Liahona
Loholona Gregorio E. Casillas
Mey 2024


“Loholona Gregorio E. Casillas,” Liahona, mey 2024.

Loholona Gregorio E. Casillas

Fitopololahy Manampahefana Ambony

Teraka tao Tijuana, Baja California, Mexique tamin’ny 26 aogositra 1975 i Gregorio Enrique Casillas. Nipetraka tany izy mandra-pahatonga azy ho misiônera nanompo tamin’ny fotoana feno tao amin’ny Misiônan’i Mexico Tampico.

Nofehezina tao amin’ny Tempolin’i San Diego Californie tamin’ny jona 1999 izy sy i Alma Angelina Obeso Gonzalez. Manan-janaka telo izy ireo.

Talohan’ny nivadian’izy roa dia nifanelanelana 161 km ny toerana nipetrahan’izy ireo raha mbola nianatra tany Tijuana i Gregorio ary nianatra tany Mexicali i Alma. Nivavaka sy nifady hanina izy ireo tao anatin’ireo volana talohan’ny fanambadiany mba hahafantarana ny toerana hipetrahana sy hanorenana fianakaviana. Tadidin’ny Loholona Casillas ny fahatsapana azony avy amin’ny Fanahy Masina.

“Tadidiko fa teo am-pifadianay hanina dia renay ny Tompo niteny hoe -Raha i La Rumorosa [tendrombohitra lehibe eo anelanelan’ny tanan-dehibe roa] no sakana ho anareo, dia hoesoriko izany,-” hoy ny Loholona Casillas.

Nesorin’ny Tompo hoy izy ny sakan-dalana mba hahafahan’izy roa niaraka tany Mexicali rehefa tsy nampoizina fa nanaiky nandray azy ho mpianatra nafindra toerana ilay oniversite.

Rehefa tao Mexicali dia “nihaona tamin’olona izay nilainay nihaonana izahay. Ary nanompo tamina antso izay tokony nanompoanay,” hoy izy.

Nametraka lamina ho an’ny fiainan’izy ireo miaraka izany zavatra niainana izany. “Rehefa mametraka an’ Andriamanitra ho lohalaharana isika dia haka ny toerana tokony hisy azy ny zavatra rehetra,” hoy ny Loholona Casillas. “Mitaky finoana misimisy kokoa sy asa misimisy kokoa izany, ary avy eo ny Tompo dia manatsotra ny tanany mba hitahiana antsika.”

Nahazo mari-pahaizana licence en génie civil avy amin’ny Universidad Autónoma de Baja California ny Loholona Casillas. Nahazo mari-pahaizana maîtrise momba ny fitantanan-draharaha ao amina orinasa avy amin’ny Xochicalco University ihany koa izy. Niasa tamin’ny fitantanana tetikasa momba ny fanorenana fotodrafitrasa izy ary vao haingana izy no tale misahana ny tany sy tranon’ny tempoly eo anivon’ny vondromparitra ho an’ny Vondromparitra Mexico an’ny Fiangonana.

Ny Loholona Casillas dia efa Fitopololahin’ny Vondromparitra, filohan’ny misiôna tao amin’ny Misiônan’i Mexico Mexico City Atsimo, filohan’ny tsatòka, eveka, mpikambana tao amin’ny filankevitra avo, filohan’ny kôlejin’ny loholona, ary filohan’ny zatovolahy tao amin’ny paroasy.

Hamoaka printy