Ny tenivavolombelon’i Jesoa
Ny fanasako dia ny hanaovanao zavatra amin’izao ankehitriny izao hiantohana ny toeranao ho isan’ny maherifo amin’ny tenivavolombelon’i Jesoa.
Nandray fahitana miavaka momba ny anjara mandrakizain’ireo zanak’ Andriamanitra i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon tamin’ny 1832. Nilaza momba ny fanjakana telo any an-danitra io fanambarana io. Nandahateny momba ireo “fanjakam-boninahitra” ireo ny Filoha Dallin H. Oaks tamin’ny ôktôbra lasa teo, sady nanao fanamarihana fa “amin’ny alalan’ny fandresena sy ny voninahitry ny Zanakondry,” ny rehetra, ankoatran’ny olona azo lazaina hoe vitsivitsy, dia ho avotra amin’ny farany ao amin’ny iray amin’ireo fanjakana ireo “araka ny faniriana nasehony tamin’ny alalan’ny safidiny.” Ny drafitr’ Andriamanitra ho an’ny fanavotana dia fahafahana azon’ny zanak’ Andriamanitra rehetra sitrahana na aiza na aiza sy na oviana na oviana mety ho niainany teto an-tany.
Raha ny voninvahitr’ilay ambany indrindra amin’ireo fanjakam-boninahitra telo aza, ny fanjakana telestialy, no “manoatra noho ny fahatakaran’ny saina rehetra,” ny fanantenan’ny Raintsika dia ny hisafidianantsika, ary amin’ny alalan’ny fahasoavan’ny Zanakalahiny, ny hahamendrika antsika ho ao amin’ilay fanjakana ambony indrindra sy be voninahitra indrindra amin’ireo fanjakana ireo, dia ny selestialy, izay toerana ahafahantsika misitraka ny fiainana mandrakizay amin’ny maha “mpiray lova amin’i Kristy” antsika. Namporisika antsika ny Filoha Russell M. Nelson mba “[hisaina] amin’ny fomba selestialy,” ka hanaovantsika ny fanjakana selestialy ho tanjontsika mandrakizay ary avy eo “[hieritreritra] tsara ny toerana hametrahan’ny fanapahan-kevitra tsirairay izay raisin[tsika] eto ambonin’ny tany [antsika] any amin’ny tontolo ho avy.”
“Ireo izay nandray ny tenivavolombelon’i Jesoa, … izay olona marina natao fanaperana tamin’ny alalan’i Jesoa, ilay manalalan’ny fanekempihavanana vaovao” no ireo izay any amin’ny fanjakana selestialy. Ireo mponina ao amin’ilay fanjakana faharoa, na terestrialy, dia faritana hoe olona tsara amin’ny ankapobeny, isan’izany ireo “izay olom-banona teto an-tany, izay nohajambain’ny famitahan’ny olona.” Ny toetra fototra mametra azy ireo dia izy ireo “tsy maherifo amin’ny tenivavolombelon’i Jesoa.” Miavaka amin’izany, ireo izay any amin’ilay fanjakana ambany kokoa, dia ny telestialy, no ireo izay “[tsy nandray] ny filazantsara, na ny tenivavolombelon’i Jesoa.”
Mariho fa ny toetra mampiavaka ny mponina ao amin’ny fanjakana tsirairay dia ny fifandraisan’izy ireo amin’ny “tenivavolombelon’i Jesoa,” manomboka amin’ny (1) fanolorantena amin’ny fo manontolo, mankany amin’ny hoe (2) tsy maherifo, ka hatramin’ny (3) fandavana ankitsirano. Miankina amin’izay asetrin’ny olona tsirairay an’io tenivavolombenon’i Jesoa io ny hoaviny mandrakizay.
I.
Inona no atao hoe tenivavolombelon’i Jesoa?
