Liahona
Loholona Aroldo B. Cavalcante
Mey 2024


“Loholona Aroldo B. Cavalcante,” Liahona, mey 2024.

Loholona Aroldo B. Cavalcante

Fitopololahy Manampahefana Ambony

Rehefa nasain’ny zanaky ny mpiray tampo iray amin’ireo ray aman-dreniny i Aroldo B. Cavalcante fony izy 18 taona dia nanatrika fihaonambem-paritra iray tamin’ny 1988 izay niarahana tamin’ny Filoha Gordon B. Hinckley (1910–2008), izay Mpanolotsaina Voalohany tao amin’ny Fiadidiana Voalohany tamin’izany.

“Nahatsapa zavatra mahery vaika aho,” hoy izy nitantara. “Afaka nahita zavatra tena tsara tao amin’ny Filoha Hinckley aho.”

Na dia nandeha tany am-piangonana aza izy nandritra ireo telo taona manarak’izay, dia tsy natao batisa izy. Nisy misiônera nandondona ny varavarany indray andro. Nihazona ny bokim-paritr’izy ireo izy ireo, dia namaky ny zavatra nosoratan’ireo misiônera teo aloha momba azy. Ny nanan-danja taminy dia ilay fehezanteny farany hoe: “Tsy te hanolo-tena ho an’i Jesoa Kristy izy.”

Nitantara ny Loholona Cavalcante hoe: “Noheveriko fa tena nanolo-tena ho an’i Jesoa Kristy tokoa aho, ary mafy be tamiko ny nandre io andalana io.”

Rehefa nanontany tena izy raha toa ka izany koa no fiheveran’ny Mpamonjy azy, dia nanontany izy hoe: “Inona no azoko atao mba hanovana izany ry Elder isany?-”

Nanomboka nampianatra azy ireo misiônera, dia natao batisa ilay tovolahy 21 taona 10 andro monja taorian’izay. Hatramin’io fotoana io dia nanolo-tena ho an’ny filazantsaran’ny Mpamonjy ny Loholona Calvalcante.

“Tsy momba antsika io asa io. Momba ny Mpamonjy izany. Ary miezaka manao izay tsara indrindra vitako aho ho Azy, fa tsy ho ahy,” hoy ny Loholona Cavalcante.

Teraka tamin’ny 22 nôvambra 1970 tao Fortaleza Ceará Brésil i Aroldo Barreto Cavalcante Filho. Nofehezina tamin’i Christiana Ramalho Bezerra Leite tao amin’ny Tempolin’i Recife Brésil izy ny 21 janoary 2004. Manan-janaka efatra izy ireo.

Ny Loholona Cavalcante dia nahazo diplaume de troisième cycle momba ny Droit administratif avy amin’ny Oniversite federalin’i Ceará tamin’ny 1997. Mpahay lalàna tao amin’ny Procuradoria Geral do Município izy nanomboka tamin’ny 1997 ka hatramin’ny 2005, ary mpiara-miasa mpitantana ny Barreto Cavalcante Advogados nanomboka tamin’ny 1999.

Talohan’ny nanomezana azy antso ho Fitopololahy Manampahefana Ambony, dia filohan’ny misiôna tao Brésil ny Loholona Cavalcante. Efa Fitopololahin’ny Vondromparitra, filohan’ny tsatòka, eveka ary mpanolotsaina tao amin’ny episkôpà koa izy.

Hamoaka printy