Liahona
Ny fitamberimberenana mahery vaika sy mahasoan’ny fotopampianaran’i Kristy
Mey 2024


Ny fitamberimberenana mahery vaika sy mahasoan’ny fotopampianaran’i Kristy

Manasa anareo aho hamerimberina sy hanatsara amin’ny nahim-po ny fiainanareo ny fotopampianaran’i Kristy ary hanampy ny hafa eo amin’ny lalana misy azy ireo.

Taona maro lasa izay, dia niara-dia tamina mpizahatany hafa hanao fitsangantsanganana amin’ny kayak tao amin’ny faritanin’i Hawaii any Etazonia izaho sy i Ruth vadiko ary i Ashley zanakay vavy. Ny kayak dia lakana difo-drano amin’ny ampahany mitovy amin’ny canoë ka ny mpivoy azy dia mipetraka mitodika any aloha ary mampiasa fivoizana misy lelany roa mba hanosehana avy any aloha mankany aoriana ny ilany iray dia ny ilany iray hafa avy eo. Ny drafitra dia ny hivoy hankamin’ny nosy kely anankiroa tsy lavitry ny morontsirak’i Oahu dia miverina avy eo. Natoky tena aho satria fony aho zatovolahy dia nivoy kayak nanerana ireo farihy tany an-tendrombohitra. Tsy tsara mihitsy io mirehareha io, sa tsy izany?

Nanome toromarika anay ny mpitari-dalana ary nampiseho anay an’ireo kayak fampiasa an-dranomasimbe ho ampiasainay. Tsy nitovy tamin’ireo efa novoiziko izany. Tokony hoe mipetraka eo ambonin’ilay kayak aho fa tsy milatsaka ao anatin’izany. Rehefa nitaingina ilay kayak aho dia ambony kokoa noho ny nahazatra ahy ny ivon’ny herin-tsintona, ary somary nivembena aho rehefa tao anaty rano.

Raha nanomboka iny izahay dia nivoy haingana kokoa noho i Ruth sy Ashley aho. Rehefa ela ny ela dia lasa aloha be mihoatra azy ireo aho. Na dia faly ery noho ny hafainganako feno fahasahiana ary aho, dia niato tamin’ny fivoizana aho ary niandry azy ireo mba hahatratra ahy. Nisy onja goavam-be mihitsy—teo amin’ny 13 santimetratra teo—nandòna ny ilan’ny kayak-ko ka nampianjera ahy tany anaty rano. Efa nihoaran’i Ruth sy i Ashley aho vao nahatafaverina ilay kayak tamin’ny laoniny ary nanahirana mihitsy ny nitaingina azy indray, nisefosefo loatra anefa aho avy eo ka tsy afaka nanohy ny fivoizana. Raha mbola iny tsy tafatombina tsara iny akory aho dia nisy onja iray hafa indray, tena ngeza be mihitsy ity indray mitoraka ity—20 santimetra farafahakeliny—nandòna ny kayak-ko ary nampitsimbadika ahy indray. Rehefa nahavita nampijoro ilay kayak aho dia tena reraka tokoa hany ka natahotra ny tsy afaka hiverina hitaingina azy indray.

Noho ny fahitana ny toe-javatra nisy ahy dia nivoy nanatona ahy ilay mpitari-dalana ary nampijoro tsara ny kayak-ko, nanamora ny fitaingenako azy indray. Rehefa hitany fa mbola nisefosefo loatra aho ka tsy afaka nivoy samirery, dia nametahany tady fisintonana ny kayak-ko ary nanomboka nivoy izy, nitarika ahy niaraka taminy. Tsy ela teo dia afaka namerina nivoy samirery araka ny tokony ho izy indray aho. Navotsony ny tady ary tonga tany amin’ny nosy voalohany tsy nila fanampiana fanampiny aho. Rehefa tonga dia nidaboka teo amin’ny torapasika aho, reraka tanteraka.

Rehefa avy niala sasatra ny vondrona, dia nilaza tamiko moramora ilay mpitari-dalana hoe, “Ramose Renlund, raha manohy mivoy fotsiny ianao, mihazona ny bahana azonao, dia mahita aho hoe ho vitanao io.” Narahako ny toroheviny rehefa nivoy nankany amin’ilay nosy faharoa izahay ary niverina teo amin’ny toerana niaingana avy eo. Nivoy teo akaiko indroa ilay mpitari-dalana mba hilaza amiko fa tena mety ny fanaovako azy. Na dia nodomina onja ngeza kokoa ary teo amin’ny ilan’ny kayak-ko, dia tsy nampitsimbadika ahy izany.