Izany no tenivavolombelona avy amin’ny Fanahy Masina fa Izy no ilay Zanak’ Andriamanitra masina, ilay Mesia sy Mpanavotra. Izany no tenivavolombelon’i Jaona fa i Jesoa dia tao amin’ Andriamanitra tamin’ny voalohany, fa Izy no ilay Mpahary ny tany sy ny lanitra, ary “tao aminy ny filazantsara, ary ny filazantsara no fiainana, ary ny fiainana no fahazavan’ny olona.” Izany no ilay “fijoroan’ireo Apôstôly sy Mpaminany ho vavolombelona, … fa maty Izy ka nalevina ary nitsangana indray tamin’ny andro fahatelo, ary niakatra ho any an-danitra.” Izany no ilay fahafantarana fa “tsy misy anarana hafa nomena izay hiavian’ny famonjena.” Izany no ilay “tenivavolombelona, ny farany amin’ny rehetra,” nataon’ny Mpaminany Joseph Smith hoe “fa velona Izy! … Fa Izy no Zanaka Lahitokan’ny Ray—fa tamin’ny alalany sy tao Aminy ary avy Aminy no ary sy nahariana ireo tontolo, ary ny mponina eo aminy dia ateraka ho zanakalahy sy zanakavavy ho an’ Andriamanitra.”
II.
Ankoatra io tenivavolombelona io dia mipetraka ilay fanontaniana hoe: Ataontsika inona izy io?
“Mandray” ny tenivavolombelon’i Kristy amin’ny endriny feno indrindra ireo mpandova ny fanjakana selestialy amin’ny alalan’ny fanaovany batisa, ny fandraisany ny Fanahy Masina ary ny fandreseny amin’ny alalan’ny finoana. Ireo fitsipika sy fahamarinana ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy no mamaritra ireo laharam-pahamehany sy ireo safidiny. Miseho eo amin’ny toetoetrany sy izay ahatongavany ny tenivavolombelon’i Jesoa. Ny fihantrana, izay “ny fitiavana madion’i Kristy” no antony manosika azy ireo. Ny fanatrarana ny “ohatry ny halehiben’ny fahafenoan’i Kristy” no ifantohan’izy ireo.
Farafaharatsiny ny sasany amin’ireo izay hiafara any amin’ny fanjakana terestrialy koa dia manaiky ny tenivavolombelon’i Jesoa, saingy ny mampiavaka azy dia ny zavatra tsy ataon’ izy ireo mahakasika izany. Ny hoe tsy maherifo amin’ny tenivavolombelon’ny Mpamonjy dia maneho tsy firaharahiana firy, izany hoe “matimaty”— raha oharina amin’ireo vahoakan’i Amôna ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ohatra, izay “niavaka tamin’ny zotom-pony tamin’ Andriamanitra.”
Ireo mponina ao amin’ny fanjakana telestialy dia ireo izay nandà ny tenivavolombelon’i Jesoa mbamin’ny filazantsarany sy ny fanekempihavanany ary ireo mpaminaniny. Izy ireo dia faritan’i Abinadia ho ireo izay “nandeha araka ny sitrapon’ny nofo sy ny faniriany avy; rehefa tsy niantso na oviana na oviana ny Tompo raha mbola nitsotra taminy ny sandrin’ny famindram-po; satria efa nitsotra taminy ny sandrin’ny famindram-po fa tsy nety izy.”
III.
Inona no dikan’ny hoe maherifo amin’ny tenivavolombelon’i Jesoa?
