Liahona
Fitokiana amin’ny fanekempihavanana amin’ny alalan’i Jesoa Kristy
Mey 2024


Fitokiana amin’ny fanekempihavanana amin’ny alalan’i Jesoa Kristy

Manao dia masina amin’ny fianarana mba ho tonga mpianatr’i Kristy tsara sy masina kokoa isika rehefa miditra ao amin’ny tranon’ny Tompo.

Ry rahalahiko sy anabaviko malala, mivavaka aho mba hohavaozina ara-panahy isika amin’ny alalan’ireo hafatra azo avy amin’ny fanentanam-panahy avy amin’ireo mpitarika antsika amin’ity faran’ny herinandro ity ary hifaly amin’ilay zavatra izay tiako ny miantso azy hoe “fitokiana amin’ny fanekempihavanana amin’ny alalan’i Jesoa Kristy.” Fahazoana antoka tanteraka nefa mangina ny fandraisana ireo fitahiana izay nampanantenain’ Andriamanitra ho an’ireo izay mitandrina ny fanekempihavanany izany fitokiana izany ary tena ilaina tokoa ao anatin’ireo toe-javatra sarotra amin’izao androntsika izao.

Ny fananganana ireo tranon’ny Tompo vaovao manerana izao tontolo izao eo ambany fitarihan’ny Filoha Russell M. Nelson dia niteraka fifaliana lehibe teo anivon’ireo mpikamban’ny Fiangonana ary mari-pamantarana manan-danja ny fiitaran’ny fanjakan’ny Tompo.

Rehefa nisaintsaina ny zavatra niainako nampitolagaga tamin’ny fitokanana ny Tempolin’i Feather River Californie tamin’ny volana ôktôbra lasa teo aho dia nanontany tena raha toa ka very ao anatin’ny fientanentanana amin’ny fananana tempoly vaovao ao amin’ny tanànantsika sy ny fiarahamonina misy antsika isika, ary manao tsirambina ireo fanekempihavanana masina atao ao amin’ny tempoly.

Misoratra eo ivelan’ny tempoly tsirairay ny fanambarana ampahibemaso hoe: “Hamasinina ho an’ny Tompo.” Ireo teny azo avy amin’ny fanentanam-panahy ireo dia fanasana mazava fa manao dia masina amin’ny fianarana mba ho tonga mpianatr’i Kristy tsara sy masina kokoa isika rehefa miditra ao amin’ny tranon’ny Tompo. Mahazo hery hanovana ny fontsika sy hanavaozana ny fanahintsika ary hanamafisana ny fifandraisantsika amin’ Andriamanitra isika rehefa manao fanekempihavanana amim-pahamasinana eo anatrehany ary manolo-tena hanaraka ny Mpamonjy. Mitondra fanamasinana ho an’ny fanahintsika ary mandrafitra fifamatorana masina amin’ Andriamanitra sy i Jesoa Kristy ny ezaka toy izany, izay mampanantena fa afaka mandova ny fanomezana ny fiainana mandrakizay isika. Ny fahazoantsika fahatokian-tena masina sy tsara kokoa ho an’ny fiainantsika andavanandro ao anatin’ireo fanekempihavanana nataontsika tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy no vokatr’izany dia masina izany.

Ny fitokiana toy izany no ambaratonga faratampon’ny fifandraisana masina amin’ Andriamanitra ary afaka manampy antsika hampitombo ny fanolorantenantsika sy ny fankasitrahantsika an’i Jesoa Kristy sy ny sorompanavotany. Manamafy ny fahafahantsika mitia sy manompo ny hafa izany ary mampatanjaka ny fanahintsika hiaina ao anatin’ny tontolo tsy masina izay mihamaizina sy mahakivy. Manome hery antsika handresena ireo voan’ny fisalasalana sy famoizam-po, tahotra sy fahasorenana, aretim-po sy fahadisoam-panantenana izay ezahin’ny fahavalo hampidirina lalina ao am-pontsika izany, indrindra rehefa mafy ny fiainana na maharitra ny fitsapana na sarotra ireo toe-javatra iainana. Manome torohevitra tena tsara ho an’ny tsirairay avy amintsika ny andinin-tsoratra masina iray ao amin’ny Baiboly, rehefa misedra ny rivo-maherin’ireo olana atrehina eto amin’izao tontolo izao ankehitriny isika manao hoe: “Koa aza manary ny [fahatokian-tenanareo].”

