Liahona
Loholona I. Raymond Egbo
Mey 2024


“Loholona I. Raymond Egbo,” Liahona, mey 2024.

Loholona I. Raymond Egbo

Fitopololahy Manampahefana Ambony

Rehefa nianatra tao amina sekolim-pinoana manao kilasy mandry iray tao Nigeria ny Loholona I. Raymond Egbo, dia nanohy nanasa azy “ho avy ka hahita” ny zavatra atolotry Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ny zokiny vavy. Rehefa feno 14 taona izy dia nanomboka namonjy seminera isaky ny hariva be.

Teo am-pamakiany ny leson’ny taranja seminera dia tonga teo amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135 sy ny nahafatesan’i Joseph Smith ho maritiora ny Loholona Egbo.

“Nisy zavatra nampihetsi-po mafy ahy, ary fantatro fa mpaminanin’ Andriamanitra ny Mpaminany Joseph Smith. Fantatro fa novonoina noho ny fahamarinana izy,” hoy ny Loholona Egbo, izay lasa mpikamban’ny Fiangonana fotoana fohy taorian’izay. “Mbola tsapako amin’izao fotoana izao foana ny zavatra tsapako tamin’io andro io rehefa mamaky izany aho.”

Taty aoriana, rehefa mpianatry ny oniversite izy, dia namporisika azy ny anabaviny mba hanao asa fitoriana ny filazantsara. Tezitra taminy ny rain’izy ireo noho izy nandao ny fianarany, kanefa nanoratra taratasy ho azy tsy tapaka izay mitantara ny zavatra rehetra nataony sy ny zavatra nampianariny ny Loholona Egbo.

Talanjona tokoa ny Loholona Egbo, fa rehefa akaiky hifarana ny asa fitoriana nataony, dia namaky taratasy taminy avy amin’ny rainy ny filohan’ny misiôna nisy azy izay nilaza fa efa natao batisa izy. “Lazao azy fa hiandry azy aho,” hoy ny rainy nanoratra.

Teraka tao Port Harcourt de l’État de Rivers tamin’ny 25 jona 1974 ny Loholona Idyo Raymond Egbo, ary zanak’i Udo Idio Egbo sy i Veronica Ukamaka Egbo. Nihaona tamin’i Comfort Ikip Ese izy rehefa nifindra tao amin’ny sampana nisy azy ny fianakavian’i Ese tamin’ny 1994. Nivady tao Calabar Nigeria izy ireo ny 15 mey 2003. Manan-janaka telo izy ireo.

Nahazo diplaoma momba ny fanabeazana, ny fanaovana drafitra isam-paritra, ary ny fitantanan-draharaha ao amina orinasa avy amina oniversité miisa telo ny Loholona Egbo. Niasa tao amin’ny Seminera sy Institiota fianarana ny Filazantsara izy nanomboka tamin’ny 2002 ary nihazona toerana samihafa, isan’izany ny tale misahana ny firenena sy tale misahana ny vondromparitra.

Fitopololahin’ny Vondromparitra tao amin’ny Vondromparitra Afrika Andrefana izy tamin’ny fotoana niantsoana azy. Izy dia efa filohan’ny Misiônan’i Nigeria Calabar ary efa mpanolotsaina tao amin’ny fiadidian’ny tsatòka ary mpikambana tao amin’ny filankevitra avo. Nanao asa fitoriana tamin’ny fotoana feno tao amin’ny iMisiônan’i Nigeria Lagos izy.

Hamoaka printy