Misy dikany maromaro azo heverina amin’ny famaliana io fanontaniana io. Hilaza vitsivitsy aho. Azo antoka fa tafiditra ao amin’ny hoe maherifo amin’ny tenivavolombelon’i Jesoa ny fikolokoloana sy ny fanamafisana orina izany tenivavolombelona izany. Ireo mpianatra marina dia tsy manao tsinontsinona ireo zava-bitika mamelona sy mampatanjaka ny fijoroany ho vavolombelona momba an’i Jesoa, toy ny vavaka, ny fandalinana soratra masina, ny fitandremana ny andro Sabata, ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo, ny fibebahana, ny fanompoana, ary ny fitsaohana any amin’ny tranon’ny Tompo. Mampahatsiahy antsika ny Filoha Nelson fa “mety hitotongana amin’ny hafainganam-pandeha izay mampatahotra ny fijoroana ho vavolombelona izay tsy voakolokolo -amin’ny teny soan’ Andriamanitra- [Môrônia 6:4]. Noho izany dia … mila miaina isan’andro ny fitsaohana ny Tompo sy ny fandalinana ny filazantsarany isika.” Nampiany avy teo hoe: “Miangavy anareo aho mba hamela an’ Andriamanitra hanjaka eo amin’ny fiainanareo. Omeo ampahany araka ny tokony ho izy amin’ny fotoananao Izy. Rehefa manao izany ianao dia jereo ny zavatra mitranga amin’ilay fahavitrihana ara-panahy amin’ny tsara ao aminao.”
Ny hoe maherifo dia midika ihany koa hoe maneho ankahalalahana sy ampahibemaso ny tenivavolombelon’ny tena. Amin’ny batisa isika dia manamafy ny fahavononantsika “hijoro ho vavolombelon’ Andriamanitra amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny zava-drehetra ary amin’ny toerana rehetra izay mety hisy [antsika], na dia hatramin’ny fahafatesana aza.” Amin’izao vanim-potoan’ny Paska izao isika dia manambara amim-pifaliana sy ampahibemaso ary ankahalalahana ny tenivavolombelontsika momba ilay Kristy velona izay nitsangana tamin’ny maty.
Lafiny iray amin’ny hoe maherifo amin’ny tenivavolombelon’i Jesoa ny manaraka ireo izay nirahiny. Tsy manery antsika Andriamanitra hankeo amin’ny lalana tsara kokoa, dia ny lalan’ny fanekempihavanana, saingy manome toromarika ireo mpaminany Izy mba hanao izay hahafantarantsika tsara ireo vokatry ny safidintsika. Ary tsy ireo mpikamban’ny Fiangonany ihany no voakasik’izany. Amin’ny alalan’ireo mpaminaniny sy apôstôliny no italahoany am-pitiavana amin’ireo rehetra manerana izao tontolo izao mba hanaraka ilay fahamarinana izay hanafaka azy ireo, tsy hampadalo azy ireo fahoriana tsy ilaina, ary hitondra fifaliana ho azy ireo.
Ny hoe maherifo amin’ny tenivavolombelon’i Jesoa dia midika koa hoe mankahery ny hafa amin’ny teny sy ohatra mba ho maherifo toy izany koa, indrindra ireo fianakaviantsika manokana. Indray mandeha ny Loholona Neal A. Maxwell dia niresaka momba ireo “raha ny marina, ‘olom-banona’ mpikamban[’ny Fiangonana] izay misafosafo ety ambony fotsiny fa tsy miroboka lalina manatevina ny maha mpianatra azy ireo ary zara raha mirotsaka fa tsy ‘[m]azoto mirotsaka’ (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:75; 58:27.” Nomarihan’ny Loholona Maxwell fa afaka manao safidy ny rehetra, koa nitoloko izy hoe: “Indrisy anefa fa rehefa misafidy ny hanao an-tsirambina ny sasany dia tsy ho an’ny tenan’izy ireo fotsiny ihany ny safidy ataony fa ho an’ny taranaka mandimby koa sy ny manarak’izay. Ireo zavatra bitika manjavozavo eo amin’ny ray aman-dreny dia mety hahatonga ireo zanany hivaona izay tsy izy! Mety ho naneho fahazotoana ireo taranaka tany aloha tao amin’ny fianakaviana iray, raha ny sasany amin’ny taranaka ankehitriny kosa manao an-tsirambina. Ary mampalahelo fa, amin’ny taranaka manaraka, dia mety hisy ny hisafidy ny hikomy rehefa mamely mafy ny fikaohan’ny riaka.”
