mba hamonoana an’i Goliata, dia niomana tamin’ny vato dimy kosa izy. Tamin’ny vato dimy! Mahatonga ahy izany hieritreritra ny fomba hanomanako ny tenako hiatrika izao tontolo izao.

Ahoana raha maneho ny hery ilaintsika mba ho mpandresy eo amin’ny fiainantsika ny tsirairay tamin’ireo vaton’i Davida? Mety ho inona ireo vato dimy ireo? Nieritreritra ireto zavatra ireto aho:

  1. Vaton’ny fitiavako an’ Andriamanitra.

  2. Vaton’ny finoako an’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika.

  3. Vaton’ny fahalalana ny tena fiiziko.

  4. Vaton’ny fibebahako isan’andro.

  5. Vaton’ny fahazoako ny herin’ Andriamanitra.

Andeha isika hiresaka momba ny fomba nitahiana antsika tamin’ireo hery ireo.

Voalohany, ny vaton’ny fitiavako an’ Andriamanitra. Ny fitiavana an’ Andriamanitra no didy lehibe voalohany. Ny torolalana Ho Zatovo Mahery dia mampianatra antsika hoe: “Tia anareo Andriamanitra. Izy no Raintsika. Afaka mitaona anao hitia Azy ny fitiavany lavorary. Rehefa ny fitiavanao ny Ray any An-danitra no fitaomana manan-danja indrindra eo amin’ny fiainanao dia fanapahan-kevitra maro no lasa mora kokoa.”

Ny fitiavantsika an’ Andriamanitra sy ny fifandraisantsika akaiky Aminy dia manome antsika ny hery ilaintsika hanovana ny fontsika sy handresena mora kokoa ireo fanamby.

Faharoa, ny vaton’ny finoako an’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika. Rehefa tonga teto an-tany i Jesoa Kristy dia nijaly noho ny fahotantsikaary nitondra teo Aminy ny alahelontsika, ny fanaintainantsika, ny fahalementsika ary ny aretintsika ara-batana sy ara-tsaina. Izany no antony hahafantarany ny fomba hanampiana antsika. Midika hoe matoky tanteraka ny fahendreny, ny fotoany, ny fitiavany ary ny heriny hanonerana ny fahotantsika ny fananana finoana an’i Jesoa Kristy. Ny vaton’ny finoana an’i Jesoa Kristy dia handresy izay “goavam-be” rehetra eo amin’ny fiainantsika. Afaka mandresy ity tontolo lavo ity isika satria Izy no nandresy izany voalohany.

Laharana fahatelo, vaton’ny fahalalana ny tena fiiziko. Ny mpaminany malalantsika, ny Filoha Russell M. Nelson, dia nampianatra antsika fa ny maha-zanak’ Andriamanitra antsika sy ny maha-zanaky ny fanekempihavanana ary ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy antsika no fiizintsika tena manan-danja indrindra.

Miova ny zava-drehetra rehefa fantatro hoe iza marina aho. Rehefa misalasala ny amin’ny fahaizako aho dia mamerimberina ao an-tsaiko na amin’ny feo avo hoe: “Zanakavavin’ Andriamanitra aho, zanakavavin’ Andriamanitra aho,” im-betsaka araka izay ilaina mandra-pahazoako fahatokiana ny hanohy indray.

Fahefatra, ny vaton’ny fibebahako isan’andro. Ao amin’ny torolalana ho an’ny Ho Zatovo Mahery dia mamaky isika hoe: “Ny fibebahana dia tsy famaizana noho ny fahotana. Izany no fomba nanafahan’ny Mpamonjy antsika amin’ny fahotana. Ny hoe mibebaka dia midika hoe miova—miala amin’ny fahotana sy mankany amin’ Andriamanitra. Midika hoe mihatsara sy mandray famelan-keloka izany. Tsy zava-mitranga indray mandeha io karazana fiovana io. Dingana arahina mitohy hatrany izany.”

Tsy misy manafaka kokoa noho ny fahatsapana ny famelan’ Andriamanitra sy ny fahafantarana fa madio sy mihavana Aminy isika. Ny famelan-keloka dia azo atao ho an’ny rehetra.

Ny vato fahadimy dia ny vaton’ny fahazoako ny herin’ Andriamanitra. Ireo fanekempihavanana ataontsika amin’ Andriamanitra, toy ireo izay ataontsika ao amin’ny ôrdônansin’ny batisa, dia manome antsika fahafahana hahazo ny herin’ny toetra araka an’ Andriamanitra. Hery tena izy izay manampy antsika hiatrika olana, handray fanapahan-kevitra tsara, ary hampitombo ny fahafahantsika miaritra toe-javatra sarotra ny herin’ Andriamanitra. Izy io dia hery ahafahantsika mitombo amin’ny fahaiza-manao manokana izay ilaintsika.

