Miantsoa, fa sao dia mianjera
Raha miantso an’ Andriamanitra isika, dia mijoro ho vavolombelona aho fa tsy hianjera isika.
Anio dia tiako ny hanomboka amin’ny alalan’ny fijoroana ho vavolombelona ny amin’ny fahazoako antoka tanteraka ato am-poko fa mahare ny vavaka ataontsika Andriamanitra ary mamaly azy ireny amin’ny fomba miavaka ho an’ny tsirairay.
Ao anatina tontolo miaina fotoan-tsarotra feno fanahiana, fanaintainana, fahadisoam-panantenana ary ratram-po, dia mety hahatsapa fironana hiantehitra kokoa amin’ny fahaiza-manao sy ny zavatra tian’ny tena manokana isika, ary koa ny fahalalana sy ny fiarovana avy amin’ny izao tontolo izao. Mety mahatonga antsika hanao an-jorom-bala ny tena loharanon’ny famonjena sy ny fanampiana izay afaka mandresy ireo olana eto amin’ny fiainana an-tany izany.
Tsaroako ny fotoana iray izay nidirako hôpitaly noho ny aretina iray, ary sarotra ho ahy ny nahita tory tamin’izay. Rehefa nopihiko ny jiro ka lasa maizina ny efitrano, dia nahita takela-pamantarana mazava alina teny amin’ny valin-drihana teo anoloako aho, izay nilaza hoe: “Miantsoa, fa sao dia mianjera.” Tsy nampoiziko, fa ny ampitson’io dia nahita io hafatra io niverimberina teny amin’ny faritra maromaro tao amin’ilay efitrano aho.
Fa nahoana no nanan-danja toy izao io hafatra io? Rehefa nanontany ilay mpitsabo mpanampy momba izany aho, dia hoy izy: “Hisorohana ny fahavoazana izay mety hampitombo ny fanaintainanao amin’izao izany.”
Ity fiainana ity, noho ny toetrany, dia mitondra zavatra iainana maharary, ny sasany dia raiki-tampisaka amin’ny vatantsika, ny sasany dia noho ny fahalementsika na ny fahoriantsika, ny sasany dia noho ny fomba ampiasan’ny hafa ny fahafahany misafidy, ary ny sasany dia noho ny fampiasantsika ny fahafahantsika misafidy.
Moa ve misy fampanantenana feno hery kokoa noho ilay iray izay nataon’ny Mpamonjy mihitsy rehefa nanambara Izy hoe: “Mangataha, dia homena hianareo; mitadiava, dia hahita hianareo; dondòny,” na miantsoa, “dia hovohana hianareo”?
Ny vavaka no fitaovana entina mifandray amin’ny Raintsika any An-danitra izay mamela antsika hanaraka ilay torohevitra hoe “miantsoa, fa sao dia mianjera.” Misy anefa toe-javatra iainana izay mety hieritreretantsika fa tsy nisy nihaino ilay antso satria tsy mahazo valiny eo no ho eo isika, na valiny iray araka izay andrasantsika.
Mitarika ho amin’ny tebiteby, alahelo, na fahadisoam-panantenana izany indraindray. Kanefa tsarovy ny fanehoan’i Nefia ny finoany ny Tompo rehefa niteny izy hoe: “Nahoana Izy no tsy ho afaka manoro ahy hahazoako manamboatra sambo iray?” Manontany anareo aho izao hoe Nahoana ny Tompo no tsy ho afaka manoro anareo, mba tsy hianjeranareo?
Ny fatokiana hahazo valiny avy amin’ Andriamanitra dia midika hoe manaiky fa ny lalany dia tsy lalantsika ary “tsy maintsy mitranga amin’ny fotoany avy ny zava-drehetra.”
Ny fahafantarana tsara fa isika dia zanaky ny Ray any An-danitra be fitiavana sy feno indrafo no tokony ho antony manosika “hiantso” amin’ny vavaka feno fanoloran-tena omban’ny toe-tsaina “[h]ivavaka mandrakariva … ary tsy kivy; … mba hitondra fiadanana ho an’ny fanahi[ntsika] ny asa[ntsika].” Alaovy sary an-tsaina ny fihetseham-pon’ny Ray any An-danitra rehefa mitalaho amin’ny anaran’i Jesoa Kristy Zanany isika ao anatin’ny vavaka tsirairay. Mino aho fa misy hery sy fitiavana miseho rehefa manao izany isika!
