Fifanoherana amin’ny zava-drehetra
Mba ahafahana mampihatra ny fahafahantsika misafidy, dia mila manana safidy mifanohitra hodinihana isika.
Vao tsy ela izay, raha nitondra fiara tao amina tanàna tsy mbola fantatray izahay, dia diso lalana tsy nahy aho ka izany dia nitarika ahy sy ny vadiko ho amina lalambe andehanana haingana izay tsy ahafahana miverin-dalana raha tsy afaka kilaometatra maro. Nahazo fanasana feno hatsaram-panahy hitsidika ny namana iray any an-tokantranony izahay ka nanahy hoe ho tara misimisy kokoa noho ny noeritreretina ny fahatongavanay any.
Raha teo amin’io lalambe io aho dia nitady mafy lalana hivoahana aminy, nanome tsiny ny tenako aho noho ny tsy nifantohana tsara kokoa tamin’ilay fitaovana fanoroan-dalana elektrônika. Izany zavatra niainana izany dia nahatonga ahy hieritreritra momba ny hoe manao safidy tsy mety isika indraindray eo amin’ny fiainantsika, ary ny tsy maintsy hiainantsika amim-panetrentena sy amim-paharetana an’ireo fiantraikany mandrapahatonga ny fotoana hahafahantsika manova ny lalantsika indray.
Manao safidy foana isika eo amin’ny fiainana. Nanome antsika ny fanomezana masin’ny fahafahana misafidy ny Raintsika any An-danitra mba hahafahantsika mianatra avy amin’ireo safidintsika—avy amin’ireo tsara ary ireo ratsy ihany koa. Manitsy ny safidy tsy nety nataontsika isika rehefa mibebaka. Amin’ny alalan’izany no hisian’ny fivoarana. Ny drafitry ny Ray any An-danitra ho antsika rehetra dia ny mba hianarana, hivoarana, ary handrosoana mankany amin’ny fiainana mandrakizay.
Nanomboka tamin’ny fotoana nampianaran’ireo misiônera ahy sy ny vadiko ary nidiranay ho mpikamban’ny Fiangonana taona maro lasa izay, dia nanaitra ahy foana ireo fampianarana lalina nomen’i Lehia an’i Jakôba zanany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Nampianariny izy fa “nomen’ny Tompo Andriamanitra ny olombelona ny fahafahana hanao araka ny safidiny.” ary “tsy maintsy ilaina ny hisian’ny fifanoherana amin’ny zava-drehetra.” Mba hahafahana mampihatra ny fahafahantsika misafidy, dia mila manana safidy mifanohitra hodinihana isika. Rehefa manao izany dia mampahatsiahy antsika koa ny Bokin’i Môrmôna fa efa “ampy tokoa ny fahalalan’ny olona.” ary “ny Fanahin’i Kristy” dia nomena ny tsirairay avy amintsika mba “hahazoan[tsika] manavaka ny tsara amin’ny ratsy.”
Eo amin’ny fiainana dia mifanehitra tsy tapaka amina safidy manan-danja maro isika. Ohatra:
-
Misafidy raha hanaraka na tsia an’ireo didin’ Andriamanitra.
-
Misafidy ny hanam-pinoana ary hiaiky rehefa misy fahagagana mitranga na miandry amim-pisalasalana ny hitrangan’ny zavatra iray vao hisafidy ny hino.
-
Misafidy ny hanana fatokiana an’ Andriamanitra na miandry amin-tahotra ny hitrangan’ny olana iray hafa ny andro manaraka.
Toy ny tamin’izaho diso lalana teo amin’ilay lalambe, ny fijaliana noho ny vokatry fanapahan-kevitra tsy nety nataontsika dia matetika mety ho tena mangirifiry satria isika ihany no azontsika homena tsiny. Kanefa na dia izany aza dia afaka misafidy ny hahazo fampiononana amin’ny alalan’ny dingana masin’ny fibebahana foana isika, ka manitsy ny zavatra tsy nety, ary dia mianatra lesona manova fiainana maromaro rehefa manao izany.
Indraindray isika dia mety hiatrika ihany koa fanoherana sy fitsapana avy amin’ireo zavatra izay tsy azontsika fehezina, toy ny:
-
Fotoana hananana fahasalamana sy fotoan’ny aretina.
-
Fotoan’ny fiadanana sy fotoan’ny ady.
-
ireo oran’ny andro sy ny alina sy ny vanim-potoan’ny fahavaratra sy ny ririnina.
-
Fotoana iasana dimbiasan’ny fotoana ialana sasatra.