Ry rahalahy sy anabavy malala, manana ny iray amin’ireo hery matanjaka indrindra izay afaka ny ho azontsika eto amin’ity fiainana ity ireo izay mahazo ny fitokiana tena izy amin’ireo fanekempihavanana natao tao amin’ny tranon’ny Tompo tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy.

Rehefa nandalina ny Bokin’i Môrmôna tao amin’ny Avia, hanaraka Ahy tamin’ity taona ity isika, dia vavolombelon’ny fomba nanehoan’i Nefia tamin’ny ohatra kanto ny herin’io karazana fitokiana amin’ny fanekempihavanana io, tamin’ny alalan’ny fahatokiany rehefa niatrika fahasarotana sy olana izy toy ny fakana ireo takelaka araka ny nandidian’ny Tompo. Na dia nalahelo mafy tokoa aza i Nefia noho ny tahotra sy ny tsy fahampian’ny finoan’i Lamana sy i Lemoela, dia natoky tena fa ny Tompo dia hanome azy ireo ireo takelaka. Hoy izy tamin’ny rahalahiny: “Raha velona koa ny Tompo ary raha velona koa isika, dia tsy handeha hidina any amin-draintsika any an-tany foana raha tsy efa tontosantsika ny zavatra izay efa nandidian’ny Tompo antsika.” Afaka nanatanteraka izay nandidiana azy mba hataony i Nefia noho ny fitokiany tamin’ny fampanantenan’ny Tompo. Nahita ny fitaoman’io karazana fitokiana io i Nefia taty aoriana, tao amin’ny fahitany ka nanoratra hoe: “Izaho Nefia dia nahita fa ny herin’ny Zanakondrin’ Andriamanitra dia nidina tamin’ny Olomasin’ny fiangonan’ny Zanakondry sy tamin’ny vahoakan’ny fanekempihavanan’ny Tompo, … ary izy ireo dia nirongo fiadiana tamin’ny fahamarinana sy ny herin’ Andriamanitra, tamin’ny voninahitra lehibe.”

Nahita mivantana ny fampanantenan’ny Tompo sy ny heriny feno fitiavana nikoriana teo amin’ny fiainan’ireo zanak’ Andriamanitra aho, izay nampahery azy ireo hiatrika ireo toe-javatra misy eo amin’ny fiainana. Indray andro, rehefa nody avy nanao fitsaohana tany amin’ny tempoly ny vadiko dia nilaza tamiko fa tena nanohina ny fony ny zavatra niainany tany. Rehefa niditra tao amin’ny tranon’ny Tompo izy dia nahita lehilahy iray teo amin’ny seza misy kodiarana mandeha miadana tokoa ary vehivavy iray nandeha tamim-pahasahiranana mafy tamin’ny alalan’ny fampiasana tehina, izay samy tonga tamin-kerim-po mba hitsaoka ny Tompo ao an-tranony. Nahita rahavavy malefaka kely iray ny vadiko, rehefa niditra tao amin’ilay faritra fanatanterahana ny ôrdônansy fiomanana, izay tsy nanana sandry iray ary tsy nanana afa-tsy ampahany tamin’ny sandriny iray hafa, nanao izay asa nampiandraiketina azy tamin’ny fomba mahafatifaty sy selestialy.

Nanatsoaka hevitra izaho sy ny vadiko, rehefa niresaka momba izany zavatra niainana izany izahay, fa ny fitokiana madio sy avy amin’ny fo amin’ireo fampanantenana mandrakizay izay omen’ Andriamanitra amin’ny alalan’ireo fanekempihavanana masina natao taminy tao an-tranony ihany no afaka nahatonga ireo mpianatra mahatalanjon’i Kristy ireo handao ny tokantranony tamin’io andro mamirifiry io, na dia eo aza ny toe-javatra iainan’izy ireo manokana.

Ry namako malala isany, raha misy zavatra manan-danja azontsika ananana, ary zavatra iray azontsika ampitaina amin’ny zanatsika sy ny zafintsika izay hanampy azy ireo tsirairay avy amin’ireo fitsapana sy fisedrana ho avy, dia ny fitokiana amin’ireo fanekempihavanana natao tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy izany. Hanampy azy ireo ny fahazoana fananana masina toy izany hiaina araka ny nampanantenain’ny Tompo ireo mpanara-dia Azy mahatoky hoe: “Fa hitsangana eo amin’ny toerana masina ny mpianatro ary tsy hoesorina.”

