Liahona
Loholona Sergio R. Vargas
Mey 2024


“Loholona Sergio R. Vargas,” Liahona, mey 2024.

Loholona Sergio R. Vargas

Fitopololahy Manampahefana Ambony

Rehefa latsa-pitia tamin’i Andrea Sanchez ny Loholona Sergio R. Vargas, dia nieritreritra izy fa nanana vahaolana tsotra tamin’ny fahasamihafan’ny fivavahan’izy ireo: hanao fanambadiana iray ao amin’ny fiangonany izy ireo ho an’ny fianakavian’ny Loholona Vargas ary hanao fanambadiana iray any amin’ny fiangonan’i Andrea ho an’ny fianakaviany.

Vetivety anefa dia fantany fa tsy ho mora toy izany ny hanao izany. Mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany i Andrea ary fanambadiana tany amin’ny tempoly no tiany natao. Noho izany dia nasain’i Andrea izy hianatra misimisy kokoa tamin’ny misiônera momba ny finoany.

Nanaiky ilay fanasana ny Loholona Vargas, ary nanova ny fiainany izany.

Nampahatsiahiviny fa niasa tao amina orinasa mpivarotra saumon izy tamin’izany, nanampy tamin’ny fitaterana trondro velona tamin’ny sambo. Nandritra ny dia naharitra 25 ora, dia nahita toerana mangina hamakiana ny Bokin’i Môrmôna sy anontaniana ny Ray any An-danitra momba ny filazantsara izy. Fotoana nitrangan’ny fiovana ara-panahy lehibe izany.

Teraka tamin’ny 2 nôvambra 1976 tao Puerto Varas Chili ny Loholona Vargas, izay toerana nitaizana azy sy ireo mpiray tam-po aminy miisa roa. Nikarakara tokantrano i Gladys Barria reniny, raha toa kosa i Renato Vargas rainy ka pôlisy mpitandro ny filaminana. Na dia teo aza ny fihaonany tamin’ireo misiônera fony izy zatovolahy, dia nahaliana azy kokoa ny filalaovana basketball raha noharina tamin’ ny fianarana ny filazantsara.

Tsy vonona ny hihaino ireo misiônera tamin’ny saina sy fo vonona handray ny Loholona Vargas raha tsy tamin’ny fotoana nihaonany tamin-dRahavavy Vargas, hoy izy. Nivady izy ireo tamin’ny 26 jolay 2003 ary nofehezina tao amin’ny Tempolin’i Santiango Chili taty aoriana. Manan-janaka telo izy mivady.

Fitopololahin’ny Vondromparitra tao amin’ny Vondromparitra Atsimon’i Amerika Atsimo ny Loholona Vargas rehefa nantsoina ho Fitopololahy Manampahefana Ambony. Isan’ny antsony teo aloha tato amin’ny Fiangonana ny naha-mpikambana azy tao amin’ny filankevitra avo, filohan’ny sampana, ary filohan’ny tsatòka.

Nahazo mari-pahazaina licence en ressources marines avy amin’ny Oniversite an’i Los Lagos ny Loholona Vargas tamin’ny 1999, ary nahazo diplaoma momba ny fitantanan-draharaha ao amina orinasa avy amin’ny Oniversite Austral tamin’ny 2002. Vao haingana izy no tale misahana ny famokarana sy ny fitantanan-draharaha ao Ventisqueros, izay mpikambana ao amin’ny vondron’orinasa Schörghuber alemana.

Hamoaka printy