Liahona
Manan-danja ny teny
Mey 2024


13:58

Manan-danja ny teny

Mamaritra ny fihetsika atao ny teny. Mampiloaka ny eritreritsika sy ny fahatsapana ananantsika ary ny zavatra iainantsika hoe tsara na ratsy izy ireo.

Ry rahalahy sy anabavy ary namana manerana izao tontolo izao, voninahitra ho ahy ny miresaka amin’ireo mpihaino marobe, izay maro no mpikamban’ny Fiangonantsika ary maro koa no namana sy sambany mihaino ity fampitana ny fihaonambe ity. Tongasoa!

Ampitaina amin’ny alalan’ny teny ireo hafatra zaraina eto amin’ity polpitra ity. Atao amin’ny teny Anglisy izy ireo ary adika amin’ny fiteny samy hafa efa ho 100. Fa ny fototra iaingana dia mitovy hatrany. Teny. Ary manan-danja lehibe ny teny. Mamelà ahy hiteny izany indray. Manan-danja ny teny!

Izy ireo no fototry ny fomba ifandraisantsika; izy ireo no maneho ny finoantsika, ny soatoavintsika ary ny fomba fijerintsika. Indraindray isika miteny, ary amin’ny fotoana hafa kosa isika dia mihaino. Mamaritra ny fihetsika atao ny teny. Mampiloaka ny eritreritsika sy ny fahatsapana ananantsika ary ny zavatra iainantsika hoe tsara na ratsy izy ireo.

Indrisy fa ny teny dia mety ho tsy voahevitra, natao maimaika ary mandratra. Rehefa voateny izy ireny dia tsy azo ampodiana intsony. Izy ireny dia mety mandratra, manafay, manambany, ary mitarika amin’ny fanaovana zavatra manimba mihitsy aza. Mety hitambesatra amintsika izy ireny.

Etsy an-kilany, ny teny dia afaka mankalaza fandresena, afaka ny ho feno fanantenana sy mandrisika. Afaka mitaona antsika hieritreritra tsara, hanavao sy hanova ny fizotran’ny lalantsika izy ireny. Ny teny dia afaka manokatra ny saintsika ho amin’ny fahamarinana.

Izany no antony mampanan-danja indrindra ny tenin’ny Tompo.

Ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, i Almà mpaminany sy ny vahoakany tany Amerika fahagola dia niaina ady tsisy fiafarany tamin’ireo izay nanao tsinontsinona ny tenin’ Andriamanitra sy nanamafy ny fony ary nanimba ny kolontsainy. Mety afaka niady ireo mahatoky, saingy nanoro hevitra i Almà hoe: “Ary ankehitriny, satria nanana fironana lehibe hitarika ny olona hanao izay marina ny fitorian-teny—eny, izany dia efa nanana fiantraikany mahery kokoa tamin’ny sain’ny olona noho ny sabatra, na ny zavatra hafa, izay efa nihatra taminy—noho izany dia noheverin’i Almà fa tsara ny hanandraman’izy ireo ny herin’ny tenin’ Andriamanitra.”

Manoatra noho ny teny hafa rehetra ny “tenin’ Andriamanitra.” Efa toy izany hatramin’ny Fahariana ny tany rehefa niteny ny Tompo hoe: “Misia mazava; dia nisy mazava.”

Avy amin’ny Mpamonjy no niavian’ireto fanomezan-toky ao amin’ny Testamenta Vaovao ireto: “Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona.”

Sy ny hoe: “Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ary ny Raiko ho tia azy, ary hankao aminy Izahay ka honina ao aminy.”

Ary avy amin’i Maria renin’i Jesoa no niavian’ity tenivavolombelona feno fanetrentena ity: “Inty ny ankizivavin’ny Tompo; aoka anie ho tonga amiko araka ny teninao.”

Ny finoana sy fitandremana ny tenin’ Andriamanitra dia hahatonga antsika hanakaiky Azy kokoa. Nampanantena ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Raha handalina ny teniny ianareo, dia hitombo ny fahafahanareo ho tonga tahaka Azy.”

