Liahona
Ny hery mitarika ananan’ny vehivavy
Mey 2024


“Ny hery mitarika ananan’ny vehivavy,” Liahona, mey 2024.

Avy amin’ny Fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny Fikambanana Ifanampiana, taona 2024

17 Martsa 2024

Ny hery mitarika ananan’ny vehivavy

Aza tsinontsinoavina mihitsy ny hery mahatalanjona ao anatinareo mba hitaomana ny hafa hanao ny tsara.

Ry anabavy malalako ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana, feno fankasitrahana aho miresaka aminareo androany. Ato an-tsaiko matetika ianareo. Feno fankasitrahana lalina aho noho ianareo ary mahatsapa ho raiki-trosa aminareo. Maro tokoa amin’ny zavatra tsara tanterahin’ity Fiangonana ity, ary maro be amin’ireo zavatra tsara mitranga eto amin’izao tontolo izao, no mitranga noho ianareo! Misaotra noho ny fanoloran-tenanareo ho an’ny Tompo sy ny ezaka ataonareo mba hanandratra ny hafa. Fantatro ny halehiben’ny fitiavan’ny Tompo anareo sy halehiben’ny fianteherany aminareo.

Talanjona aho amin’ny finoanareo sy ny fandraisanareo ny zavatry ny Fanahy ho saro-pady. Mitondra fanentanam-panahy ho ahy ny zotom-ponareo, ny fitarihanareo amim-pahavitrihana, ary ny fahaizanareo mahita ny filàna iray ary manao izay hahazoana izany. Fitambarana fahaiza-manao, fangorahana, hevitra, ary fitiavana tsy dia fahita firy no entinareo mamaha ireo olana tena misy eo amin’ny fiainana, na tsy fahaizana mamaky teny sy manoratra izany, na tsy fanjarian-tsakafo, na olana momba ny fahasalaman’ny saina, na ireo zavatra ilain’ny hafa isan’andro. Ianareo no mampatanjaka ny iraka manontolo ataon’ny Fiangonan’ny Tompo.

Ranabavy isany, manana talenta avy amin’ Andriamanitra izay mamela anareo hanova fiainana ara-bakiteny ianareo! Marina izany, indrindra fa rehefa mazoto mirotsaka amin’ny fanatanterahana ny didy masina hanangona an’i Isiraely isika. Isaky ny manampy olona, na iza na iza isika mba hahita ny lalan’ny fanekempihavanana sy hijanona eo amin’izany, dia manampy amin’ny fanangonana an’i Isiraely isika. Tsy misy olona manao izany amin’ny fomba tsaratsara kokoa noho ianareo, amin’ny maha-reny, mpitarika, mpampianatra, rahavavy, ary namana. Manomana ireo taranaka ho avy ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo sy izao tontolo izao ianareo!

Vao haingana izahay no nahare momba ny ankizivavy kely telo taona iray izay nifoha tamin’ny torimasony. Mba hamalifaliana azy dia nentin’ny anadahiny tsirairay teo aminy ireo biby kilalao voasesika vita amin’ny lamba. Fa inona hoy ianareo no nampionona sy nitondra fifaliana ho azy nony farany? Ny Bokin’i Môrmôna izay azy manokana! Mijery ny reniny mamaky ny Bokin’i Môrmôna isan’andro io zazavavy kely io. Te ho tahaka ny reniny izy!

Tsy vita tsotra izao ny hanombantombana ny habetsahan’ny hery mitarika manatsara fiainana avy amin’ny vehivavin’ny fanekempihavanan’ Andriamanitra. Tiako ireo Rahalahiko, ary ankamamiako ny tombontsoa lehibe hiara-hiasa amin’izy ireo. Ny olona roa teto an-tany izay nisy akony indrindra tamiko anefa dia i Dantzel vadiko, renin’ireo zanakay 10, izay nodimandry tampoka teo amin’ny faha-78 taonany, sy i Wendy vadiko mahafinaritra, tao anatin’ireo 18 taona lasa izay.

Tsy nitandro hasasarana nikarakara ahy, na ara-batana na ara-panahy i Wendy nandritra ny fanasitranana henjana nilaina natao tamiko vao haingana noho ny fianjerana. Nanao izany tamin’ny fomba izay tsy ho vitan’iza na iza izy. Tsy misy fomba tafahoatra azo ilazana ny hery mitarika goavana izay nananan’i Dantzel sy i Wendy tamiko. Nanova ny fiainako izy ireo! Nahatonga ny fiainako ho feno kokoa izy ireo.

