Liahona
Voatelina ao amin’ny fifalian’i Kristy
Mey 2024


11:35

Voatelina ao amin’ny fifalian’i Kristy

Mijoro ho vavolombelona aho fa mahare ny fitalahoanareo an-dranomaso ny Raintsika any An-danitra ary mamaly amim-pahendrena lavorary hatrany.

Tianay ianao ry Loholona Kearon. Azoko indramina mandritra ny 10 minitra ve izany fomba fiteninao izany?

Ireo fahagagana andrandraina

Mianatra momba an’i Bartimeo ilay jamba isika ao amin’ny Testamenta Vaovao, izay niantso an’i Jesoa fa naniry fahagagana. “Ary hoy Jesoa taminy: Mandehana ianao, ny finoanao no efa nahavonjy anao. Dia nihiratra niaraka tamin’izay ny masony.”

Tamin’ny fotoana iray hafa koa dia naniry ho sitranina ny lehilahy iray tany Betsaida. Ity fahagagana ity kosa dia tsy tonga teo no ho eo. Fa nametra-tanana taminy indroa i Jesoa izay izy vao “[nahita] miharihary.”

Ao amin’ny ohatra iray fahatelo ny Apôstôly Paoly dia “nangata[ka] intelo tamin’ny Tompo” tao anatin’ny fijaliany, saingy, raha araka ny fahalalantsika azy, dia tsy novaliana ny fitalahoana tamin-kitsipo nataony.

Olona telo samy hafa. Zavatra niainana miavaka miisa telo.

Izay no mahatonga ny fanontaniana hoe: Nahoana ny olona sasany no mahazo haingana ireo fahagagana irian’izy ireo, raha toa kosa ny hafa ka miaritra miandry ny Tompo amim-paharetana? Mety tsy ho fantatsika ny antony, kanefa soa ihany fa fantatsika Izy izay “tia [antsika]” sy “[manao] ny zava-drehetra ho an’ny fiadanana sy fahasambaran-[tsika].”

Ireo tanjon’ Andriamanitra

Andriamanitra, izay mahita ny farany hatrany am-boalohany, dia manome toky hoe “ny fijalianao dia tsy haharitra afa-tsy fotoana fohy,” ary hatokana “ho tombontsoanao” izy ireny.

Mba hanampiana antsika hahita antony manan-danja kokoa ho an’ny fitsapana lalovantsika, dia nampianatra ny Loholona Orson F. Whitney hoe: “Tsy misy fanaintainana zakaintsika na fitsapana mianjady amintsika ka ho very maina. Manampy amin’ny fanefena antsika izany. … Ny zava-drehetra … izay zakaintsika [amim-paharetana] … dia manefy ny toetrantsika, manadio ny fontsika, mampivelatra ny fanahintsika ary mahatonga antsika halefaka sy ho be fiantrana kokoa. … Amin’ny alalan’ny alahelo sy ny fijaliana, ny ezaka mafy sy ny fahoriana, no hahazoantsika ilay fampianarana, izay ny hahazo izany no antony nahatongavantsika teto, ary mahatonga antsika hitovy kokoa amin’ireo [ray aman-drenintsika any an-danitra].”

Rehefa takatry ny Apôstôly Paoly fa “[hitoetra aminy ao anatin’ny fahoriany] ny “herin’i Kristy,” dia hoy izy tamim-panatrentena: “Fa ny fahalemeko no fahatanjahako.”

Misedra antsika ireo fitsapana eo amin’ny fiainana. Na ny Mpamonjy aza dia “nianatra fanarahana” ary natao “tanteraka … [t]amin’ny fahoriana.”

Ary indray andro any Izy dia hanambara amim-pangorahana hoe: “Indro efa nanadio anao Aho … ; efa nifidy anao tao amin’ny memin’ny fahoriana Aho.”

Mitondra fanantenana ao amin’ireo fanahy trotraka ny fahatokisana an’ireo tanjon’ Andriamanitra, ary mampifoha ny fahatapahan-kevitra mandritra ireo fotoan’ny fahoriana sy ratram-po.

Ireo fomba fijerin’ Andriamanitra

Taona maro lasa izay dia nizara ity hevitra manan-danja ity ny Filoha Russell M. Nelson: “Raha jerentsika amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay avokoa ny zava-drehetra dia hanamaivana tanteraka ny enta-mavesatsika izany.”

Holly sy Trey Porter.

Vavolombelon’izany fahamarinana izany vao tsy ela izaho sy i Jill vadiko teo amin’ny fiainana feno fahatokiana nananan’i Holly sy Rick Porter, izay nanan-janaka lahy, i Trey, 12 taona, izay maty main’ny afo mahatsiravina. Niaraka tamin’ireo tanany sy tongony niharan’ny fahamaizana be noho ny ezaka feno herim-po nataony hamonjena ny zanaka malalany no nijoroan’i Holly ho vavolombelona tamin’ny fivoriana fanasan’ny Tompo an’ny paroasy taty aoriana, momba ny fiadanana sy fifaliana lehibe narotsaky ny Tompo tamin’ny fianakaviany tao anatin’ny fahorian’izy ireo, ka nampiasainy teny toy ny hoe mahagaga, tsy mampino, ary mahatalanjona.

