Liahona
Loholona D. Martin Goury
Mey 2024


“Loholona D. Martin Goury,” Liahona, mey 2024.

Loholona D. Martin Goury

Fitopololahy Manampahefana Ambony

Ny Loholona D. Martin Goury, izay lehibe tao amin’ny tanàna kely iray tao Côte d’Ivoire, dia nanonofy ny ho lasa mpitondra fivavahana sy hanompo ny hafa.

Nihaona tamin’ireo misiônera Olomasin’ny Andro Farany izy tamin’ny ôktôbra 1992 nandritra ny fotoana nianarany teny anglisy sy nanovozany fianarana tany Londres Angleterre. Nanome an’ny Loholona Goury Bokin’i Môrmôna amin’ny teny frantsay ireo misiônera izay hany misiônera teratany miteny frantsay tao Londres ny iray tamin’izy ireo.

Nanomboka namaky ilay boky izy ary vetivety dia nahazo fijoroana ho vavolombelona ny amin’ny fahamarinan’izany. Rehefa tonga tany an-tranony ny misiônera anankiroa vaovao volana vitsy taty aoriana, dia niditra ho mpikamban’ny Fiangonana izy. “Tadidiko fa faly be mihitsy aho,” hoy izy.

Nitombo ny hafaliany rehefa nampianatra azy momba ny fisoronana ireo misiônera. “Nanazava ny dikan’ny hoe fisoronana sy ny fomba azoko ampiasana izany hanompoana olona hafa izy ireo. Fahatanterahan’ny nofinofiko izany ho ahy,” hoy ny Loholona Goury. “Faly ery aho.”

Teraka tamin’ny 30 janoary 1964 i Dalébé Martin Goury, ary zanak’i Yoro Goury Maurice sy i Bame Gaby Odette. Lehibe tao amin’ny tanàna ambanivohitra iray antsoina hoe Lepiha sy ireo tanan-dehibe antsoina hoe Oume sy Gagnoa izy. Nanambady an’i Ruth Simone Kennington tao amin’ny Tempolin’i Londres Angleterre izy tamin’ny 8 aprily 1995. Monina ao Abidjan Côte d’Ivoire izy ireo ary manan-janaka efatra.

Nahazo mari-pahazaina licence momba ny fampianarana avy amin’ny CAFOP (Ivon-toerana fampiofanana momba ny fanabeazana sy ny fanentanana) de Man izy tamin’ny 1988, ary injeniera momba ny mekanika avy amin’ny Université de South Bank de Londres tamin’ny 1997. Mpampianatra tany amin’ny sekoly fanabeazana fototra izy, injeniera mpamolavola tefibika, tompon’andraikitra ambony mpitantana tetikasa sy tale lefitra mpitantana tetikasa tao Cameroun, tale jeneraly tamin’ny hetsika nataon’i Nizeria tamin’ny OneSubsea Services, ary tale mpitantana ny fampandehanana ny asa ho an’ny firenena tao amin’ny Schlumberger. Vao haingana ny Loholona Goury no niasa ho an’ny Fiangonana mba ho mpandrindra ny fanohanana ny mpitarika sy ny mpikambana.

Fitopololahin’ny Vondromparitra tao amin’ny Vondromparitra Afrika Andrefana izy tamin’ny fotoana niantsoana azy. Efa filohan’ny Misiôna Benin Cotonou izy, eveka, mpanolotsaina tao amin’ny episkôpà, filohan’ny sampana, ary filohan’ny kôlejin’ny loholona.

Hamoaka printy