Ahoana no ahazoantsika fitokiana toy izany amin’ny alalan’i Jesoa Kristy? Izany dia tonga amin’ny alalan’ny fanetrentena, fampifantohana ny fiainantsika amin’ny Mpamonjy, fiainana araka ny fitsipiky ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, fandraisana ireo ôrdônansin’ny famonjena sy ny fisandratana, ary fanajana ireo fanekempihavanana ataontsika amin’ Andriamanitra ao amin’ny tranony masina.

Nampahatsiahy antsika momba ny dingana manan-danja iray amin’ny fanatrarana ny fitokiana amin’ny fanekempihavanana ny mpaminany malalantsika tamin’ny lahateny famaranana nataony nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany tamin’ny ôktôbra 2019, hoe: “… Ny fahamendrehan’ny tena manokana mba hiditra ny tranon’ny Tompo dia mitaky fiomanan’ny tena manokana ara-panahy be dia be. … Ny fahamendrehan’ny tena manokana dia mitaky fiovana tanteraka ao an-tsaina sy ao am-po mba hitovy kokoa amin’ny Tompo, mba ho olom-pirenena marin-toetra, sy ho ohatra tsaratsara kokoa, ary ho olona masina kokoa.” Noho izany, raha manova ny fiomanantsika hiditra ny tempoly isika dia hanova ny zavatra iainantsika ao anatinʼny tempoly isika izay hanova ny fiainantsika any ivelanʼny tempoly. “Dia hihamahery ny [fahatokian]-tenanao eo anatrehan’ Andriamanitra; ary ny fotopampianaran’ny fisoronana dia hitsika ao amin’ny fanahinao toy ny ando avy any an-danitra.”

Ny eveka iray izay fantatro dia tsy miantso ny kilasy zokiny indrindra ao amin’ny Kilonga ho “Kilonga” fa kilasy “fiomanana amin’ny tempoly”. Manasa ny mpianatra sy ny mpampianatra azy ireo ny eveka ny volana janoary ho tonga ao amin’ny biraony, hiresahan’izy ireo momba ny zavatra hataon’izy ireo mandritra ny taona iray manontolo hiomanana hiditra ny tempoly. Maka fotoana hamakiana ireo fanontaniana apetraka mandritra ny tafa sy dinika momba ny fahazoan-dalana mankany amin’ny tempoly izay azo apetraka amin’izy ireo ny eveka, ka ampidirina ao amin’ny leson’ny Kilonga avy eo. Manasa ny ankizy izy mba hiomana ka rehefa tonga ao amin’ny biraon’ny eveka izy ireo afaka herintaona, diaho matoky tena, hitoky amin’ny fanekempihavanana, ho vonona handray ny fahazoan-dalana hiditra ny tempoly ary hiditra ao amin’ny tranon’ny Tompo. Nanana zatovovavy efatra ilay eveka tamin’ity taona ity izay nientanentana sy niomana ary natoky tena ho any amin’ny tempoly ka tiany ny eveka mba hanao printy ny fahazoan-dalana ho azy ireo amin’ny andron’ny taom-baovao amin’ny mamatonalina mahery 1 minitra (12:01 ora misasak’alina).

Tsy natao ho an’ireo izay sambany vao ho any amin’ny tempoly irery ihany ny fiomanana. Tokony hiomana lalandava ho any amin’ny tranon’ny Tompo isika rehetra. Ny tsatòka iray izay fantatro dia nametraka teny filamatra iray toy izao: “Mifantoka amin’ny ao an-tokantrano, hamafisin’ny Fiangonana, ary mibanjina ny tempoly.” Teny mahaliana izay midika eto hoe mifantoka amin’ny zotra iray ny mibanjina, fa midika koa hoe voafatotra na voaro, tsy mivilivily ary tapa-kevitra, azo antoka. Noho izany, manome antoka antsika ny fiarovan’ny Mpamonjy, manome antsika fitarihana sy fitoniana araka ny tokony ho izy sady manome antoka fa manana fitokiana amin’ny fanekempihavanana amin’ny alalan’i Jesoa Kristy ny mibanjina ny tempoly. Noho izany, tokony hanatsara izany fibanjinana izany isika rehetra amin’ny alalan’ny fanondroana ny fotoana manaraka amin’ny Tompo ao amin’ny tranony masina, na akaiky na lavitra ny tempoly.

