Liahona
Rahalahy Gabriel W. Reid
Mey 2024


“Rahalahy Gabriel W. Reid,” Liahona, mey 2024.

Rahalahy Gabriel W. Reid

Mpanolotsaina Faharoa ao amin’ny Fiadidian’ny Sekoly Alahady maneran-tany

Ho an’i Gabriel W. Reid, dia isan’ireo ampahan-javatra manome fahafaham-po lehibe indrindra amin’ny maha mpitarika ao amin’ny misiôna ny mahita ireo misiônera “[mivoky] amin’ny tenin’i Kristy,” miezaka ny ho tia ny soratra masina, ary maniry ny ho lasa tahaka ny Mpamonjy kokoa.

“Raha tena takatrao marina ny fomba hahatonga ny fandalinanao ny filazantsara ho -tsara- aminao, araka izay voalaza ao amin’ny soratra masina [jereo ny Almà 32:28], dia izay no fotoana hiovan’ny fiainanao,” hoy Rahalahy Reid, izay hamarana ny asa fanompoany amin’ny maha filohan’ny Misiôna Australie Sydney azy amin’ny volana jolay.

Teraka tao Pago Pago, Samoa américaines Rahalahy Reid. Miteny samôana, espaniôla, ary anglisy izy. Nilaza izy fa ny teny hoe mivoky ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia nadika hoe “taumamafa fiafia” amin’ny teny samôana ary “deleitar” amin’ny teny espaniôla. Nilaza izy fa samy miresaka fisitrahana ireo teny roa ireo.

Amin’ny maha mpanolotsaina ahy ao amin’ny Fiadidian’ny Sekoly Alahady vaovao, dia “maika ery aho ny hanampy ny hafa hahita fa mitondra fifaliana lehibe tokoa ny mamakafaka ny soratra masina,” hoy izy.

Teraka tamin’ny 28 mey 1977 i Gabriel “Gabe” Walter Po’u Reid, izay zanak’i Eugene sy i Tupu Reid ary lehibe tao amin’ny tanànan’i Leone ao Samoa américaines. Nanomboka fony izy mbola kely ny fitiavany an’ Andriamanitra sy ny fananany faniriana hametraka Azy ho lohalaharana, ary nanohana azy izany rehefa nilalao baolina kitra tao amin’ny Brigham Young University izy nanomboka tamin’ny 1999 ka hatramin’ny 2002 ary avy eo dia niasa tao amin’ny Ligin’ny baolina kitra nasiônaly nanomboka tamin’ny 2003 ka hatramin’ny 2006.

Nianatra lesona manan-danja izy nandritra izany fotoana teo amin’ny fiainany izany hoe: “Rehefa miteny zavatra aminao ny Tompo, dia -manolo-tena tanteraka amin’ny fonao manontolo hanao izany ianao.-”

Nanambady an’i Heather Lynn Sasse tao amin’ny Tempolin’i Bountiful Utah izy tamin’ny 24 jona 2000. Manan-janaka efatra izy ireo. Nahavita fianarana tao BYU izy tamin’ny 2002 ary nahazo mari-pahaizana licence momba ny fifandraisan’ny firenena maneran-tany. Manana orinasa mpitantana fanorenana fotodrafitrasa izy ankehitriny.

Ankoatra ny fiahiana ny Misiôna Australie Sydney, Rahalahy Reid dia efa mpanolotsaina tao amin’ny fiadidian’ny tsatòka, mpikambana tao amin’ny filankevitra avo, eveka, filohan’ny Zatovolahy tao amin’ny paroasy, mpiasa mpanao ôrdônansin’ny tempoly, ary misiônera nanompo tamin’ny fotoana feno tao amin’ny Misiônan’i Chili Santiago Atsimo nanomboka tamin’ny 1996 ka hatramin’ny 1998.

Hamoaka printy