Tanana manasitrana mamihina.

Voasolo fiadanana mihoa-pampana niaraka tamin’izao eritreritra izao ny alahelo tsy hay zakaina nentin’ity reny sarobidy ity: “Tsy ireto tanako ireto no tanana mamonjy. Fa an’ny Mpamonjy izany tanana izany! Raha tokony ho nijery ireo olatro aho ho toy ny mpampahatsiahy ny zavatra izay tsy vitako, dia ireo olatra izay nentin’ny Mpamonjy no tsaroako.”

Mahatanteraka ny fampanantenan’ny mpaminanintsika ny fijoroana ho vavolombelona nataon’i Holly hoe: “Rehefa misaina amin’ny fomba selestialy ianao dia ho amin’ny fahatakarana vaovao no hahitanao ny fitsapana sy ny fanoherana.”

Nilaza toy izao ny Loholona D. Todd Christofferson: “Mino aho fa nanintona antsika ilay fanamby handresy ny fahoriana sy ny hitombo ao anatin’izany rehefa nasehon’ Andriamanitra tamintsika ilay drafiny ho an’ny fanavotana tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana. Tokony horaisintsika izany fanamby izany izao satria fantatsika fa hanohana antsika ny Raintsika any An-danitra. Saingy tena zava-dehibe ny hitodihantsika any Aminy. Rehefa tsy miaraka amin’ Andriamanitra dia toa mitondra any amin’ny fahaverezan’ny fanantenana, fahakiviana ary fahangidiana mihitsy aza ireo fijaliana sy fahoriana maloka niainana.”

Ireo fitsipika masina

Mba hisorohana ny haizin’ny tsy fahafaham-po ka hahitana kosa fiadanana sy fanantenana ary fifaliana lehibe kokoa mihitsy aza mandritra ireo olana sarotra eo amin’ny fiainana, dia hizara fitsipika masina telo aho ho toy ny fanasana.

Voalohany—tonga avy amin’ny fametrahana an’i Kristy ho lohalaharana ny finoana matanjaka kokoa. “Banjino Aho amin’ny eritreritra rehetra,” hoy Izy nitalaho; “aza miroanàhana, aza matahotra.” Nampianatra ny Filoha Nelson hoe:

“Miankina amin’ny finoan[tsika] an’i [Kristy] sy ny Sorompanavotany ny ho fiainan[tsika] mandrakizay.”

“Rehefa nitolona tamin’ny fanaintainana mafy nateraky ny ratrako vao haingana aho, dia vao mainka aho nahatsapa fankasitrahana lalina kokoa noho i Jesoa Kristy sy ny fanomezany ny Sorompanavotany izay tsy takatry ny saina. Eritrereto anie izany e! Ny Mpamonjy dia niaritra -fanaintainana sy fahoriana ary fakam-panahy isan-karazany- mba hahafahany mampionona antsika, manasitrana antsika, mamonjy antsika rehefa mila izany isika.”

Notohizany hoe: “Ny ratra nahazo ahy dia nahatonga ahy hieritreritra indray -ny fahalehibeazan’ny Iray Masin’ny Isiraely.- Nandritra ny fanasitranana ahy dia naneho ny heriny masina tamin’ny fomba feno fiadanana sy niavaka tsara ny Tompo.”

“Aty amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao.”

Faharoa—tonga amin’ny alalan’ny fieritreretana izay toerana hiafarantsika mandrakizay ny fanantenana mamiratra kokoa. Rehefa niresaka momba ny hery izay tsy afa-misaraka amin’ny fiezahana hanana hatrany “ny fieritreretana ireo fitahiana lehibe nampanantenain’ny Raintsika antsika … [eo anoloantsika] isan’andro” dia nijoro ho vavolombelona ny Rahavavy Linda Reeves hoe: “Tsy fantatro ny antony mahatonga ireo fitsapana maro eo amintsika, saingy ny fahatsapako manokana … dia lehibe tokoa … ary mahafinaritra [tokoa] sy mihoatra noho ny fahatakarantsika ilay valisoa hany ka amin’io andro handraisana valisoa io dia hilaza amin’ny Raintsika feno famindram-po sy be fitiavana isika hoe: -Izay fotsiny ve ny zavatra notakina?- … Inona moa izay fijaliantsika tety … raha toa ka amin’ny farany, ireo fitsapana ireo no … hahatonga antsika ho mendrika ny hahazo ny fiainana mandrakizay … ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra?”

Nizara ity hevitra ity ny Filoha Nelson: “Diniho ny valim-bavaka nomen’ny Tompo an’i Joseph rehefa nitalaho izy mba hahazo fanamaivanana tao amin’ny Fonjan’i Liberty. Nampianarin’ny Tompo ny Mpaminany Joseph Smith fa ny habibiana natao taminy dia ho traikefa ho azy ary ho soa ho azy. ‘Raha iaretanao tsara izany’ hoy ny Tompo nampanantena, dia ‘hanandratra anao ho amin’ny avo Andriamanitra.’ Nampianatra an’i Joseph ny Tompo mba hisaina amin’ny fomba selestialy sy hieritreritra valisoa mandrakizay fa tsy hifantoka tamin’ireo zava-tsarotra nampahory tao anatin’ilay andro.”

