Liahona
Loholona Sandino Roman
Mey 2024


“Loholona Sandino Roman,” Liahona, mey 2024.

Loholona Sandino Roman

Fitopololahy Manampahefana Ambony

Nampahafantarina ny filazantsara tamin’ny fahazazany ny Loholona Sandino Roman. Nitondra azy sy ny anabaviny hiara-mivory tamin’ireo mpikamban’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany miisa 15 hafa tao amin’ny trano fiangonana kely iray tao Mexico ny naman’ny reniny iray isaky ny alahady. 

Nivavaka isan’andro ity zaza dimy taona mba ho lasa miova fo ho an’ny filazantsara ny fianakaviany. Roa taona taty aoriana dia natao batisa ny reniny sy ny rainy. Nanao batisa azy ny rainy herintaona taorian’izay. “Fantatro, noho izany antony izany, fa maheno ny vavaky ny ankizy ny Tompo,” hoy ny Loholona Roman.

Nisy fiantraikany nanova ny fianakaviany ny fanekena ny filazantsara sy ny fanompoana tao amin’ny Fiangonana. “Nahita ny vokatra farany entin’ny filazantsara eo amin’ny fiainana aho,” hoy ny Loholona Roman. “Fantatro fa mitondra fahasambarana sy fanantenana izany.”

Teraka tamin’ny 7 aogositra 1973 tao i Iguala, Guerrero, Mexique i Sandino Roman, ary zanak’i Lidia Corral sy i Prometeo Roman. Nihaona tamin’i Guadalupe Villanueva Rojas i Roman nandritra ny fotoana nilalaovany tao amin’ny ekipa mpilalao volleyball tao amin’ny lisea Benemérito de las Américas an’ny Fiangonana. Nofehezina tao amin’ny tempolin’i Mexico City Mexique izy ireo tamin’ny 19 desambra 1998. Manan-janaka efatra izy ireo.

Nahazo mari-pahazaina licence en système informatique avy amin’ny ITESM (Institut de technologie et d’études supérieures de Monterrey) ny Loholona Roman tamin’ny 2000, ary maîtrise momba ny fitantanan-draharaha ao amina orinasa avy amin’ny Brigham Young University tamin’ny 2006. Tale ara-barotra tao amin’ny Johnson & Johnson izy ary tale mpitantana ny Biraon’ny sampandraharaha misahana ny fanampiana tao amin’ny Vondromparitra Mexico an’ny Fiangonana.

Tamin’ny fotoana niantsoana azy, dia mpitarika ny Misiônan’i Equateur Quito Avaratra izy sy ny vadiny. Ny Loholona Roman dia efa Fitopololahin’ny Vondromparitra, mpanolotsaina tao amin’ny fiadidian’ny tsatòka, eveka, mpikambana tao amin’ny filankevitra avo, ary filohan’ny kôlejin’ny loholona.

Nilaza ny Loholona Roman fa ny hahazo ny fitokian’ny Tompo no tanjony lehibe indrindra eo amin’ny fiainana, na aiza na aiza no anompoany. “Tiako ho fantany fa afaka matoky ahy hanao ny asany Izy,” hoy izy.