Mitana anjara toerana fototra ao amin’ny drafitry ny Raintsika any An-danitra efa hatramin’ny voalohany ny vehivavy. Niankina tamin’ny asa feno herim-po nataon’ny vehivavy mahery fo anankiroa ny drafitr’Andriamanitra ho an’ny famonjena—i Eva, “ny renin’ny olombelona rehetra,” sy i Maria, ny renin’i Jesoa Kristy Tompontsika.

Ranabavy isany, aza tsinontsinoavina mihitsy ny hery mahatalanjona ao anatinareo mba hitaomana ny hafa hanao ny tsara. Fanomezana nomen’ny Raintsika any An-danitra ny vehivavin’ny fanekempihavanana tsirairay izany. Amin’ny maha zanakavavin’ Andriamanitra mpanao fanekempihavanana anareo dia manana fahaizana mandray ny Fanahy sy mpitari-dalana ara-pitondrantena nohatsaraina izay manome anareo fahaizana mandray fanambarana ho an’ny tena manokana sy manavaka ny marina amin’ny diso ianareo. Tsy hoe manafaka ny lehilahy amin’ny andraikitra hanavaka ny tsara sy ny ratsy akory aho raha miteny izany, na amin’ny fanaovana ireo asa ara-panahy mba handray fanambarana. Kanefa, raha tsy manana intsony ny hatsaram-pitondrantenan’ny vehivavy ao aminy izao tontolo izao, dia tsy ho sitrana amin’izany na oviana na oviana izao tontolo izao.

Ranabavy isany, mila ny feonareo mampianatra ny fotopampianaran’i Kristy izahay. Mila ny fahaiza-manaonareo amin’ny maha-vehivavy anareo izahay mba hamantatra ny fitaka ary hilaza ny fahamarinana. Mila ny fahendrena nentanim-panahy anananareo ao amin’ny fianakavianareo, ny filankevitry ny paroasinareo sy ny an’ny tsatòkanareo izahay, ary koa any amin’ireo toerana hafa azonareo hitaomana ny hafa manerana izao tontolo izao. Mila anareo ny fianakavianareo, ny Fiangonana ary izao tontolo izao! Ranabavy isany, tsy misy olona mahavita ny zavatra rehetra, ary tsy tokony hanandrana hanao izany ianareo. Fantatro anefa ny halehiben’ny lanjan’ny anjara andraikitrareo amin’ny fananganana ny fanjakan’ Andriamanitra.

Koa anio aho dia manasa anareo mba hanao ny soratra masina ho Liahônà anareo manokana, ny tempoly ho toeram-pialofana sy hanatsaranareo izay ataonareo indray, ary ny vavaka ataonareo manokana ho fomba ianaranareo ny toerana tian’ny Tompo hisy anareo amin’izay andro izay. Rehefa mandeha ny fotoana, dia ho gaga ianareo amin’ny fomba hitarihany anareo ho tena eo amin’ny toerana ahafahanareo mitarika, mitantana, ary mandeha eo anilan’ny olona iray izay mila anareo.

Mba hahazoana izany vokatra izany, dia mitsodrano anareo aho mba hanana fahaiza-manavaka ara-panahy sy ny fahafahana mahazo fifaliana amin’ny fanolorana fanampiana ho an’ny hafa. Mitsodrano anareo aho mba hanana fahendrena hanavaka ny zavatra tena ilaina fa tsy hihazakazaka mihoatra izay vitanareo. Mitsodrano anareo aho mba hanana herim-po ho mendrika ireo tombontsoa masina anananareo amin’ny maha zanakavavin’ Andriamanitra mpanao fanekempihavanana anareo. Mitsodrano anareo aho mba hahatsapa lalina fa mahafantatra anareo sy tia anareo ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy Zanany. Nandefa anareo eto an-tany amin’izao fotoana izao Izy Ireo satria izao no tena ilàna anareo ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra! Mitsodrano anareo aho mba hahafantatra fa ny fanomezam-pahasoavana masina anananareo amin’ny maha-zanakavavin’ Andriamanitra dia manome anareo ny hery, tsy hanova fiainana fotsiny ihany, fa hanova izao tontolo izao koa!

Tiako ianareo ry anabavy malalako. Marina ireo zavatra ireo. Samy mirotsaka ao amin’ny asan’ny Tompo avokoa isika. Mijoro ho vavolombelona aho fa velona i Jesoa Kristy. Izy no lohan’ity Fiangonana ity. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Hamoaka printy