Liahona
Loholona Karl D. Hirst
Mey 2024


“Loholona Karl D. Hirst,” Liahona, mey 2024.

Loholona Karl D. Hirst

Fitopololahy Manampahefana Ambony

“Olona tsotra manao antso mahatalanjona” no fijerin’ny Loholona Karl D. Hirst ny tenany.

Mandray ny fijoroany ho vavolombelona sy ny fanamafisana izany eo amin’ny zavatra iainany ho toy ny tsotra ihany koa ity Fitopololahy Manampahefana Ambony ity. “Tsy nisy iraka avy any an-danitra namangy, tena tsy nisy zavatra ara-panahy nahatalanjona mihitsy—ary efa nitsahatra tamin’ny fieritreretana izany aho satria afa-po tokoa amin’ny fomba nofidian’ Andriamanitra hiresahana amiko, na dia misafidy ny hiresaka amin’ny olona hafa amin’ny fomba hafa aza Izy,” hoy ny Loholona Hirst. “Tsy nahatalanjona izany, kanefa be dia be.”

Nivarotra tao amina tsena kely fivarotana zavatra ilaina andavanandro i Jack rain’ny Loholona Hirst. Nahafantatra Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany tamin’ny alalan’ireo mpanjifa izy ary lasa mpikamban’ny Fiangonana taona maro taorian’ny nahaterahan’i Karl ny 28 febroary 1972 tao Bury, Nancashire, Angleterre.

Nanomboka nanana fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy ny Loholona Hirst rehefa nianatra ireo tantaran’ny Mpamonjy sy nihira ireo hira ao amin’ny fihirana teo am-panatrehana ny Sekoly Alahady tany amina fiangonana iray hafa fony mbola kely niaraka tamin’i Vivien Ruth Meakin Hirst reniny sy ny renibeny.

Nanatrika ireo fivorian’ny Olomasin’ny Andro Farany i Karl kely ary nahazo fanasana avy amina mpampianatra iray tao amin’ny Kilonga mba hatao batisa, izay nekeny teo amin’ny faha-10 taonany. Voatazon’ny Loholona Hirst ny finoany sy ny fijoroana ho vavolombelona nananany tamin’ny fahazazany tao anatin’ny dimampolo taona mahery teo amin’ny fiainany.

“Niteny tamiko tao am-poko tahaka izay nataony fony aho tao amin’ny Kilonga sy tahaka izay nataony fony aho nanatrika Sekoly Alahady Andriamanitra,” hoy ny Loholona Hirst.

Nanambady an’i Claire Elizabeth Wright tao Burnley, Lancashire izy tamin’ny 29 mey 1993. Nofehezina tao amin’ny Tempolin’i Londres Angleterre izy ireo ny harivan’io andro io.

Nahazo mari-pahazaina licence momba ny lalàna avy amin’ny Oniversite an’i Lancaster izy tamin’ny 1996 ary mari-pahaizana maîtrise momba ny fitantanan-draharaha ao amina orinasa avy amin’ny Alliance Manchester Business School tamin’ny 2016. Nanomboka tamin’ny 1997, dia mpisolovava ny asany.

Manan-janaka enina ry Hirst ary nipetraka tany Bolsover, Chesterfield, Angleterre, ary tale mpitarika ny fivoriana Ho zatovo mahery ny antsony tamin’ny fotoana niantsoana azy.

Hamoaka printy