Liahona
Lasa fananan’ny Fiangonana ny Tempolin’i Kirtland sy ireo tany sy trano hafa
Mey 2024


“Lasa fananan’ny Fiangonana ny Tempolin’i Kirtland sy ireo tany hafa,“ Liahona, mey 2024.

Vaovaom-piangonana

Lasa fananan’ny Fiangonana ny Tempolin’i Kirtland sy ireo tany sy trano hafa

Tamin’ny 5 martsa 2024 no nafindra tamin’ny fomba ôfisialy avy amin’ny Community of Christ nankamin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany tamin’ny teti-bidy nifanarahana ny fahefana hiandraikitra sy ny zom-pananana ho an’ny Tempolin’i Kirtland ao Ohio sy ireo trano manan-tantara maro ao Nauvoo Illinois ary sora-tanana sy vakoka isan-karazany.

Notokanana tamin’ny 1836 ny tempolin’i Kirtland (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109–110), saingy tsy maintsy nandao izany fotoana fohy taorian’izay ny Olomasina noho ny fanenjehana. Nikatona nandritra ny fotoana fohy ny tempoly taorian’ny famindrana vao haingana ny zom-pananana, fa efa nosokafana indray mba hotsidihin’ny daholobe maimaim-poana ny 25 martsa. Hijanona ho trano manan-tantara natao hotsidihina izany.

Tahaka izany koa, ny tany sy ny tranon’ny Fianakaviana Smith, ilay Trano lehibe (tranon’i Joseph sy Emma nanomboka tamin’ny 1843 ka hatramin’ny nahafatesany tamin’ny 1844), ary ilay Tsena vita amin’ny biriky mena (izay nanorenana ny Fikambanana Ifanampiana) ao Nauvoo dia naverina nosokafana ihany koa mba hotsidihin’ny daholobe maimaim-poana mandritra ny iray taona.

Hamoaka printy