Na dia matetika aza isika no tsy afaka misafidy ny iray amin’ireny toe-javatra ireny satria mitranga fotsiny tsotra izao izy ireny, dia mbola malalaka kosa isika ny hisafidy ny fomba hasetry manoloana azy ireny. Afaka mijery hatrany ny lafi-tsaran-javatra isika na koa kivy lava foana. Azontsika atao ny mikatsaka ny mianatra avy amin’ilay zavatra iainana ary mangataka ny fanampiana sy fanohanan’ny Tompo, na afaka mihevitra isika fa irery miatrika ity fitsapana ity ka tsy maintsy hijaly ny fisian’izany irery. Azontsika atao ny “mampifanaraka ny zotram-piainantsika” amin’ilay toe-java-misy vaovao, na afaka manapan-kevitra isika ny tsy hanova na inona na inona. Afaka mandrehitra ny jirontsika isika ao anatin’ny haizin’ny alina. Misafidy ny hanao akanjo mafana isika mandritra ny ririnina mangatsiaka. Afaka mitady fanampiana ara-pitsaboana sy ara-panahy isika mandritra ireo fotoan’ny faharariana. Misafidy ny fomba hasetry ireo toe-java-misy ireo isika.
Ny hoe mampifanaraka, mianatra, mikatsaka, ary misafidy dia samy matoantenin’ny mpanao avokoa. Tsarovy fa mpanao zavatra isika fa tsy zavatra. Ary aoka tsy hanadino velively isika fa i Jesoa dia nampanantena ny “hitondra eo Aminy ny fanaintainana sy ny aretin’ny olony … mba hahazoany … [manampy]” antsika rehefa mitodika Aminy isika. Afaka misafidy ny hanangana ny fototra iorenantsika eo amin’ny vatolampy isika, dia i Jesoa Kristy izany, ka rehefa tonga ny tafio-drivotra dia “tsy hanan-kery amin[tsika] izany.” Nampanantena Izy fa “na zovy na zovy no ho avy [Aminy], dia izy no horaisi[ny]; ary hotahiana ireo izay manka[ny Aminy].”
Fa izao koa anefa, misy fitsipika iray fanampiny izay tena manan-danja tokoa. Nilaza i Lehia fa “tsy maintsy ilaina ny hisian’ny … fifanoherana amin’ny zava-drehetra.” Midika izany fa ireo zavatra mifanohitra dia tsy afaka ny hoe misy mifanalavitra. Ary afaka mifameno mihitsy aza izy ireo. Tsy afaka ny hamantatra ny dikan’ny hoe fifaliana isika raha tsy hoe efa niaina alahelo ihany koa tamin’ny fotoana iray. Ny hanohanana indraindray dia manampy antsika hankasitraka manokana ny fotoana izay hananantsika hanin-kohanina sahaza indray. Tsy afaka hamantatra fahamarinana isika raha tsy hoe efa nahita lainga tetsy sy teroa.
Ireo fifanoherana ireo dia toy ny lafiny roa amin’ny vola madinika iray. Eo foana ireo lafiny roa ireo. Nanome ohatra momba izany hevitra izany i Charles Dickens rehefa nanoratra izy hoe “Sady fotoana tsara indrindra ireny no fotoana ratsy indrindra.”
Hozaraiko aminareo ny ohatra iray avy amin’ny fiainanay manokana. Nitondra ny fotoam-pifaliana mamy indrindra niainanay teo amin’ny fiainanay hatrizay ny nivady sy nanangana fianakaviana sy nanan-janaka, kanefa koa rehefa nisy zavatra nanjo ny iray taminay dia nitondra fotoam-pangirifiriana sy alahelo ary fahoriana lalina teo aminay izany. Ny fifaliana sy fahasambarana tsy mety tapitra niarahana tamin’ireo zanakay dia indraindray arahin’ny aretina sy ny fidirana hôpitaly ary alina tsy atoriana feno adin-tsaina, ary koa fahitana fanamaivanana ao anatin’ny vavaka sy ny tsodranon’ny fisoronana. Ireny zavatra niainana samy hafa ireny dia nampianatra anay fa tsy irery velively izahay rehefa ao anatin’ny fijaliana, ary izy ireny dia nampiseho anay koa ny hoe hatraiza no azonay nozakaina miaraka amin’ny famonjena sy fanampian’ny Tompo. Nanefy anay tamin’ny fomba mahatalanjona ireo zavatra niainana ireo, ary izany rehetra izany dia tena tsisy nanenenana. Moa va tsy izany no antony maha eto an-tany antsika?