Moa ve isika rehetra tsy maniry, araka ny voalazan’ilay fihirana, mba ho “voatahy sy masina kokoa, ho tahaka Anao kokoa, ry Mpamonjy”?

Azoko sary an-tsaina i Joseph Smith tovolahy, izay nandre teo am-pandohalihana ny tenin’ny Rainy any An-danitra manao hoe: “[Joseph,] Ity no Zanako Malalako. Henoy Izy!”

“[Henointsika] Izy” ao amin’ireo tenin’ny soratra masina, fa moa ve avelantsika hijanona fotsiny eo amin’ny pejy izany, sa ve ekentsika fa miteny amintsika Izy? Moa ve isika miova?

“Henointsika Izy” ao amin’ny fanambarana ho an’ny tena manokana sy ny fitaoman’ny Fanahy Masina, ao amin’ny valim-bavaka, sy ao amin’ireo fotoana izay i Jesoa Kristy irery ihany, amin’ny alalan’ny herin’ny Sorompanavotany, no afaka manamaivana ny enta-mavesatsika, sy manome famelàna sy fiadanana antsika, ary mamihina antsika “amin’ireo sandrim-pitiavany.”

Faharoa, manan-danja ny tenin’ireo mpaminany.

Mijoro ho vavolombelona ny amin’ny maha Andriamanitra an’i Jesoa Kristy ireo mpaminany. Mampianatra ny filazantsarany izy ireo sy mampiseho ny fitiavany ny rehetra. Mijoro ho vavolombelona aho fa ny mpaminanintsika velona, ny Filoha Russell M. Nelson, dia mandre sy miteny ny tenin’ny Tompo.

Havanana amin’ny fampiasana teny ny Filoha Nelson. Hoy izy: “Mijanòna eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana,” “[Angòny] i Isiraely,” “Aoka Andriamanitra no hanjaka,” “Manangàna tetezan’ny fifankahazoana,” “Misaora,” “Ampitomboy ny finoana an’i Jesoa Kristy,” “Raiso an-tanana ny fijoroanao ho vavolombelona,” ary “Meteza ho mpampihavana.”

Tamin’ny farany indrindra dia nangataka antsika izy mba “[hisaina] amin’ny fomba selestialy.” “Rehefa sendra fahasarotana ianareo,” hoy izy, “dia saino amin’ny fomba selestialy! Rehefa sedrain’ny fakam-panahy dia saino amin’ny fomba selestialy! Rehefa mandiso fanantenana anao ny fiainana na ireo olona akaikin’ny fonao dia saino amin’ny fomba selestialy! Rehefa misy olona maty aloha loatra dia saino amin’ny fomba selestialy. …Rehefa mibahana ao an-tsainao ireo tsindry eo amin’ny fiainana dia saino amin’ny fomba selestialy! … Rehefa misaina amin’ny fomba selestialy ianao, dia hiova tsikelikely ny fonao, … ho amin’ny fahatakarana vaovao no hahitanao ny fitsapana sy ny fanoherana, … [ary] hitombo ny finoanao.”

Rehefa misaina amin’ny fomba selestialy isika dia mahita ireo “zavatra araka ny tena toetrany sy araka ny ho tena toetrany.” Eto amin’ity tontolo vesaran’ny korontana sy fifandirana ity, dia mila izany fomba fijery izany isika rehetra.

Ny Loholona George Albert Smith, efa ela talohan’ny naha Filohan’ny Fiangonana azy, dia niresaka momba ny fanohanana ny mpaminany sy ny fanarahana ny teniny Hoy izy: “Ny andraikitra raisintsika rehefa manangana ny tanantsika isika … dia tena masina. … Izany dia midika … fa hanohana azy isika, hivavaka ho azy isika, … ary hilofo hanaraka ny torolalana avy aminy araka izay handidian’ny Tompo.” Izany hoe, hanao asa am-pahazotoana araka ny tenin’ny mpaminanintsika isika.

Noho ny tenako isan’ireo mpaminany sy mpahita ary mpanambara 15 notohanan’ny Fiangonana maneran-tany omaly, dia te hizara aminareo ny iray amin’ireo zavatra niainako tamin’ny fanohanana ny mpaminany aho sy tamin’ny fanarahana ny teniny. Ho ahy izany dia tahaka an’i Jakôba mpaminany, izay nilaza hoe: “Efa nandre […] ny feon’ny Tompo aho niresaka tamiko tamin’ny teny mihitsy.”