Tamin’ny alalan’ny fivoizana tsy tapaka sy tsy miovaova ny kayak, dia nihazona bahana sy nandroso aho, ka nampihena ny fiantraikan’ireo onja nandòna ahy teo amin’ny sisiny. Mihatra amin’ny fiainantsika ara-panahy ihany koa izany fitsipika izany. Lasa marefo isika rehefa mandeha mora ary indrindra indrindra rehefa mijanona. Raha mihazona bahana ara-panahy amin’ny alalan’ny “fivoizana” manatona ny Mpamonjy isika, dia ho voaro kokoa sy tsy ho tandindomin-doza satria miankina amin’ny finoantsika Aminy ny fiainana mandrakizaintsika.

Miforona “mandritra ny androm-piainana [ny bahana ara-panahy] rehefa miverimberina mandray ny fotopampianaran’i Kristy isika.” Ny fanaovana izany, hoy ny nampianarin’ny Filoha Russell M. Nelson, dia mamokatra “[fitamberimberenan]-javatra mahery vaika sy [mahasoa].” Marina tokoa, ireo singa ao amin’ny fotopampianaran’i Kristy—toy ny finoana an’i Jesoa Kristy Tompo, ny fibebahana, ny fidirana ao anaty fifandraisana ara-panekempihavanana amin’ny Tompo amin’ny alalan’ny batisa, ny fandraisana ny fanomezana ny Fanahy Masina, ary ny faharetana hatramin’ny faranydia tsy natao hiainana indray mandeha ihany, tsy zavatra marihina hoe vita. Ny “faharetana hatramin’ny farany”, indrindra indrindra, dia tsy dingana iray misaraka ao amin’ny fotopampianaran’i Kristy raha ny marina, toy ny hoe mamita ireo dingana efatra voalohany isika ary avy eo dia miondrika sy mikitro-nify ary miandry ny ho faty. Tsia, ny faharetana hatramin’ny farany dia fampiharana miverimberina sy mihatsara hatrany an’ireo singa hafa ao amin’ny fotopampianaran’i Kristy, ka miteraka ilay “[fitamberimberenan]-javatra mahery vaika sy [mahasoa]” izay nofariparitan’ny Filoha Nelson.

Ny hoe miverimberina dia midika fa miaina ombieny ombieny ireo singa ao amin’ny fotopampianaran’i Kristy isika mandritra ny androm-piainantsika. Ny hoe mihatsara hatrany dia midika hoe miorina avy amin’ny famerimberenana rehetra sy manatsara izany hatrany isika. Na dia mamerina ireo singa aza isika, dia tsy hoe mihodinkondina eo fotsiny ka tsy misy lalana handrosoana. Fa mihamanakaiky kokoa hatrany an’i Jesoa Kristy kosa isika amin’ny fotoana rehetra ao anatin’ilay hodina.

Sady mitaky hafainganana no mitaky lalana haleha ny bahana. Raha toa ka nivoy mafy dia mafy tany amin’ny lalana tsy tokony ho izy aho dia mety hoe nahaforona bahana tena nahery vaika saingy tsy ho nahatratra ny toerana nokendrena. Torak’izany koa eo amin’ny fiainana, mila “mivoy” mankamin’ny Mpamonjy mba hanatona Azy isika.

Mila kolokoloina isan’andro ny finoantsika an’i Jesoa Kristy. Voakolokolo izany rehefa mivavaka isan’andro, mandalina ny soratra masina isan’andro, mandinika ny fahatsaran’ Andriamanitra isan’andro, mibebaka isan’andro, ary manaraka ireo bitsiky ny Fanahy Masina isan’andro isika. Mitovy mihitsy amin’ny hoe tsy mahasalama ny manemotra ny fihinanana ny sakafontsika rehetra raha tsy efa tonga ny alahady dia miliba amin’ny fihinanana ny anjara sakafontsika ho an’ny herinandro, dia tsy mahasalama ara-panahy ny mametra ho indray mandeha ao anatin’ny herinandro ny fanaovana ireo zavatra tokony hataontsika mba hikolokoloana ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika.

