Liahona
Rahalahy Chad H Webb
Mey 2024


“Rahalahy Chad H Webb,” Liahona, mey 2024.

Rahalahy Chad H Webb

Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Fiadidian’ny Sekoly Alahady Maneran-tany

Fony izy tovolahy dia nianatra tao amin’ny sekoly ambaratonga ambony tao Eastern Utah (izay lasa Utah State University Eastern amin’izao fotoana izao) i Chad Webb, ary tao no nahazoany traikefa ara-panahy fototra izay nampitombo ny fijoroany ho vavolombelona momba ny filazantsara. Niantomboka tamin’ny faniriana hanamafy orina ny finoany izany zavatra niainana izany.

Ankoatra ny fanaovana entimody sy ny filalaovana basketball tao amin’ny ekipan’ny oniversite nisy azy, dia nataon-dRahalahy Webb laharampahamehana ihany koa ny fandalinana soratra masina, ny fivavahana ary ny fisaintsainana teo am-piomanany hanao asa fitoriana amin’ny fotoana feno tany Veracruz, Mexique.

Nandeha nitsangantsangana maharitra nanodidina an’i Price Utah izy indray alina nangatsiaka, dia nieritreritra ireo zavatra rehetra nianarany. Nisy fitarihana avy amin’ Andriamanitra tonga taminy rehefa niditra tao amina toeram-piantsonan’ny fiara tsy nisy na inona na inona iray izy.

“Tsapako fa azoko daholo ny valin’ireo vavaka nataoko sy ny fanontaniako rehetra, ary tsapako lalina tokoa fa tena marina ny filazantsara sy ny Fiangonana,” hoy izy. “Nazava be tokoa ireo fahamarinana ireo rehefa tonga tao an-tsaiko, nomban’ny fahatsapana fa nahafantatra ahy ny Ray any An-danitra. Tsapako ny fitiavany sy ny fitarihany. Iray tamin’ireo zavatra nisy akony lehibe niainako tany aloha mba hampitombo ny fijoroana ho vavolombelona nananako izany.”

I Chad H Webb dia teraka tao Rexburg, Idaho, Etazonia, ny 18 desambra 1964, ary zanak’i Larry George Webb sy i Paige Webb. Lehibe tao amin’ny faritra atsimo atsinanan’ Idaho izy ary nanambady an’i Kristi Ann Bronson tao amin’ny Tempolin’i Logan Utah ny 4 aogositra 1990. Monina ao Layton, Utah, Etazonia izy ireo ary manan-janaka enina.

Nahavita fianarana tao amin’ny Brigham Young University Rahalahy Webb ary nahazo mari-pahaizana licence tamin’ny fianarana teny Espaniôla sy mari-pahaizana maîtrise en Leadership pédagogique et en principes fondamentaux de l’éducation. Nampianatra kilasy seminera maromaro tao Salt Lake City sy kilasy institiota tao Virginie Utah izy, nandrindra ireo fandaharanasa an’ny institiota tao Washington, D.C., ary nanara-maso ny fampiofanana sy ny fisafidianana ireo mpampianatra seminera. Mpitantana ny Seminera sy Institiota Fianarana ny Filazantsara izy hatramin’ny 2008.

Nisaorana tamin’ny naha-filohan’ny tsatòka Layton Utah Valley View azy Rahalahy Webb fotoana fohy talohan’ny niantsoana azy. Isan’ny antsony teo aloha ny eveka, mpikambana tao amin’ny filankevitra avo, ary filohan’ny kôlejin’ny loholona.

Hamoaka printy