Liahona
Loholona David L. Buckner
Mey 2024


“Loholona David L. Buckner,” Liahona, mey 2024.

Loholona David L. Buckner

Fitopololahy Manampahefana Ambony

Teraka tamin’ny 27 septambra 1963 tao Ogden, Utah Etazonia ny Loholona David L. Buckner, kanefa “nihamatotra” rehefa nipetraka tao Sacramento Californie Etazonia nandritra ny telo taona.

I David, izay faralahy tamin’ireo zanaka dimin’i Melba sy i E. LaMar Buckner, dia nifindra tany Californie niaraka tamin’ny fianakaviany teo amin’ny faha-11 taonany rehefa nantsoina mba hiahy ny misiônan’ny Fiangonana tao Sacramento ny rainy. Nianatra ny fomba hahazoana namana izy rehefa lavitra ireo namany efa hatry ny ela tao Utah, ary nahita “rahalahy sy anabavy zokiny miisa 300” teo anivon’ireo misiônera nanompo tamin’ny fotoana feno.

Fa ny tena zava-dehibe dia niorim-paka ny fijoroana ho vavolombelona nananany momba ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. “Nanova ny zava-drehetra ho ahy izany zavatra niainana tany amin’ny misiôna izany,” hoy izy.

Taty aoriana izy dia nanompo tao amin’ny Misiônan’i Équateur Guayaquil. Telo volana monja tany amin’ny asa fitoriana nataony, nandritra ny naha-filohan’ny sampana azy tao an-tanànan’i Jipijapa, dia niara-ory tamin’ireo mpikambana tao amin’ny sampana sy ny hafa izy rehefa nisy zazalahy 11 taona maty an-drano teo am-pandraisany anjara tamina fiaraha-mientana iray nataon’ny Fiangonana.

Nahazo fijoroana ho vavolombelona tsy voahozongozona momba ny drafitry ny famonjena izy rehefa nitalaho tamin’ny Ray any An-danitra tao anatin’ireo herinandro sy volana taorian’izay. Nahita maso ny fangorahan’ny Tompo ihany koa izy rehefa nanaiky ny filazantsara ireo olona hafa teo anivon’ny fiarahamonina. Niara-lasa nahatakatra ny toetra masin’ny fiainana sy ny herin’ny fahasoavan’ny Tompo izy ireo.

Nianatra tao Brigham Young University ny Loholona Buckner taorian’ny asa fitoriana nataony, ary tao izy no nihaona tamin’i Jennifer Romney Jackson. Nivady tao amin’ny Tempolin’i Salt Lake izy ireo tamin’ny 30 aogositra 1990. Lehibe tao New York Etazonia Rahavavy Buckner, ary nifindra tany izy mivady taorian’ny fanambadiany. Tao Manhattan no nitaizan’izy ireo ny zanany dimy, ary tao no nisoloan’ny Loholona Buckner tena ny Fiangonana tao amin’ilay Vaomieran’ny mpitarika ara-pivavahana fanta-daza.

Nahazo mari-pahazaina licence momba ny fitantanam-bola avy amin’ny BYU ny Loholona Buckner tamin’ny 1988, ary maîtrise momba ny fitantanan-draharaha ao amina orinasa avy amin’ny Durham University tamin’ny 1991. Nahazo mari-pahazaina maîtrise momba ny fifandraisana iraisam-pirenena avy amin’ny BYU ihany koa izy tamin’ny 1995 ary doctorat momba ny lalàna avy amin’ny BYU tamin’ny 1996. Mpampianatra tany amin’ny oniversite izy, ary filohan’ny Bottom Line Training sy ny Consulting Inc hatramin’ny 1999. Ny Loholona Buckner dia efa Fitopololahin’ny Vondromparitra, filohan’ny tsatòka, mpikambana tao amin’ny filankevitra avo, ary eveka.

Hamoaka printy