Nampahatsiahy antsika momba ireto fitsipika manan-danja ireto ny mpaminany malalantsika, Filoha Russell M. Nelson, raha nilaza hoe: “Ny tempoly no ivon’ny fanamafisana orina ny finoana sy ny tanjaka ara-panahy satria ny Mpamonjy sy ny fotopampianarany no ampahany manan-danja indrindra amin’ny tempoly. Ny zavatra rehetra ianarana any amin’ny tempoly, amin’ny alalan’ny zavatra rehetra ampianarina any sy amin’ny alalan’ny Fanahy, dia mampitombo ny fahatakarantsika momba an’i Jesoa Kristy. Ireo ôrdônansy ilaina omeny dia mampifamatotra antsika Aminy amin’ny alalan’ny fanekempihavanan’ny fisoronana. Avy eo, rehefa mitandrina ireo fanekempihavanantsika isika dia hotafiny amin’ny heriny manasitrana sy mampatanjaka. Ary tena ho ilaintsika tokoa ny heriny amin’ireo andro ho avy.”

Irin’ny Mpamonjy ny hahatonga antsika ho vonona hahatakatra, amin’ny fomba mazava tsara hoe, ahoana marina ny tokony hatao rehefa manao fanekempihavanana amin’ny Raintsika any an-danitra amin’ny anarany isika. Tiany isika mba ho vonona hiaina ireo tombontsoantsika, ireo fampanantenana ary ireo andraikitsika; mba ho vonona ny hanana ireo hevi-baovao sy fifohazana ara-panahy izay ilaintsika eto amin’ity fiainana ity. Fantatro fa rehefa mahita na dia soritry ny faniriana na koa ezaka madinika amim-pahamarinana aza ny Tompo eo amin’ny fahavononantsika hampifantoka ny fiainantsika Aminy sy amin’ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana ataontsika ao an-tranony, dia hitahy antsika Izy amin’ny fombany tonga lafatra miaraka amin’ireo fahagagana sy ireo famindram-po lehibe izay ilaintsika.

Toerana ahafahantsika ho voaova amin’ny fomba tsara sy masina kokoa ny tranon’ny Tompo. Noho izany rehefa mivoaka ny tempoly isika, voaovan’ny fanantenantsika ao amin’ireo fampanantenan’ny fanekempihavanana, mirongo hery avy any ambony, dia mitondra ny tempoly miaraka amintsika ao an-tokantranontsika sy eo amin’ny fiainantsika isika. Manome toky anareo aho fa manova antsika tanteraka ny fananana ny fanahin’ny tranon’ny Tompo ao anatintsika.

Fantatsika koa avy amin’ny tempoly fa tsy afaka manana ary tsy tokony hanana lolompo na amin’iza na iza isika raha tiantsika ny tsy hahavoafetra ny Fanahin’ny Tompo eo amin’ny fiainantsika. Hamokatra teny sy fihetsika ratsy, na ao amin’ny tambajotran-tserasera izany na ao an-tokantranontsika ny fanomezana toerana ao am-pontsika na ao an-tsaintsika ny lolompo na ny eritreritra ratsy, izay hahatonga ny Fanahin’ny Tompo hiala ao am-pontsika. Noho izany, aza mba manary ny [fitokianareo], fa aoka hihamahery ny [fahatokian]-tenanareo.

Hitohy hampientanentana sy hanentana ny fanahy ary hitahy antsika ny fanorenana tempoly izay mitohy sy hafainganina hatrany. Ny zava-dehibe kokoa anefa, rehefa manova ny fiomanantsika hiditra ny tempoly isika dia hanova ny zavatra iainantsika ao anatinʼny tempoly isika, izay hanova ny fiainantsika any ivelanʼny tempoly. Enga anie izany fiovana izany hameno antsika amin’ny fitokiana amin’ireo fanekempihavanana masina nataontsika tamin’ Andriamanitra tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Velona Andriamanitra, Mpamonjy antsika i Jesoa, ary Fiangonany naverina tamin’ny laoniny eto an-tany ity. Ambarako amim-panajana ireo fahamarinana ireo, amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika, amena.

Hamoaka printy