Fifaliana lehibe kokoa
Enga anie isika rehetra hikatsaka ka hahita ilay fifaliana lehibe kokoa izay azo avy amin’ny fanokanana ny fiainantsika ho an’ny Raintsika any An-danitra sy ny Zanany malalany.
Fitahiana lehibe ho ahy ny nandaha-teny tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany efa nandritra ny telopolo taona izao. Nandritra izany fotoana izany, dia olona maro manerana izao tontolo izao no efa nametraka fanontaniana tamiko mikasika ireo hafatra ireo. Tato ho ato, dia misy fanontaniana iray manokana niverimberina foana. Toy izao matetika izany fanontaniana izany: “Ry Loholona Uchtdorf, nihaino tsara ny lahateny nataonao farany aho, kanefa … tsy mahare na inona na inona momba ny fiaramanidina?”
Fa aorian’ny androany, dia mety tsy handre io fanontaniana io elaela aho.
Mahakasika ireo “rahona voatrobaky ny tara-masoandro mihevaheva am-pifaliana”
Sarotra inoana fa vao 120 taona lasa izay no niaingan’i Wilbur sy i Orville Wright voalohany niala ny tany sy nisidinany teo ambonin’ny tora-pasik’i Kitty Hawk, Caroline du nord. Sidina fohy miisa efatra tamin’izay andro irain’ny volana desambra izay no nanova izao tontolo izao sy nanokatra ny varavarana ho an’ny iray amin’ireo zavatra noforonina tsara indrindra teo amin’ny tantaran’izao tontolo izao.
Nampidi-doza ny manamory fiaramanidina tamin’izany fotoana fahiny izany. Nahafantatra izany izy mirahalahy. Ary toy izany koa i Milton rain’izy ireo. Raha ny marina dia natahotra mafy izy sao dia hamoy ny zanany roalahy amin’ny lozam-piaramanidina ka dia nampanantena azy izy ireo fa tsy hiara-hisidina izany mihitsy.
Dia tsy nanao izany mihitsy izy ireo, afa-tsy tamin’ny fotoana maningana iray. Fito taona taorian’izay andro manan-tantara tany Kitty Hawk Milton izay, dia nanome ny fankatoavany ihany i Milton Wright nony farany ary nitazana rehefa niaraka nisidina voalohany indrindra i Wilbur sy i Orville. Rehefa tafapetraka ny fiaramanidina, dia nandresy lahatra ny rainy i Orville mba hanao ny sidina voalohany sady tokana izay nataony ary hahita mivantana mihitsy hoe toy ny ahoana ilay izy.
Rehefa niainga niala ny tany ilay fiaramanidina, dia tafalatsaka tanteraka tao anatin’ny hafaliam-po noho ilay sidina i Milton izay 82 taona ka dia nandao azy ny tahotra rehetra. Faly i Orville rehefa nihiaka tamim-pifaliana ny rainy hoe: “Ento ambony kokoa ry Orville a! Ambony kokoa!”
Mitovy amin’ny an’io lehilahy io mihitsy ny fihetseham-poko!
Angamba mety ho ny fahalalako zavatra mikasika ny zavatra tsapan-dry Wrights no mahatonga ahy hiresaka tsindraindray momba ny fiaramanidina. Izaho koa dia efa “niala tsimoramora avy amin’ny famatoran’ny tany izay henjana tokoa sy nandihy teny amin’ny habakabaka tamin’ny elatra mivolom-bolafotsy mamirapiratra.”
Ny sidina voalohany nataon-dry Wright mirahalahy, izay nitranga 37 taona monja talohan’ny nahaterahako, dia nanokatra ny varavarana hiainana zava-baovao sy fitalanjonana ary fifaliana tena izy teo amin’ny fiainako.
Kanefa, na dia mahatalanjona tokoa aza izany fifaliana izany, dia misy karazana fifaliana lehibe kokoa noho izany. Anio, ao anatin’ny fiombonam-po amin’ilay hiakam-pifalian’i Milton Wright hoe: “Ento ambony kokoa ry Orville a! Ambony kokoa!,” dia tiako ny hiresaka momba io fifaliana lehibe kokoa io—hoe avy aiza izany, ahoana no hidiran’izany ao am-pontsika, ary ahoana no ahafahantsika mahatsapa izany misimisy kokoa.
Ny tanjona feno hisian’ny olombelona
Tsy mila lazaina intsony angamba fa te ho sambatra daholo ny olona rehetra. kanefa, tsy mila lazaina intsony ihany koa angamba fa tsy ny olona rehetra no sambatra. Indrisy fa sarotra ny mahita fifaliana ho an’ny olona maro.