Ny soratra masina dia feno ohatra amin’ireo izay niantso an’ Andriamanitra mba tsy hianjeran’izy ireo. Rehefa niaina fahoriana i Helamàna sy ny miaramilany, dia niantso an’ Andriamanitra izy ireo, nampiloatra ny fanahiny tamin’ny fivavahana. Nahazo fatokian-tena, fiadanana, finoana, ary fanantenana izy ireo, nahazo herim-po sy fahatapahan-kevitra mandra-pahatratrarany ny tanjony.
Alaovy sary an-tsaina ny fomba niantsoan’i Mosesy sy nitalahoany an’ Andriamanitra rehefa tafalatsaka teo anelanelan’ny Ranomasina Mena sy ny Egyptiana izay nanatona hanafika izy, na i Abrahama rehefa nankatò ilay didy hanao sorona an’i Isaka zanany.
Azoko antoka fa efa nanana sy mbola hanana traikefa ny tsirairay avy aminareo, izay ny fiantsoana no ho valiny mba tsy hianjerana.
Telopolo taona lasa izay, raha niomana tamin’ny fisoratam-panambadianay sy ny fanambadianay tany amin’ny tempoly izaho sy ny vadiko, dia naharay antso izahay mba hampahafantarana anay fa nofoanana ny fanambadiana ara-panjakana noho ny fisian’ny fitokonana iray. Telo andro talohan’ny daty voapetraka hanaovana ilay lanonana no nahazoanay ilay antso. Taorian’ny ezaka maro hamandrika daty hisoratana tany amin’ireo birao hafa, kanefa tsy nahita fotoana malalaka, dia nanomboka nalahelo sy nisalasala izahay raha tena afaka ny hivady araka izay nokasaina.
“Niantso,” nampiloatra ny fanahinay tamin’ny fivavahana tamin’ Andriamanitra izaho sy ny fofombadiko. Nony farany dia nisy olona niresaka taminay momba ny birao iray ao amina tanàna kely any ivelan’ilay tanan-dehibe ary olom-pantatray ny ben’ny tanàna tao. Tsy nisalasala izahay fa nandeha nitsidika azy ary nanontany azy raha azo heverina ny hanatanterahany ny fanambadianay. Faly tokoa izahay fa nanaiky izy. Nohamafisin’ny mpitantsorany taminay fa tsy maintsy mahazo taratasy fanamarinam-ponenana ao amin’izany tanàna izany izahay ary manatitra ny antontan-taratasy rehetra alohan’ny mitataovovonana ny ampitson’io.
Ny ampitson’io dia nifindra tao amin’ilay tanàna kely izahay ary nankany amin’ny biraon’ny pôlisy mba hangataka ny antontan-taratasy takina. Tsy nampoizinay fa nilaza ilay pôlisy hoe tsy hanome izany anay izy, satria maro ny tanora mpifankatia no nitsoaka ny fianakaviany mba hivady mangingina tao amin’io tanàna io, kanefa mazava ho azy tsy toy izany ny anay. Dia resin’ny tahotra sy ny alahelo indray izahay.
Tsaroako ny niantsoako mangina ny Raiko any An-danitra mba tsy hianjerako ka tsy hahatratra ny tanjoko. Nahazo fahatsapana mazava tao an-tsaiko aho, izay niteny niverimberina hoe “Fahazoan-dalana hidirana ny tempoly, fahazoan-dalana hidirana ny tempoly.” Navoakako avy hatrany ny fahazoan-dalako hidirana ny tempoly dia natolotro an’ilay pôlisy, izay nahagaga tokoa ny fofombadiko.
Gaga be mihitsy izahay rehefa nahare ilay pôlisy niteny hoe: “Fa nahoana ianareo no tsy nilaza tamiko hoe avy ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany? Fantatro tsara ny fiangonanareo.” Nanomboka nanomana avy hatrany ny antontan-taratasy izy. Mbola gaga kokoa noho izany izahay rehefa nivoaka ny birao tsy niteny na inona na inona ilay pôlisy.