Nitondra fanamasinana lalina ny fiovam-pijerin’i Joseph Smith, araka ny hita taratra eto amin’ity taratasy ho ana namana iray ity: “Rehefa avy nihidy tao amin’ny rindrin’ny fonja nandritra ny dimy volana aho, dia toy ny hitako fa halefaka kokoa noho izay nisy hatrizay ny foko aorian’izao. … Mihevitra aho fa tsy ho nanana fahatsapana tahaka izay tsapako amin’izao mihitsy raha tsy nijaly noho ireo zavatra tsy nety natao tamiko izay niaretako.”

Fahatelo—tonga amin’ny alalan’ny fifantohana amin’ny fifaliana ny hery lehibe kokoa. Tsy nitakemotra fa nisotro tamin’ilay kapoaka mangidy ny Mpamonjintsika nandritra ireo ora manan-danja sy nampahory indrindra tao anatin’ny mandrakizay. Ahoana no nanaovany izany? Ianarantsika fa “Mba hahazoany ny fifaliana napetraka teo anoloany, dia naharitra ny hazo fijaliana [i Kristy],” ny sitrapony dia “efa voatelina ao amin’ny sitrapon’ny Ray.”

I Kristy tao Getsemane.

Mampihetsi-po ahy lalina io teny hoe “voatelina” io. Nahazo vahana kokoa ny fahalianako rehefa nahafantatra aho fa ny teny hoe “voatelina” amin’ny teny Espaniôla dia nadika hoe “levona”, amin’ny teny alemà dia hoe “voarapaka”; ary amin’ny teny sinoa dia hoe “difotra.” Noho izany, rehefa tena mangirifiry sy mitambesatra ireo fanamby amin’ny fiainana, dia tsaroako ny fampanantenan’ny Tompo—fa isika dia “tsy hiar[itra] izay mety ho karazam-pahoriana, [raha tsy efa] voatelina [levona, voarapaka, difotra] ao amin’ny fifalian’i Kristy.”

Hitako eo amin’ny maro tokoa aminareo io fifaliana io, izay “[mihoatra] … ny fahatakaran’ny olombelona,” na dia tsy mbola nesorina aza ireo kapoaka mangidinareo. Misaotra mitandrina ny fanekempihavananareo sy mijoro ho vavolombelon’ Andriamanitra. Misaotra manolo-tanana mba hitahiana anay rehetra, na dia “miafina ao am-po[nareo] mangina [aza] ny alahelo tsy taza-mazo.” Rehefa entinao amin’ny hafa ny fanamaivanana entin’ny Mpamonjy, hoy ny nampianarin’ny Filoha Camille N. Johnson, dia hahatsapa izany koa ny tenanao.

Ireo fampanantenan’ Andriamanitra

Andao ary isika izao hiara-hiverina amin’ilay fivoriana fanasan’ny Tompo izay nahitantsika ny fahagagana nitranga tamin’ny fianakavian’i Holly porter tamin’izy ireo novonjen’ny Tompo. Tety amin’ny lampihazo aho, raha nandinika izay azoko nolazaina mba hampiononana ity fianakaviana miavaka ity sy ny naman’izy ireo, dia tonga tao an-tsaiko izao eritreritra izao: “Ny tenin’ny Mpamonjy ampiasaina.” Koa anio ary dia faranako toy ny nataoko tamin’io Sabata io, amin’ny teniny “izay manasitrana ny fanahy maratra.”

“Mankanesa aty Amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana.”

“Ary hohamaivaniko koa ny enta-mavesatra izay apetraka eo an-tsorokareo, ka tsy hahatsapa izany ny lamosinareo na dia mbola ao anatin’ny famatorana aza ianareo; … mba hahazoanareo mahalala marina tokoa fa Izaho, Tompo Andriamanitra, dia mamangy ny oloko ao amin’ny fahoriany.”

“Tsy hamela anareo ho kamboty Aho: hankatỳ aminareo Aho.”

Ny fijoroako ho vavolombelona

Amim-panajana feno fifaliana no hijoroako ho vavolombelona fa velona ny Mpamonjy antsika ary azo antoka ireo fampanantenany.” Indrindra ho anareo izay mandalo zava-tsarotra na izay “ory na manao ahoana na manao ahoana izany,” dia mijoro ho vavolombelona aho fa mahare ny fitalahoanareo an-dranomaso ny Raintsika any An-danitra ary mamaly amin’ny fahendrena lavorary hatrany. “Enga anie ka hotovin’ Andriamanitra aminareo,” tahaka izay nataony tamin’ny fianakavianay tao anatin’ny fotoana tena nilana fanampiana, “ny hanamaivanana ny enta-mavesatrareo,” ka ho “voatelina ao amin’ny fifalian’i Kristy.” Amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.