Liahona
Mitohy ny fivoaran’ny fiorenan’ireo tempoly vaovao
Mey 2024


“Mitohy ny fivoaran’ny fiorenan’ireo tempoly vaovao,” Liahona, mey 2024.

Vaovaom-piangonana

Mitohy ny fivoaran’ny fiorenan’ireo tempoly vaovao

Nanambara tempoly 15 vaovao ny Filoha Russell M. Nelson nandritra ny fivoriana alahady tolakandron’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany tamin’ny aprily 2024. Jereo ao amin’ny lahateny nataony ao amin’ny pejy 122 ny toerana misy ireo tempoly.

Ireto tempoly manaraka ireto dia natokana na naverina natokana hatramin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany farany tamin’ny ôktôbra 2023:

  • Natokana tamin’ny 8 ôktôbra 2023 ny Tempolin’i McAllen Texas (Etazonia).

  • Natokana tamin’ny 8 ôktôbra 2023 ny Tempolin’i Feather River Californie (Etazonia).

  • Natokana tamin’ny 22 ôktôbra 2023 ny Tempolin’i Bangkok Thaïlande.

  • Natokana tamin’ny 12 nôvambra 2023 ny Tempolin’i Okinawa Japon.

  • Naverina Natokana tamin’ny 10 Desambra 2023 ny Tempolin’i St George Utah, (Etazonia).

  • Natokana tamin’ny 14 Janoary 2024 ny Tempolin’i Lima Perou Los Olivos.

  • Natokana tamin’ny 21 janoary 2024 ny Tempolin’i Orem Utah, (Etazonia).

  • Natokana tamin’ny 24 martsa 2024 ny Tempolin’i Red Cliffs Utah, (Etazonia).

Naverina natokana tamin’ny 21 aprily ny Tempolin’i Manti Utah (Etazonia). Natokana tamin’ny 28 aprily ny Tempolin’i Urdaneta Philippines.

Tontosa ny fiadiana fototra ho an’ireto tempoly manaraka ireto: Tempolin’i Modesto Californie (Etazonia), Tempolin’i Fort Worth Texas (Etazonia), Tempolin’i Kaohsiung Taiwan, Tempolin’i Knoxville Tennessee (Etazonia), Tempolin’i San Luis Potosí Mexique.

Hamoaka printy