Taona maro lasa izay no nitantaran’ny Loholona John H. Groberg ny tantarana fianakaviana vao iray nonina tao amina sampana kely iray tany Hawaii tany amin’ny voalohandohan’ny taona 1900. Sahabo ho roa taona no naha mpikambana azy ireo raha narary voan’aretina tsy fantatra ny zanakavavin’izy ireo ka naiditra hôpitaly. Tany am-piangonana ny alahadin’io dia nanomana ny fanasan’ny Tompo toy ny fanaony isan-kerinandro ilay raim-pianakaviana sy ny zananilahy, saingy raha nandohalika iny ilay raim-pianakaviana vao erotrerony hanamasina ny mofo dia tonga saina tampoka ny amin’ilay olona teo amin’ny latabatry ny fanasan’ny Tompo ilay filohan’ny sampana ka nitsamboatra ary nihiaka mafy hoe: “Ajanòny. Tsy mahazo mikasika ny fanasan’ny Tompo ianao. Misy aretina tsy fanta-pihaviana ny zanakao vavy. Mialà teo izao dieny izao, fa olon-kafa no hanomana mofo vaovao ho an’ny fanasan’ny Tompo. Tsy afaka mamela anao hijanona eo izahay. Mandehana.” Sady sanganehana ilay raim-panakaviana no zendana nibanjina ilay filohan’ny sampana, avy eo ny mpiara-miangona, ary nahatsapa ny tahotra sy ny henatry ny rehetra izy ka nanome baiko moana ny fianakaviany, ary nitsaitsaika nivoaka tsirairay ilay trano fivavahana izy ireo.
Gina sy kivy ilay fianakaviana teny an-dalana nody ho any an-tokantranonkelin’izy ireo. Tonga tany izy ireo dia nipetraka nanao faribolana, ary niteny ilay raim-pianakaviana hoe: “Iangaviako ianareo hangina mandra-pahavonona ahy hiteny.” Nanontany tena ilay zanakalahy kely hoe inona no hataon’izy ireo hamaliana faty ny fanalam-baraka nanjo azy ireo: hovonoin’izy ireo ve ny kisoan’ilay filohan’ny sampana, sa hodoran’izy ireo ny tranony, sa hifindra fiangonana hafa izy ireo? Nandeha tao anatin’ny fahanginana ny dimy minitra, folo minitra, fahefak’adiny, dimy amby roapolo minitra.
Nanomboka nitsotra ny totohondry nivokon’ilay raim-pianakaviana ka nirotsaka ny ranomaso. Nanomboka nitomany ilay renim-pianakaviana ary vetivety dia nifokofoko mangina ireo zanaka. Nitodika tany amin’ny vadiny ilay raim-pianakaviana ary niteny hoe: “Tiako ianao” ary naveriny tamin’ireo zanany tsirairay ireo teny ireo. “Tiako daholo ianareo rehetra ary tiako ho hiaraka mandrakizay ny fianakaviantsika. Ary ny hany fomba hahatanteraka izany dia mila hoe mpikambana tsara ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany isika rehetra ka hofehezin’ny fisoronana masina any amin’ny tempoly. Tsy fiangonan’ny filohan’ny sampana io. Fa Fiangonan’i Jesoa Kristy. Tsy hisy na iza na iza, na fanafitohinana inona, na fahafaham-baraka inona, na hambom-po inona avelantsika hanakana antsika tsy ho iray mandrakizay. Hiverina any am-piangonana isika amin’ny alahady manaraka. Hitokatokana isika mandra-pahafantatra ny aretin’ny zanatsika vavy, saingy hiverina isika.”