Lasa ny 50 minitra, fa tsy mbola niverina izy. Efa tamin’ny 11:55 antoandro tamin’izay, ary hatramin’ny mitataovovonana ihany no nahafahanay nanatitra ireo antontan-taratasy. Tampoka teo dia nipoitra avy any niaraka tamina alika kely tsara tarehy izy dia nilaza taminay fa fanomezana ho an’ny fanambadianay izany, dia nomeny anay niaraka tamin’ny antontan-taratasy ilay izy.
Nihazakazaka nankany amin’ny biraon’ny ben’ny tanàna niaraka tamin’ireo antontan-taratasinay sy ilay alikanay vaovao izahay. Dia nahita fiaram-panjakana nanatona anay izahay avy eo. Nijanona teo anoloan’ilay izy aho. Nijanona ilay fiara, dia hitanay tao anatin’izany ilay mpitantsoratra. Rehefa nahita anay izy dia niteny hoe: “Miala tsiny fa amin’ny mitataovovonana hoy aho taminareo. Tsy maintsy mandeha mamita iraka hafa aho izao.”
Nanetry tena mangina aho, niantso ny Raiko any An-danitra tamin’ny foko manontolo, nangataka fanampiana indray mba “tsy hianjera.” Tampoka teo dia nisy fahagagana nitranga. Hoy ilay mpitantsoratra taminay: “Tsara tarehy ery izany alikanareo izany. Aiza no ahitako iray ohatra an’io ho an’ny zanako lahy?”
“Ho anao ity”, hoy izahay namaly avy hatrany.
Gaga ilay mpitantsoratra nijery anay dia niteny hoe: “Eny ary, andao ho any amin’ny birao dia hanao ireo fikarakarana.”
Roa andro taty aoriana dia vita fanambadiana ara-panjakana araka izay nokasainay izaho sy i Carol, dia nofehezina tao amin’ny Tempolin’i Lima Perou izahay.
Mazava ho azy fa mila mitadidy isika fa ny fiantsoana dia resaka finoana sy asa, finoana hanaiky fa manana Ray any An-danitra izay mamaly ny vavaka ataontsika araka ny fahendreny tsy manam-petra isika, ary avy eo dia asa mifanaraka tsara amin’izay angatahantsika. Mety ho mariky ny fanantenantsika ny vavaka, na fiantsoana. Saingy ny fanaovana asa rehefa avy mivavaka no fanehoana fa tena misy ny finoantsika, finoana izay sedraina ao anatin’ny fotoan’ny fanaintainana, ny tahotra, na ny fahadisoam-panantenana.
Mandroso hevitra aho ny handinihanareo ireto manaraka ireto:
-
Hevero mandrakariva ho safidy voalohany hangatahanareo fanampiana ny Tompo.
-
Miantsoa, fa sao dia mianjera. Miantehera amin’ Andriamanitra amin’ny vavaka avy amin’ny fo.
-
Rehefa avy mivavaka, dia ataovy izay rehetra vitanareo mba hahazoana ireo fitahiana nangatahanareo am-bavaka.
-
Manetre tena mba hanaiky ny valim-bavaka amin’ny fotoany sy ny fombany.
-
Aza mijanona! Mandrosoa hatrany eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana eo am-piandrasanareo valiny.
Misy olona angamba any amin’izao fotoana izao mihitsy, noho ireo toe-javatra iainany, mahatsapa ho efa hila hianjera ary te hiantso tahaka ny nataon’i Joseph Smith rehefa niantsoantso izy hoe: “Andriamanitra ô, aiza no misy Anao? … Mandra-pahoviana no hihazonanao ny tananao?”
Na dia ao anatina toe-javatra iainana tahaka ireo aza, dia mivavaha amin’ny “fahavitrihana ara-panahy,” araka ny nampianarin’ny Filoha Russell M. Nelson, satria misy mandre foana ny vavakareo!
Tadidio ity hira ao amin’ny fihirana ity:
Raha vao maraina ny andro,
Moa nivavaka?
Nangataka fitahiana
amin’ny anaran’i Jesoa,
‘zay hiaro tokoa.
Rehefa mivavaka isika dia afaka mahatsapa ny famihinan’ny Raintsika any An-danitra, izay nandefa ny Zanany Lahitokana mba hanamaivana ny enta-mavesatsika, satria raha miantso an’ Andriamanitra isika, dia mijoro ho vavolombelona aho fa tsy hianjera isika. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.