Liahona
Filoha Paul V. Johnson
Mey 2024


“Filoha Paul V. Johnson,” Liahona, mey 2024.

Filoha Paul V. Johnson

Filohan’ny Sekoly Alahady maneran-tany

Nanomboka tamin’ny asany tamin’ny naha mpampianatra seminera azy ka hatramin’ireo sivy taona niasany tamin’ny naha mpanara-maso ny fitantanana ny fampianarana ao amin’ny Fiangonana azy, dia nanana traikefa maro be momba ny fampianarana ny filazantsara ny Filoha Paul V. Johnson izay ho lasa Filohan’ ny Sekoly Alahady Maneran-tany. Fa ny zavatra tsara manan-danja indrindra izay entiny amin’ny antsony vaovao, hoy izy, dia “ny fitiavako ny Ray any An-danitra sy ny Mpamonjy ary ny fitiavako ny tanora sy ny olona hafa koa.”

Ny Filoha Johnson dia teraka tamin’ny 24 jona 1954, tao Gainesville Floride, Etazonia, ary zanak’i Vere Johnson sy i Winifred Amacher. Talohan’ny naha-feno herintaona azy, dia nifindra tany Logan, Utah Etazonia ny ray aman-dreniny, ary tany no nitaizany azy sy ireo mpiray tam-po aminy miisa fito.

Lasa nifankahafantatra tamin’i Jill Washburn, izay ho lasa vadiny, izy rehefa noraisin’ny mpanazatra azy teo aloha izay nifindra tany avy any Logan mba hilalao baolina kitra tao amin’ny lisea ao Monticello, Utah. Efa nihaona i Paul sy i Jill tany aloha tany, fa lasa mpinamana izy ireo rehefa nanatrika fivoriana tao amin’ny paroasy iray ihany sy kilasin’ny seminera iray ihany. Nanoratra taratasy ho azy Rahavavy Johnson nandritra ny fotoana nanaovany asa fitoriana tamin’ny fotoana feno tany Norvège.

Nivady tao amin’ny Tempolin’i Logan Utah izy ireo tamin’ny 18 aogositra 1976. Manan-janaka 9 sy zafikely 43 izy ireo.

Niara-niatrika ny anjara fitsapana ho azy ireo ry Johnson, nanomboka tamin’ny famoizana zanaka vavy noho ny homamiadana ka hatramin’ny fitolomana tao anatin’ireo olana ara-pahasalamana nolalovan’izy ireo. Saingy nilaza ny Filoha Johnson fa nanefy ny fomba fijeriny ny drafitr’ Andriamanitra ireo zavatra niainana ireo. “Amiko izany dia mahatonga ahy, amin’ny maha-mpampianatra ahy, haniry fatratra ny hanampy ny zatovo hifikitra amin’ny Mpamonjy sy ny Rain’izy ireo any An-danitra,” hoy izy.

Nahazo mari-pahaizana licence momba ny haibiby ny Filoha Johnson tamin’ny 1977, ary maîtrise momba ny fanoroana hevitra sy ny fitarihana tamin’ny 1978, samy avy amin’ny Brigham Young University avy. Nahazo mari-pahaizana doctorat momba ny fanabeazana avy amin’ny Oniversite an’i Utah State izy tamin’ny 1989.

Notohanana ho Fitopololahy Manampahefana Ambony ny Filoha Johnson tamin’ny aprily 2005 ary efa mpikambana tao amin’ny Fiadidian’ny Fitopololahy hatramin’ny 1 aogositra 2021. Izy dia efa mpanolotsaina tao amin’ny Fiadidian’ny Vondromparitra Eorôpa, mpanolotsaina tao amin’ny Fiadidian’ny Vondromparitra Chili, mpanolotsaina tao amin’ny fiadidian’ny tsatòka ary eveka.

Homena fisaorana amim-boninahitra izy, izay hihatra ny 1 aogositra 2024, rehefa manomboka ny antsony vaovao.

Hamoaka printy