Niverina tany am-piangonana tokoa izy ireo, sitrana ny zanakavavin’izy ireo, ary rehefa vita ny Tempolin’i Laie Hawaii dia nohehezina tany io fianakaviana io. Ankehitriny dia olona mihoatra lavitra ny 100 no miantso ny rain’izy ireo, raiben’izy ireo, ary ray aman-dreniben’izy ireo hoe sambatra noho izy nibanjinana ny mandrakizay.
Ny lafiny iray farany amin’ny hoe maherifo amin’ny tenivavolombelon’i Jesoa holazaiko dia ny fikatsahantsika tsirairay ny fahamasinan’ny tena manokana. I Jesoa no hany Mpanavotra antsika, ary miangavy Izy hoe: “Mibebaha, ianareo rehetra faran’ny tany, ary mankanesa aty Amiko ary aoka hatao batisa amin’ny anarako mba hahazoana manamasina anareo amin’ny fandraisana ny Fanahy Masina, mba hahazoanareo mijoro tsisy pentina eo anoloako amin’ny andro farany.”
I Môrmôna mpaminany dia nitantara momba ny vondron’Olomasina iray izay naharitra toy izany na dia voatery “[na]makivaky fahoriana be” aza.
“Na dia teo aza izany, dia nifady hanina sy nivavaka matetika izy, ary nihanahery kokoa hatrany hatrany tao amin’ny fietreny sy nihamafy kokoa hatrany hatrany tao amin’ny finoana an’i Kristy, hany ka heniky ny fifaliana sy ny fiononana ny fanahiny, eny, na dia hatramin’ny fanadiovana sy ny fanamasinana ny fony aza, izay fanamasinana tonga noho ny nanolorany ny fony ho an’ Andriamanitra.” Io fiovam-po mahery vaika io, manolotra ny fontsika amin’ Andriamanitra ary hateraka indray ara-panahy amin’ny alalan’ny fahasoavan’ny Mpamonjy, io no katsahintsika.
Ny fanasako dia ny hanaovanao zavatra amin’izao ankehitriny izao hiantohana ny toeranao ho isan’ny maherifo amin’ny tenivavolombelon’i Jesoa. Rehefa mety ilaina ny fibebahana dia “[aza ahemotra] ny andron’ny fibebahanareo,” fandrao “amin’ny ora izay tsy ampoizinareo no ho lasana ny fahavaratra ary ho tapitra ny fijinjana nefa tsy voavonjy ny fanahinareo.” Aoka ianao hazoto amin’ny fitandremana ny fanekempihavananao amin’ Andriamanitra. Aza “tafintohina […] noho ny maha-henjana ny teny.” “[Tsarovy] ny hitana ilay anara[n’i Kristy] ho voasoratra mandrakariva ao am-ponareo, … mba handrenesanareo sy … hahalalanareo … ny feo izay hiantsoana anareo, ary koa ny anarana izay hiantsoany anareo.” Farany: “Koa ahoreno ao am-ponareo izao, fa ianareo dia hanao ny zavatra izay hampianari[n’i Jesoa] anareo, sy handidia[ny] anareo.”
Ny Raintsika dia maniry an’ireo zanany rehetra, izay manam-paniriana, hiaina ny fiainana mandrakizay miaraka Aminy any amin’ny fanjakana selestialiny. Nijaly sy maty ary nitsangana tamin’ny maty i Jesoa mba hahatanteraka izany. “Niakatra any an-danitra [Izy] ary efa mipetraka eo an-tanana ankavanan’ Andriamanitra mba hitaky amin’ny Ray ny zon’ny famindram-po izay ananany amin’ny zanak’olombelona.” Mivavaka aho mba hananantsika rehetra tenivavolombelona mivaivay an’i Jesoa Kristy Tompo, hiravo sy ho maherifo amin’izany tenivavolombelona izany ary hianoka ireo vokatra entin’ny fahasoavany eo amin’ny fiainantsika. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.