Fa nahoana? Raha ny fahasambarana no zavatra tokana irintsika olombelona indrindra, dia nahoana isika no tsy mahomby mihitsy amin’ny fitadiavana izany? Raha lazaina amin’ny fomba hafa ny hira country iray, dia mety nitady fifaliana tany amin’ireo toerana tsy izy rehetra angamba isika.
Aiza no ahafahantsika mitady fahasambarana?
Alohan’ny hiresahantsika ny fomba hahitana fifaliana, dia mamelà ahy hiaiky fa tena misy ny fahaketrahana sy ireo olana ara-tsaina sy ara-pihetseham-po saro-bahana, ary tsy vitan’ny hoe “Miezaha ny ho faly kokoa” fotsiny ny valiny. Tsy hanamaivan-danja na hanao tsinintsinona ny olana momba ny fahasalamana ara-tsaina no tanjoko anio. Raha miatrika olana toy izany ianao, dia miara-ory aminao sy manohana anao aho. Ho an’ny olona sasany, dia mety ho tafiditra ao anatin’ny fitadiavana fifaliana ny fikatsahana fanampiana avy amina matihanina momba ny fahasalamana ara-tsaina efa voaofana izay manokana ny fiainany amin’ny fampiasana ny talentany manan-danja indrindra. Tokony ho feno fankasitrahana noho ny fanampiana toy izany isika.
Tsy fifandimbiasana fientanam-po mafy tsy manam-piafarana ny fiainana. “Satria tsy maintsy ilaina ny hisian’ny fifanoherana amin’ny zava-drehetra.” Ary raha mitomany Andriamanitra Izy Tenany mihitsy, araka ny voalazan’ny soratra masina hoe mitomany Izy, dia mazava ho azy fa hitomany ihany koa izaho sy ianao. Tsy mariky ny tsy fahombiazana ny mahatsapana alahelo. Eto amin’ity fiainana ity, farafahakeliny, dia mpinamana tsy mifankafoy ny fifaliana sy ny alahelo. Tahaka anareo rehetra, izaho koa dia efa nahatsapa ny anjara fahadisoam-panantenako, ny alahelo, ny fahoriana, ary ny nenina.
Izaho ihany koa anefa dia niaina mivantana ilay fiantombohana feno voninahitra izay mameno fifaliana lalina tokoa ny fanahy ka zara raha vita ny mihazona izany tsy hivoaka. Fantatro manokana fa azo avy amin’ny fanarahana ny Mpamonjy sy ny fanarahana ny ohatra nasehony io fatokian-tena feno fiadanana io.
Tsy mitovy amin’ny fanomen’izao tontolo izao ny fiadanana omeny antsika. Tsara kokoa izany. Ambony sy masina kokoa izany. Hoy i Jesoa: “Izaho avy mba hananany fiainana, sady hananany be dia be.”
Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia tena ilay “teny soa mahafaly”! Hafatra mitory fanantenana tsy manan-tsahala izany! Hafatra mitory fitondrana zioga sy fanamaivanana enta-mavesatra. Mitory ny fihitaran’ny ambaindain’ny fitaoman’ Andriamanitra. Mitory ny fankasitrahan’ Andriamanitra, ny fahatakarana misimisy kokoa, ny fanekempihavanana masina kokoa, ny fahazoana fiarovana mandrakizay, ary ny voninahitra tsy manam-petra!
Ny fifaliana no tena tanjon’ny drafitr’ Andriamanitra ho an’ireo zanany. Izany no tanjona namoronana anao—“mba [hahazoanao] fifaliana”! Izay no antony nahariana anao!
Tsy nanafina ny lalana mankany amin’ny fahasambarana ny Raintsika any An-danitra. Tsy tsiambaratelo izany. Afaka mahazo izany ny rehetra!
Izany dia ampanantenaina an’ireo izay mandeha amin’ny lalana maha-mpianatra, manaraka ny fampianarana sy ny ohatry ny Mpamonjy, mitandrina ny didiny, ary manaja ireo fanekempihavanana ataon’izy ireo amin’ Andriamanitra. Akory ny halehiben’izany fampanantenana izany!
Mbola maro ny zavatra azon’ Andriamanitra atolotra.
Isika rehetra dia mahafantatra olona milaza fa tsy mila an’ Andriamanitra izy ireo vao ho sambatra, fa efa ampy ny fifaliany na tsy misy fivavahana aza.