Rehefa manaiky ho tompon’andraikitra ny amin’ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika isika, dia mahazo bahana ara-panahy ary mampivoatra tsikelikely finoana mafy orina an’i Jesoa Kristy, ka ho lasa ivon’ny fiainantsika ny fotopampianaran’i Kristy. Ny bahana toy izany dia mihamatanjaka rehefa miezaka mankatò ireo lalàn’ Andriamanitra sy mibebaka isika. Zavatra mahafaly ny fibebahana ary mamela antsika hianatra avy amin’ireo fahadisoantsika, ka izany no fomba hivoarantsika ho amin’ny mandrakizay. Tsy azo lavina fa hisy fotoana hitsimbadika ny kayak misy antsika ary ho tafalatsaka anaty rano lalina isika. Amin’ny alalan’ny fibebahana, dia afaka miverina mitaingina indray isika ary manohy, na impiry na impiry isika no lavo. Ny zavatra manan-danja indrindra dia ny hoe tsy milavo lefona isika.

Ny singa manaraka ao amin’ny fotopampianaran’i Kristy dia ny batisa, ka tafiditra ao anatin’izany ny batisan’ny rano ary, amin’ny alalan’ny fandraisana ho mpikambana, ny batisan’ny Fanahy Masina. Raha tranga indray mandeha monja ny batisa, mamerimberina manavao ny fanekempihavanan’ny batisa kosa isika rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo. Tsy manolo ny batisa ny fanasan’ny Tompo fa mampifandray kosa ireo singa niaingana amin’ny fotopampianaran’i Kristy—dia ny finoana sy ny fibebahana izany—amin’ny fandraisana ny Fanahy Masina. Rehefa mandray amim-pahatongavan-tsaina ny fanasan’ny Tompo isika, dia manasa ny Fanahy Masina ho eo amin’ny fiainantsika,tahaka ny tamin’ny natao batisa sy nandraisana antsika ho mpikambana. Rehefa mitandrina ny fanekempihavanana voafariparitra ao amin’ny vavaky ny fanasan’ny Tompo isika, dia lasa namantsika ny Fanahy Masina.

Rehefa mitondra fitarihana lehibe kokoa eo amin’ny fiainantsika ny Fanahy Masina, dia miverimberina mampivoatra sy manatsara hatrany ireo toetra tahaka ny an’i Kristy isika. Miova ny fontsika. Mihena ny fironantsika hanao ratsy. Mitombo ny fironantsika hanao ny tsara mandrapahatonga antsika tsy haniry afa-tsy ny “hanao soa lalandava.” Ary avy amin’izany isika dia hahazo ny herin’ny lanitra ilaina amin’ny faharetana hatramin’ny farany. Nitombo ny finoantsika, ary vonona ny hamerina ilay fitamberimberenana mahery vaika sy mahasoa indray isika.

Manosika antsika hanao fanekempihavanana misimisy kokoa amin’ Andriamanitra ao amin’ny tranon’ny Tompo ny bahana ara-panahy mizotra mandroso amin’ny lalana tokony ho izy. Ny fanaovana fanekempihavanana maro dia mampanakaiky antsika amin’i Kristy ary mampifandray antsika amin-kery kokoa Aminy. Mahazo betsaka kokoa amin’ny heriny isika amin’ny alalan’ireo fanekempihavanana ireo. Tokony hazava fa tsy hoe ny fanekempihavan’ny batisa sy ny an’ny tempoly mihitsy, ary tsy hoe ilay ianao manao azy ireo mihitsy, no loharanon’ny hery. I Jesoa Kristy Tompo sy ny Raintsika any An-danitra no loharanon’ny hery. Ny fanaovana fanekempihavanana sy ny fitandremana izany dia mampiorina fantsona hahatongavan’ny herin’ Izy Ireo ho eo amin’ny fiainantsika. Rehefa miaina araka ireo fanekempihavanana ireo isika, dia lasa mpandova ny zavatra rehetra ananan’ny Ray any An-danitra amin’ny farany. Ny fahavitrihana ateraky ny fiainana ny fotopampianaran’i Kristy dia tsy hoe manohana fotsiny ihany ny fanovana ny maha isika antsika mba ho amin’ny anjarantsika mandrakizay, fa manosika antsika ihany koa ny hanampy ny hafa amin’ireo fomba mahamety izany.

