Liahona
Loholona Christopher H. Kim
Mey 2024


“Loholona Christopher H. Kim,” Liahona, mey 2024.

Loholona Christopher H. Kim

Fitopololahy Manampahefana Ambony

Fony 14 taona ny Loholona Christopher H. Kim ary nanana fahafahana hizara ny filazantsara tamin’ireo namany, dia tonga saina izy fa nila nahafantatra ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna mba hahafahany miteny amim-paharesen-dahatra.

“Nanana fahatsapana nampionona fanahy aho rehefa nivavaka momba ny Bokin’i Môrmôna,” hoy izy nitantara. “Ary tampoka teo, dia tsy nisy fanontaniana na fisalasalana intsony momba ny Bokin’i Môrmôna.” Sambany teo amin’ny fiainany, hoy izy nanampy, ny hoe: “Tena nahatsapa ny Fanahy aho, nahafantatra ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna, ary nahafantatra fa mpaminanin’ Andriamanitra i Joseph Smith.”

Teraka tamin’ny 18 nôvambra 1965 tao Daegu, Kôrea Atsimo i Christopher Hyunsu Kim, izay zokiny indrindra amin’ireo zanaka efatr’i Chinho Kim sy i Kuncha Kim. Niditra ho mpikamban’ny Fiangonana tamin’ny fahazazany ny ray aman-dreniny. Nipetraka tao Daegu ny Loholona Kim mandra-pahavitan’ny fianarany tany amin’ny lisea, dia nifindra monina tany Etazonia ny fianakaviany, ary nanorim-ponenana tao amin’ny faritra atsimo ao Californie.

Nandritra ny fotoana nanompoany tany amin’ny Misiôna Washington Seattle, dia nanompo tany amin’ny Misiôna Californie Los Angeles Rahavavy Seongmi (Sue) Hong. Tao ny nahafantarany ny renin’ny Loholona Kim. Taty aoriana, rehefa vita ny asa fitoriana nataon’ny Loholona Kim sy Rahavavy Hong, dia nanomboka nifankahafantatra kokoa izy ireo. Nivady tao amin’ny Tempolin’i Los Angeles Californie izy ireo ny 7 desambra 1991. Manan-janakalahy iray sy zanakavavy telo izy ireo.

Ny Loholona Kim dia nahavita fianarana tao amin’ny Brigham Young University ary nahazo mari-pahaizana licence en sociologie tamin’ny 1995 ary maîtrise momba ny fitantanan-draharaha ao amina orinasa tamin’ny 1997. Rehefa vita ny fianarany dia niasa tao Etazonia, Tailandy, ary Kôrea Atsimo izy. Hatramin’ny 2005 dia niasa tao amin’ny Unicity International izy, izay mpamatsy vokatra ara-tsakafo sy fikolokoloan-tarehy izay manana foibe ao Utah, ary ny farany indrindra dia filohan’ny varotra iraisam-pirenena manana foibe ao Séoul, Kôrea Atsimo.

Efa hatramin’ny 2019 ny Loholona Kim no Fitopololahin’ny Vondromparitra. Efa filohan’ny tsatòka, mpanolotsaina tao amin’ny fiadidian’ny tsatòka, filohan’ny misiôna teo anivon’ny tsatòka, ary mpikambana tao amin’ny filankevitra avo koa izy.

Hamoaka printy