Liahona
Fandikan-teny am-bava ho an’ny Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany
Mey 2024


“Fandikan-teny am-bava ho an’ny Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany,” Liahona, mey 2024.

Any ambadiky ny sehatra

Fandikan-teny am-bava ho an’ny Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany

Manam-pahaizana manokana momba ny fiteny an-jatony no mivory ao anatina efitrano lehibe iray, adiny iray mialoha ny fivoriana tsirairay amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany, mba hampiditra ny fanitsiana farany an’ireo lahateny amin’ny fihaonambe izay efa vita dika ary hovakina amin’ny iray amin’ireo fiteny 103.

Vao manomboka ny fihaonambe, dia izay zavatra vitany eo no horaisina. Tsy maintsy tsara izany, ary tsy maintsy tsara amin’iny fotoana voalohany iny. Mitaky lantom-peo, fahaiza-manova ny haavon’ny feo, fahaiza-manonona mazava, ary fahaiza-mifehy ny fiteny, sady mampita ihany ny fihetseham-po sy ny fikasan’ny mpandahateny eo amin’ny polipitra araka ny toe-tsaina amam-panahy namoronana ilay hafatra.

Teratany sy misiônera nahavita asa fitoriana mihoatra ny 800 no nandika am-bava ny ampahany tamin’ity fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ity. Eo amin’ny antsasa-manilan’izay eo no nizara ireo hafatra avy ao Salt Lake City Utah Etazonia, raha toa kosa ka tany amin’ny firenena niavian’izy ireo no nizaran’ny antsasany iray hafa ny fandikan-teny nataon’izy ireo. Nandray anjara tamin’ny fandikana ireo lahatenin’ny fihaonambe koa ny sasany nandritra ireo herinandro mialoha ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany.

Mandritra ny fampitana, dia mazàna ireo mpandika teny am-bava, izay miara-miasa anatina ekipa ahitana olona efatra na enina isaky ny fivoriana, no mamaky ny hafatra tsirairay ao anatina efitra tsy tanteraky ny feo avy any ivelany ao amin’ny biraon’ny Fiangonana na ao amina toerana voatondro hanaovana izany maneran-tany. Ireo mpandika teny dia manao casque hihainoana ireo fivoriana amin’ny teny anglisy, ary mijery fitaovana fanaraha-maso mba hampifanarahana ny fandikan-teny ataony amin’ny an’ny mpandahateny. Tsy maintsy mitazona ao an-tsainy resaka anankiroa, amin’ny fiteny samy hafa, izay miara-mandeha ao an-dohan’izy ireo ny mpandika teny am-bava.

Nilaza i Jonas Pradas izay mpandika teny fa maika ny handre ny mpaminany amin’ny fitenin’izy ireo ireo mpikamban’ny Fiangonana miteny Hindia any Fidji. Hoy izy nitantara momba ny rahavavy iray: “Tamin’ny teny anglisy ireo fivoriam-piangonana izay hany azony natrehana nandritra ny taona maro. Na dia tsy nahay ilay fiteny mihitsy aza izy, dia tonga sy nipetraka tsimoramora izy mba hahatsapa ny Fanahy fotsiny. Faly ery izy amin’izao fotoana izao handre ny filazantsara amin’ny fiteniny.”

Hamoaka printy