Diniho ny nanampian’ilay mpitari-dalana tamin’ilay fitsangantsanganana ahy taorian’ny nampitsimbadika ahy tamin’ilay kayak. Tsy nihiaka avy lavitra nametraka fanontaniana tsy manampy izy, toy ny hoe, “Ramose Renlund, fa inona no ataonao ao anaty rano?” Tsy nivoy nanatona ahy izy ka nanome tsiny nilaza hoe, “Ramose Renlund, tsy ho ao anatin’izao toe-javatra izao ianao raha natanjaka ara-batana.” Tsy nanomboka nitarika ny kayak-ko izy raha teo am-piezahana niverina nitaingina izany indray aho. Ary tsy nanitsy ahy teo imason’ny besinimaro izy. Fa nanome ahy kosa ny fanampiana nilaiko tamin’ny fotoana nilako izany izy. Nomeny torohevitra aho rehefa vonona ny hihaino. Ary tsy nitandro fisasarana izy nandrisika sy nankahery ahy.

Rehefa manompo ny hafa isika dia tsy mila mametraka fanontaniana tsy manampy na milaza ny zavatra izay efa miharihary. Ny ankabeazan’ny olona manana olana dia mahafantatra fa manana olana izy. Tsy tokony mitsara isika; ny fitsarantsika dia sady tsy manampy no tsy ilaina ary tsy ampy fahalalana amin’ny ankamaroan’ny fotoana.

Ny fampitahana ny tenantsika amin’ny hafa dia afaka mitarika antsika hanao fahadisoana faran’izay manimba, indrindra raha ny fehin-kevitra voizintsika dia ny hoe olo-marina kokoa noho ireo izay manana olana isika. Ny fampitahana toy izany dia toy ny hoe milentika amim-pahakiviana tanteraka ao anaty rano 3 metatra ka mahita ny namanao milentika 4 metatra dia mitsara azy ho mpanota kokoa, ary mahatsiaro ny tenanao ho tsara. Raha ny marina dia samy manana ny adintsika manokana isika tsirairay avy. Tsy misy amintsika afaka manavotra ny tenany. Ary tsisy ho afaka hahavita izany na oviana na oviana. Nampianatra i Jakôba ao amin’ny Bokin’i Môrmôna hoe: “Tsarovy fa rehefa mihavana amin’ Andriamanitra ianareo, dia ao amin’ny fahasoavan’ Andriamanitra ary amin’ny alalany ihany no hamonjena anareo.” Samy mila ny Sorompanavotana tsy manam-petran’ny Mpamonjy avokoa isika rehetra, fa tsy ampahany amin’izany fotsiny.

Aoka isika hanana fangorahana sy fiombonam-pihetsehampo ary fitiavana feno rehefa mifandray amin’ireo manodidina antsika. Ireo izay manana olana dia “mila miaina ny fitiavana madion’i Jesoa Kristy izay hita taratra ao amin’ny tenin[tsika] sy ny zavatra ataon[tsika].” Rehefa manompo isika dia mankahery matetika ny hafa ary manolotra fanampiana. Na dia tsy mandray aza ny olona iray dia manohy manompo isika raha mbola avelan’izy ireo. Nampianatra ny Mpamonjy fa “ho an’ny toa azy no hanohizanareo ny fiahianareo; satria tsy fantatrareo raha toa ka hiverina sy hibebaka izy ary hanatona Ahy amin’ny fo feno finiavana, ary Izaho hanasitrana azy; ary ianareo no ho fitaovana amin’ny fitondrana ny famonjena ho azy.” Ny asan’ny Mpamonjy dia ny manasitrana. Ny asantsika dia ny mitia—mitia sy manompo amin’ny fomba izay hahatonga ny hafa hanatona an’i Jesoa Kristy. Voa iray avy amin’ny fitamberimberenana mahery vaika sy mahasoan’ny fotopampianaran’i Kristy izany.

Manasa anareo aho hamerimberina sy hanatsara amin’ny nahim-po ny fiainanareo ny fotopampianaran’i Kristy ary hanampy ny hafa eo amin’ny lalana misy azy ireo. Mijoro ho vavolombelona aho fa ivon’ny drafitry ny Ray any An-danitra ny fotopampianaran’i Kristy; raha ny marina dia fotopampianarany izany. Rehefa mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany isika dia tafarotsaka eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana ary mazoto hanampy ny hafa ho lasa mpanaradia mahatoky an’i Jesoa Kristy. Afaka ho lasa mpandova ny fanjakan’ny Ray any An-danitra isika, izay fitahiana faratampon’ny fiainana amim-pahatokiana ny fotopampianaran’i Kristy. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Hamoaka printy