Ny Loholona sy Rahavavy Rasband tany Thaïlande .

Tamin’ny volana ôktôbra lasa teo dia tany Bangkok, Thaïlande izaho sy i Melanie vadiko, rehefa niomana ny hanokana ny tempoly faha 185 an’ny Fiangonana aho. Ho ahy dia sady tsy mampino no nampanetry tena io asa nanendrena ahy io. Io no tempoly voalohany any amin’ny saikinosy any Azia atsimo atsinanana. Novolavolaina tamin’ny fahaiza-manao avo lenta izy io: misy rihana dimy, misy tilikambo sivy, “tsara firafitra” mba ho tranon’ny Tompo. Nandritra ny volana maro aho dia nandinika ilay fanokanana. Tafalatsaka tao amin’ny fanahiko sy tao an-tsaiko ny hoe notrotroin’ny mpaminany sy apôstôly ilay firenena sy ilay tempoly. Ny Filoha Thomas S. Monson no nanambara ilay tempoly ary ny Filoha Nelson no nanambara ny fanokanana azy.

Ny Tempolin’i Bangkok Thaïlande.

Volana maro mialoha no nanomanako ny vavaka fanokanana. Ireo teny masina ireo dia nadika tamin’ny fiteny miisa 12. Vonona izahay. Na hoe izay no nieritreretako azy.

Ny alina nialoha ny fanokanana dia taitra tamin’ny torimasoko aho noho ny fahatsapana iray nampitebiteby sy nandondona ahy momba ilay vavaka fanokanana. Niezaka ny hampangina ilay fitaomana aho, nieritreritra fa efa nipetrapetraka tsara ilay vavaka. Kanefa tsy namela ahy tamin’izao ny Fanahy. Nahatsapa aho fa nisy teny sasantsasany tsy tao, ary noho ny sitrapon’ Andriamanitra dia tonga tamiko tamin’ny fanambarana izy ireo, ary nampidiriko tao amin’ilay vavaka taloha kelin’ny farany ireto teny ireto: “Enga anie izahay hisaina amin’ny fomba selestialy, sady hamela ny Fanahinao hanjaka eo amin’ny fiainanay, ary hilofo mba ho mpampihavana mandrakariva.” Nampahatsiahy ahy ny Tompo mba hanaraka ny tenin’ny mpaminany velona hoe: “Saino amin’ny fomba selestialy,” “Aoka ny Fanahy no hanjaka,” “Milofosa mba ho mpampihavana.” Manan-danja amin’ny Tompo sy amintsika ny tenin’ny mpaminany.

Fahatelo, ary tena manan-danja, ireo teny ambarantsika. Minoa ahy, fa eto amin’ity tontolo izay feno émoticônes ity, dia manan-danja ny teny ambarantsika.

Ireo teny ambarantsika dia afaka ny ho fanohanana na fahatezarana, feno fifaliana na feno faharatsiam-panahy, feno fangorahana na natao an-jorom-bala. Ny teny ambara tsy am-piheverana dia mety hanindrona sy hilentika lalina any amin’ny atim-panahy, ary mijanona ao. Ny teny ambarantsika ao amin’ny internet, na amin’ny sms, na amin’ny tambajotran-tserasera na amin’ny Twitter dia mety hisy heviny mivaona amin’ny tena izy. Noho izany dia tandremo izay teneninao sy ny fomba hitenenanao azy. Ao amin’ny fianakaviantsika, indrindra eo amin’ny mpivady sy ireo zanaka, dia mampiray antsika na mampisara-bazana antsika ny teny ambarantsika.

Mamelà ahy handroso andian-teny tsotra anankitelo izay azontsika ampiasaina mba hanesorana ny fanaintainana ara-pihetseham-po ateraky ny olana sy ny fahasamihafana, sy mba hifankaherezana ary mba hifanomezana toky:

“Misaotra.”