Mahita ohatra mahaliana maromaro ihany koa isika ao amin’ny soratra masina:
-
Nampianatra an’i Jakôba zanany i Lehia fa ireo fahoriana nijaliany tany an-tany foana dia nanampy azy hahalala ny fahalehibeazan’ Andriamanitra ary “[Andriamanitra] hanokana ny fahorian[y] ho tombontsoan[y].”
-
Tamin’ny nanagadrana tamin’ny fomba nahatsiravina ny Mpaminany Joseph Smith tao amin’ny Fonjan’i Liberty, dia nilaza taminy ny Tompo fa “ireo zavatra rehetra ireo dia hanome a[zy] traikefa ary ho soa ho a[zy] izany.”
-
Ary farany, tena marina tokoa fa ny sorona fanavotana tsy manam-petran’i Jesoa Kristy no ohatra lehibe indrindra naneho fanaintainana sy fijaliana tsy mbola nisy hatrizay, kanefa nitondra ireo fitahiana mahatalanjon’ny Sorompanavotany ho an’ireo zanak’ Andriamanitra rehetra ihany koa izany.
Rehefa misy tara-masoandro, dia tsy maintsy misy aloka koa ao izay. Afaka mamotika ny tondra-drano, kanefa matetika izy ireny no mitondra aim-baovao ihany koa. Matetika ireo ranomasom-pahoriana no mivadika ho ranomasom-piadanana sy fahasambarana. Ny fahatsapana alahelo rehefa mandao ity fiainana ity ny olona akaikin’ny fo dia voaonitry ny fifalian’ny fihaonana indray any aoriana any. Mandritra ireo vanim-potoan’ady sy fandringanana, dia mitranga ihany koa ho an’ireo izay manana “maso hahita ary sofina handre” ny zavatra madinika maro mifono hatsaram-panahy sy fitiavana.”
Matetika izao tontolo izao ankehitriny no voasongadin’ny tahotra sy ny tebiteby—tahotra ny zavatra mety hoentin’ny hoavy ho antsika. Nampianatra antsika anefa i Jesoa mba hatoky sy “[hibanjina Aminy] amin’ny eritreritra rehetra; aza miroanàhana, aza matahotra.”
Ndeha isika hanao ezaka tena an-kitsim-po ny hijery hatrany ny lafiny rehetra amin’ny vola madinika izay atolotra antsika eo amin’ny fiainana. Na dia mety tsy hitantsika avy hatrany aza ireo lafiny roa indraindray, dia afaka mahafantatra isika ary matoky fa samy ao avokoa izy ireo.
Afaka milamin-tsaina isika fa ireo fotoan-tsarotra sy alahelo sy fahoriana ary fijaliana manjo antsika dia tsy mamaritra antsika; fa ny fombahiatrehantsika azy ireo kosa no hanampy antsika hitombo sy hanakaiky kokoa an’ Andriamanitra. Ny fiatrehantsika azy ireo sy ny safidy ataontsika no mamaritra antsika lavitra kokoa noho ireo fanambintsika.
Rehefa misy ny fahasalamana, dia ankamamio sy ankasitraho isa-segaondra izany. Rehefa misy ny aretina, dia katsaho amim-paharetana ny hianatra avy amin’izany ary fantaro fa afaka miova izany araka ny sitrapon’ Andriamanitra. Rehefa misy ny alahelo, dia matokia fa tsy lavitra eny ny fahasambarana; matetika fotsiny isika no mbola tsy afaka mahita azy. Avadiho am-piniavana feno ny zavatra ifantohanao ary asandrato ho amin’ny lafi-tsaran’ireo fanamby ny eritreritrao, satria tsy azo lavina fa misy foana ihany koa izany! Aza manadino velively ny mankasitraka. Safidio ny hino. Safidio ny hanana finoana an’i Jesoa Kristy. Safidio ny hatoky an’ Andriamanitra foana. Safidio ny “[hisaina] amin’ny fomba selestialy,” araka ny nampianarin’ny Filoha Russell M. Nelson antsika farany teo!
Aoka isika hahatsiaro lalandava ilay drafitra mahavariana an’ny Ray any An-danitra ho antsika. Tia antsika Izy ary nandefa ny Zanany Malala hanampy antsika eo anatrehan’ireo fitsapana mahazo antsika mba hanokafana ho antsika ny varavarana hiverenana any Aminy. Velona i Jesoa Kristy ary mijoro amin’ny fotoana rehetra Izy, miandry antsika hisafidy ny hiantso Azy mba hanome fanampiana sy hery ary famonjena. Mijoro ho vavolombelona ny amin’ireo zavatra ireo aho, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.