Manaiky ny fisian’ireo fahatsapana ireo sy manaja izany aho. Tian’ny Ray any An-danitra malalantsika ny hananan’ny zanany rehetra fahasambara lehibe araka izay azo heverina, ka noho izany dia nofenoiny fahafinaretana sy zavatra mahafaly mahasoa ity tontolo ity; “sady hahafinaritra ny maso no hamalifaly ny fo.” Ho ahy dia mitondra fahasambarana lehibe ny manamory fiaramanidina. Ny hafa dia mahita izany ao anatin’ny hira, na ao anatin’ny zava-kanto, na ao anatin’ny fialam-boly, na ao anatin’ny zavaboary.
Rehefa manasa ny tsirairay sy mizara ny teny soa mahafalin’ny Mpamonjy isika dia tsy manamaivan-danja na inona na inona amin’ireo loharanon’ny fifaliana ireo. Milaza fotsiny isika fa manana zavatra betsaka kokoa azo atolotra Andriamanitra. Fifaliana lehibe sy lalina kokoa—fifaliana mihoatra lavitra ny zavatra rehetra azon’ity tontolo ity atolotra. Izany dia fifaliana izay mahavita miaritra ny ratram-po, manamaivana ny alahelo, ary mampihena ny fanirery.
Mifanohitra amin’izay kosa, ny fahasambarana araka izao tontolo izao dia tsy maharitra. Tsy afaka ny haharitra izany. Toetran’ny zavatra rehetra eto an-tany ny mihalehibe, lo, simba, na lasa maina. Fa ny fifaliana araka an’ Andriamanitra kosa dia mandrakizay satria mandrakizay Andriamanitra. Tonga teto an-tany i Jesoa Kristy mba hanampy antsika handresy ny ara-nofo sy hanolo ny fahalovana amin’ny tsy fahalovana. Izy irery ihany no manana izany hery izay, ary ny fifaliany ihany no maharitra mandrakizay.
Raha tsapanao fa tokony hisy bebe kokoa amin’io karazana fifaliana io eo amin’ny fiainanao, dia manasa anao aho hanomboka ny dia hanarahana an’i Jesoa Kristy sy ny ohatra nasehony. Zavatra atao mandritra ny androm-piainana izany, sy any an-koatry ny fiainana. Mamelà ahy handroso dingana vitsivitsy enti-manomboka io dia ilaina hatao mba hahitana fifaliana marina io.
Manakaikeza an’ Andriamanitra
Tadidinareo ve ilay vehivavy ao amin’ny Testamenta Vaovao izay niaritra aretina nandeha rà nandritra ny 12 taona? Nandany ny fananany rehetra tamin’ny mpitsabo izy, saingy vao mainka niharatsy kokoa aza ny toe-javatra. Nahare ny amin’i Jesoa izy. Fanta-daza ny hery manasitrana ananany. Fa moa ve Izy afaka hanasitrana azy? Ary ahoana ary no hahafahany hanakaiky Azy? Nahatonga azy ho “tsy madio” araka ny lalàn’i Mosesy ny aretiny, ka noho izany dia tsy maintsy nihataka lavitra ny hafa izy.
Toa zavatra tsy azo notanterahina ny hanatona Azy an-kalalahana sy hangataka fanasitranana.
Fa mbola nieritreritra ihany izy hoe: “Na dia ny fitafiany ihany aza no voatendriko, dia ho sitrana aho.”
Nandresy ny tahony ihany ny finoany nony farany. Niaritra ny fanamelohan’ny hafa izy dia nisisika nankeny amin’ny Mpamonjy.
Nony farany, dia tonga teo akaikiny izy. Nahinjiny ny tanany.
Dia sitrana izy.
Moa ve isika rehetra tsy mitovitovy amin’io vehivavy io?
Mety misy antony maro mahatonga antsika hisalasala hanakaiky ny Mpamonjy. Mety hiaina fanalam-baraka sy fanamelohana ataon’ny hafa isika. Noho ny avonavontsika, dia mety hanao tsinontsinona ny mety hahatonga ny zavatra tsotra be ho manan-danja tokoa isika. Mety hieritreritra isika fa mahatonga antsika tsy hahafeno fepetra hahazo ny fanasitranany ny toe-javatra iainantsika—fa lehibe loatra ny elanelana misy na betsaka loatra ny fahotantsika.
Takaha an’io vehivavy io, dia nianatra aho fa raha manakaiky an’ Andriamanitra sy maninjitra ny tanatsika mba hikasika Azy isika, dia afaka ny hahazo fahasitranana sy fiadanana ary fifaliana tokoa.