“Miala tsiny aho.”

Ary “Tiako ianao.”

Aza andrasana ho fotoana miavaka na loza mitranga vao hilaza ireo teny feno fanetrentena ireo. Ampiasao matetika sy amin-kitsim-po izy ireo satria izy ireo no maneho fanajana ny hafa. Mihamihena ny lanjan’ny teny ataon’ny olona: aza manaraka izany fomba fanao izany.

Afaka miteny hoe “misaotra” isika ao anaty solon-tohatra, eny amin’ny fiantsonan’ny fiarakodia, eny an-tsena, any am-piasana, anaty filaharana, na amin’ireo mpiray monina sy ireo namana. Afaka milaza hoe “miala tsiny aho” isika rehefa manao fahadisoana, na tsy tonga tamin’ny fivoriana iray, na nanadino tsingerin-taona nahaterahana, na mahita olona marary. Afaka miteny isika hoe “tiako ianao” ary ireo teny ireo dia mampita ny hafatra hoe: “mieritreritra anao aho,” “miraharaha ny momba anao aho,” “eto aho raha mila ahy ianao,” na “zava-drehetra ho ahy ianao.”

Mamelà ahy hizara ohatra iray mahakasika ahy manokana. Mihainoa tsara ianareo lehilahy manambady. Ry ranabavy isany, hanampy anareo ihany koa ity. Talohan’ny nahazoana ny fanendrena amin’ny fotoana feno ato amin’ny Fiangonana, dia nitety faritra midadasika aho ho an’ny orinasako. Nandeha imbetsaka ihany nankeny amin’ny toerana maro erak’izao tontolo izao aho. Rehefa mifarana ny tontolo androko, na taiza na taiza nisy ahy, dia niantso ny tany an-trano hatrany aho. Rehefa mamaly ny antso an-taribỳ i Melanie vadiko ka manao tatitra aho, dia taomin’ny resaka ataonay foana izahay hiteny hoe “tiako ianao.” Isan’andro, dia lasa vatofantsiky ny aiko sy ny fitondrantenako ireo teny ireo, fiarovana ho ahy amin’ny fikasan-dratsy izy ireo. Ny hoe “tiako ianao ry Melanie” dia nanambara ny fifampitokisana sarobidy nisy teo aminay.

Nahazatra ny Filoha Thomas S. Monson ny nilaza hoe: “Maro ireo tongotra tokony hatanjahina, tanana tokony hosintonina, saina tokony hamafisina, fo tokony ho entanina ary fanahy tokony hovonjena.” Ny fitenenana hoe “misaotra,” “miala tsiny aho,” “tiako ianao” dia ahafahana manao izany mihitsy.

Ry rahalahy sy anabavy, manan-danja ny teny.

Mampanantena aho fa raha toa isika ka “mivoky amin’ny tenin’i Kristy” izay mitondra mankamin’ny famonjena, sy ny tenin’ny mpaminanintsika izay mitarika sy mankahery antsika, ary amin’ireo tenintsika izay milaza hoe iza isika sy inona no zava-tsarobidy amintsika, dia hirotsaka amintsika ny herin’ny lanitra. “Hilaza aminareo ny zava-drehetra tokony hataonareo ny tenin’i Kristy.” Zanaky ny Ray any An-danitra isika ary Andriamanitsika Izy, ary ny andrasany amintsika dia ny hitenenantsika amin’ny “fitenin’ny anjely” amin’ny herin’ny Fanahy Masina.

Tiako i Jesoa Kristy Tompo. Voalazan’ny Testamenta Taloha ao amin’ny Isaia fa Izy no “Mahagaga, Mpanolo-tsaina, Andriamanitra Mahery, Rain’ny mandrakizay, Andrian’ny fiadanana.” Ary araka ny voalazan’ny Apôstôly Jaona mazava tsara, dia i Kristy Izy Tenany no ilay “Teny.”

Izany no ijoroako ho vavolombelona amin’ny maha Apôstôly ahy izay nantsoina ho amin’ny fanompoana masina ny Tompo—mba hanambara ny teniny—sy nantsoina hijoro ho vavolombelony manokana. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy Tompo, amena.