Ny torolalana Ho Zatovo Mahery dia manazava hoe: “Ny fanekempihavanana dia mampifandray anao amin’ny Ray any an-danitra sy ny Mpamonjy. Mampitombo ny herin’ Andriamanitra eo amin’ny fiainanao izany.”

Andeha isika hiresaka momba izany fifandraisana izany. Tadidinao ve ny nampianaran’i Kristy ny maha samy hafa ny trano miorina eo ambonin’ny vatolampy sy ny trano eo ambonin’ny fasika? Nanazava ny Loholona Dieter F. Uchtdorf hoe: “Tsy ravan’ny tafio-drivotra ny trano iray satria matanjaka ilay trano. Tsy rava ihany koa izy io satria matanjaka fotsiny ny vatolampy. Tsy ravan’ny tafio-drivotra ilay trano satria niraikitra mafy tamin’io vatolampy mafy io izany. Ny tanjaky ny fifandraisana amin’ny vatolampy no zava-dehibe.”

Trano naorina teo ambonina vatolampy.

Ny fifandraisantsika manokana amin’i Jesoa Kristy dia hanome antsika herim-po sy fahatokiana mba handroso eo anivon’ny olona izay tsy manaja ny finoantsika na manenjika antsika. Manasa antsika i Kristy mba hitazona Azy ao an-tsaintsika mandrakariva. Milaza amintsika Izy hoe: “Banjino Aho amin’ny eritreritra rehetra.” Ny fieritreretana momba ny Mpamonjy dia manome antsika fahazavana ara-tsaina mba handraisana fanapahan-kevitra, hanao zavatra tsy amin-tahotra, ary handavana izay mifanohitra amin’ny fampianaran’ Andriamanitra. Rehefa sarotra ny androko ka mahatsapa ho tsy mahazaka zavatra hafa intsony aho, dia mitondra fiadanana sy manome fanantenana ho ahy ny fieritreretana an’i Kristy.

Ahoana no ahafahantsika misintona izany herin’i Jesoa Kristy izany? Ny fankatoavana ny fanekempihavanantsika sy ny fampitomboana ny finoantsika an’i Jesoa Kristy no fanalahidy.

Iriko tokoa raha nanana vato iray i Davida; ho ny vaton’ny fijoroako ho vavolombelona izany. Ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika dia miorina amin’ny alalan’ny traikefa ara-panahy manokana izay ahafantarantsika ny fitaomana masina eo amin’ny fiainantsika. Tsy misy afaka maka izany fahalalana izany amintsika. Tena sarobidy ny fahafantarana ny zavatra fantatsika avy tamin’ny fiainantsika ireo zavatra niainantsika ara-panahy. Manome fahafahana antsika ny hoe mahatoky amin’izany fahalalana izany. Manome fifaliana ho antsika izany! Raha tia ny fahamarinana isika dia hitady izany, ary rehefa hitantsika izany dia hiaro azy isika.

Fanasana iray

Tahaka ny nisafidianako ny vato laharana fahaenina dia manasa anareo aho mba hihaona amin’ny kilasinareo, na ny kôlejy, na ny fianakavianareo ary mieritreritra momba ireo tanjaka hafa ilainareo ho azo mba hijanonana ho mahatoky amin’ Andriamanitra sy handresena an’izao tontolo izao.

Fampanantenana iray

Ry namana malala, maniry mafy ny hiara-dalana amintsika amin’ny diantsika i Kristy. Mampanantena anareo aho fa rehefa mihazona ny anja-by ianareo dia hiara-handeha amin’i Jesoa Kristy. Izy no hitari-dalana anareo, ary Izy no hampianatra anareo. Amin’ny alalan’ny tanany no ahafahanareo mandavo ny Goliata rehetra izay miseho eo amin’ny fiainanareo.

Fijoroana ho vavolombelona

Mijoro ho vavolombelona aho fa misy fifaliana ao amin’ny fiavavahana isan’andro, ny famakiana ny Bokin’i Môrmôna isan’andro, ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo isak’alahady, ary ny fandehanana any amin’ny seminera—na dia vao maraina be aza! Misy fifaliana ao amin’ny fanaovana ny tsara.

Misy fifaliana ao amin’ny fahatokiana ilay Andriamanitr’izao rehetra izao, ilay Mpamonjy izao tontolo izao, ilay Mpanjakan’ny mpanjaka. Misy fifaliana ao amin’ny maha mpianatr’i Jesoa Kristy.

Raintsika Andriamanitra. Fantany ny fanirian’ny fonao sy ny zavatra ho vitantsika, ary matoky anareo Izy.

Ry tanora malala, hanampy anareo ho mahatoky hatramin’ny farany i Jesoa Kristy. Ny amin’ireo fahamarinana ireo no hijoroako ho vavolombelona amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.