Tadiavo izany
Nampianatra i Jesoa hoe: “Mitadiava, dia hahita hianareo.”
Mino aho fa tsy fampanantenana ara-panahy fotsiny io andian-teny tsotra io. Filazana fahamarinana izany.
Raha mitady antony hitezerana, na hisalasalana, na hivinirana, na ho irery isika, dia hahita izany koa.
Kanefa, raha mikatsaka fifaliana isika—raha mitady antony hifaliana sy hanara-dia ny Mpamonjy amim-pifaliana isika, dia hahita izany.
Ankavitsiana no hahitantsika zavatra tsy tadiavintsika izany.
Mitady fifaliana ve ianao?
Mitadiava, dia hahita ianao.
Mifampitondrà izay mahavesatra
Nampianatra i Jesoa hoe: “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.”
Moa ve, rehefa mikatsaka fifaliana isika, dia ho afaka ny ho fomba tsara indrindra hitadiavana izany ny fitondrana fifaliana ho an’ny hafa?
Ry rahalahy sy anabavy, fantatrareo ary fantatro fa marina izany! Ny fifaliana dia toy ny barika misy koba na tavoarana menaka izay tsy ho lany mihitsy. Miparitaka any amin’ny hafa ny fifaliana marina rehefa zaraina.
Tsy mitaky zavatra goavana sy sarotra atao izany.
Afaka manao zavatra tsotra isika.
Toy ny mivavaka ho an’ny olona iray amin’ny fontsika manontolo.
Mandoka olona amin-kitsim-po.
Manampy olona hahatsapa ho voaray tsara, hajaina, omena lanja ary tiana.
Mizara soratra masina tiana indrindra sy ny lanjan’izany ho antsika.
Na amin’ny alalan’ny fihainoana ny hafa fotsiny aza.
“Rehefa eo amin’ny fanompoana ny mpiara-belona aminareo ianareo, dia tsy manao afa-tsy ny fanompoana an’ Andriamanitrareo ianareo,” ary hamaly soa amin-kalalahan-tanana ny hatsaram-panahinao Andriamanitra. Hivaly aminao “fatra tsara sady ahintsana no afatratra ka mihoatra” ny fifaliana izay omenao ny hafa.
“Koa inona ary no hataontsika?”
Mandritra ireo andro, herinandro ary volana ho avy, dia mamelà ahy hanasa anao:
-
Hanokana fotoana hanaovana ezaka amin-kitsim-po omban’ny faniriana rehetra hanakaiky an’ Andriamanitra.
-
Hikatsaka amim-pahazotoana ireo fotoana hisian’ny fanantenana sy fiadanana ary fifaliana isan’andro.
-
Hitondra fifaliana ho an’ny hafa.
Ry rahalahy sy anabavy malalako, ry namako malala, rehefa mandalina ny tenin’ Andriamanitra mba hahazoana fahatakarana lalina kokoa ny drafitra mandrakizain’ Andriamanitra ianareo, sy manaiky ireo fanasana ireo, ary miezaka manaraka ny ohatra nasehony, dia hiaina “ny fiadanan’ Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra” ianareo, eny fa na dia ao anatin’ny alahelo aza. Hahatsapa amin’ny fomba lehibe kokoa ilay fitiavan’ Andriamanitra tsy misy mahatoraka azy hitombo ao am-ponareo ianareo. Ny fiposahan’ny fahazavana avy amin’ny lanitra dia hampisava ny haizin’ny fitsapana anareo, ary hanomboka hahatsapa ilay voninahitra sy zava-mahatalanjona tsy hay lazaina ao amin’ilay tontolon’ny lanitra izay tsy hita maso sy tonga lafatra ianareo. Ho tsapanareo hisandratra hiala ireo zava-dratsy misintona midina eto amin’ity tontolo ity ny fanahinareo.
Ary tahaka an’i Milton Wright izay olona tsara, dia mety hanandratra ny feonareo amim-pifaliana angamba ianareo ary hihiaka hoe: “Ento ambony kokoa Ray ô! Ambony kokoa!”
Enga anie isika rehetra hikatsaka ka hahita ilay fifaliana lehibe kokoa izay azo avy amin’ny fanokanana ny fiainantsika ho an’ny Raintsika any An-danitra sy ny Zanany malalany. Izany no vavaka sy tsodrano ataoko amim-pahamatorana amin’ny anarana masin’ i Jesoa Kristy, amena.